Sciatique

1. xxx ( 16/11/2007 10:32)
Manahoana daholo,
Hono re rey olona, inona avy ny antony mety hoe mahatonga ny sciatique?
Misy milaza hoe noho ny hatsiaka.
Misy milaza hoe noho ny tsy fihetsehan'ny tongotra maharitra sy miverimberina isan'andro.
Lasalasa ny eritreritra e...
Misaotra an'izay mizara hevitra.
répondu par niryna le 18/11/2007 03:40
2. Veloo ( 16/11/2007 17:32)
Misy milaza hoe noho ny tsy fihetsehan'ny tongotra maharitra sy miverimberina isan'andro


ity no marina

raha atsiaka ndray dia arthrite zany...
3. niryna ( 17/11/2007 00:06)
Ny http://www.spineuniverse.com/displaygraphic.php/3743/sciatic-nerve-wu-AA.jpg
sciatic nerve
Aretina vokatra avy amin'ny nerve io ka matetika avy ao amin'ny lamosina no manomboka ary dia midina any amin'n y tongotra havia na havanana.Rehefa tonga io aretina io satria vokatry ny nerve ilay izy dia mety mahatsiaro malemilemy ilay toerana na tsy hafa mihitsika(paralyzed)na numbness(doto be ka na kapohana aza tsy maheno firy)na pintched nerve(misy manindrotsindrona toy ny fanjaitra kely) ary misy ny mild na sharp nerve (izany hoe tsy dia heno firy ilay izy na manindrona miverimberina.
Vokatry ny lamosina izany no mahatonga an'io.Ary ny fanaovana treatment na therapy no manala ilay fanahitainana.Mazana be ny mahazo rehefa voa an'io ny olona.Rehefa tsy voatsabo ilay izy na tsy ampy ilay fanafody dia miteraka arthritis na ilay manakotsako toy ny didina amin'ny antsy any anaty.
Fadiana ny mihinana yogurt fa misy zavatra tsy tian'ilay vatana ao,tsy tadidiko ilay izy.
4. niryna ( 17/11/2007 00:47)
Roa karazany no mety mahazo ny olona dia ny iray avy any amin'ny tenda na cervical radiculopathy no anarany ary ny iray any ambany amin'ny lamosina dia lumbar radiculopathy no hilazana azy.Tsy haiko ny teny gasy fa miala tsiny aho.
Ilay cervical radiculopathy:
nerve avy any amin'ny tenda ary midina any @ tanana,sy ratsana.
Ilay lumbar radiculopathy:
nerve any ao amin'ny lamosina,mandeha any amin'ny vody,midina any @ tongotra ka hatrany @ rantsany.
5. niryna ( 17/11/2007 01:59)
Ilay cervical radiculopathy dia misy maro no mety mahatonga azy: ohatra hoe mety nibata zavatra ka tsy nahatandrina amin'ny fomba fibatana azy ary dia mety nivilana ny taolana eo akaikin'ny hatoka na tafiditra eny anelanelan'ilay taolana ilay nerve.Mifandiso izany ilay disc.Misy anarany maro koa no filaza azy io.(herniated disk,bulging disk sns..)
Ny lumbar radiculopathy koa dia mety ho voa hianao raha nibata zavatra tsy mifanaraka amin'ilay position tokony hatao ka dia mifandrirotra sy mihetsika ilay disc ary mahazo ny nerve.(tokony miforitra ny lohalika rehefa mibata zavatra)
Misy miteraka halemena mihitsy raha tsy mitandrina ary misy didina.Saingy raha azo hatao dia lefero fa tsy misy mananome anao hoe ho sitrana tanteraka raha didina.Ny tenda na ny lamosina.Ny tenda indrindra
Inona no lafi-ratsiny amin'ilay fandidiana tenda?
Manao speech therapy aloha hianao(am-pianarina miteny toy ny zaza ary ny feonao dia lasa toy ny robot)ilay olona didina tenda vokatry ny sigara ireny,mety miteraka ratra ao anaty ary mety sarotra ho sitranina indrindra raha misy diabeta ilay olona,mety halemy ilay olona raha sanatria ka mifandiso ny nerve ,ary mety ho faty mihitsy.Ireo no omen'ny dokotera,ary tsy afaka manao akanjo miseho tenda intsony hianao fa tapenana foulard foana :roll:
Ny lafitsarany? Mety ho sitrana ary tsy afaka miasa mandritra ny 6-10 volana any.kely ny chance amin'ny fanasitranana.
Mila mitandrina amin'ny fibatana zavatra mavesatra, koa,mila miforitra ny lohalika fa tsy tonga dia mitsangana.
Fampatsiahivana:Rehefa manao zavatra dia ataovy amin'ny fo fa raha ao anaty hatezerana hianao no manao zavatra indrindra fa mibatabata zavatra dia mety tsy ahatandrina ka hiafara amin'ireo aretina mahazo ireo.Matetika fanafody no omen'ny dokotera na tsindrominy cortizcostereoid ilay olona,manampy saingy rehefa afaka enim-bolana dia mitsindrona indray:cry:Ny fanaovana zavatra miverimberina amin'ny tanana iray ihany(repetitive)koa dia fadio raha azo atao fa vao maika mankarary ny tanana iray izay salama satria mifandrirotra ilay nerve.Ataovy mifamadibadika izany raha sendra miasa hianao ka manao zavatra tsy mijanona ny tanana.

Rehefa tsy manaraka na manaonao foana na mibata zavatra tsy tokony ho zaka intsony dia mety hihetsika io sciatica io ary tena malemy mihitsy,na manavy any anaty na toy ny voatsindrona ny antsy ilay fery kanefa tsy hita fa any anaty.
Mila mihinana voa toy ny almond,walnut,zavoka matetika.
Mila manao exercice mikasika ny vatana ambony sy ny vatana ambany(push up no mety)

Rehefa miha-lehibe dia tonga ho azy ny aretina ary saika marary lamosina daholo ny olona.Rehefa matory mitsilany koa dia asio hondana eo anelanelaky ny fe amin'izay tsy mifandimpatra ny tongotra roa.Fadiana ny matory miankohoka fa midina ny kibo raha azo atao,na asio ondana ao amin'ny kibo,asio ondana koa eo amin'ny tongotraraha matory mitsilany, raha marary lamosina hianao,na vizana mijoro lava na bevohoka fa tena manampy.
6. Veloo ( 18/11/2007 01:48)
oay kle tena mahay mihitsy i nyrina zany :wink:
7. niryna ( 18/11/2007 03:13)
Veloo:

oay kle tena mahay mihitsy i nyrina zany :wink:



:D
8. niryna ( 18/11/2007 03:40)
Ireto misy exercices kely azo atao raha marary ny atoka vokatry ny fibatana zavatra na nanao zavatra niverimberina ka nanakany amin'ny tenda sy ny lamosina.Mila manantona dokotera aloha vao afaka manao sao sanatria ambony ny tension na misy zavatra hafa tsy ahafahana manao ilay exercices.
http://vitalitychiro.com.au/Exercise1.htm
http://vitalitychiro.com.au/Exercise2.htm
http://www.dkimages.com/discover/previews/863/80022909.JPG
http://www.dkimages.com/discover/previews/1012/764858.JPG
http://static.howstuffworks.com/gif/core-abdominal-and-lower-back-exercises-1.jpg
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1687