VAZAHA VAVY ...

1. lemenakely ( 11/11/2007 14:45)
Asa aloha ato @ serasera ato raha misy zatovolahy gasy miaraka @ vazaha vavy indrindra fa frantsay fa tena VRAIMENT INSUPPORTABLE !! ...raha ny zavatra hitan'ny masoko .Réunionais ilay lehilahy ary frantsay ilay vehivavy fa dia mahatanty ilay kôfa ..Eny e sora-jandiana aloha izy ity fa ny anay dia ny gasy ihany e!
répondu par rakapy le 03/12/2007 04:07
2. xxx ( 11/11/2007 15:32)
:-D:-D:-D:-Dzà mahalala bandy miaraka am vazaha ato, française fa miaraka ireo fa tsy iray trano, izay no mampifankatia andry zareo, fa ny miaina 24/24h amin'ilay sipa hono tena tsy laitra.....
3. sitlo ( 11/11/2007 21:47)
Ny ahy letsy tsy dia haiko ny frantsay fa raha eropeanina, ny sipan'i Berlin no tiako. Fa raha tsy Eropa dia Vietnam ihany no hitako tena mitovy revy amintsika gasy.
4. keyoann ( 12/11/2007 00:20)
sitlo:

Ny ahy letsy tsy dia haiko ny frantsay fa raha eropeanina, ny sipan'i Berlin no tiako. Fa raha tsy Eropa dia Vietnam ihany no hitako tena mitovy revy amintsika gasy.



f inn lo le revy lazain i sitlo e!:?::?::?:8O
5. sitlo ( 12/11/2007 00:49)
Zavatra mampihomehy ohatra na zavatra mahaliana sy tsy mahaliana, na fombafomba, na fari-piainana etc Tsy haiko na isika ilay samy zanatany frantsay fa ohatra ny misy itovizany izany.
Tsy dia mis'int amin'ny vahiny loatra fa raha vao fotsy dia vazaha izay dia raha vao mainty dia afrikanina dia raha vao misarotsarona dia arabo ... tsy misy hoe Iran sa Irak ehh, Gabon sa Kenia, Sinoa sa Taiwan, Karana sa Pakistanais. Fahitako manokana ireo an. Ry zareo ohatra tia foot, tia mathematika, ..., hita hoe faly na dia tsy manankarena aza. Ohatra ny gasy eh. Ny gasy izao raha tsy manana tomobil na telefonina dia tsy mampaninona mihitsy. Fa raha hikoty vazaha ianao tonga dia ny numero no fanontaniana faharoa. Tsy hoe ratsy ilay izy, izay no standing-ny, fa izany hoe tsy mitovy fotsiny.
Izaho raha manome torohevitra ho an'ialahisany hikoty vazaha dia ampianaro teny gasy ndraindray eny izy. Dia asaivo mijery klipy sareraka, ... fa ry zareo tena tsy mahazo veroka izany fiainana malagasy izany mihitsy.
6. sakaizakely ( 12/11/2007 09:28)
sitlo:
asaivo mijery klipy sareraka,


zany ka revy an :-D:-D:-D:-D:-D
7. sakaizakely ( 12/11/2007 09:35)
lemenakely:
VRAIMENT INSUPPORTABLE !! ...raha ny zavatra hitan'ny masoko


zavatra iray hitan'ny masonao ve dia ampy anaovana faobe ny foko iray manontolo ? =D=D=D=D

Misy olona iray izay mba nitsidika an'i madagasikara, variana dia variana mahita an'ireny katramia mitsirovy, mitsindroka sy mangataka ireny. nisy fotoana koa izy nisy nanendaka ny fakantsary sy ny poketra.

Dia vaky vava izy fa androrosy sy mpangalatra daholo hono ny gasy, satria izay no hitany tany

Manaiky ve nareo fa mpanendaka sy mpangataka daholo ny gasy rehetra ? :-D:-D:-D:-D:-D
8. koffman ( 12/11/2007 13:41)
sakaizakely:
Manaiky ve nareo fa mpanendaka sy mpangataka daholo ny gasy rehetra ?

Le mpanendaka alou tonga de tsia ny valiny; misy fa tsy ny rehetra... Mpangataka koa tsy ny reetra fa maromaro ihany.. le mpangataka @ na vazaha io an!
Misy fianakams maromaro zay no fantatro, manambady vazaha ny zanaka vavy na lahy iray @ reo, fa de botry le vazaha anaovan'le fianakaviana azy, hataon-dry zareo fa ho milliardaire angamba le vazaha , ento @ resto e, vidiano portable e, vidiano kiraro e, .......mangataka e! (mangataka fa tsy eny an-dalambe fotsiny angamba)
Na tsy ny vazaha ihany fa inoako fa be de be nareo eto gasy mipetraka any an-dafy, de inn no tsy hafaran'ny fianakavianareo aty reefa hody nareo? na inn no tsy angatahiny reefa tonga aty Dago nareo? heveriny manko fa misy vola raofim-potsiny any de zay no mahatonga azy hangataka. Mahamenatra!!!!:x
tsetsatsetra tsy haritra fotsiny iny namaly an'le fantanina'i sakaiza fa tohizo ny resaka e!:wink:
9. ramna ( 13/11/2007 19:12)
za mahafantatra lehilahy gasy manambady vavy frantsay. Cadre sup ilay lahy ary instit ilay vavy. Telo ny zanaky ry zareo; ary vao nanorina trano genre pavillon. Samy tsara tarehy izy roa ary tena tanora ary raha ny fijeriko azy dia sambatra be.
10. xxx ( 14/11/2007 08:12)
Tsy aleonareo v gasy iany eh:oops:
11. bitrokel ( 14/11/2007 11:13)
fa maninona no tsy maintsy§ hoe aleo gasy ihany...samy manana ny tiany sy ny tandrifiny leitsy io a!
samy olombelona ka aza asina problema ry reto ah!:roll:
12. lemenakely ( 14/11/2007 19:26)
ramna:

za mahafantatra lehilahy gasy manambady vavy frantsay. Cadre sup ilay lahy ary instit ilay vavy. Telo ny zanaky ry zareo; ary vao nanorina trano genre pavillon. Samy tsara tarehy izy roa ary tena tanora ary raha ny fijeriko azy dia sambatra be.



fijerinao ivelany izay fa ny ao anatiny tsy hitanao ! ny ahy anie n yvia de couple no jereko fa tsy hoe tsara tarehy izy e! tsara bika ! etc...
13. salmo1 ( 27/11/2007 16:23)
lemenakely:
..Eny e sora-jandiana aloha izy ity fa ny anay dia ny gasy ihany e!

samy manana ny tiany leisy io ah!!!


14. rakapy ( 03/12/2007 04:07)
Na gasy na vazaha ny vadin'ialahy rehefa mahatsiaro sambatra sy mandeha ny fiainan'ialahy dia zay no hifalio.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1629