azo atao ve ny lainga masina?
21. bosista
(
11/08/2007 19:26)
amiko aloha de we fahotana ny lainga, aza mandainga hoy didy folo, ka taiza koa no misy fahotana masina????
22. ikaretsaka
(
12/08/2007 00:29)
vakio tsara aloha le laza adina ry bosista an.
na azavao lalindalina ny hevitrao
na azavao lalindalina ny hevitrao
23. fijo
(
15/08/2007 21:10)
ilain awa ny lainga ahitana ny marina.izay ihany i.masina sa tsia???tsy aiko,fa ilaina fotsiny izy
24. niryna
(
15/08/2007 22:20)
mikavao:
Mahazo mandainga ve ny Kristiana, ny olom-boahosotra, ho fanavotana ain'olona??
Ny Soratra Masina (izay heveriko fa fahefana fara-tampony hitsarana sy hanitsina izay tokony hinoana sy hiainana) no hangalako tari-dalana.
Nandainga tamin'i Pharaon an'i Egypte i Abrahama, hiarovany ny ainy ka nilaza an'i Saraï vadiny hoe "anabaviny".... Genesisy 12: 18-20
"Instinct de survie" ve no nahatonga azy nandainga sa
noho Andriamanitra efa nametra planina mazava ho an'i Abrahama ?("Aminao no hitahiana ny firenena rehetra" Genesisy 12:3b).
Olona nofidin'Andriamanitra manokana tao anatin'ny maro Abrahama -> olona "masina", ary lasa nanompo azy, ka nanaiky ny iraka nampanaovina azy (Genesisy 12: 1 sy ny manaraka).
Raharaha tokony izy ity izany satria mbola nisy ihany koa ilay olona mpivaro-tena nandainga rehefa nisy mpitsikilo saika ho vonoina dia nafeniny tany ambonin'ny tafo-trano misy mololo sa inona izy izay ary nilaza izy fa tonga teo aminy tokoa ireo olona ireo ary efa lasa.Io dia hirak'Atra izany no nahamasina ilay olona handainga?
ao ihany koa ny olona manao miaramila ary milaza ny didy fa tsy mahazo mamono olona kanefa vokatry ny ady dia tsy maitsy mamono izy mba hiarovany ny taniny.
Dia ahoana hoy ny zanako izay tsy mahazo mamono olona na biby namboarin'Atra kanefa raha misy kalalao na mahita voalavo eny an-dalana dia misy fandrika hamonoana azy?
Satria Kristy no tonga ety an-tany hanavotra ny helok'izay manantona azy ary raha misy zavatra hamonjena ny ain'olona na voatery satria izay no lalan'ny fiainana dia mibebaka ilay olona satria voatery nandainga mba hiarovana ny ain'olona.Sa ahoana hoy ianareo?:roll::roll:
Amiko izany, rehefa lainga dia lainga, saingy azo leferina ihany izany amin'ny fiainan'ny mpino, indrindra fa raha mihatra aman'ainany tontolo "nanery" antsika nanaovana azy.
Dia mbola misy ihany koa izao olona tany chine nanao sonia tsy marina izy izay,namoaka fanafody hanasitranana kanefa tsy nahazo alalana fa nandainga ary dia hovonona ho faty.Dia ahoana tokoa no fipetrany ry ireto?
Amiko tsy tokony ho fiteny ny hoe lainga masina rehefa lainga dia lainga fa arakaraky ny zavatra mitranga na hamonjena ain'olona no mahatonga ilay izy ho tsy maitsy nandainga na tsia.:wink:
25. LazaDaddy
(
16/08/2007 05:49)
LazaDaddy::?:
todisoa2> Azo atao ve ny manamasina ny lainga?
todisoa2::twisted:
Ny lainga eto dia masina hoazy.
mikavao:
Ny lainga àry dia tsy ho masina na oviana na oviana fa angamba diso fipetraka io olana io. Rehefa lainga dia lainga fa tsy misy "masina"
26. fijo
(
16/08/2007 23:08)
ilaina fotsiny na masina na tsia.
raha nadriamanitra no nampandainga dia mpandaiga koa ny anareo
raha nadriamanitra no nampandainga dia mpandaiga koa ny anareo
