azo atao ve ny lainga masina?

1. todisoa2 ( 10/08/2007 15:27)
Ny taranja ''délibération éthique'' (any @ STPL) dia manambara mazava tsara fa misy ny lainga masina. Ny déliberation éthique mantsy dia fanaovana safidy tsaratsara kokoa, mba hahazoana vokatra tsaratsara kokoa. Eo hianao no mametraka ny ho ''manan-danja eo @ fiainana'', mba hahazoana fiainana mandrakizay.

Tantara iray tena nisy ity, tao Fianarantsoa. Taona 2002.... Nisy ny fanenjehana. Rehefa nihamafy ny fanenjehana dia maro ireo mpanohitra no nilefa. Tsy nahita toerana hilefana anea ity olona iray afa-tsy tao @ tranonà Pastora iray. Tsy nihafahafa ity farana fa dia nanafina azy tany ambany lakavin'ny tranony. Nandeha ny fikarohana. Ary tonga tao an-tranon'ilay Pastora ny fisavana. Eto dia didy roa lehibe, no tsy maintsy isafidianana:''Aza mandainga'', sy ny ''aza mamono olona''. Raha miteny ilay Pastora hoe ''tsy ato izy'', dia mandainga. Raha milaza kosa ilay Pastora hoe ''ato izy'', dia mamono olona. Inona ary no hataony.

Eo no mipetraka ny Déliberation éthique, ny aina no ambony. Io no manandanja. Aleo mandainga. Mipetraka ho ''lainga masina'', eto ny tsy filazana ny marina.Izany hoe lainga araky ny fiainana masina.
répondu par fijo le 16/08/2007 23:08
2. ikaretsaka ( 10/08/2007 15:39)
dia eo ilay mandinin-tena..sy manao examen de conscience lalina be
raha izaho no anontanianao dia jereko hoe iza no mavesa-danja kokoa, ilay mandainga sa ilay mamono olona.
Raha maty @ ts'isy dikany ilay olona ohatra nohon'ny tsy laingako.. dia ahoana..
fa raha tena mitombona kosa ny fanenjehana ilay olona nefa narovako ... dia ahoana ...
conscience io conscience io
3. todisoa2 ( 10/08/2007 15:53)
Ny déliberation éthique dia mametraka ny hoe contextualisation (contexte misy anao)sy fametrahana ny domaine tokony hidirana. Ny adidinao dia ny mijery izay mavesa-danja, dia ny aina izany. Ka eo anoloan'Atra dia ny aina ihany no ambony. Ny zavatra vitan'ilay olona tany dia ivelan'ny domaine misy anao. Ny ataonao fotsiny dia ny tsy hanananao tsiny eo imason'Atra. Misy ny heloka tsy ho voavel mihintsy, hoy ny tenin'Atra dia ny fandavana ny asan'ny Fanahy. Ny fandavana ny asan'ny Fanahy dia faniratsirana azy aloha. Vao fanaovana ho aloha ny ''conscience morale''. Ny tena conscience , dia eo @lafiny éthique, dia ny fanaovana sy ny fiainana araky ny tenin'Atra. Dia ny fanekena ny asan'ny Fanahy masina eo amintsika.izany Ny Fanahy Masina no ''personne '' fahatelo sady farany ao @Atra. Ka ny tsi-fanekena Azy dia midika ho fandavana tanteraka an'Atra Trinité, satria tsy hisy personne fahaefatra halefan'Atra hoantsika intsony.
4. ikaretsaka ( 10/08/2007 16:24)
todisoa2:

Ny déliberation éthique dia mametraka ny hoe contextualisation (contexte misy anao)sy fametrahana ny domaine tokony hidirana. Ny adidinao dia ny mijery izay mavesa-danja, dia ny aina izany. Ka eo anoloan'Atra dia ny aina ihany no ambony. Ny zavatra vitan'ilay olona tany dia ivelan'ny domaine misy anao. Ny ataonao fotsiny dia ny tsy hanananao tsiny eo imason'Atra. Misy ny heloka tsy ho voavel mihintsy, hoy ny tenin'Atra dia ny fandavana ny asan'ny Fanahy. Ny fandavana ny asan'ny Fanahy dia faniratsirana azy aloha. Vao fanaovana ho aloha ny ''conscience morale''. Ny tena conscience , dia eo @lafiny éthique, dia ny fanaovana sy ny fiainana araky ny tenin'Atra. Dia ny fanekena ny asan'ny Fanahy masina eo amintsika.izany Ny Fanahy Masina no ''personne '' fahatelo sady farany ao @Atra. Ka ny tsi-fanekena Azy dia midika ho fandavana tanteraka an'Atra Trinité, satria tsy hisy personne fahaefatra halefan'Atra hoantsika intsony.

miombon-kevitra


5. ainga ( 10/08/2007 17:13)
Mihombo-kevitra koa : ny AINA no ambony sy mavesa-danja , lafiny morale io, ara-kristianina na @ araka ny fahendrena malagasy.
Raha ny fahazoako ny tantara dia "mihatra aman'aina" ilay izy ? FANENJEHANA no niseho hoy ilay mpitantara, izany hoe andiana olona vonona ny hidaroka no nisava ?
Tsy misy lanjany ny lainga noho izany.

Raha ny "mpitandro filaminana" na iraky ny fitsarana no nanontany ka tsy tamin'ny fotoan'ny korontana dia hafa ny voatery nandainga i Pasitera : ny lalàna no arahana @ maha-olompirenena anao @ izay fotoana izay, raha ekena hoe tany tàn-dalàna no misy.
6. LazaDaddy ( 10/08/2007 20:00)
todisoa2> Azo atao ve ny manamasina ny lainga?

7. Fiffi ( 10/08/2007 20:38)
"todisoa":
azo atao ve ny lainga masina?
"Ika":
todisoa2> Azo atao ve ny manamasina ny lainga?
8. ikaretsaka ( 10/08/2007 20:43)
tsy za no niteny an'io ka
9. Fiffi ( 10/08/2007 20:45)
fantako kah ! :)
10. ikaretsaka ( 10/08/2007 21:22)
ny sary masina angaha moa voatery hamasinina vao hoe masina..
dia misy ireny mamafy rano voahasina @ trano ireny ...misy ireny mpanao baolina (bresil) ireny mitondra ny godasiny any @ mompera hotsofin-drano sy hametrahana tanana, toy izany kao ireny Tambanivohitra mitondra ny angady any ireny mba hotsofin-drano
Dia hoe masina ve izany ny godasy sy ny angady?
11. fijo ( 10/08/2007 21:50)
masina hono ireny ko.hi hi hi hoy ronaldo .

izao e ,fiainana ity fa tsy revirevim baiboly sy soratra masina.amin'ny fiainana dia misy fotoana tsimaintsy hisafidiananao.ary mahatsara kokoa ny lainga noho ny filazana ny marina.ka anao ny sisa;

ilaina ny lainga ahitana ny marina
12. piste ( 10/08/2007 22:21)
Resaka hierarchie de valeur io. Ka tsy tanjona eto ny handainga fa ny hanavotra ny fiainan`ilay olona. Sady izy koa tsy olon-dratsy fa resaka fanenjehana ara-politika io. Ka tsy manenjika ny Conscience-ko velively ny tsy milaza ny marina momba ilay olona. Araka ilay voalazanao( contextualisation) ny lainga eto dia fitaovana hahafahana manavotra ny ain`ilay olona.
Tamin`ny conscience-ny tanteraka no nanaovan`ilay Pasitera azy ka ataoko tsy misy tsiny eo anatrehan`Andriamanitra izany.
13. fijo ( 10/08/2007 22:24)
mpandainga koa izany andriamanitra na mpiray tsikombakomba amin'ny mpandainga
14. piste ( 10/08/2007 22:27)
Raha izay moa no andraisanao azy dia tano ho anao izany.
Ary sao dia samy hafa aloha ilay Andriamanitra inoako sy ilay andriamanitrao
15. fijo ( 10/08/2007 22:32)
za tsy mino mihintsy na andriamanitra an'iza na an'iza ka,mitovy aby ireo amiko
16. ainga ( 10/08/2007 22:44)
i fijo izany ilay mino ny andriamanitry ...ny tsy mino:-D:-D
17. fijo ( 10/08/2007 22:51)
ieeeee,vola io ary tena mahery fa na mopera sy rapasy aza mihondrika aminy 680 millions ko
18. todisoa2 ( 11/08/2007 14:09)
LazaDaddy:

todisoa2> Azo atao ve ny manamasina ny lainga?



Ny lainga eto dia masina hoazy. Noho ny zava-misy no nahamasina azy. Izany hoe fait izy eto fa tsy action. Noho izany, dia tsy azo atao ny manamasina azy. Ny zavatra hamasinina izany dia, ara-teolojika ihany ny resaka, zavatra izay ahatsapanao fa tsy manana fahamasinana ka atao tonga masina.

19. mikavao ( 11/08/2007 14:23)
Misaotra an'i Todisoa2 nametraka ilay petrak'olana.

Ny famaritana ny hoe "Masina" no tsy maintsy hapetraka mazava tsara mba hahazoana miroso lalindalina kokoa amin'io tranga natsidikao io.

Miala tsiny aho raha manindry mafy ny resaka "famaritana" satria izany no tsy hampivaona, na hampisandrahaka be loatra ny dinidinika.

Atao hoe "Masina" ny zavatra iray rehefa "natokana" sy "navahana" hiala amin'ny tontolo nahazatra azy ka lasa fitaovana ho fanompoana an' Andriamanitra.
Izany koa dia mitarika amin'ny andalana manaraka dia ny "Fanadiovana" (rehefa voatokana sy miavaka amin'ny tontolo nahazatra azy ny zavatra iray/ na olona iray dia mandroso ho amin'ny fahadiovana: consécration -> purification). Ohatra: "Hanamasina" na "Hanokana" orgue iray isika ho hanompoana an'Andriamanitra.
Tsy misy maha-samihafa io orgue io amin'izay rehetra hitantsika eny amin'ny tsena mihitsy ange saingy lasa "masina" na "madio" izy rehefa natokantsika ho fiderana an'Andriamanitra irery ihany.

Ny lainga àry dia tsy ho masina na oviana na oviana fa angamba diso fipetraka io olana io. Rehefa lainga dia lainga fa tsy misy "masina" (natokana ho fanompoana an'Andriamanitra??? :^):wink: :^) :wink:, sanatria anie izany...8-) 8-)

Eo anatrehan'itsy famaritana itsy àry dia miova ho toy izao indray kosa ny fametrahako ny olana.

Mahazo mandainga ve ny Kristiana, ny olom-boahosotra, ho fanavotana ain'olona??
Ny Soratra Masina (izay heveriko fa fahefana fara-tampony hitsarana sy hanitsina izay tokony hinoana sy hiainana) no hangalako tari-dalana.

Nandainga tamin'i Pharaon an'i Egypte i Abrahama, hiarovany ny ainy ka nilaza an'i Saraï vadiny hoe "anabaviny".... Genesisy 12: 18-20
"Instinct de survie" ve no nahatonga azy nandainga sa
noho Andriamanitra efa nametra planina mazava ho an'i Abrahama ?("Aminao no hitahiana ny firenena rehetra" Genesisy 12:3b).
Olona nofidin'Andriamanitra manokana tao anatin'ny maro Abrahama -> olona "masina", ary lasa nanompo azy, ka nanaiky ny iraka nampanaovina azy (Genesisy 12: 1 sy ny manaraka).
Amiko izany, rehefa lainga dia lainga, saingy azo leferina ihany izany amin'ny fiainan'ny mpino, indrindra fa raha mihatra aman'ainany tontolo "nanery" antsika nanaovana azy.

Misaotra Tompoko o!:°):D:°)


20. ikaretsaka ( 11/08/2007 16:18)
mitovy fijery @ mikavao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2845