Mba omeo ary ny tokony hatao ry Tezitra
1. Jeankely
(
07/08/2007 04:26)
Manazava betsaka ianao ry tezitra. Efa nilaza moa ny maro fa tsy misy mitady ny ho any amin'ny lavaka ary samy mitady izay ahasoa. Milaza ianao fa tsy anisan'ireo tsy nahomby tranainy ary tsy mankatoa ny tsy fahombiazana ankehitriny koa harosoy ary ny hevitra mahaomby ho vakiana. Ny resaka fitanisaina fahantrana sy fahasahiranana tsisy vahaolana aloha dia miala tsiny fa tsy hiraisana iny. Ny anay na olontsotra aza izahay dia fantatray fa tsy maintsy miasa sy mikaroka vao mahavita zavatra ary mandroso. Miampy izay na tany aiza na aiza mihasarotra hatrany ny fianana noho izany mila miatsara koa ny fomba hiadivanao amin'io mba tsy handrendrika anao. Tsy makasitraka ny fitaritana ny olona ho mpanaradia lalandava izahay.
répondu par kanota le 09/08/2007 08:33
4. nathie86
(
07/08/2007 05:52)
ka ny manakihana io samy mahay daolo sady mahafinaritra ny olona ery, ra ny vahaolana ndray d aleony tsy miteny fa sao d ouain eo
5. Jeankely
(
07/08/2007 07:45)
Ka izay indrindra no tiana ho fantatry ny maro fa mora ny manakiana sy miresaka nefa ny dadatoany tsy nahavita na ny havany tsy nanao araka ny tokony ho izy. Avy eo mitanisa ny problema mahazo ny tompon'andraikitra fotsiny. Na ahoana na ahoana dia anaty problema satria tsy afaka hifehy ny tsena ianao aloha hatramin'izay ka hatramin'izao. NY vary izay foto-tsakafo aza hafarana koa ahoana no vita mora io. Mila hampiakarina ny hambompon'ny olona tsy hivareraka na sarotra sahalan'ny inona aza. Ny miady amin'ny sarotra koa milay rehefa tena mahasaky. Ankoatr'izay fitiavana ny olona ho POISSON MORT ary mitarika ny olona hararirary fo fotsiny. Mila matanjaka sy be herimpo ny miady amin'ny fahantrana.
6. lamie
(
07/08/2007 08:19)
jk:fa ianao koa mangaro-biby andavaka!ary ianao no tena miaraka @ tezitra manimba ny serasera,isika tsy misy mpanao politika fa mifanampy hanoro sy hanondrotra ny fisainana tia kely, mifanaraby,hanarina io teo-tsaina nivarilavo nohon'ny kaboraraka nisy hatrizay,iza @ tsika no afaka hiresaka sy hidinika @ ny filoha moa?mifanakalo hevitra no azontsika atao eto!ka io no tohizana fa aoka izay ny fanaratsiana!
7. Sambilokely
(
07/08/2007 09:42)
Fa lany fika angaha ny fanatika no mitady hevitra any am tezitra?? Ary ianareo ve mba manolotra vahaolana sa mitehaka fotsiny sy milelaka fitondrana? Nefa ny teninareo de hita taratra fa mahatsapa fa miha mafy ny fiainana, ny ataonareo anefa de manabaty ny mitaraina.
8. lamie
(
07/08/2007 10:31)
ianareo iza moa no anontanianao ry sambilokely?izahay anaty fitondrana, tsy milelaka ary tsy hilelaka na iza na iza fa manao ny adidy ho an'ny Tanindrazana,tsy vao zao no mafy na mihamafy ny fiainana akory,ny vahoaka no nitady "miracle" raha nisolo ny mpitondra,tsy mahari-pery ary tsy miezaka ny hiakatra fa manimba izay atsangana ,kamo ary te hamatam-bonona,io no tokony hilofosan'ny malagasy rehetra amboarina,tsy vao izao no mahantra ny malagasy fa teo aloha odiana tsy hita ny fahantrana satria nanjaka ny risoriso, ala-botry sns,sns;amiko tsy fanatika jk fa miezaka mifanoro hevitra,ary jk no isan'ny olona malagasy tena tia ny tanindrazany!ny mitaraina koa tsy dia mety ary toa tsy misy mitaraina eto fa milaza ny zava-misy tokony harenina ho vaovao!
9. Sambilokely
(
07/08/2007 13:57)
Otrany tsy mbola nahita sosokevitra mba nolazaina mintsy kosa le mpanohana e!! mipasoka ny efa malama fotsiny no ataon reo mpanohana, ny miasa miasa iany nefa iza no tsy miasa? Mandroso soso-kevitra ny olona lazaina fa mpanohitra teo aloha e, mody zao foana no lazaina oe teo nareo tsy nahavita inona, mody ailika am teo aloha foana ny zavatra tsy mety. Mba manàna resposabilité am ze atao.
10. lamie
(
07/08/2007 14:17)
raha tsy nisy ny taloha dia tsy misy ny ankehitriny,ny fanabeazana no tena hilofosana haharina,hahitsy fa teo aloha adino sy nariana io fanabeazana io izay adikako "instruction civique",tsy manohana hoy aho taminao raha mitafa fa mamporisika ny hanatsara ny fomba fiainana,fisainana,sns, sns,raha nandinika ianao dia betsaka ny zavatra tokony ovàna,hianarana indray,ary nisy ny tsy nety teo aloha matoa mbola gisitra i Madagasikara,ary ianao io , matoa tonga @ zao toeranao izao dia nisy responsabilités izay tsy ianao irery no nahavita azy fa ny rehetra satria mifanosona daolo ny ambaratonga rehetra!
11. Sambilokely
(
07/08/2007 14:28)
Anay ry tony taloha nampianarina Instruction civique tany ampianarana a!! Ny zaza taty aorina no tsy mahalala zany tsony satria ny asesika ao an tsainy de oe ny haka tahaka vazaha sy hanaraka ny modely ataon'ny vazaha, zany no tena fandrosoana.
12. lamie
(
07/08/2007 14:30)
hitanao zany!izahay dia tena nankafy io instruction civique io satria tena nanampy betsaka t@ fiainana sy ny fomba rehetra,io no tokony averina hoy aho satria ny ankizy no ho avin'ny firenena!
13. Jeankely
(
09/08/2007 04:09)
Hita mazava fa ny rehetra dia mitady hevitra hanasoavana ny firenena saingy ny an'i Tezitra dia ny fitsikerana fotsiny ary mampiasa ny teny frantsay mba hiderana azy ho mahay. Samy mahalala ny lesoka ary samy tompon'andraikitra amin'izay mifanandrify aminy ny rehetra noho izany tsy mety ny mijanona ho mpitsikera fotsiny. Inona no nataonao ary mbola hataonao ho anao sy ny fianakavianao ary ho avin'ny firenena MADAGASIKARA? Ny mijanona ho mpitsikera fotsiny ary tsy haninona tsy haninona dia vao mainka manimba toe-tsaina. Fanamboarana toe-tsaina ve ny hoe izahay tsy hiasa, tsy hiasa? Izany no lesona alefan'i Tezitra mandeha eto izay vakian'ny olona eran'izao tontolo izao. Aiza ny INSTRICTION CIVIQUE amin'izany ary?
14. tsoraka
(
09/08/2007 04:31)
Ny taranaky ny mpanao risoriso sy nanimba ny firenena dia tsy mahafantatra afatsy ny mitsikera ary mitetika hiverina amin'ny fahazarandratsiny. Simbaina ny sain'ny olona mba tsy ahavitana inoninona izany no filamatra heverina ahasoa. Tsy misy zavatra azo tovozina fa mitsikera dia mitsikera.
15. kanota
(
09/08/2007 08:33)
Ny tokony hatao aminy dia manao izay ahatezitra sy romotra ny vahoaka. Ny vahoaka kosa efa ela no nahalala fa tsy misy ny azo mora foana ary izy tezitra tokoa no mitetika hitaingina ny vahoaka araka ny efa nataony sy ny nataon'ny havany tiany hiverina eo amin'ny fitondrana.
