mamaky avy any @ farany

1. Kwasi ( 24/09/2007 17:17)
Inona kay izay mahafantatra ny iantsoana ny olona mamaky teny dia any @ farany no manomboka? Toa hoe aretina hono izy io, sao dia mba misy afaka manome informations. Tsy izany fa izaho manko tena za-dratsy mihitsy fa rehefa mamaky gazety dia avy any @ pejy farany foana aho no manomboka mamadibadika. Gazety na revue (na magazine) ihany fa raha ohatra hoe boky hafa dia mandeha normal ihany.
répondu par arialy le 10/10/2007 11:07
2. ikaretsaka ( 24/09/2007 17:30)
mitovy isika @ io:lol::-D:-P
3. tsaramaso ( 24/09/2007 20:35)
Kwasi:
Inona kay izay mahafantatra ny iantsoana ny olona mamaky teny dia any @ farany no manomboka? Toa hoe aretina hono izy io, sao dia mba misy afaka manome informations.
Arabo !!!!! hahahahahahaaaa !!!!
4. ikaretsaka ( 24/09/2007 23:15)
ny asa famakiana sy ny fahazoana ny zavatra tian-kambara no tena important anie
5. Nickovy ( 25/09/2007 08:34)
Izaho koa tena mpanao an'io eh! Fa heveriko hoe tsy aretina izany io.:-w:-w:-w:-w
6. Kwasi ( 25/09/2007 10:32)
Ika> Marina aloha izay e. Fa araka ny voalazan\'ilay tsy tadidiko izay ange dia symptome -njavatra hono izy io e. Nefa asa...
7. sakaizakely ( 25/09/2007 16:43)
ka raha lahatsoratra isankarazany moa dia samy raisina tsirairay arakarak'izay intérêt hitanao isaky ny dinika ihany.

fa raha ohatra hoe boky tantara iray ve, tonga dia ny famaranana no vakinao, ohatra ilay misy suspense ireny, tonga dia fantatrao hoe iza no coupable, manjary tsisy dikany ny famakiana azy...

sao mba tsy aretina izany fa défaut de curiosité fotsiny ? tsy mbola nahare aho aloha

Sa ve dyslexie ? Nefa ny dyslexie dia ilay olona mampifangaro renintsoratra ...
8. Nickovy ( 27/09/2007 07:50)
Kwasi:

symptome -njavatra hono izy io e. Nefa asa...


Symptome-njavatra inona?:roll::roll::roll::roll:
9. Rasiligaoma ( 29/09/2007 06:16)
zavatra inona tokoa?
izaho koa manko mpamaky avy any amin'ny farany raha ilay boky roman sy fiction be ireny.
hitako aloha ny fin amin'izay noho ilay hitaintaina eo foana
10. arialy ( 10/10/2007 11:07)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2611