Misy voalohany misy farany
Misy voalohany misy farany, ny hira izay atao
Ka indro ry tiana ny ahy, hofaranako eto izao
Androany aho avelao hody, efa manina
Tsy mahita hira intsony, izay mety hatolotra anao
Mangovitra ny tanako, efa reraka tokoa
Raha mbola hanohy eto ihany, ny feoko tsy aharaka izany
Androany aho avelao hody, efa vizana
Tsy mahita hira intsony, izay mety handrotsiana anao
Fa ny fitiavako ry tiana, tsy ho tapitra akory
Ny any ivelany efa mangina, avelao koa aho mba hatory
Androany aho avelao hody, efa manina
Tsy mahahira eto intsony, veloma no atao.
Lolo sy ny tariny (Hanitra)