Ny asan'ny nofo

1. LazaDaddy ( 08/10/2007 00:18)
Galatiana5:19-21:
Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.
répondu par prime le 17/10/2007 10:25
2. Rasiligaoma ( 08/10/2007 04:53)
LazaDaddy:

Galatiana5:19-21Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.

[/quote]

eny tokoa hoa:roll: izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Aa tokoa!
aza miady... aza tezitra, fa voalaza ao koa izay!

dia miombona amin'izay, ary miverena aty amin'izay fa aza misaraka sy mitsitokotoko any intsony! mba hahatanteraka ilay hafatra sy vavaka hoe mba "ho iray ihany anie izy rehetra" , mba ho "vatana iray an'i Kristy eto an-tany", mba ho iray araka ilay iray naoriny tany am-boalohany sy nankininy tamin'i Petera tokoa! sy hahalavorary ny sisa tsy voatanisa izay tsy notsimponinao!

Marina fa misy ny tsy azoazonao tao , ka nahatonga anao nisintaka , fa andao hiarahana amboarina, sy hivavaka mba hotsiloviny ny saina mba hahazoazo azy, fa tsy fiafonafonana sy ady lahy sy ny tsy fanekena amin'izao fotsiny foana no atao mibahana!

Hiditra aminao anie ny Fanahy Masina hahatsapanao izay hevitry ny teny notsimpininao teo sy ny fiantraikany aminao aloha voalohany indrindra , dia amintsika jiaby ! Amen!


3. sarobidy ( 08/10/2007 05:17)
^:^ Amen
4. LazaDaddy ( 08/10/2007 07:16)
Rasiligaoma> izaho ve no resahinao sy tsarainao? :)
5. tsaramaso ( 08/10/2007 09:03)
LazaDaddy:

Rasiligaoma> izaho ve no resahinao sy tsarainao? :)

Voatsimpona indray ra LazaDaddy le !!!!!!! hahahaaaha !!!!
Ary aza manao asan'ny nofo eo nareo mitsam an !!!!!!
6. pissoa ( 08/10/2007 11:21)
:-D:-D:-D:-D:-D
7. Mandefitra ( 08/10/2007 11:38)
za de mihomehy irery mamaky le valitenin' i tsaramaso, tena mba nifanaraka t@ ilay evenement ilay izy t@ ty ndray mitoraka ty. :-P
8. prime ( 08/10/2007 12:09)
Fahavalo goavana tokoa io asan'ny nofo io, fahavalo tsy maivana mihitsy fa tena sarotra iadiana toa an'izao tontolo izao sy Satana devoly ihany... ilay nofo mihitsy no efa voapoizina hifandrafy amin'ny fanahy ka tsy vita mora...
9. naughtyboy ( 08/10/2007 13:44)
tsy mora tokoa fa ny vatana aza ozy ny siantifika de miorina @ filana:-D
10. Rasiligaoma ( 08/10/2007 14:07)
LD> tsy mitsara aho fa mivavaka ka
11. pissoa ( 08/10/2007 17:46)
:-D:-D:-D
12. tywa68 ( 08/10/2007 18:38)
Hiditra aminao anie ny Fanahy Masina hahatsapanao izay hevitry ny teny notsimpininao teo sy ny fiantraikany aminao aloha voalohany indrindra , dia amintsika jiaby ! Amen!


Rasiligaoma : ho tanteraka anie izany ! amen
13. ikaretsaka ( 08/10/2007 21:55)
Tsetsatsetra tsy aritra nenahy an!
LD:
Rasiligaoma> izaho ve no resahinao sy tsarainao


rasily:
LD> tsy mitsara aho fa mivavaka ka


dia mba lasa ny eritreritra dia mba manontany hoe:
- ny resaka ato e:rehefa mahimahina tokao ve dia tonga lasa mahatsapa tena ho azy hoe voatsara sy/na tonga dia mandio tena be hoe aza tsaraina, aza mitsara ?
14. LazaDaddy ( 08/10/2007 22:34)
Rasiligaoma> izaho ve no ivavahanao? :)
15. ikaretsaka ( 08/10/2007 22:50)
Laza:
mivavaka ho anao sy ho antsika izy hono e:D mba hanazavan'ny Fanahy Masina antsika rehetra e
(sambatra ihany isika ka ^:^)
fa hotanteraka tokoa anie izany!






(:oops:Teneno rehefa Amen!)
16. fijo ( 09/10/2007 21:22)
elahy ry tsaramaso aza manapaka ny tsinaiko fa za mbola ihinana ravitoto an.
hoanareo kristianina,atsaharo ny asan'ny nofo an
17. ikaretsaka ( 09/10/2007 23:00)
asain'i laza mankany @ asan'ny Nofy ve ry fijo?:-D
manomboka ety an-tany ny paradisa anefa
18. niryna ( 10/10/2007 04:47)
LazaDaddy:

Galatiana5:19-21:
Fa miharihary ny asan'ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijefojejoana, fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana, fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan'Andriamanitra.


Ho tohizako io Gal 5:22-26

Soa ihany fa misy an'i Kristy isika manome antsika hery sy fanantenana ka dia miezaka ny hanantona azy hatrany satria nahazo fampaherezana isika.Tsy mbola tara raha manaiky sy mino azy ho tompontsika isika,raha mibebaka ka manatona azy amin'ny fo manontolo dia omeny hery ho tonga zanak'Atra.


22 Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,

23 fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

24 Fa izay an'i Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin'ny faniriany sy ny filàny tamin'ny hazo fijaliana.

25 Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

26 Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.
:D
19. prime ( 10/10/2007 07:28)
Voninahitra ho an'Andriamanitra amin'izany teniny izany... Amen^:^
20. fijo ( 10/10/2007 21:21)
ika izay indrindra.eto aloha,dia izay eto atao izay ahatsara azy.ny hoavy mbola futura
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1694