Frantsa: Malagasy voaroaka

1. sarobidy ( 21/09/2007 09:39)
Araky ny aina manjery sy ny vaovao hitako omaly, d hoe nisy malagasy voaroka hody:cry: ka tsy mahazo mipetraka any Frantsa intsony.
Malahelo ny tenanay aty mieritreritra an'zany rehetra izany satria betsaka ireo namana any d mitaintaina aho oe aiza ho aiza ny fahamarinan'zany d mba ampitoneo ny fokelinay e, manaova tsanga-tànana daholo nareo zay any oe mbola aty zahay fa tsy maninona zany hoe :-*
répondu par arialy le 13/11/2007 20:16
2. mercia ( 21/09/2007 10:05)
Nolazainy ve ry sarobidy ny antony nandroahana azy? inona no statut tany t@izy tany frantsa zany? Tena mampalahelo izany. Fa efa betsaka ihany izay olona henoko voaroaka izay, ny sasany mpianatra eny @ oniversité, moa ny sasany tsy misy taratasy raha teo mintsy. Fa ireo mpianatra dia tena mahavariana ahy mintsy ny antony androahana azy.
3. sarobidy ( 21/09/2007 10:31)
mercia: ny henoko tamzay aloha hoe rehefa tsy haninontsy haninona no roahiny nefa ko mandeha ny tsaho(aty aminay) oe ilay filoham-pirenena vaovao ao hono raciste b d tsy haiko tsony ze fahamarinany fa zany no nahatonga anah manontany eto nge e
4. xxx ( 21/09/2007 10:45)
Toa ny olona tsy ara-dalana ihany no voaraoka raha ny fahafantarako azy. Sahala ny mitranga any amin'ny firenena rehetra.
Ilay resaka "tsaho" aloha ohatran'ny tsy mitombina. aty aminay ohatra izao, sarotra ny manavaka ny frantsay sy ny afrikanina, mitovy ihany izy ireo ara-batana :°)

Hoy i naman'i Sarobidy tsy misy fanampiny :^)
5. xxx ( 21/09/2007 11:04)
sarobidy: rehefa tsy ara-dalana dia voaraoka ka, fa na izany aza misy fanadiadiana aloha vao mandroaka izy.
Mbola be dia be no tsy ara-dalana aty fa mbola tsy voaroaka atram'izao.
Momba ny mpianatra rehefa tsy mianatra tsara dia tsy omeny taratasy, misy mantsy tsy mianatra fa laozany miasa
6. Samoana ( 21/09/2007 12:51)
xxx:
rehefa tsy mianatra tsara dia tsy omeny taratasy, misy mantsy tsy mianatra fa laozany miasa


Tsy sanatria tsy mianatra tsara fa misy ireo voatery miasa fa midangana loatra ny frais de scolarité ( inscription sy kojakoja samihafa ), ny hofan-trano. Ny tena anefa tsy boursier ary tsy maharaka ny fanampiana alefan'ny ray aman-dreny:cry:
Tsy fidiny ho an'ny mpianatra ny miasa na au noir aza satria manantena ny ho tafita hatrany izy ireo. Heloka ve izany hoy nareo ? Aza manody e !
Voin-kava-mahatratra ka marary hatrany ny fo rehefa mahare vaovao toy izao ambaran'i sarobidy izao


7. didalahy ( 21/09/2007 14:27)
Zaho manokana aloha dia tsy misy holazaina satria izay no fomba tian'ny mpitondra vazaha hitondrana ny taniny.
Ny fanafodiny dia manao izay hahazoana ttsy hahafahana mipetraka na hiasana fa rehefa tsy azo io dia aleo manaja tena mody.
Tsy vitan'ny sentiments sy ny état d'âme akory ka hoe mampalahelo fa voaraoka. Efa nampilaza ry zareo hoe hampody ny tsy manana ttsy kanefa mipetraka eo @ taniny! Isika gasy manokana dia betsaka no variana sy teren'ny fiainana ka ny asa no atao mafotaka hahazoam-bola kanefa ttsy nahafahana nipetraka hianarana no azo t@ voalohany! Rehefa tapitra ilay ttsy herintaona dia izay indray vao mitady fika hisoratana etsy sy eroa hoe mbola hianatra. Amin'ny farany, tratran-dry zareo ihany!
Eto amintsika koa ange ka mandroaka vahiny tsy misy ttsy e! Dia ahoana hoy ianao ireo vahiny te-hiclandy ireo satria tamàna mahita ny hahatsaran'i Dago!
8. xxx ( 21/09/2007 15:01)
nisy mpandinika anakiray nilaza amin'ny ankapobeny fa eo ho eo amin'ny 400000 eo ho eo ny tsy mist taratasy aty frantsa,firenena maro io, raha hatao ny kajy tsotsotra ka raha isambolana izy mampody olona 500, na 10 taona aza hitatitra eo foana ny avion tsy ho vita io! aleo ho eo fa assa iza no horeraka eo fa ny olona tsy maitsy mitady fika hidirana any foana!
9. zandikely ( 21/09/2007 16:24)
TSY HITAKO NY OLANA AMIN'IZANY TAHAKA IZANY IHANY IREO FRANTSAY ROAHINA AVY ANY MADAGASCAR.
AOKA SAMY MODY AMIN'NY TANINY IZAY VOAROAKA
10. diamondra27 ( 21/09/2007 17:01)
tena marina io , de efa nisy nody any we

raha za indray de aza matawotra fa tsy ho roasina za fa saingy ny blem de ny hiverenana any fa tena kandra be foana akia a!

de kiss njy:-*:-*
11. sarobidy ( 22/09/2007 07:51)
diams: zay ahay mba manome toky oe milamina tsara zany ndry:-*

xxx: ekena ^:^

zandikely: ny olana v? malahelo a wa raha ny gasy toa ahy no roadroasina any nefa ry zareo aty an-tanin'olona aty tsisy mandroaka :snif:

Rehefa tsy voakitika fotsn nge nareo namana rehetra any d ampy ahy zay e! tony ny fokeliko
Fin de l'épisode...
12. Fiffi ( 26/09/2007 19:55)
sarobidy:

ny olana v? malahelo a wa raha ny gasy toa ahy no roadroasina any nefa ry zareo aty an-tanin'olona aty tsisy mandroaka :snif:
marina fa hoe mampalahelo rehefa misy olona mpiray tanindrazana am-tena voaroka....saingy tokony mba karakarainy kosa kalou ny momba ny ttsiny....

ny firenena rehetra de samy manana ny lalanany am io....ny any dago koh ngé efa nanao an'zany eh !

de tte façon , ny tanjon'fanjakana frantsay de d'ici fin 2007 de tsy maintsy vita ny tanjony handroaka vahiny mihisa :
4. Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 12-09-2007 22:08:12
Lohateny : Re : tandremo
Hoy i fijo:
toa 2400 izy izay raha tsy diso aho ny taona 2006
La pression politique s'accentue pour que le quota des 25.000 expulsions de sans-papiers soit atteint en fin d'année.
Jereo eto

LCI androany.......


http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46e83d684e4c7


13. sarobidy ( 28/09/2007 06:16)
Fiffi: slt ndry, le izy nge raha oe tsy voakarakarany ny taratasiny problem-ny manokana zany e fa ny henonay aty ange tsy zany fa hoe rasista b ono zany pdt vaovao zany d raikitra ny fandroandroahana d aôna kosa mo zahay no tsy hitaintaina
14. cazal ( 23/10/2007 17:44)
Tsy marina izany woé raciste zany, fa ireo samy gasy mifandrangitra ihany no mahatonga azy ho romotra,
LAZAIKO anareo namana any dago ny zava-misy aty fa misy ireo mpiasa ao @ Ambassadde gasy no tena mandoto ny malagasy aty!!! ary izany no anisany mahasarotra ny fahazoana visa koa!!!
ry zareo ao rehefa misy olona tiany hafarana dia anaovany pression mafy mihitsy ny ambassade any dago, dé sorena zareo aty! satria avy eo ireny olona ireny no misitrika sy mamoatspona aty!!!!dia lasa ireo madinika mba te hiavotra no victimes !!
izaho moa efa nanolotena hanampy sy hikarakara ireo mpianatra ireo t@ 2006 nefa za ndray no enjehina akory atao fa vita ny adidiko!!! MIJERY AHO SISA dé mimééééééé hiiiii!!!!! naninona no tsy natsoina ireo nampiasa anareo hanaratsy ahy !!!!asaivo karakarainy e!!! ataonareo inona fotsiny ny ambassade gasy?

ZAO ZANY LE WOE DE HITAN NY HAVANY MARINA héééééé!!!!!hihihi!!!!!!!
15. arialy ( 13/11/2007 20:16)
cazal: mapalaelo iany ze tafody na de izany aza e8O
marina fa misy ny cas oe ny gasy iany no mifanôsika de tratra.
refa misy soirée gasy de misy manao règlement de compte fona matetika de lasa miantso police de tratra oazy zay ts en règle nefa miezaka ny hitady vola toy ny rehetra !! indrisy.:-/
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5162