Ny asan'ny nofo

21. ikaretsaka ( 10/10/2007 21:50)
1) Niryna sy prime? tsy ampy ny tsimpona?:wink: (somonga ny ahy an)

dia ahoka izany isika ho velon'ny fanahy e.. "malemy ihany ny nofo" hoy ilay Zanany fony izy tany Gestemane
22. prime ( 11/10/2007 10:39)
ika> tsara ny tenin'Andriamanitra ka na tsimponina ilazàna ny fitoriana sy ny filazàna azy na ahoana d tsy maintsy ambara...:)

tsy maintsy toherina ny fahavalo fa tsy mety ny manaikinaiky fotsiny hoe malemy ny nofo sns... rehefa manana an'i Kristy... tsy maintsy manohitra ary miady...:)
23. Jeankely ( 11/10/2007 13:57)
Ny asan'ny nofo mitsaingoka mofo =))=))=))
24. cutie ( 11/10/2007 17:25)
Mpandefa : prime [ Valio ] 08-10-2007 14:09:00
Lohateny : Re : Ny asan'ny nofo
Fahavalo goavana tokoa io asan'ny nofo io, fahavalo tsy maivana mihitsy fa tena sarotra iadiana toa an'izao tontolo izao sy Satana devoly ihany... ilay nofo mihitsy no efa voapoizina hifandrafy amin'ny fanahy ka tsy vita mora...

voapoizina :roll::roll::roll::roll:
25. fijo ( 11/10/2007 20:54)
cutie an,avelao ireo hanalavitra ny nofo ,fa ndao isika hanao ny asan'ny nofo
26. cutie ( 11/10/2007 21:33)
:-D:-D:-D:-D:-D
ndao
27. rabilabila ( 11/10/2007 22:00)
asan'ny nofo = péché originel hoy ry zalahy . Ka aza manao (asan'ny nofo)ary fa fahotàna ,hono, io kinou .:-D:-D:-D
28. cutie ( 12/10/2007 02:57)
fa ny asan'ny in ihany no azo atao :-D
29. ikaretsaka ( 12/10/2007 02:59)
nefa izy no tena ..rahariva ohatra dia miala any izy sy ramatoa vadin'i pasy de hoe.. ndao reniny an!
30. cutie ( 12/10/2007 03:03)
:-D:-D:-D:-D
vadin'ny pasy foana ve fa mba ahona koa i pasy e:-D
31. fijo ( 12/10/2007 20:53)
izay anie e,izao no tena marina ry zareo an,mody lazainy fa ratsy io ,amin'izay izy irery no mitady hanjaka ao,fa za tsy azony.ndao cutie an
32. ikaretsaka ( 12/10/2007 23:35)
ka izay anie le tsy maha credible ilay zavatra intsony e!
izy mandrara no manao, asan'ny nofo hono nefa izy no manambady dy hananona rehefa ohatroatran'izay:-D
33. cutie ( 13/10/2007 00:23)
fijo
in no andrasana fa ndao:-D:-D:-D:-D
34. prime ( 15/10/2007 12:58)
Aza atao vazivazy r'izareo io fa tsy misangy anie ilay ratsy e... tena mba miangavy indrindra raha azo atao na dia noho ny anaran'i Kristy fotsiny aza nohomboana noho io asan'ny nofo io, nampijaliana, nalatsa-drà ary maty mihitsy (nefa sady tsy nanota no tsy nanana ota hoy ny tenin'Andriamanitra)... nefa izaho sy ianao no tokony ho faty teo mendrika ny heloka rehetra natao mandritra ny fotoana ahavelomana rehetra izay...

Fantatro fa hihomehy ianareo fa tsy maninona, fa ny fiangaviako dia tsotra... Andriamanitra tia ny olombelona rehetra ary tsy misy tsy tiany na dia iray aza ho faty any amin'ny helo natokana ho an'ilay ratsy... fa ilay fahavalo kosa dia (Satàna, devoly...) tezitra dia tezitra ny amin'ny olombelona izy satria manana ilay endrik'Andriamanitra... ka raha mbola misy ny fotoana ahafahana miantso ny anaran'Andriamanitra sy iantsoana Azy dia manatona Azy fa ho fenoiny fiadanana ny fiananareo... fa raha ilay rain'ny fahafatesana no sangianareo dia izaho miangavy sangio raha tianareo fa aza ny anatry ny tenin'Andriamanitra mikasika ny asan'ny nofo no atao vazivazy...

Misaotra... Andriamanitra anie homba sy hamindra fo amintsika...
35. ikaretsaka ( 15/10/2007 19:04)
tsy kivazivazy an: fa hozy ny jiosy raha nanasa-tanana i pilato hoe avelao hilatsaka aty aminay (mantsy ny tenany) sy responsability anay izany!
tokony any @ jiosy aloha no aompana ny resaka alohan'ny fiampiampangan-tena @ "noho ny...noho ny...eto" sa ahoana ry prime?:wink:
36. cutie ( 15/10/2007 21:00)
Mpandefa : prime [ Valio ] 15-10-2007 14:58:14
Lohateny : Re : Ny asan'ny nofo
Aza atao vazivazy r'izareo io fa tsy misangy anie ilay ratsy e... tena mba miangavy indrindra raha azo atao na dia noho ny anaran'i Kristy fotsiny aza nohomboana noho io asan'ny nofo io, nampijaliana, nalatsa-drà ary maty mihitsy (nefa sady tsy nanota no tsy nanana ota hoy ny tenin'Andriamanitra)... nefa izaho sy ianao no tokony ho faty teo mendrika ny heloka rehetra natao mandritra ny fotoana ahavelomana rehetra izay

eny tompoko :)
37. prime ( 16/10/2007 12:41)
ikaretsaka> mitombina tokoa izany ary raha mahatsapa ianao dia mibaby izany nataony izany ny jiosy mandrak\'ity ny androany... fa ny azy ho voaloany ny trosany mandrapihavin\'i Kristy fa izaho sy ianao mba ahoana???:)

Tsy fiampangan-tena fa fandinihan-tena ny mamantatra ny fiainana manoloana ny fananarana sy fampianarana ary ny fitiavan\'Andriamanitra... ka raha miteny Izy hoe : \"Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin\'ny fonareo rehetra ary amin\'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana.\" Joela 2:12 dia izaho sy ianao, sy izay anambarany izany no mila miverina amin\'Andriamanitra fa tsy ny jiosy niteny an\'i Pilato ihany...

Jesosy Kristy tsy tonga ho an\'ny jiosy irery ihany fa ho an\'izao tontolo izao... tsy hamonjy ny jiosy ihany fa hamonjy ahy sy ianao... tsy ny jiosy no mpanota indrindra ka ametrahana irery ny nahafaty ny Tompo fa ny fahotan\'izao tontolo izao... ary ny ràny tsy hanasa ny jiosy irery ihany fa hanasa ahy sy ianao ho afaka amin\'ny ota... ka aza variana any amin\'ny jiosy fa Andriamanitra manana lalana Azy manokana ny amin\'ireo vahoakany ireo fa ny tena no aoka hametrahana fandinihan-tena raha sitrakao...:)
38. fijo ( 16/10/2007 22:21)
za kosa ra prime tsy hanantona ny tenako eo an,lery no diso sy meloka ve de za no hiantona eo.mbay any kle.

cutie ,lasa ary aho an.
39. cutie ( 17/10/2007 01:46)
cutie ,lasa ary aho an

andraso:-D
40. prime ( 17/10/2007 10:25)
fijo> ny tenin'Andriamanitra tsy miantso an'ise hiantona eo fa efa vitan'i Kristy izany... efa nampiaran'Andriamanitra ny fahatezerany rehetra ny Zanany hisolo ny olona rehetra ka tsy misy andrasana amin'ise intsony hanao izany... fanoloran-tena ny handray ny fitiavan'Andriamanitra sy ny finoana no angatahiny amin'ise fa tsy fihantonana intsony...

cutie> tsy misy fisaorana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2359