Vaovao mitombina vé io?
1. sylvana
(
25/08/2007 10:25)
Source : wanadoo.mg
Sangisangy sa tena izy ? Volana roa no hibaliaka !
24-08-2007 / 10:07
Miparitaka be amin’ny “internet” fa hisy trangan-javatra tsy fahita andavanandro eny amin’ny habakabaka amin’ny alatsinainy izao.
Ho andro iray tsy hanam-paharoa ary hanamarika ny tantaran’izao tontolo izao ny andron’ny alatsinainy 27 aogositra ho avy izao, araka ny nambaran’ny lahatsoratra iray miparitaka amin’ny “internet”. Hisy tranga hafakely hiseho eny amin’ny habakabaka: volana roa no hiara-hibaliaka. Hamirapiratra be ny planeta Marsa ary ho toy ireny diavolana fenomanana ireny, satria hiditra hanakaiky ny tany izy. Araka ilay lahatsoratra, dia afaka hahita izany ny olona rehetra eran-tany ary tsy hilana fitaovana manokana ny fijerena azy. Ny olona velona amin’izao dia tsy hahita izany intsony satria amin’ny taona 2287 indray vao hiverina hiseho ny tranga toy izany.
Sangisangy ?
Nahita io lahatsoratra io niparitaka ny mpikaroka namoaka ilay vaovao voalohany ka nitondra ny fanazavana marina. Nanambara izy fa efa tamin’ny taona 2003 no nanoratany ilay lahatsoratra saingy mbola nisy namerina sy nanova ary nandiso izany. Nanambara izy fa ilana fampiasana “télescope” ny fijerena izany fanatonan’ny planeta Marsa ny tany izany, ary mila alehibeazina in-75 vao ho hita mazava tsara. Efa tany amin’ny 60.000 taona lasa no nisehoan’izany farany teny amin’ny habakabaka ary afaka 280 taona indray vao hiverina hiseho.
Mbola hiverina!
Efa nanomboka tamin’ny volana jolay sy aogositra 2005 no niparitaka ity lahatsoratra ity, mbola nitohy ny 2006 ary izao niverina izao indray ary miova hatrany ny votoatiny. Inoana araka izany, hoy ihany ny fanazavana, fa mbola hiverina hiparitaka io vaovao io amin’ny taona ho avy…
Hiaraha-mahita eo izany raha tena hisy volana roa hiara-hibaliaka tokoa, na tsia, eny amin’ny habakabaka ny alatsinainy ho avy izao. Raha hisy izany, dia ireo manana ny fitaovana manokana ihany no afaka hahita izany.
H.A.R/ Aina R.
©Midi Madagasikara

répondu par diamondra27 le 29/08/2007 09:08
2. malao
(
25/08/2007 17:38)
shhhhhhhhhhh !:?
mbà mahagaga koa ny zavatra ohatran'itony no atao lahatsoratra amin'ny gazety gasy !
amin'ny fomba ahoana no isian'ny volana roana na zavatra ankoatran'ny volana ka mibaliaka tahaka azy, raha tsy hoe misy satellite goavana be iray angaha iniana atao izany (izany hoe mitovy saka (diamètre apparent). TSY NISY NANDEFA zanabolana tahaka io tato ato ka aza mino mino foana !:roll::roll::roll:

3. diamondra27
(
29/08/2007 09:08)
efa lasa ny lundi de nitranga sa tsia hono le izy
google sky zao no malaza
ahitana ny eny ambony eny ; de mazotoa mijery