misy voalohany sy farany

1. mireille ( 26/09/2007 08:48)
manao ahoana daholo o
mba mitady ny tonon'ilay hiran'i Lolo sy ny tariny hoe Misy voalohany sy farany . Misaotra mialoha o. mireille.
novalian'i mireille ny 27/09/2007 14:11
2. Kwasi ( 26/09/2007 09:43)
Misy voalohany misy farany

Misy voalohany misy farany, ny hira izay atao
Ka indro ry tiana ny ahy, hofaranako eto izao
Androany aho avelao hody, efa manina
Tsy mahita hira intsony, izay mety hatolotra anao

Mangovitra ny tanako, efa reraka tokoa
Raha mbola hanohy eto ihany, ny feoko tsy aharaka izany
Androany aho avelao hody, efa vizana
Tsy mahita hira intsony, izay mety handrotsiana anao

Fa ny fitiavako ry tiana, tsy ho tapitra akory
Ny any ivelany efa mangina, avelao koa aho mba hatory
Androany aho avelao hody, efa manina
Tsy mahahira eto intsony, veloma no atao.

Lolo sy ny tariny (Hanitra)
3. mireille ( 27/09/2007 14:11)
Misaotra betsaka fa efa ela aho no nitady io tonokira io fa tsy nahita. Mandrapihaona. Mireille:lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0915