Les bergers blancs de l'île rouge.

21. diamondra27 ( 11/09/2007 16:52)
Ny baiboly dia tenin'Andriamanitra

fitaratra ho an'ny xnA

FA AINA HO AN'IZAY MAHAZO AZY NY tenin'Atra
22. ikaretsaka ( 11/09/2007 17:21)
Diams> scriptures= tenin'Andriamanitra ka. Fa tsy voatery ho amin'ny Soratra ao anaty boky ihany andriamanitra no manafatra.. Iaraha mahalala fa bedebe ny hafatr'Andriamanitra no tsary voasoratra ao anaty Baiboly, ary mbola miteny koa Andriamanitra amin'ny alalan'ny zavatra rehetra nohariny sy nataon'ny zava-boahariny...
Faran'ny toko faha 21 an'i Joany misy an'izay

prime> Misaotra nizara
23. Fiffi ( 11/09/2007 19:20)
de misaotra anareo nanazava kalou an ! heu...tena nahavariana ahy zao fanazavana nataonareo zao.....
24. ikaretsaka ( 11/09/2007 19:24)
fiffi> karazana ordre ohatran'ny ordren'ny moines kao io ka..
ohatra hoe ny cappucins manao marrons sns.. dia manana ny fombany manokana
ny franciscains sns...
25. ikaretsaka ( 11/09/2007 19:40)
prime:

Ny ankamaroan'ireo toby fifohazana ireo dia Loterana fa taty aoriana nihamaro ny mpiomana sy mpiandry FJKM dia saiky izy ireo no betsaka ao Farihimena sy Manolotrony... Ity farany aza lasa ny mpiandry Andravoahangy fivavahana sy FPVM teo aloha niaraka tamin'ny Pastera Randrianatoandro sy Neny Justine no betsaka ka toy ny lasa toby FPVM (sy FKFM moa ilay iray izao?...)


Niryna sy i Prime
Miala tsiny raha HS kely fa misy tsy azoko:
1) ilay resaka Andravoahangy io! ahoana tsara ny amin'io? dia maninona io no natao hoe "tsy protestanta"? (inona avy no nodikainy ohatra)

2)Dia ilay Farihimena sy Manolotrony izany karazan'ny Liberal kokoa noho ilay Ankaramalaza sy soatanana? dia inona no maha samihafa azy?

3)Mety ho diso aho eto ( dia ialako tsiny koa fa nanao fampitahana aho) fa ny nandraisako azy dia raisonnement ohatran'ny an'ny katolika sy ireo ordres bedebe ao(, ohatra hoe Jesuites e, Dominicain e, Franciscain, Salesiens,assumptionnist, sns...) marina fa samiha ilay izy (@ katolika io) fa mijanona @ ilay maha katolika sy ilay fomba (theology katolika ihany (Jesoa , Trinite, Baiboly,Sakramenta, Infaillibilite papal, sns ...) ) !

Le izy ity (fifohazana) moa misy misaratsaraka be izay ilay Creed (mazava ho azy fa misy tsy itovizana kely amin'ilay finoana, ohatra hoe ny Tanin'anandrano sy ny FJKM sy ny Loterana) il dia eo aho no fanina kely! hoe lasa creed an'iza no ekena?
26. Fiffi ( 11/09/2007 19:58)
Ika: ka zay no lazaiko anao hoe eto zah zany vao mahafantatra zavatra bdb tahak'zao...

misy namako zay tena nanazava koh omaly alina saingy eto toa zavatra hafa njay le izy...lasa hoe FJKM sns ..?
27. fahamarinana ( 13/09/2007 06:14)
prime:

Dada Rainisoalambo no nisehoan'ny hetsika fifohazana voalohany tao Soatanàna...
http://www.haisoratra.org/breve.php3?id_breve=101
http://taniko.free.fr/soatanana1.htm

Neny Ravelonjanahary no anisan'ny nanitatra ny hetsika fifohazana hafa indrindra tao Manolotrony...
http://taniko.free.fr/manolotrony1.htm

Dada Rakotozandry no nampibebaka olona maro ka nampijoro ny hetsika fifohazana ho anisan'ny misiona fiangonana tao Farihimena ary nifandray tamin'ny antokom-pinoana maro isankrazany...
http://tsodrano.free.fr/tsodrano/article.php3?id_article=83
http://taniko.free.fr/farihimena1.htm

Nenilava no nahafantarana betsaka ny hetsika fifohazana noho izy nampiely izany noho ny asa fitoriana filazantsara sy famahàna fanahy maro voafatotra nanomboka tao Ankaramalaza...
http://taniko.free.fr/ankara1.htm


:arrow:Misaotra betsaka any prime nizara ihany koa.Mankasitraka e,dia aleo aloha hojereko ireo sites nomenao ireo vao hametraka fanontaniana aho raha tsy azoko..(l)
28. prime ( 14/09/2007 12:25)
Ika>
[list=1]
  • Andravoahangy fivavahana d mbola fiangonana FJKM fa ny Mpitandrina tao, Randrianatoandro sy ny Ray aman-dReny mpiara-niasa taminy tao (Neny Justine...) teo aloha no niala ka namorona ny FPVM teo Antaninanandrano... amin\'izao dia manao fanitarana trano fiangonana aza ny FJKM Andravoahangy Fivavahana
  • Tsy hoe libéral kokoa fa samy manana ny mahaizy azy ny tsirairay avy... ny sasany manana fanomezam-pahasoavana miady amin\'ny mpisikidy sy mpimasy sy mpilalao ody... ny sasany manana fanomezam-pahasoavana miady amin\'ny satàna mivantana... ny sasany manana fanomezam-pahasoavana mitsabo sy manasitrana... ny sasany manana fanomezam-pahasoavana amin\'ny fanangana amin\'ny maty...
  • Ekena fa misy ny iraisan\'ireo na dia samy manana ny mahaizy azy avy aza dia ny fihaonana mivantana tamin\'i Jesosy teto an-tany sy tany an-danitra teo amin\'ireo Mpaminany niaingany ka mihazona ny firaisana amin\'i Kristy mihoatra noho ny zavatra rehetra...
  • Ny fifohazana tsy fehezin\'ny fiangonana fa mpiara-miasa amin\'ny fiangonana... tsy an\'ny LOTERANA na FJKM na Antaninanandrano ny fifohazana fa an\'i Jesosy Kristy... izany no antony tsy anavahan\'ny toby ny antso rehetra ankehitriny ka na ny frera sy mompera ary masera aza zao dia efa maro no mpiandry...
  • 29. fahamarinana ( 14/09/2007 14:28)
    :arrow:Ie marina tokoa,variana be za fa nahita Mpiandry catholique,Mpiandry anglikana.Ary izay tenin'ny Prime izay mihintsy ilay reko tamin'ny Mama Rabea hoe samy manana ny fanomezam-pahasoavana azony daholo.(l)
    30. ikaretsaka ( 14/09/2007 15:56)
    fa ny mpiandry katolika sy Anglikanina anie mi professer ny foi katolika sy ny foi anglikanina e
    fa ilay "protestanta" (aleo avangongoko @ izay mba sitrany ahay mba miaraka)
    hoe hoi iza no alaina

    Misaotra betsaka letsy Prime a! betsaka tokao ny zavatra bedebe tsy hay...

    Ny bokin'ireny koa moa tsy hita be ihany fa samy manana ny filazany, sy saika lovan-tsofina aby.
    ka sarotra be ilay mandalina azy.
    fa misaotra @ le intro e
    31. fenomanantsoa ( 14/09/2007 18:14)
    fahamarinana:

    :arrow:Ie marina tokoa,variana be za fa nahita Mpiandry catholique,Mpiandry anglikana.Ary izay tenin'ny Prime izay mihintsy ilay reko tamin'ny Mama Rabea hoe samy manana ny fanomezam-pahasoavana azony daholo.(l)


    - Ny fantatro momba ny mpiandry Katolika dia kristiana mambra ny fiangonana Katolika Romana izy ireo saingy kosa nanaiky ary natokana ho Mpiandry tany amin'iry @ ireo toby lehibe 4 (Soatanana, Manolotrony, Ankaramalaza, Farihimena) na ireo zana-toby fanokanana miankina @ ireo toby lehibe ireo.
    - Noho ny fiangonana katolika mbola tsy manaiky ny asam-pifohazana anefa (ho azy dia ny pretra ihany no afaka miasa i.e mandroaka devoly) dia tsy afaka miasa any amin'ny fiangonana katolika ireo mpiandry ireo fa any amin'ny loterana na FJKM izay manaiky ny asam-pifohazana no miasa. Manana ny fikambany ny mpiandry katolika ary misy fandaharany izay efa hitako tao amin'ny TVM.
    - Misy relijiozy izy ireo (pretra sy masera) nefa misy laika koa.
    Marihina fa ireo mpiandry ireo dia tsy niala tamin'ny finoana katolika fa mijanona ao ihany.
    - I Nenilava fony izy mbola velona dia namporisika ireo katolika mino ny asam-pifohazana mba tsy hivadika amin'ny finoany fa hijanona ho katolika. Ireo kosa dia natao ho FANASINA hizara ny Fahasoavan'Andriamanitra ampitainy amin'ny alalàn'ny asam-pifohazana.

    Misy kosa anefa amin'ny fiangonana katolika ny fikambanana "karismatika" izay manao asa mitovitovy (mitovitovy hoy aho fa tsy tena mitovy) amin'ny asam-pifohazana protestanta. Mifototra tanteraka amin'ny théologie catholique kosa ny fomba fiasany. Tsy dia mahalala be momba an'io aho fa raha misy afaka manome fanazavana lalindalina kokoa dia angamba tsara.
    32. fahamarinana ( 14/09/2007 18:33)
    :arrow:Merci bcp fenomanantsoa,marina tokoa zany fa sty nivadika ry zareo .(l)
    33. prime ( 17/09/2007 10:23)
    Ikaretsaka> Marina ny fanamarihanao, fa ny tsy mazava kokoa aminao angaha dia ny hoe, rehefa mpiandry ny olona iray dia tsy katolika, na anglikana, na loterana, na fjkm, na inona intsony fa an\'i Jesosy ka ny fiangonana rehetra manana an\'i Jesosy sy manaiky ny fifohazam-panahy dia afaka iasàny avokoa... tsy miova fiangonana izy tsy akory fa ny asa maha-mpiandry azy dia azony atao n\'aiza n\'aiza fiangonana manaiky an\'i Jesosy sy ny fifohazam-panahy...

    Ny mahasamihafa ireo toby ireo dia efa nambarako fa ny fanomezam-pahasoavana ao aminy fa tsy amin\'ny fomba sy fanao loatra... mety misy madinika dia madinika tsy itoviany kely saingy tsy manakana ny asa maha-mpiandry velively izany...

    Ny mpiandry rehefa hiasa mantsy tsy manaraka litorjiam-piangonana hoe ao @ fjkm iray no hiasa dia manaraka litorjia fjkm, na ao amin\'ny loterana d manaraka litorjia loterana (na koa ohatra ao amin\'ny fiangonana katolika iray no hiasa dia manaraka litorjia katolika... mbola vitsy ny fiangonana katolika manaiky asa fifohazana))... fa manana fitarihana asa azy manokana arakarak\'ilay asa atao...
    34. fahamarinana ( 17/09/2007 14:09)
    :arrow:Fanontaniana kely fontsiny apetrako amin'ny prime : Ka rehefa manao ny asa any amin'ny fiangonana kato hoy ianao dia manaraka ny litorjia kato dia aiza ho aiza ny fipetrany rahatoa misy anaran'ny Masina Maria tononina ao dia manonona koa ve ny Mpiandry? nefa ny fahenoko azy , (Raha diso dia ialako tsiny ary hitsio ny teniko an) ,dia tsy eken'ny Protestant zay encore moins ny Fifohazana.Afaka manome valiny ve prime dia misaotra mialoha indrindra.(l)
    35. prime ( 19/09/2007 12:03)
    fahamarinana> tsy manaraka no nambarako raha mamaky tsara ianao... toy izao no voalazako : "Ny mpiandry rehefa hiasa mantsy tsy manaraka litorjiam-piangonana..." ka raha any @ fiangonana katolika dia tsy hahita mpiandry hanao litorjia katolika ianao rehefa hiasa izy fa manana ny azy manokana...:)
    36. fahamarinana ( 20/09/2007 08:32)
    prime:

    fahamarinana> tsy manaraka no nambarako raha mamaky tsara ianao... toy izao no voalazako : "Ny mpiandry rehefa hiasa mantsy tsy manaraka litorjiam-piangonana..." ka raha any @ fiangonana katolika dia tsy hahita mpiandry hanao litorjia katolika ianao rehefa hiasa izy fa manana ny azy manokana...:)

    :arrow:Misaotra namaly,diso tokoa aho fa zay vao naveriko novakiana ilay izy.Ialako tsiny fa maimaika mamaly e nefa tsy azo no-effacer-na avy eo na izany aza dia excuse daholo fa za no tsy namaky tsara.Azafady prime an! Na izany aza dia mahafinaritra ahy ilay olona afaka miara-miasa na mpiandry kato na hafa sns sy ilay idée hoa mandeha any am fiangonana hafa sns e!(l).


    37. rivorenefabien ( 25/04/2015 16:44)
    Mahaliana tokoa. Misaotra betsaka anareo.
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5393