moa ve mety hiteraka "vay" ny hozatra mivokona

1. xxx ( 24/08/2007 11:31)
Mpanao asa tanana ny tenako , noho izany noho ny le miondrika dia nisy otrany zavatra mivonto kely izay tao amin'ny lamosiko tao aoriana tao. Tsy maharary mihitsy le izy satria lazain'ny olona fa hoe hozatra mivonto le izy , nony taty aoriana nefa dia otrany naharary le (amin'izao fotoana izao) , nampanoriko taminy mpanotra le izy ary nooriny , après 2 jour nefa dia tena niteraka fanaviana ho ahy le izy refa noorina, nohentiko tany amin'ny dokotera le izy , dia nomeny fanafody aho , ny nahagaga ahy nefa dia lasa vay le izy ary misy nana mandeha ary tena manavy mihitsy aho, ka mba inona re no tokony hataoko e?
répondu par sympa le 29/08/2007 17:46
2. sakaizakely ( 25/08/2007 07:55)
sao dia mba ilay vay no naharary anao fa tsy ilay hozatra. Mety sendrasendra fotsiny no mampifanakaiky azy de heverinao fa ilay hozatra no lasa vay.

Za ndray mbola tsy naheno an'izany hoe hozatra mivokona lasa vay izany.

Fa zao, tsy misy afatsy ny fanatonana dokotera ihany dieny vao manomboka. Itony mpanotra itony tsy nandia fianarana tamin'ny fanorana fa resaka fahazarana fotsiny. Ny reko fotsiny dia saropady ny lamosina ka tsy tokony kasikasihana, na otra na tsindrona na hafa. Misy olona efa voahofana hanao izany de ireny no tokony atonina : dokotera, kinésithérapeute, médecin du sport ...

Miverena mamonjy ilay dokotera fa mety zavatra roa samihafa ilay izy. Mangataha radio sy analyses. Normal ianao raha manavy satria misy infections (nana)

Salamà ary dia aza adino ny mitantara ny tohiny :-*:-*:-*
3. ikaretsaka ( 27/08/2007 05:08)
tsy nifandray mihitsy..
fa ny ahy koa nisy vay izay.. dia neveriko fa hozatra.
kay le izy staphilocoque efa mandavaka!
dia toa karazana mony izay hono izy io.. dia sokirina be any anatiny any mihitsy.
fa za koa aloha nanavy e!
4. sakaizakely ( 27/08/2007 21:35)
ika> dray ? danz be koa izy izany ?

ahoana no nahatongavan'izany staphylo izany tany andamosin'i ika ? ngodé vodonan'ny karetsara ivaiva ? :-D:-D:-D
5. ikaretsaka ( 27/08/2007 22:04)
tsy haiko mihitsy ... ireny kao rehefa te ho tonga de tonga koa... pollution hono e, zao sy zao e
6. sympa ( 29/08/2007 17:46)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1851