Tokelaka ara-pinoana Teo no eo dia haiko!

1. ikaretsaka ( 12/11/2007 04:05)
Aleo mba hitokelaka fa aiza no de hiady hevitra foana

Mba hijoro vavolombelona koa ry niryna a

Sendra mba nandeha kely tany avaratry ny "Kintana" tany aho vao haingana izay! Ao Kanad ao a moa, indrindra i Toronto sy ireo tanana ao Quebec, raha manaraka lalana ianao, dia saika anarana olomasina aby ny ankamaroan'ny lalana. Vaovao @ izany Tanana koa moa ny tena ka mba nandeha bus hijerijery ny manodidina!

marihina fa ny any sy aty koa moa vokatr'ilay mety hisy olona T\touristes sy jamba mitaingina bus dia Fomban'ny saoferana bus no miteny ny anaran'ireo lalana isaky ny misy arret.
Za mo tia io mipetrapetraka aty afara io (any no mba afaka mitsotra ny ranjonay lava tongotra itony) dia nisy arret izay, dia niditra ilay Rangahy clochard efa mamomamo izay, dia nipetraka teo akaikiko dia somary raiki-tory teo, za moa tsy te higafy dia navelako natory tsara lery!

Nony tonga teo @ ilay lihon-dalana lalana anankiray izay ary dia ho'zy le saofera mafy be hoe Saint Joseph.... dia hozy le Razoky hoe ... "priez pour nous!"
Tonga dia arako hoe katolika lery:-D:wink:
répondu par fijo le 23/11/2007 23:12
2. LazaDaddy ( 12/11/2007 06:25)
ikaretsaka:
Tonga dia arako hoe katolika lery
satria mamo lava ve?
3. pissoa ( 12/11/2007 06:47)
Ika =))=))=))

satria mamo lava ve?

Satria tsy tahaka anao angamba ka :b:b:b
4. ari.malala ( 12/11/2007 06:51)
ika; :-D:-D:-D:-D

Laza, fa in ny problemanao am katolika?
5. Papoose ( 12/11/2007 09:57)
Ika, ohatran'ny henoko miaraka @ le accent!:lol:
6. cutie ( 12/11/2007 10:23)
t@ oviana Ika no nandeha tsy mba nilaza akory :-D:-w
7. rabilabila ( 12/11/2007 13:15)
tokelaka moa izy 'ty ka dia handray anjara ny tenako fa tsy hanao vavolombelona akory :wink:


Fony mbola kely ,sahabo teo amin'ny valo taona teo ,dia nomen'i Endrinay boite -na biskuit izay izahay mianadahy (izaho sy ny zokiko lahy) ,omena an'Ingahy Pasitera fa fetin'ny ray moa ny andro ary hoy ny Endrinay hoe : "Andraso rehefa vita ny "fandraisana " vao manantona azy ianareo."

Niandry teo an-tokotany izahay midahy ,ary nony tonga ny lera dia nandeha nankany amin'ny trano fisainana hanolotra ity biskuit .
Akory anefa ny hagagàna nahita ity "mpitandrina " miohoka eo ambony latabatra 8O( toa tsy nahandry tany an-trano angaha nisotro ity apéro),mbola feno vera misy rano menamena (ilay ràn'i Jesosy ).
Nangidihidy ny loha nieritreritra ny tokony atao ,ho-tairina ve i Dadapasy sa ahoana hoy i Razokinibe,.................Tapaka ny hevitra ary fa tsy mendrika ny hihinana ilay biskuit Ingahy mpitandrina .....................ka dia nalaina ireto vera anankiroa hanarahana ilay zava-mamy ,ary nipetraka teo an-tokonana nikesokesona ilay zavatra.
Mbola tsaroako foana ny komantera-ko hatramin'izao hoe : " sady mamo lava i Pasitera no mpandainga fa kay tsy divay akory no sotroina fa sirop de grenade " ary rehefa nody tany an-trano dia notantaraina tamin'i Endry ny fandehan-javatra (sady miandry kapoka ihany ) ,saingy tsy izay no azo fa valin-teny anisan'ny nahafinaritra ahy :" Tokony nentinareo nody ilay izy ,nifampizaranareo tamin'ny sàsany ":)

Vita tompoko!!!!
8. ikaretsaka ( 12/11/2007 16:33)
LazaDaddy:

Tonga dia arako hoe katolika lery
satria mamo lava ve?


Laza marina,
@ zavatra nolazainy ka, Angaha ra clochard sy mamolava no hitsarana hoe katolika izy?
Misy clochard sekta izao fa rehefa ririnina ny andro ka mangatsiaka izy na tsy ampy sakafo dia any @ mompera sy ry masera no misitrika, manao soup kitchen sy mamonjy shelter.
Dia heo satria izy mamolava sy manantona an'i mompera dia hoe? duh!
9. ikaretsaka ( 12/11/2007 19:29)
ari.malala:

ika; :-D:-D:-D:-D

Laza, fa in ny problemanao am katolika?


tsy izany fa mety nisy sipa Katolika ka tsy nety zakany
na nisy sipa nahatara azy fa zakana bandy katolika!
10. cutie ( 12/11/2007 19:43)
aiza aza le teny filamatra @ zao:-D:-D:-D:-D
11. niryna ( 12/11/2007 20:05)
ikaretsaka:

Aleo mba hitokelaka fa aiza no de hiady hevitra foana

Mba hijoro vavolombelona koa ry niryna a

=D=D:-*

Sendra mba nandeha kely tany avaratry ny "Kintana" tany aho vao haingana izay! Ao Kanad ao a moa, indrindra i Toronto sy ireo tanana ao Quebec, raha manaraka lalana ianao, dia saika anarana olomasina aby ny ankamaroan'ny lalana. Vaovao @ izany Tanana koa moa ny tena ka mba nandeha bus hijerijery ny manodidina!

marihina fa ny any sy aty koa moa vokatr'ilay mety hisy olona Ttouristes sy jamba mitaingina bus dia Fomban'ny saoferana bus no miteny ny anaran'ireo lalana isaky ny misy arret.
Za mo tia io mipetrapetraka aty afara io (any no mba afaka mitsotra ny ranjonay lava tongotra itony) dia nisy arret izay, dia niditra ilay Rangahy clochard efa mamomamo izay, dia nipetraka teo akaikiko dia somary raiki-tory teo, za moa tsy te higafy dia navelako natory tsara lery!
:roll::roll::oops:8O

Nony tonga teo @ ilay lihon-dalana lalana anankiray izay ary dia ho'zy le saofera mafy be hoe Saint Joseph.... dia hozy le Razoky hoe ... "priez pour nous!"
Tonga dia arako hoe katolika lery:-D:wink:

:-$:-$=))=))=))

12. cutie ( 12/11/2007 20:36)
Voalaza teo :

Nony tonga teo @ ilay lihon-dalana lalana anankiray izay ary dia ho'zy le saofera mafy be hoe Saint Joseph.... dia hozy le Razoky hoe ... "priez pour nous!"
Tonga dia arako hoe katolika lery

saika tsy hime za :-D:-D:-D:-D
13. ikaretsaka ( 12/11/2007 21:15)
any aminareo any anie... sady le accent kebany .. hmmmm
14. fijo ( 13/11/2007 22:54)
elahy ity ry laza tena tssssss;ahita loza ato ialahy fa ataovy.
io pasitera mamo io ry rabilabila tsy vaovao ,za koa efa sendra an'io ,fa toran'ny hehybe.ny anay moa fahiny rehefa mahita fopla ataon'ny pasitera de mamanay foan ano ataonay fanalana hoe "izany no finoanareo"
15. ikaretsaka ( 13/11/2007 23:00)
fa za tokoa nahita pasitera izay letia ry fijo niaraka taxi brossy tamiko hatrany toliara, fa mitifitra kely foana i lery dia mamo ny farany, fa nipoitra aby ny secret.. tena konfesy izany zanako! ny hoe mampirafy manginy fotsiny, fa ny tohiny rrre,
saingy secret de la confession moa ka de...
16. fijo ( 13/11/2007 23:07)
io anie ny katolika no atao fanalana satria ny mopera vazaha fahiny de tadiavana kisa,fa raha ny ataon'ny rapasy anie ka loza e.
efa notantaraiko tato moa ohatra ilay rapasy teo an tanananay tany amina"makorel" no nalain'ny zanany.
misy rapasy antesaka izay koa,lery io raha hisotro betsa tena hikoizana;maro no azo lazaina fa de takomana
17. cutie ( 14/11/2007 21:33)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 12-11-2007 22:15:15
Lohateny : Re : Tokelaka ara-pinoana Teo no eo dia haiko!
any aminareo any anie... sady le accent kebany .. hmmmm

aiza a :-D
18. fijo ( 14/11/2007 22:38)
any hoany ka
19. ari.malala ( 15/11/2007 10:28)
ikaretsaka:


ari.malala:

ika; :-D:-D:-D:-D

Laza, fa in ny problemanao am katolika?

tsy izany fa mety nisy sipa Katolika ka tsy nety zakany
na nisy sipa nahatara azy fa zakana bandy katolika!




d zay tokoa angaha:-D:-D:-D:-D
20. fijo ( 15/11/2007 23:21)
kay resaka sipa le.tsssss ndao ao amin'ny sektako fa ao hiombonana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2452