Mila vahaolana maika be!!!

1. ari.malala ( 02/11/2007 05:22)
miarahaba ny mpisera rehetra.

Misy olana ngeza be tsy maintsy ahitana vahaolana hatram alahady ry reto ka mba ilàko ny soso-kevitrareo. Izao ilay cas, manana cousine izay aho, kamboty ray sy reny izy io, 4mianadahy izy no zanaky ny RAD ny, fa ny 3lahy efa misy mitaisa, dia ilay vavy kely tao @ anadahin'i mamanay no nipetraka hatram 95 nahafaty ny reniny. @izao fotoana izao nefa dia mitaraina mafy ikalakely fa tys tamana ao @ ry dadatoanay itnsony, fa mafy loatra ny fitondrana azy ao, ary na izahay ety ivelany aza mahatsapa ilay izy fa tsy afaka niditra moa satria izy ireo no tuteurs legal, sady anaovany toeran-tsy zaka ilay zaza refa misy miteny andry zareo:-( Omaly dia nanao aveu tamiko ilay cousine ko fa efa nisy tentative de viol in3 nataon'ilay dadatoanay azy fa tsy nisy tanteraka. Miady saina mafy izahay satria ny dadabeanay tsy manaiky handray azy, izy nefa tsy te hiverina eny @ le nitaiza azy intsony mintsy, ary niozonozona mintsy fa aleony kokoa aza miasa na hanao mpanampy an-trano aza, nefa izy vao afaka BEPC teo... eny @ lycée Ambohimanambola izy no mipetraka. Ny fanontaniako dia izao, te handray azy izahay, ka inona daolo ny tokony ataonay? Ny transfer ny fianarany aty an-drenivohitra, ny momba ny taratasy hoe izahay indray no hitaiza azy... Mbaa toroy hevitra ry reto fa @ alhaady izao ny fivorianay mianakavy momba ny cas ny, mbola tokony hanana ny avenir ny mintsy izy nefa dia ho sanatria ho simba ve?!!Dia misaotra mialoha e!
répondu par bazylou le 15/11/2007 11:23
2. ari.malala ( 02/11/2007 05:54)
fanamarihana: efa niezaka nitantara ny nanjo azy t@ rahavavin'dry neninay iany zany izy, fa tsy nino izy ireo satria noheveriny fa hoe leo ny mahazo azy ao amindry dadatoanay ilay cousine ko de mamorona fa nony niverina ilay resaka vao nino izy roa vavy?

Fanitsiana
eny @ lycée Ambohimanambola izy no mipetraka
eny @ lycée Ambohinamambola izy no mianatra

Dia mbola manantena ny valin-teny sy ny fanampianareo namnaa e! misaotr amialoha.
3. tess ( 02/11/2007 06:29)
i ari. ah! ataovy tsara ny taratsy aky dia entina hatao sonia farahafaratsiny any am fotokotany ohatra na manampahefàna sa tsy mety ve izany....atao ny fitarainana fa mal traitée ikalakely dia maka renseignement tsara...
afaka toriana koa ange lay olona e!
efa zava-dehibe aloha ny hevitrareo hoe hitaiza azy fa tena mampalahelo be izany ky kou!:?
4. bobone ( 02/11/2007 08:30)
Ari.
tena misy fahamarinany ny tenin\'i Tess fa ataovy azava tsara ny taratasy rehetra momba ilay zaza avy eo makanesa any @ Fokontany ! ary hadihadio tsara ilay zaza @ zavatra rehetra niainany tany @ dadatoany izany ary rehefa mipetrapetraka tsara izay vao hita eo ny tohiny fa tsy rariny koasa izany hataon\'i Dadatoany izany ! mila sazina izany fa tsy lasa an! sady efa mampijaly zaza no mbola manimba le zaza!
5. koffman ( 02/11/2007 09:04)
Maninn rah toriana le dadatoany e? sa matahotra ny ho ratsy fihavanana ianareo? Na ataovy mazava ny resaka e, miara-mivory aminareo moa le dadatoany @ Alahady? Rah izany de tsory aminy le zvtra tsy zakan'i kalakely fa aza aolakolana,
Ny fahitako azy koa nge na ry zareo aza mety leo an'Ikala e, ... tiako tenenina de izao , samy mifankaleo na le olona ipetrahana na le mipetraka , de anaovan-dry zareo toetra tsy zaka le kala, ka mety ho ny fialàn'i "cousine" ao aminy mintsy no tadiaviny, i "cousine" rahateo koa moa tsy mahazaka intsony fa mafy loatra le toetra. Raiso ny andraikitrareo ry ari.malala a, raiso izy fa mety ho izay no tadiavin'izy roa tonta. Ampahafantaro an'i "Dadatoa" mintsy hoe reefa tsy vitanareo izy de vitanay.:wink:
6. methode ( 02/11/2007 09:11)
Zavatra tena misy io ary efa maro ny toy izany ka ilaina ny manao taratasy tsara. Ilaina indrindra indrindra ny filazan'ilay zaza ny nanjo azy amin'ny tomponandraikitra afaka manome fanapahan-kevitra! Fa raha tena mpihavana aloha tokony tsy hisy olana e! Tokony halalaka ny fifindrany zaza raha misy vonona handray azy!
7. tywa68 ( 02/11/2007 09:23)
ari. : tena mampalahelo fa soa misy olona tsara fanahy ohatranao ka vonona ny handray azy ; tandremo miady @ilay dadatoa raha tsy azo dhl ny ttsy mety ilaina rehetra sao sahirana eo. Teneno mihitsy hoe mba te-hikarakara azy koa nareo fa nitaraina tany aminareo izy ; raha misikotra be moa hoe f'inona no antony d anjaranao ny miteny aminy hoe zao sy zao. Ny Tompo anie hitantana anao.:-*:-*
8. tsiafoi1 ( 02/11/2007 11:07)
Fahendrena ny tsy mihaino feon-dakolosy tokana, satria raha alaiko ara-keviny mety ho zaza miala sakana le cousine raha taonan'ny ankizy afaka BEPC, ka mety misy toetra tena tsy zakan'ny fianakaviana ao!! Fa raha tena sur le zava-nitranga dia tsy tokony hotaraiky mandray fanapaha-kevitra mandray ilay cousine ianareo famille fa efa en danger rakalakely izany.
9. ari.malala ( 02/11/2007 11:14)
Misaotra betsaka anareo rehetra aloha aza nanome ny hevitrareo e! efa ela be anie izahay no te handray azy e, fa noho io resaka fianarany io iany. Iza no olona eto Tana afaka manome torohevitra ahy, momba ny fanoavana transfer? ilaina mika re azafady e! Izany hoe lycée Ambohinamambola izy no mianatra izao, ka raha tafapetraka ao aminay soa amnatsara dia ao @ lycée Andohalo (Gallieni ) no nokasainay hampidirana azy. dia mbola maerina tsy tapaka ny fisaorana hatrany e!
10. sarobidy ( 02/11/2007 12:54)
d mirary soa sy fankaherezana ho an'i ari.malala d omeo vaovao fôna zahay é
11. piton ( 02/11/2007 13:46)
Salut, aya enao misy pbl de maninn ra ba anoratana za de miaravahana ny olana, zao no azoko atoro anao: mety alo zany oe alainao le zaza fa mijaly fa tadremo iany fa tuteur légal anie le dadatoany e, mila maka ttsy any fokotany alo nareo miaraka @ le zaza atao témoin fa mijaly de teneno le zaza anao temoin ko any tribunal fa nisy tentative de viol tao fa voanareo miitsy io olona @zay fa zava-doza anie zany atony zany e? Tsy maitsy manao témoin fona le zaza fa tsy azonareo toga de oatina @zao fotsiny iny fa nareo dray no torin'ny raga eo? zay aky fa mahereza
ari.malala:

fanamarihana: efa niezaka nitantara ny nanjo azy t@ rahavavin'dry neninay iany zany izy, fa tsy nino izy ireo satria noheveriny fa hoe leo ny mahazo azy ao amindry dadatoanay ilay cousine ko de mamorona fa nony niverina ilay resaka vao nino izy roa vavy?

Fanitsiana
eny @ lycée Ambohimanambola izy no mipetraka
eny @ lycée Ambohinamambola izy no mianatra

Dia mbola manantena ny valin-teny sy ny fanampianareo namnaa e! misaotr amialoha.



12. ari.malala ( 02/11/2007 14:16)
piton, misaotra betaska @ torohevitra :) fa tsy nahalala aho hoe enao koa afaka manampy ana, de zay no nitondrako ilay resaka teto, ka soa hitanao, dia misaotra e:):-* dia harahina io torohevitrao io fa dia misaotra indrindra an!
13. ikaretsaka ( 02/11/2007 17:03)
miombon-kevitra amin'i piton, amboary ny temoin sy ny porofo dia ny anareo atao lasa aloha
fa io tutorship io tena tantara
14. niryna ( 02/11/2007 21:14)
Ari a > raha miteny ny ankizy fa misy zavatra tsy mety ataon'ny olon-dehibe ao dia tena misy tokoa raha.Izay aloha dia mitombona ary betsaka ny llhy mahavanindoza na ny zanany naterany izao aza.Vonjeo aky ilay zaza,ataovy daholo izay zavatra ahafahana manala azy ao an-tokantranon'ilay dadatoa fa hisy fiantraikany amin'ny fiainana iray manontolo io raha tazominareo ao ihany izy.Indrindra moa raha tsy mino an'ilay zaza ny lehibe.
15. xxx ( 03/11/2007 18:07)
tena be bleme foana koa ari zany an!mahereza e!
16. niryna ( 04/11/2007 06:03)
xxx:

tena be bleme foana koa ari zany an!mahereza e!

Aiza kosa e,izy ary mba mitady hevitra hanavotana ilay zaza kou .Mahafinaritra anie ry xxx ny mizara noho ny mandray e.Manaova soa foana raha mbola afaka manao hianao fa tsy misy nenina mihitsy .

17. koffman ( 05/11/2007 08:49)
mahereza e!!!
18. sasa ( 06/11/2007 04:14)
ari.malala, d ahoana? nanao ahoana ilay fivoriana? nanaiky ihany ve ry zareo sa ahoana? atovy mazava foana ny taratasy rehetra fa sao d njy indray no hahazo olana avy eo.
mahereza:-*:-*:-*:-*:-*
19. ravatorano ( 06/11/2007 05:08)
alaivo izy rehefa tsy tamana fotsiny any e
anaovy taratasy ao amin'ny fokotany misy azy dia azavaina eo ny zava mitranga
ny transfert indray mila tact b satrai mbola ato anatin'ny cisco tana ilay lycée nefa raha mahay mifanazava amin dry ra proviseur d hilamina ihany
mahereza dia mirary anareo hahavita soa amn tsara izay kasaina e:wink:

20. ari.malala ( 06/11/2007 05:32)
Misaotra anareo rehetra nanoro hevitra aloha e, dia miala tsiny fa ts teo za maly. Ny tohin'ny fivoriana, mandrapahavitan'ny transfert aloha d ao amindry dadatoa iany izy no mipetraka satria ts maints miverina nianatra omaly. Ny zavatra nahagaga sy nahatalanjona ana d ts novakiany bantsilana te oimasonay ny zavatra notantarainy ana, ilay tentative de viol zany, ary nony nanontaniak oizy nony hariva refa vita ny fivoriana d ny navaliny d hoe ts te hanala baraka azy aho... fa raha ny hevitro manokana aloha dia hoe hampifanantrehako izy telo mianaka, ry dadatoa mivady sy i cousine zany, de eo hita hoe marina sa tsia ny zavatra nolazainy, satria raha sanatria ka ts marina ilay izy d afabaraka @ ts antony i dadatoa... ts haiko mety v sa tsia. Fa raha ny zavatra tsapa aloha d tena hita fa mifankaleo izy telo mianaka e! izy mivady leo azy satria somary b didoha s bb famaliana, moa izy rahateo leo azy ireo d mamalivaly sy manao izay hahatezitra ny mpitaiza, hita t@ resaka nifanaovana t@ alahady.

Momba ny transfert, misy namana ato, efa niantso ahy ary isaorako manokana etoana, fa dia miandry tohiny isika aloha.

hoan'i xxx, misaotra @ fankaherezana e, @ fiainana anie ts voatery manga fona ny lanitra e, nefa raha izay moa ny anao fa tsisy olana, isaory Andriamanitra de irariako hitohy foana izany fiainanao misosa izany:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7899