finoana nihemotra

1. nirinkosoa ( 07/09/2007 07:16)
:!: ahoana no hevitrareo @ hoe finoana nihemotra?
Izany hoe nazoto be izy talohan'ny fanambadiany nefa refa tafiditra tao izy dia toa nahatsapa tena fa nihemotra izany hoe tsy nazoto firy intsony hivavaka, hamonjy fotoam-bavaka........:?:
répondu par nirinkosoa le 14/09/2007 11:11
2. hery ( 07/09/2007 07:43)
Mateti-pitranga io. Misy antony maro.
- Mety hoe resaka hakamoana sy fahasahiranana fotsiny. Kamo be hamonjy fiangonana fa nanjary be adidy. Mora ialàna. Indrindra rehefa mifampitaona ny mpivady.
- Mety resaka lalina kokoa... tahaka ny olona nanao fitaovana an'Andriamanitra fotsiny ka rehefa hita izay notadiavina dia adino Andriamanitra.
3. mandrindra ( 07/09/2007 11:25)
ireny angamba ilay ataon'ny frantsay hoe croyant fa tsy pratiquant.
fa hono hoa ry zareo mpino, fa angaha moa ny fivavahana isanandro sy ny famonjena fiangonana isaky ny alahady no tena atao hoe kristiana?
4. lapino ( 07/09/2007 11:28)
mandrindra:
fa angaha moa ny fivavahana isanandro sy ny famonjena fiangonana isaky ny alahady no tena atao hoe kristiana?
tsy definition zay fa propriete :wink:
5. ikaretsaka ( 07/09/2007 11:32)
Nisy tenin'i paoly izay nanao hoe (azafady fa ataoko dikan-teny malalaka)
"rehefa manambady dia ny hahasambatra ny vadiny aloha no imasoany"
6. ikaretsaka ( 07/09/2007 11:35)
1kor 7..32- 35 ilay izy
7. kalina80 ( 07/09/2007 12:53)
ie misy mihitsy io @ fiainana na dia ny efa mpanompon'Atra ireny aza dia tratrany daholo.Manadinodino mivavaka, lasa varian loatra @asa na ny problème isankarazany sns,...........kanefa anie ao @ baiboly dia misy teny hoe " matio6 .... 32-Fa izany rehetra izany dia katsahin'ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.
33-Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany."
Izany hoe noforonin'Atra isika zanak'olombelona mba hanompo Az ka n'aiza2 dia tokony ny fanompoana azy no atao laharam-pahamehana.

Ny tena ratsy dia ny miverin-dalana tsy mino an'Atra intsony.Fa matoa mahatsapa tena fa lavitra Azy na manadino ny fisiany ka mahatsiaro ho diso,Ny tsara dia ny miverina indray satria ny Atra inoantsika dia Atra fitiavana.




8. booboo ( 07/09/2007 13:18)
Amiko, mila anontaniana azy ny antony tsy "mampazoto" azy fa tsy avy dia tsaraina hoe " nihemotra " ara-pinoana. Tsy hay tsinona zay fomba fifandraisan'izy sy Atra any....

Finoako sy fandresen-dahatro manokana hoe tsy any am-pg ihany no ahitana an'Atra fa n'aiza n'aiza sy miteny amiko @ fomba isa-karazany izy, fa tsy hoe any tranobe n'ny fg dia isaka ny alahady ihany :^)

9. dailynews ( 07/09/2007 13:32)
fa inona no idiran ny fanambadiana?(nefa azoko ihany ny tianao lazaina)
mety mihemotra daholo ny olona na manambady na tsy manambady.
mafana be amboalohany rehefa nanomboka nanana fifandraisana manokana t@ Jesoa. dia nony avy eo niha nangatsiaka( tsy niresaka taminy loatra intsony, tsy namaky ny tts ny intsony( ny baiboly io)....

variana izany amin ny zavatra hafa izany izy raha tsorina amin ny fomba tsotra( mety ho vadiny io, asa vaovao io, zaza vao teraka io...)

ny tenin Atra anefa dia hoe: miverena amin ny fitiavana voalohany. izany hoe: miverena amin ny fifandraisanao amin ny Tompo tahaka ilay fotoana voalohany nadraisana Azy iny, ary mijanona tahaka iny foana ary mila mihatsara mihitsy aza ny fifandraisana amin Atra( miala amin ny voninahitra mankany amin ny voninahitra).

teny farany: tsy sitrapon Atra ny finoana mihemotra. mila mafana ny mpino fa raha matimaty ny fifandraisana aminNY dia tahaka ny tsy manana fifandraisana aminy ihany.

10. kiadi ( 07/09/2007 16:03)
sahirana @ tokantranony iz zany ko
11. Veloo ( 07/09/2007 18:33)
nirinkosoa [ Valio ] 07-09-2007 09:16:56
Lohateny : finoana nihemotra
ahoana no hevitrareo @ hoe finoana nihemotra?


asaivo manatanjaka ny finoany izy dia tsy mihemotra mihitsy
12. ravakamalala ( 07/09/2007 20:54)
(tonga soa ndray veloo!! :wink: )
13. ikaretsaka ( 07/09/2007 21:10)
booboo:

Amiko, mila anontaniana azy ny antony tsy "mampazoto" azy fa tsy avy dia tsaraina hoe " nihemotra " ara-pinoana. Tsy hay tsinona zay fomba fifandraisan'izy sy Atra any....

wooooooo ary efa mahay mandinika sy manao fisainana zezoita kosa i booboo izany
Eka ouzzz... you go girl!

booboo:
Finoako sy fandresen-dahatro manokana hoe tsy any am-pg ihany no ahitana an'Atra fa n'aiza n'aiza sy miteny amiko @ fomba isa-karazany izy, fa tsy hoe any tranobe n'ny fg dia isaka ny alahady ihany :^)

Eka ouzzz.. saingy anahy io hoe tsy ao anaty baiboly fotsiny.
Fa ny ahy ny andehanako any ampiangonana koa aloha tsy hihaino toriteny ihany! (mihaino radio aho dia efa basy, raha izay fotsiny!)

Saingy koa, ny handray an'i Jesoa amin'ny Eokaristia sy hamangy azy any @ sakramenta masina e.. amiko dia tsy hoe EO (ampovoantsika ) fotsiny mantsy izy , fa IO (anaty mofo) io izy, sy AO (amin'ny tabernakla) ao!

tsy hitako eny rehetra eny sy ao an-trano manko i IO sy AO fa mila mankany aho ahitako azy!
fa raha le blablabla de mitsangana de mihira de mipetraka de hamaky teny kely de blablabla dia mihira de blablabla de mitsangana... tsy za zay!

HIvavaka sy handray an'i Jesoa no atao fa tsy hihaino an'i pasitera hitory teny ihany fotsiny.
fa raha ny an'ny sasany ferana eo @ le fihainoana fotsiny sy manakipy maso de mivavaka... de eo de d'accord amin'i booboo aho!


14. niryna ( 08/09/2007 01:09)
nirinkosoa:

:!: ahoana no hevitrareo @ hoe finoana nihemotra?
Izany hoe nazoto be izy talohan'ny fanambadiany nefa refa tafiditra tao izy dia toa nahatsapa tena fa nihemotra izany hoe tsy nazoto firy intsony hivavaka, hamonjy fotoam-bavaka........:?:

Ny olona niaraka taminy izany no tsy nivavaka dia nihemotra izy sa ilay finoana izay andehanana tokony hiaraka no tsy mitovy dia tsy mazoto ilay olona?
Sa hakamoana fotsiny dia aleo mipetraka?

15. xxx ( 08/09/2007 07:29)
Fa raha ny teny finoana mihemotra dia ato no misy azy Timoty I / 4 (1,3) dia mazotoa mamaky ary e!
16. nirinkosoa ( 14/09/2007 11:11)
Marina aloha fa somary kamokamo iany taloha ilay vadiko fa izao aza izy foana no mitarika anay, mafinaritra ahy ery zany,
eny tsapako fa tsy mety ny manampinoana mihemotra:oops: satria halako hoy Jesoa ny matimaty fa aleoko ianareo mafana na mangatsiaka ka isaorako an'andriamanitra aloha^:^^:^ fa nampahatsiaroviny ahy hoe misy Izy ary mbola mampahatsiahy fona ny fitiavany anay.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.5315