Md Augustin

1. ikaretsaka ( 28/08/2007 15:18)
28 Aogositra androany, andro natokan'ny fiangonana ho fahatsiarovana an'i Md Augustin
anisan'ny olomasina nitondra influence be tamin'ny kristianisma

"Misy ny vavaky ny Fanahy, izay hafa mihitsy, misoka ao anaty izany vavaka izany, ary tsy mitsahatra, tsy inona izany fa ny faniriana (desir). na inona na inona ataonao, rehefa maniry ny fitadiavanao an'Andriamanitra mandrakizay ianao dia mivavaka lalandava. Raha tianao ny tsy hitsahatra mivavaka dia aza mitsahatra ny maniry(desirer)
Ny fanirianao tsy miato no feonao tsy miato ihany koa. ho toy ny moana ianao raha ajanonao ny fanirianao"

"Tianareo ve ny hahafantatra ny Voninahitr'Andriamanitra? Ny voninahiny dia ao amin'ny Fiangonan'ny olomasina. Ny voninahitr'Ilay hiraina dia tsy inona akory fa ny mpihira"

"Mikaroka koa ianareo: Aiza ny voninahiny? ny tenanareo jerena dia aoka ianareo no ho voninahiny,"
(Md Augustin, les Confessions)
répondu par ikaretsaka le 01/09/2007 04:28
2. pissoa ( 28/08/2007 19:26)
Misaotra nizara Ika a !

Miarahaba an-dry Augustin sy Augustine retraretra :-D:-D:-D
3. tywa68 ( 28/08/2007 19:38)
d lasa miteny ohatran'ny Mera Teresa :lol: ao ny malahelo azy, ao ny mahazo ny fitadiavany an'Atra, ary arahiny asa foana anefa ! tena mampieritreritra ilay fandava-tena, ary iriana mba hahay hangala-tahaka isika fa tsy hitsikera foana fotsiny :wink:
4. rakaroka ( 28/08/2007 19:48)
tywa68:

d lasa miteny ohatran'ny Mera Teresa :lol: ao ny malahelo azy, ao ny mahazo ny fitadiavany an'Atra, ary arahiny asa foana anefa ! tena mampieritreritra ilay fandava-tena, ary iriana mba hahay hangala-tahaka isika fa tsy hitsikera foana fotsiny :wink:




Izany mihitsy ^:^ , ny soa fianatra hoy ny fitenenana!, sady raha faly mitsikera ny hafa ftsn anie, tsy maka lesona loatra dia tsy mandroso!
5. fijo ( 28/08/2007 22:10)
ka le soa anie azo hianarana foana na dia tsy mino toa azy aza e
6. ikaretsaka ( 28/08/2007 22:37)
"azy" iza ry fijo?
7. fijo ( 28/08/2007 22:46)
ry tereza sy MD augustin
8. ikaretsaka ( 28/08/2007 23:40)
ah ok
9. Mitah ( 29/08/2007 04:00)
ikaretsaka:

28 Aogositra androany, andro natokan'ny fiangonana ho fahatsiarovana an'i Md Augustin
anisan'ny olomasina nitondra influence be tamin'ny kristianisma

"Misy ny vavaky ny Fanahy, izay hafa mihitsy, misoka ao anaty izany vavaka izany, ary tsy mitsahatra, tsy inona izany fa ny faniriana (desir). na inona na inona ataonao, rehefa maniry ny fitadiavanao an'Andriamanitra mandrakizay ianao dia mivavaka lalandava. Raha tianao ny tsy hitsahatra mivavaka dia aza mitsahatra ny maniry(desirer)
Ny fanirianao tsy miato no feonao tsy miato ihany koa. ho toy ny moana ianao raha ajanonao ny fanirianao"

"Tianareo ve ny hahafantatra ny Voninahitr'Andriamanitra? Ny voninahiny dia ao amin'ny Fiangonan'ny olomasina. Ny voninahitr'Ilay hiraina dia tsy inona akory fa ny mpihira"

"Mikaroka koa ianareo: Aiza ny voninahiny? ny tenanareo jerena dia aoka ianareo no ho voninahiny,"
(Md Augustin, les Confessions)



Maninona aho no andeha any amin'izay olona efa maty any,ny maty tsy mamaly vavaka na miteny intsony,mbola manoro voana ny olona ihany ianao.
Izaho no lalana sy fahamarinana,tsy misy na iray aza mankany amin'ny Ray hoy Kristy Jesoa raha tsy avy aminy. Adios amigos, fa tsy ho any mihitsy izahay.
10. ikaretsaka ( 29/08/2007 04:23)
angaha misy niteny an'i mitah eo hoe mivavaka @ st Augustin eo fa hoe nahafinaritra ny oha-piainana niainany sy ny zavatra nampianariny fony fahavelony dia tokony tarafina sy mba atao soa fianatra
11. mimich ( 29/08/2007 05:54)
Ilay resaka Trinite Masina koa no anisan'ny anankiray nahalalako ny voalaohany an'izany atao hoe Md Augustin izany.

Dia ity ny manaraka: "Mitiava marina tokoa dia ataovy izay tianao atao "
(Md augustin koa no niteny an'io raha tsy diso aho???)
Loha-hevitra anankiray azo dinihina io
12. ikaretsaka ( 29/08/2007 06:00)
mimich> eny, ao anaty confessions boky III io
13. fijo ( 29/08/2007 21:36)
mitah milaza hoe tsy hoany amin'izay olona efa maty any.fa ralavavolo ngaha mbola velona?????
14. ikaretsaka ( 29/08/2007 23:06)
ka izay anie no mampisangojy an'ity lesy ra fijo rehefa tratran'ilay ze tiana ihany no raisina @ resaka fivavahana e.
Jesoa aloha aleo tsy ho kitihana fa ireo mpiresaka sy mpampianatra ny momba azy no asiako resaka kely
mampitovy an'i Augustin @ Paoly aho ohatra: samy mampianatra fomba sy zavatra be dia be izy roalahy momba ny finoana
i Augustin tsy reven'ny sasany satria misy zavatra tsy tantiny be dia be @ nambaran'ingahirainy.
I paoly koa misy reveny misy tsy reveny dia izay reveny no raisiny
15. fijo ( 30/08/2007 22:36)
ka io letsy de izao an,misy mpino tsy manaiky raha vao misy zavatra henony ka mifanohitra amin'izay efa fahenony na dia tsapany aza fa marina.toa ny sipa ihany io,mila teny mamy foana a,ka na dia ratsy be aza ka langolangoina hoe manja be de vita eo.
16. ikaretsaka ( 31/08/2007 14:28)
Izay mantsy
17. fijo ( 31/08/2007 22:42)
ka eo ny sekta no tena milalao.ny azy mantsy izay tian'ny olona ho eno no lazainy.
18. ikaretsaka ( 01/09/2007 04:28)
izay mihitsy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0901