BOUBOUL(RAMBOATIANA ETIENNE)

1. kaleido ( 18/10/2007 13:57)
Tena nalahelo tokoa raha nandre ny fahalasanany.Tao anatin'ny fahazazàko tokoa no nandrenesako ireo hira nampalaza azy,ka ao ireo hira feno antsikana,ao koa anefa ireo izay tena mampitomany,fa tena tiako daholo.Saingy tsy mba nanana ireo tahirin-kira na dia iray aza.Ka hanaovako antso avo eto re re-olona ho anareo izay mba hafaka manome izany.Na mba ho famelomana indray ireo nampalaza azy fotsiny aza sy mba ho velona indray ireo sangan'asany ho voninahiny.
Misaotra mialoha.
répondu par rakaroka le 14/12/2007 11:34
2. simplex ( 18/10/2007 14:28)

eny wa,
ny anah ny sangan'asany t@ gitara no tena mahaliana be :P
3. sitlo ( 18/10/2007 14:59)
efa nisy dinika ohatra an'io tato http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m4717665dc46f6
4. ikalamako ( 18/10/2007 20:10)
Izaho koa dia isan'ny nalahelo. Ary ny tena nampalahelo ahy dia andrarezina tokoa izy saingy tsy hain'ny génération ankehitriny intsony.
Ity blaogy ity aza no nahalalako ny vaovao :
http://thina.artiste-malgache.com/2007/10/11/maloka/
Mba miezaka maka rakitra momba azy aho fa tena tsy mahita. Ity foana no hira miverina ao an-tsaiko - nahalehibe izy ity koh - raha vao miresaka Bouboul :

Dadatoa dadatoa dadatoa
Tianay sady maminay tokoa
Sady masiaka no tsara fanahy
Dia tsy ataonay bà
:* :* :*

Handry am-piadanana izy.
5. sarobidy ( 19/10/2007 06:34)
Efa hitako iany le napetrak'i zoky ravatorano fa ity ray ity koa mbola misy information bebe kokoa momba azy, mankasitraka ee^:^
6. kaleido ( 19/10/2007 08:03)
Ka ahoana ry ireto no mba hevitra mety ahazoana ireo sangan'asany a!Angamba koa tsara ny manontany ireo mpianany fahiny.Na tsy fantatro,afaka mijery lavitra koa,ohatra ny fananganana Association,na Fondation Bouboul,,mampalahelo anie raha toa ka samy miraviravy tanàna eto fotsiny dia ho faty hanaraka azy any koa ireo tanlentany ka na ny taranaka faramandimby aza tsy hisy ahafantatra azy akory.Tsy hoe ho faly fotsiny hankafia ireo hirany fa na ny famelomana indray ireo asany aza.Mankahery hatrany.
7. tsiahi ( 19/10/2007 08:09)

raha misy mahita hevitra ny hanaovana kapila mangirana ny sanganasany dia vonona aho hi-particper @ zany .
8. kaleido ( 19/10/2007 08:14)
Omeo tel aho dia hantsoiko ianao.
9. kaleido ( 19/10/2007 08:21)
Na koa io ny mail-ko: kaleido_mad@yahoo.fr .Tena tsy hita fa mba liana sy malahelo e!
10. ikalamako ( 19/10/2007 23:09)
tsiahi sy kaleido : mino aho fa azo ifandraisana i aintsoranaivo sy ny EGM :

http://egm.oldiblog.com/
http://aintsoranaivo.oldiblog.com/
11. kaleido ( 20/10/2007 10:38)
ikalamako:Misaotra betsaka @ hevitra fa tena mety hanampy mihintsy @ fikarohana.Izany no maha olona ka sitraka sy telina.Hihezaka dieny izao hifandray @ireo voalaza.
12. Tsikisariaka ( 22/10/2007 07:59)
Isan'ny voarotsirotsy tamin'ny gitaran'i Bouboul nandritra ny fahazazana ny tena. Taty aoriana dia tsorina fa tsy dia nandeha loatra tamin'ny onjam-peo ny hirany sy ny momba azy. Ny antony tsy fantatro. Tsy haiko hoe teto an-tanindrazana foana koa ve izy ? Fa tamim-pahatairana tokoa no nandrenesana iny fahalasanany iny. Dia iny mba nandray anjara tamin'ny fampandrenesana tao amin'ny blaogiko iny aho www.thina.artiste-malgache.com
Ary tamin'ireny fotoana manjombona ireny no nisy tsiahy tamin'ny onjam-peo sasany (RDB no fihainoko). Koa arak'ireo resaka rehetra ataontsika ireo dia nalefako any amin'ny RDB ny takila fifandraisana http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m4717665dc46f6#m4718691925c0c sy ny fangatahana fanampiana araka izany dia ho hita eo izay tohiny.
13. kaleido ( 23/10/2007 07:08)
Misaotra indrindra @ fanampiana ry
14. kaleido ( 25/10/2007 18:41)
Fa aiza re olona ianareo no toa tsy mba ahitana valiny a!
15. tsiahi ( 27/10/2007 22:12)

manao ahoana, izao indray vao miditra eto fa tena mbola entin'ny fiainana mihazakazaka .andefasako mail ianao ry Kaleido fa mbola misy olana ara -technique kely .
Mandrapihaona
16. kaleido ( 29/10/2007 20:23)
Tsiahi
17. rakaroka ( 14/12/2007 11:34)
kaleido:

Ka ahoana ry ireto no mba hevitra mety ahazoana ireo sangan'asany a!Angamba koa tsara ny manontany ireo mpianany fahiny.Na tsy fantatro,afaka mijery lavitra koa,ohatra ny fananganana Association,na Fondation Bouboul,,mampalahelo anie raha toa ka samy miraviravy tanàna eto fotsiny dia ho faty hanaraka azy any koa ireo tanlentany ka na ny taranaka faramandimby aza tsy hisy ahafantatra azy akory.Tsy hoe ho faly fotsiny hankafia ireo hirany fa na ny famelomana indray ireo asany aza.Mankahery hatrany.


Santionany iray http://as.vie.free.fr
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0688