Ireo Milaza Azy ho Tsy Mpino

1. Belle ( 06/10/2007 21:35)
Nomarihako tato ho ato fa namerimberina ny fanaporofoany ny tsy fisian'Andriamanitra, Jesoa, sy ny sisa inoan'ny mpino, ireo namana mitonona ho tsy mpino. Etsy an-daniny, dia mbola tsy nahita mihitsy kosa aho aloha, olona mpino nitondra hevitra na antony hanamarinany ny finoany e!

Noho izany dia tsy azoko hoe, nahoana kay ireo tsy mpino no misisika mandefa ireny fanamarinany ny finoany ireny foana? Mety ho ireto manaraka ireto angamba ny antony; satria ve:

- te handresy lahatra ny hafa izy?
tsy misy mihaino sy miady hevitra mantsy izay atolony ka mila manamafy ombieny ombieny foana izy!

- enjehin'ny eritreriny izy?
mitady hirona hanaraka finoana iray efa misy izy, ka miezaka manamafy loha amin'ny fanaparitahana ilay antenainy fa mety mbola ho marina ihany!

- mandresy lahatra ny tenany izy?
noho ireo roa eo ambony ireo, dia tsy matoky hoe manaraka ny marina tokoa izy, ka manao dridran'ingilo hanasana ny ati-dohan'ny hafa!

Ny resaka finoana dia ny mitazona ny an'ny tena, tsy mila fanamarinana. Tsy mitsikera na manaratsy sy mitsara ny an'ny hafa. Ary mba ahamarina ilay fitenena hoe aza atao amin'ny hafa izay tsy tianao hatao amin'ny tenanao, dia hajao ny finoany tahaka ny anajany ny anao.
répondu par fijo le 11/10/2007 20:55
2. pissoa ( 06/10/2007 22:04)
:-D:-D:-D

te ho vedety noho i Jesoa ngambany :-D
3. Fiffi ( 06/10/2007 22:06)
:-D:-D:-D
4. tsimiandravola ( 06/10/2007 22:17)
www.christianisme.ch:
La page noire du christianisme
2'000 ans de crimes, terreur, répression
Ny azoko avaly an'i Belle dia ireto:
http://www.christianisme.ch/christianisme.htm
5. ikaretsaka ( 06/10/2007 22:31)
Tsy hoe tsy mpino aho eto fa mba manao comparative an!

belle> ..mety fijerinao azy izany fa ny fijeriny anao sy ny momban'io koa hafa mihitsy kan!

ohatran'isika mandefa toriteny sy tabatabam-baiboly eto koa io ko!

Ny resaka finoana dia ny mitazona ny an'ny tena, tsy mila fanamarinana. Tsy mitsikera na manaratsy sy mitsara ny an'ny hafa. Ary mba ahamarina ilay fitenena hoe aza atao amin'ny hafa izay tsy tianao hatao amin'ny tenanao, dia hajao ny finoany tahaka ny anajany ny anao.

marina mihitsy izany!
sauf ilay partie hoe Ny resaka finoana dia ny mitazona ny an'ny tena, tsy mila fanamarinana.:mila mizara ka.. mila jerena kao indraindray ny hoe fa maninona no mino fa manjary mino an-jambany fotsiny. mankary rehefa tratran'ny olona amina zavatra ohatran'izao dia voa borka fa tsy manana havaly afa tsy ny hoe "ka zay tsinona"
6. Belle ( 06/10/2007 23:48)
ikaretsaka: laviko ny lazainao amin'ilay fomba fijery. Rizareo anie ka mitanisa "references" momba ny tsy fisian'izay inoan'ny hafa e! Raha mandefa toriteny isika, any an-toeran-kafa ireny, ary safidy ny mijery na tsy mijery azy. Tsy eto an-tokotany be iraisan'ny be sy ny maro akory no asiantsika ireny.

Ny lazaiko amin'ilay hoe tsy mila fanamarinana indray dia ilay fanamarinana be fahatany, milaza tsy anontaniana sy tsy amin'ny antony.
7. xxx ( 07/10/2007 00:32)
Ikaretsaka> Fahasahiana ny an\'ingahy milaza ny Tenin\'Andriamanitra ho \"tabatabam-baiboly\"? ingahy anefa milaza fa ao anatin\'ingahy \"Jesosy Kristy\", sy ny hoe ingahy dia \"kristianina, katolika, zezoita\", mpitanisa izao raozery sns rehetra izao..

Mino aho fa tsy Jesosy Kristy no mampiteny izany fa ny fankahalan\'ingahy tsotra izao ny marina voalazan\'ny Soratra Masina, izay tsy mifanaraka @ eritreritr\'ingahy.

Tsy tadidin\'ingahy angaha fa Jesosy Kristy dia mbola hiteny mahery amin\'ireo miseho azy ho kristianina nefa manao teny tsy voahevitra sy tsy mifanaraka amin\'ny sitrapon\'Andriamanitra hoe: \"tsy fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay, miala amiko ianareo mpanao meloka!!\"

mandiniha ihany, fa ny vava sy ny fomba fiteny tsy voahevoitra tsy mitondra voka-tsoa na kely aza..
8. soanja ( 07/10/2007 00:45)
Belle:

Nomarihako tato ho ato fa namerimberina ny fanaporofoany ny tsy fisian'Andriamanitra, Jesoa, sy ny sisa inoan'ny mpino, ireo namana mitonona ho tsy mpino. Etsy an-daniny, dia mbola tsy nahita mihitsy kosa aho aloha, olona mpino nitondra hevitra na antony hanamarinany ny finoany e!

Noho izany dia tsy azoko hoe, nahoana kay ireo tsy mpino no misisika mandefa ireny fanamarinany ny finoany ireny foana? Mety ho ireto manaraka ireto angamba ny antony; satria ve:

- te handresy lahatra ny hafa izy?
tsy misy mihaino sy miady hevitra mantsy izay atolony ka mila manamafy ombieny ombieny foana izy!

- enjehin'ny eritreriny izy?
mitady hirona hanaraka finoana iray efa misy izy, ka miezaka manamafy loha amin'ny fanaparitahana ilay antenainy fa mety mbola ho marina ihany!

- mandresy lahatra ny tenany izy?
noho ireo roa eo ambony ireo, dia tsy matoky hoe manaraka ny marina tokoa izy, ka manao dridran'ingilo hanasana ny ati-dohan'ny hafa!

Ny resaka finoana dia ny mitazona ny an'ny tena, tsy mila fanamarinana. Tsy mitsikera na manaratsy sy mitsara ny an'ny hafa. Ary mba ahamarina ilay fitenena hoe aza atao amin'ny hafa izay tsy tianao hatao amin'ny tenanao, dia hajao ny finoany tahaka ny anajany ny anao.


Marina io ry Belle!

Izay ilay tiako resahina hoe andao isika mpino hivondrona ho iray na tsy mitovy aza ny anaram-piangonana mba hampiseho firaisan-kina hoe 'Manjaka Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika " fa tsy hoe raha hametraka hevitra eto ry zareo tsy mpino de hanampy azy aminzany fandrebirebena izany isika na dia mahafinaritra antsika aza ry zareo.

Satria amiko dia safidy malalaka amin'izay tiany atao ny mametraka hevitra momba ny finoana eto. Ary tsy tsara ny tapenam-bava amin'izany saingy kosa rehefa misy zavatra tiantsika havoitra matoa miresaka eto isika mpino dia ny manohana an'iny no tokony ataontsika vaindohan-draharaha fa tsy hoe hanala azy ny hafa eto fotsiny.

Asa anefa fa samy manana ny fomba fijeriny isika rehetra. Ny ahy any amin'ny forum fitiavana aho manala azy fa tsy ho eto mihitsy.

METY HS zah:-*:-*:-*:-*:-*






9. ikaretsaka ( 07/10/2007 00:48)
Belle:

ikaretsaka: laviko ny lazainao amin'ilay fomba fijery. Rizareo anie ka mitanisa "references" momba ny tsy fisian'izay inoan'ny hafa e! Raha mandefa toriteny isika, any an-toeran-kafa ireny, ary safidy ny mijery na tsy mijery azy. Tsy eto an-tokotany be iraisan'ny be sy ny maro akory no asiantsika ireny.

Ny lazaiko amin'ilay hoe tsy mila fanamarinana indray dia ilay fanamarinana be fahatany, milaza tsy anontaniana sy tsy amin'ny antony.

omeo aloha ny definition an'ny "hafa", ny ahy manko ny fijeriko dia atomboka amin'ny fijerena "Antsika" aloha vao mijery ny an-dry zareo!

Ndao ary aloha hijery "antsika" amin'ny fo tsy miangatra isika:

-isika koa anie mitanisa "references" momba ny fisian'ny inoantsika e! dia safidy tahaka ny an-dry zareo koa ny mijery na tsy mijery azy. Ny antsika atao eto an-tokotany be eto koa matetika, dia maninona rehefa mba ny azy dia condamnena? critiqueo ny heviny dia challengeo! fa mba avelao izy hamoaka ny heviny fara-faharatsiny! Raha mi interesser anao ny heviny dia izay izany, raha tsy mi interesser dia aza rarahiana, raha manitikitika anao na mahafinaritra anao ny mizara hevitra aminy sy miady hevitra aminy, dia izay atao!


10. ikaretsaka ( 07/10/2007 00:59)
xxx:

Ikaretsaka> Fahasahiana ny an\'ingahy milaza ny Tenin\'Andriamanitra ho \"tabatabam-baiboly\"? ingahy anefa milaza fa ao anatin\'ingahy \"Jesosy Kristy\", sy ny hoe ingahy dia \"kristianina, katolika, zezoita\", mpitanisa izao raozery sns rehetra izao..

Mino aho fa tsy Jesosy Kristy no mampiteny izany fa ny fankahalan\'ingahy tsotra izao ny marina voalazan\'ny Soratra Masina, izay tsy mifanaraka @ eritreritr\'ingahy.

Tsy tadidin\'ingahy angaha fa Jesosy Kristy dia mbola hiteny mahery amin\'ireo miseho azy ho kristianina nefa manao teny tsy voahevitra sy tsy mifanaraka amin\'ny sitrapon\'Andriamanitra hoe: \"tsy fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay, miala amiko ianareo mpanao meloka!!\"

mandiniha ihany, fa ny vava sy ny fomba fiteny tsy voahevoitra tsy mitondra voka-tsoa na kely aza..


Taha tena mijery ny marina lazain'ny Soratra Masina ianao dia tadidio fa
Raha tenin'Andriamanitra tsy amim-pieritreretana sy tsimpotsimponina ny ilazana azy dia "tabatabam-baiboly" mihitsy ka! tsy fantatrao akory manko ny lazainao fa dia tanisanisaina sy tsimpotsimponina fotsiny fahatany ilay mba revirevena hanohanana ilay fihevitra tianao avoitra!
Izay no tiako ambara amin'io! satria samy manao an'io daholo na ny milaza na tsy milaza azy ho mpino! ka tsy hay intsony hoe iza no iza

jerena tsara ambony ambany ary tsy tokony ho menatra milaza izany ary matoa mandratra dia asa, mety nahatsiaro vo voatohina ianao fa nampiasa azy ohatran'io nolazaiko io?

Andriamanitra koa anie efa averina ato foana fa tsy amin'ny baiboly ihany koa no miteny e! tsy ny mitsimpotsimpona ao akory no maha mpivavaka sy mpino, porofo mitohaka io tsimpotsimpon'i tsimandra io
11. Belle ( 07/10/2007 01:00)
ikaretsaka: omeo aloha ny definition an'ny "hafa",

Mazava loatra fa ny mpino an'Andriamanitra sy ny momba Azy rehetra no lazaiko amin'ny "hafa".
Raha ny hifamaly amin-drizareo tsy mpino indray dia tsy handany rora aminy aho. He izany izy aza hoe "tsy mpino".
12. Belle ( 07/10/2007 01:11)
ikaretsaka: rehefa mba ny azy dia condamnena? critiqueo ny heviny dia challengeo! fa mba avelao izy hamoaka ny heviny fara-faharatsiny! Raha mi interesser anao ny heviny dia izay izany, raha tsy mi interesser dia aza rarahiana, raha manitikitika anao na mahafinaritra anao ny mizara hevitra aminy sy miady hevitra aminy, dia izay atao!

Famenon'ny teniko etsy ambony dia fanamarihana fotsiny ihany ny ahy. Tondroy kely hoe izany condamation lazainao izany azafady?
13. soanja ( 07/10/2007 01:24)
xxx:

Ikaretsaka> Fahasahiana ny an\'ingahy milaza ny Tenin\'Andriamanitra ho \"tabatabam-baiboly\"? ingahy anefa milaza fa ao anatin\'ingahy \"Jesosy Kristy\", sy ny hoe ingahy dia \"kristianina, katolika, zezoita\", mpitanisa izao raozery sns rehetra izao..

Mino aho fa tsy Jesosy Kristy no mampiteny izany fa ny fankahalan\'ingahy tsotra izao ny marina voalazan\'ny Soratra Masina, izay tsy mifanaraka @ eritreritr\'ingahy.

Tsy tadidin\'ingahy angaha fa Jesosy Kristy dia mbola hiteny mahery amin\'ireo miseho azy ho kristianina nefa manao teny tsy voahevitra sy tsy mifanaraka amin\'ny sitrapon\'Andriamanitra hoe: \"tsy fantatro akory hianareo hatrizay hatrizay, miala amiko ianareo mpanao meloka!!\"

mandiniha ihany, fa ny vava sy ny fomba fiteny tsy voahevoitra tsy mitondra voka-tsoa na kely aza..


Aza de mora sendotra fa sao miakatra eo ny tosi-dra.

Isika hoa aza masiaka fa azo ifampiraharahana tsara ity sehatra ity.

Alamino, alamino!


14. soanja ( 07/10/2007 01:32)
Belle:

ikaretsaka: omeo aloha ny definition an'ny "hafa",

Mazava loatra fa ny mpino an'Andriamanitra sy ny momba Azy rehetra no lazaiko amin'ny "hafa".
Raha ny hifamaly amin-drizareo tsy mpino indray dia tsy handany rora aminy aho. He izany izy aza hoe "tsy mpino".


Ny ahy indray hafa no hijerevako azy Belle. Manao ny adidiko aho na mpino na tsy mpino le olona.

Ny mpino mantsy mba efa fantatro fa hoe 'mino' de tsy voatery misahirana loatra intsony aho. Malalaka ny fomba fiderana an'Atra mantsy ka tsy tokony ahitako teny betsaka ny mpino.

Ny tena olantsika matetika eto anie ry Belle , ny samy mpino io, de matetika izy mihevitra foana fa ny azy no lafatra de ny hafa tsy mitovy fiangonana aminy omeny teny maharary sy aratsiratsiany sady amin'izany misy fandatsana koa.

Raha kosa manao izany ilay mpino de mba manoro hevitra eo isika ny tokony ataony.

Asa anefa fa samy manana ny fomba fiadiny koa amin'ity finoana ity. :-*:-*










15. Belle ( 07/10/2007 01:53)
Soanja: misaotra anao amin'ny fanirina voalazanao. Indrisy anefa fa ny tsy mpino mpandray anjara mavitrika eto ny fahitako azy, dia: na te hampiseho ny fahaizany fotsiny, na te hanaraby ny sasany fa tsy mahita hanaovana izany any an-toeran-kafa, na mananihany (manala azy) tsotr'izao. Noho izany dia toa fanalany andro fotsiny ny hanoratany eto, ka tsy hisy fiantraikany amin'izy ireo na kely aza ny fiezahana kasainao hatao. Raha miresaka samy olona (face a face fa tsy an-tendrilavitra eto) dia mety hisy fanantenana angamba, raha tsy izay dia herim-po very maina. Tsy manakivy anao aho fa zava-misy hita taratra amin'ny fifamaliana eto no nanatsoahako an'ireo.
16. Belle ( 07/10/2007 01:55)
azafady fa ny mpandray anjara mavitrika rehetra no tiako lazaina fa tsy ny "tsy mpino" irery akory.
17. ikaretsaka ( 07/10/2007 03:20)
belle> ilay lazainao hoe fahamarinany anie dia samy manana izay lazainy ho marina na ny mpino na ny tsia e.. dia mi fampi convaincre eo
18. ikaretsaka ( 07/10/2007 03:25)
dia ilay marina eritreritnao hoe marina tanteraka dia tsy izay no marina aminy!
aminao izay fa tsy aminy!fa tsy hoe koa rehefa tsy mitovy hevitra amintsika izy dia hoe tsy manana ny marina...
19. tsimiandravola ( 07/10/2007 10:05)
ikaretsaka:

dia ilay marina eritreritnao hoe marina tanteraka dia tsy izay no marina aminy!
aminao izay fa tsy aminy!fa tsy hoe koa rehefa tsy mitovy hevitra amintsika izy dia hoe tsy manana ny marina...
Niezaka namaky ihany aho ary saika tonga hatrany amin'ny farany ,ka tsimponiko kely fotsiny ity tenin'i Ika ity na dia tsy hitako aza ny hevitra iraiketany...toy izany koa ity manaraka ity...
Ikaretsaka:
Raha mandefa toriteny isika, any an-toeran-kafa ireny, ary safidy ny mijery na tsy mijery azy. Tsy eto an-tokotany be iraisan'ny be sy ny maro akory no asiantsika ireny.
Ataoko fa efa niaiky teto aho ary mbola dradraiko izany fa tsy dondrona akory ny mpino,...non... non!
Tsia...fa fotsiny manana fomba fisainana,sy fihetsika manao "selection",izany hoe izay tiany hampiasana ny raison na ny rationalité ihany no ampiansany an'izany, fa rehefa mikasika ny finoany manokana na ny tiany hinoany dia ny azy ihany no marina...Eo izy dia vereziny ny fampiasana ny "raison", eo izy dia helohiny na batiany ny an'ny hafa....
Izany indrindra no mahatonga anareo "miady" na "mifamaly" maheryhery vaika matetika eto ary tsapa izany amin'ny fampiasana an-dalantsoratra Baiboly.Hita eto daholo ny "rivalité" misy eo amin'ny samy mpino ;tsy eo amin'ny samy propesta ihany na katolika ihany fa na eo amin'ny silamo sy ireo évangéliques extremistes (Ohatra i Laza daddy) aza.Tsy ho afaka ny tsy ho izany ny toe-javatra eo na eto izahay tsy mpino na tsia satria misy elanelany be foana eo amin'ny conviction'ny TJ sy ny Mormon ,sy ny Silamo sy ny Pantekotista sy ny Adventiste...na amin'ny resaka kisoa ity na amin'ny resaka alika..;na amin'ny resaka sabata na resaka politika,na resaka "impulsion de mort" (Twin tower;ampamarinana...)

Efa nanosoka hevitra teto aho indray andro izay nilaza fa tsara raha foanana ity rubrique finoana ity noho izany antony izany ...ary nampahafantariko fa ny anton'izany manokana dia tsy nohon'ny fanajana ny conviction'ny tsirairay izay ataoko fa tsy misy idiran'ny tsy mpino mihitsy tant que ça reste personnel ou dans le cadre de la famille...

Tsy izany nefa no fisehony fa samy te hanao ny proselytisme-ny daholo ny tsirairay amin'ny alalan'ny témoignage sy ny fanasana ati-doha...fa mody saronana hevitra malemy paika sns dia tsy misy manohana an'io hevitro io...

Resultat=raha tantoa ka mbola misy foana ny mpino mitory ny filazantsara ampahibemaso dia aza gaga raha misy ny fanoheran'ny tsy mpino sy ny hafa finoana.(Eto aho dia mahatsiaro ny "aok'izay" an'i Fiffi,sy ny hoe aoka "samy hitana ny finoany dia samy vita" etc etc)

Izany no andalako ny hevitr'Ika io ambony io...

Fanamarihana kely :d'accord mihitsy aho ny hoe "aoka hifanaja",kanefa mba fantaro fotsiny ihany koa fa matetika ny resaka eto dia resaky ny "samy marenina" ,ary izaho dia no marenina toa anareo ihany amin'ny zavatra tsy eken'ny raison-ko (Ny anareo dia fahalalodalovana mikasika ny zavatra mifanohitra amin'ny finoanareo.)

Dia misaotra namaky.




20. simplex ( 07/10/2007 13:42)

mety hoe manala azy izy :P

fijo zao haiko fa tena manala azy be mintsiny :°) d ny ol nefa mamaly ary tena manao an'le izy @ fony mintsy :) dia vao mia lery mahazo aina ;-):@

mety mitovitovy @ zay ihany ny an'i tsimiandravola fa zany hoe lery ndray mandray an'le izy ho tena personnel mintsy. Hany ka mahavita manao recherche sy argumentation, mampiasa coco be mintsy...

:b:b:b
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1073