Mila vahaolana maika be!!!
21. niryna
(
06/11/2007 05:43)
ari.malala:
Misaotra anareo rehetra nanoro hevitra aloha e, dia miala tsiny fa ts teo za maly. Ny tohin'ny fivoriana, mandrapahavitan'ny transfert aloha d ao amindry dadatoa iany izy no mipetraka satria ts maints miverina nianatra omaly. Ny zavatra nahagaga sy nahatalanjona ana d ts novakiany bantsilana te oimasonay ny zavatra notantarainy ana, ilay tentative de viol zany, ary nony nanontaniak oizy nony hariva refa vita ny fivoriana d ny navaliny d hoe ts te hanala baraka azy aho... fa raha ny hevitro manokana aloha dia hoe hampifanantrehako izy telo mianaka, ry dadatoa mivady sy i cousine zany, de eo hita hoe marina sa tsia ny zavatra nolazainy, satria raha sanatria ka ts marina ilay izy d afabaraka @ ts antony i dadatoa... ts haiko mety v sa tsia. Fa raha ny zavatra tsapa aloha d tena hita fa mifankaleo izy telo mianaka e! izy mivady leo azy satria somary b didoha s bb famaliana, moa izy rahateo leo azy ireo d mamalivaly sy manao izay hahatezitra ny mpitaiza, hita t@ resaka nifanaovana t@ alahady.
Momba ny transfert, misy namana ato, efa niantso ahy ary isaorako manokana etoana, fa dia miandry tohiny isika aloha.
hoan'i xxx, misaotra @ fankaherezana e, @ fiainana anie ts voatery manga fona ny lanitra e, nefa raha izay moa ny anao fa tsisy olana, isaory Andriamanitra de irariako hitohy foana izany fiainanao misosa izany:)
Raha hoe be famaliana sy be loha ilay zaza,mandalo amin'izany daholo ny tanora.Mety tsy ampy fitiavana amin'izy mivady koa ilay zaza dia manao ditraditra mba hifatohan'izy mivady ny sainy aminy.Sitrapon'izy mivady ve aloha no naka azy sa noterena izy ireo.Raha noterena mantsy dia mety tsy hanana fitiavana aminy izy ireo,raha sitrapo noho ny zava-miseho dia mety mihantra azy ihany izy ireo.
Fa raha resaka hoe mikitika azy na manao toetra tsy tiany kanefa ataon'ilay dadatoa izy dia misy tokoa izany ka mila mailo sy mino ilay zaza hianareo fa ny ankizy tsy hamoromporona io zava-doza io.Mety mandainga no ataony fa raha toa itony be dia be no manao an'io.
22. sarobidy
(
06/11/2007 10:40)
14. Mpandefa : xxx [ Valio ] 03-11-2007 19:07:10
Lohateny : Re : Mila vahaolana maika be!!!
tena be bleme foana koa ari zany an!mahereza e!
ny olona rehetra nge raha tsy diso a tô samy manana pb daholo e, fa maivamaivana raha mizara @ hafa:-*
23. ravatorano
(
08/11/2007 10:24)
ampifanatreho marina sao d mandainga rakalekelt d ho hita eo ny marina nefa izy v tena hahasahy hiteny an izany .... asa anefa !
:wink:
:wink:
24. sariaka5
(
08/11/2007 11:20)
Bjr, tsy hitanareo ve ny fahendren'ilay zaza na dia hoe mamalivaly sy mafy loha aza izy,raha tsy izany dia mety efa azon'i dadatoa izay notadiaviny,ka raha izaho aloha @ toerako dia tena mahafinaritra sy nety ny nataony ,ary indrindra averiko indray fa fahendrena ny tsy nitenenany teo imasombahoaka t@ fivoriana fa kosa tsy nanafina t@ Ari izay natokisina fa hino azy, mety marina hoe misy toetra ataony mahatezitra an'i dadatoa sy nenitoa nefa mbola fitsinjovana ny tokatranon'ireo no tsy nitenenenany
Ataovy a l'amiable ny fifindrany le plus vite possible fa rehefa fantatr'i dadatoa fa handeha izy izao dia handrongatra izy hanao izay hahazoany azy satria le zaza rahateo "tsy te hanalabaraka azy"
Tsy sahy hiteniteny foana toy izany ny zaza malagasy raha @ taonany mbola latsaky 15 ans ,satria sady kamboty tsy nisy antenainy no efa ao anaty fitaizana malagasy ny hanaja RaR (parents) na tsy niteraka aza
Koa aoka itsy ry Ary ny eritreritrao hoe hampfanatrika azy telo fa vao maika hanakorotan-javatra be dia be eo aminareo mianakavy fa fero fotsiny le zaza tsy hiteny na @ iza na @ iza intsony izany,fa ny fialany ao aminy no zavadehibe fa rehefa tsy ao aminy izy tsy misy n'inona n'inona azon'i dadatoa atao aminy intsony,izay fa de mahereza ianao

25. ari.malala
(
09/11/2007 06:02)
mbola hisy fivoriana moa am alahady izao, fa hoavy ilay anadahiny @ io, d hita eo ny tohiny e, d mampita vaovao eto iany za.