Les bergers blancs de l'île rouge.

1. Fiffi ( 10/09/2007 19:14)


iza no mahafantatra an'io ? tena zay zah vao mba naheno an'io an !
http://www.lefigaro.fr/magazine/20070720.MAG000000622_les_bergers_blancs_de_l_le_rouge.html

A Madagascar, chaque seconde de leur vie est dictée par la Bible. Vêtus de blanc, persuadés de leur pureté et de leur vérité, les «bergers du Réveil» vivent hors du temps, hors du monde.
2. ikaretsaka ( 10/09/2007 19:15)
ny fifohazana (mpiandry) no ataon'ny vazaha hoe "berger blanc" ka
3. ikaretsaka ( 10/09/2007 19:17)
A Madagascar, chaque seconde de leur vie est dictée par la Bible. Vêtus de blanc, persuadés de leur pureté et de leur vérité, les «bergers du Réveil» vivent hors du temps, hors du monde.

Hors du monde hors du temps ahoana?:(
4. ikaretsaka ( 10/09/2007 19:20)
ny fahitako an'io dia ohatran'ilay Jiosy (amish) mbola tsy mandeh atonabil sns.. any Pensilvania any
fa version gasy sy Xtiana
5. booboo ( 10/09/2007 20:38)
ie, ny fifohazana no ataon'ny vazaha "bergers blancs".

Dia ilay fomba fiaina indray a, tsy ny fifohazana aby aby no manao tahaka izany fa io no isan'ny mampiavaka ny Toby Soatanana.

Dia ny fifohazana indray a, misy Toby lehibe 4 M/kara.
Ny fiandohany dia resaka mpanompo sampy niova fo (lasa Xiana) dia nomena fanomezam-pahasoavana manokana lé oul. Dia avy teo io oul nitory ny filazan-tsara t@ oul hafa dia nihitatra ilay fiovam-po = fifohazana (ara-bakiteny sy au sens figuré). Dia rehefa niha-bobaka zareo dia nivondrona isaka ny faritra niaingan'ilay "mouvement" tany aminy tany avy dia teraka Toby (Soatanana, Ankaramalaza, Manolotrony ary Farihimena).

Ny mpiandry sy ny sampana fifohazana isaka ny fitandremana (izy no fiantso ny fg @ protestanta) dia samy manana ny Toby foibeny. Ohatra hoe, ry zareo fifohazana loterana zao avy @ Toby ao Ankaramalaza.

Samy manana ny fotoan-dehibe hanaovana "pélérinage" any @ Toby lehibe-ny aby ny fifohazana.

Ny isan'ny ahafantaran'ny be sy ny bobaka ny fifohazana dia ny hira (zafindraony aby), lay fanaovana "asa" (mamoaka devoly, fametrahan-tanana, fampaherezana) ary ilay miankanjo fotsy sy misaron-doha ny sasany ...
6. booboo ( 10/09/2007 20:46)
http://tsodrano.free.fr

Misy tantaran'ny niandohan'ny Toby sasany ao sy ny 8 septambra an'Anosivavaka, ho an'izay mazoto hamaky na liana.
7. fahamarinana ( 10/09/2007 20:57)
:arrow:Misaotra any Booboo tamin'ny fanazavana,za manko dia mbola tsy nandeha tany amin'izany toby izany (ary isan'ny faniriko indray andro any raha omen'ny Jesosy frais aho sy hitany fa mendrika izany) fa juste mandeha sy manatrika ny fampianarana amin'ny fotoam-pifohazana any Troyes isan-taona ireny ary tena mahazo hery vaovao avy any,c'est inexplicable fa zay no résultat azoko aloha..Zany hoe rehefa hanao ny Asa sy ny Fampaherezana vao hitako miakanjo fotsy fa le reste du temps dia toa ahy daholo ihany.
Mahafinaritra sy mampitsiriritra ahy ilay hoe "Chaque seconde de leur vie est dictée par la bible " tena izany no tena faniriko.Ny mi-gener ahy kely dia ilay teny hoe "persuadés de leur pureté et de leur vérité,les bergers du réveil vivent hors du temps hors du monde...Sa ve zà ilay atao hoe tsy ao mihintsy e dia tsy mahazo azy sa Izay zany ve lay particularités ny Toby ao Soatanàna ary ny Toby hafa manaona indray raha misy afaka manome fanampi-mpanazavana ahy dia isaorako mialoha. (l)
8. fahamarinana ( 10/09/2007 20:59)
booboo:

http://tsodrano.free.fr

Misy tantaran'ny niandohan'ny Toby sasany ao sy ny 8 septambra an'Anosivavaka, ho an'izay mazoto hamaky na liana.


:arrow:Merci e(l)
9. ikaretsaka ( 10/09/2007 21:09)
faha> "Chaque seconde de leur vie est dictée par la bible " indray no naha lasa saina ahy... olon'ny baiboly ve izany sa olon'Andriamanitra? eto koa manko ny anaovan'ilay vazaha azy dia hoe ohatran'ny baiboly izany no mibaiko(manao dictature) fa tsy Andriamanitra... enga kosa anie ka tsy ho izany
mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny.

HS: Nisy coolaboration nataon-dry Pierrot Men sy ireo mpakasary namany natao hoe "cote clair, cote obscur" (taona 90 tany ho any) dia sary tao soatanana aby no nanaovany an'io teknika, artistika n'ny "light and shadow" io t@ alalan'ny fakana sy fanasana ny sary, fa tsara, sady mampiseho ny hevitra lalina fonosin'ilay toerana!
asa raha mbola mi existe any @ mpivaro-boky any io bokin-tsary io
10. booboo ( 10/09/2007 21:13)
HS kounkou
Ikaretsaka > mbola hitako tao @ boutique n'i Pierrot Men ilay ao Fianarantsoa aby ireo sary nolazainao ireo...fa tena tsara tokoa
11. cutie ( 10/09/2007 23:01)
faha> "Chaque seconde de leur vie est dictée par la bible " indray no naha lasa saina ahy... olon'ny baiboly ve izany sa olon'Andriamanitra? eto koa manko ny anaovan'ilay vazaha azy dia hoe ohatran'ny baiboly izany no mibaiko(manao dictature) fa tsy Andriamanitra... enga kosa anie ka tsy ho izany
mba tsetsatsetsa tsy aritra ny ahy iny.

Olon'Atra :)
Zany no tena atao we kristiana :)
12. ikaretsaka ( 10/09/2007 23:30)
ka baiboly ve=andriamanitra?
aleoko kosa dicten'andriamanitra toy izay baiboly le
13. cutie ( 10/09/2007 23:32)
in no atao we baiboly :)
14. ikaretsaka ( 10/09/2007 23:36)
boky...maromaro mitambatra..avy amin'ny teny Grika hoe biblos---nahatonga ny teny hoe bibliotheque
15. majesty ( 11/09/2007 05:39)
ika:mety ho azo adika koa v hoe "album" satria misy manambatra boky maromaro ôtran'le koditra sy radanz reny talou d nataony hoe "album":D
16. Rasiligaoma ( 11/09/2007 05:58)
Biblios ny teny grika fa tsy biblos izany ry Ika a (indro kely iny)
17. fahamarinana ( 11/09/2007 08:56)
ikaretsaka:

ka baiboly ve=andriamanitra?
aleoko kosa dicten'andriamanitra toy izay baiboly le

:arrow:Ika : Ny fandraisako azy ndray amin'ilay teniko tery ambony tery hoe mahafinaritra ahy,etc...dia tsy hoe ilay Baiboly no mibaiko e fa kosa ilay Baiboly no misy ny tenin'Andriamanitra dia iny no harahako sy mampianatra ahy.Zany hoe misy ny tantaran'ny Jesoa (efa nataoko Jesoa sao bedesin'ny Ika ndray aho an!!!) izay tena toetra tiako hananana sy ezahako hananana na dia sombiny kely aza aloha zao.Andriamanitra ,Jesoa ,Fanahy Masina no mitondra ny fiainako fa ilaiko koa anefa ilay Baiboly hangalako réference satria ao ny Tenin'Andriamanitra .Raha mivaona ny teniko dia ialako tsiny dieny mialoha!(l)

18. prime ( 11/09/2007 12:26)
Dada Rainisoalambo no nisehoan'ny hetsika fifohazana voalohany tao Soatanàna...
http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=101
http://taniko.free.fr/soatanana1.htm

Neny Ravelonjanahary no anisan'ny nanitatra ny hetsika fifohazana hafa indrindra tao Manolotrony...
http://taniko.free.fr/manolotrony1.htm

Dada Rakotozandry no nampibebaka olona maro ka nampijoro ny hetsika fifohazana ho anisan'ny misiona fiangonana tao Farihimena ary nifandray tamin'ny antokom-pinoana maro isankrazany...
http://tsodrano.free.fr/tsodrano/article.php3?id_article=83
http://taniko.free.fr/farihimena1.htm

Nenilava no nahafantarana betsaka ny hetsika fifohazana noho izy nampiely izany noho ny asa fitoriana filazantsara sy famahàna fanahy maro voafatotra nanomboka tao Ankaramalaza...
http://taniko.free.fr/ankara1.htm
19. ikaretsaka ( 11/09/2007 12:34)
faha> ah ok dia raha izay dia ok.. fa tsy hiditra baiboly loatra isika mianaka ka.. raha io manko dia polemique.. ho an'ny "Evanjelika", sy ny "IMbola mandefa nfambara amin'izao tontolo izao 'Andriamanitra ny hafany sy amin'ny alalan'ireny zava-boahariny ireny"
20. prime ( 11/09/2007 12:49)
Ny ankamaroan'ireo toby fifohazana ireo dia Loterana fa taty aoriana nihamaro ny mpiomana sy mpiandry FJKM dia saiky izy ireo no betsaka ao Farihimena sy Manolotrony... Ity farany aza lasa ny mpiandry Andravoahangy fivavahana sy FPVM teo aloha niaraka tamin'ny Pastera Randrianatoandro sy Neny Justine no betsaka ka toy ny lasa toby FPVM (sy FKFM moa ilay iray izao?...)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1452