hisaram_panambadiana aho!!!!

1. eiluj ( 06/08/2007 15:23)
salut daholo nareo zay mijery d mba mangataka ny hevitrareo aho,
hisaraka za sy ny vadiko fa sady tsy miasa ny vadiko no manana sipa,7taona zay no nivadianay,2taona teo fotsiny izy no niasa d za foana no nitady ny tao @ tokantranonay,izy efa 45ans tsy taitra mht ny hitady fa miandry ahy foana sady miandry any @ parent satri zanaka minisitra taloha d miandry tolorana foana,en plus tsy mba mahazo fitiavana avy aminy aho fa otran'ny efa mpivady nandritra 60 taona zahay,tratrako ndray taty aoriana fa nanao sipa izy,vao naheno io aho d mba nanao koa,nihenjana @zay ny- tady fa fantany a hoe manao sipa koa za d niafara t@ hoe hanao divorce!zao sika miteny zao anefa d tonga saina tampoka io vadiko io fa tsy hanao divorce ndray hono ary mitady hamerina ahy d eto aho miady saina satria ny antony d efa tena tafalatsaka b @ ol miaraka amiko aho satria tena manantena b ahy io ol io,izy tsy mbl manambady sady tsy mbl niteraka efa 37ans izy,very hevitra aho ry reto a tsy itako zay atao hiverina sa handroso,ra hiverina le vadiko tsy mbl manana asa sao zao fotsiny no milamina d avy eo mikorontana ndray,raha handroso anefa ty sanatria vita divorce a d tsy mazoto ndray le ol tia be ahy io,omeo ny hevitrareo aho ry reto aaa!!!!!
répondu par mamzelkely le 14/08/2007 07:30
2. Fiffi ( 06/08/2007 15:37)
heu....satria ve hoe nanao sipa koh enao de niova izy ? :-w:-w izy manao tsy rototra akory ....de enao nanao de de iny fa natahotra de tsy hisaraka intsony ?
de tsy aiko raha mbola azo hatokisana izy na de ahita asa aza....efa nataony fahazarana koh le izy....
Misy zanaka ve nareo ? ny zaza ftsn no mampalahelo raha misaraka...
3. mignone ( 06/08/2007 15:51)
divorce alefaso foana rehefa tapakevitra ianao , fa ilay iray miandry aza vadiana zany ! fa tsy fantatra aleo amzao foana aloha !:-P
4. fasaly ( 06/08/2007 16:05)
hummm! injay aza ilay chiffre malaza, hoe eo am 7ans de mariage eo hono ça passe ou ça casse:roll: ary tena betraka ny mpivady manana olana eo ka raha ny fahitako azy marina ihany izany lay chiffre ka mila mitandrina korazy e!

rehefa fantatrao fa tsy miady aminao itsony dia aleo misaraka e! izay ihany...toa izay hiaritra ny aretimpo am itsy sy irokatra eo! izy aza tsy nanaja anao ihany koa.....fiainana mandalo raim sy valo ka sao mba hanana fahasambarana ihany ka aleo misaina kely dia miala raha tena tsy laitra .....:-*korazy korazy
5. kiadi ( 06/08/2007 16:24)
saika hamaly zah kay moa resabehivavy ilay iz
6. sakaizakely ( 06/08/2007 16:26)
fasaly>

aza mampitahotra ranona a !!!! :-D:-D:-D

7 taona nivadiana sa 7 taona nivod.ana klou ??? =))=))=))=))=))

eiluj>

manao zanak'i dada marina tokoa izany ka mikopy anao aho aho raha leo azy ianao satria olona tsy manana ny maha izy azy fa tsy aninn tsy aninn miandry an'i dada sy neny foana. Tsy mangôdy marina fa ialao any. Inona intsony no asa ho hitany efa 45 taona izany fa efa hors circuit izany. Ny asa no maha lhl ny lhl (tonta be le fihevitro e ? :-P). Raha lhl tsy manana asa tsy mahavita tena dia tsy hita izay ilàna azy. Ny asa koa no manome équilibre eo @ fiainana (estime de soi)

Rehefa tsy ao intsony koa ny fitiavana dia aleo misaraka satria ny fanambadiana dia fitiavana tsy tsy hoe firaisamonina na faux semblant fotsiny.

Fa ny hevitra samy manana ny azy, anao ny fanapahakevitra farany satria ianao no hanana azy.
7. Fiffi ( 06/08/2007 19:46)
kiadi:

saika hamaly zah kay moa resabehivavy ilay iz
nga diso varavarana toi ? :-D:-D:-D:-D


8. fasaly ( 06/08/2007 20:39)
sakaizakely : possible io an! tasiôôô! an! mitandrema ihany refa eo am faha fito taona ny fanambadiana mariazy fa tsy ilay vosoratry indry io akory (7 taona nivod.ana klou ??? ):-D
9. kallie ( 07/08/2007 07:32)
raha tsy misy zanaka kely, misaraha fa fiainana kely ity, enao iany d'efa mahatsapa oe tsy nisy fitiavana atrizay, ary mety o marina ko io teneninao io oe zao iany iz no manao effort d avy eo d miverina am fomba atrizay iany, tanana zatra itsotra sarotrarotra iany ny miova.
Ra misy zanaka, ra efa afaka mi comprndre d azavao azy ny zava misy, ataoko fa tsy ny ijalinao ko no tian'ny zanakao
10. lembelo ( 07/08/2007 08:40)
Miala tsiny raha manaka-dresaka aty amin'ny resa-behivavy aho (fa ny fisaraham-panambadiana ve moa tsy raharahan'ny lahy sy ny vavy ?).
Ny toro-hevitro aloha (raha raisinao) dia aza miady saina irery, fa mandehana mizaha "conseiller conjugal". Mety hampazava ny ao an-tsainao izany, ka ho tony hianao handray izay fanampahan-kevitra raisinao avy eo. Izaho manokana aloha dia niresaka nalalaka tamin'ny pasiteranay. Tsy adala akory izy ka handetika an-tsainao hoe divorce = fahotana = afobe. Raha tsy anaty fiangonana hianao - na tsy te-hiresaka izany amin'ny ray aman-dreny am-panahy - dia misy ireny conseiller conjugal ireny, google-o fa hahita hianao.
Mahereza e.
11. rhina ( 07/08/2007 09:48)
tonga d oz za aminao r lembelo oe:
fitiavana no nivadinareo d fitiavana koa no anitsio ny vadinao fa aza misaraka zany

t@ rara otran'y tsy ho faty ko rarafan'ny onjampiainaana ao vo oe isaraka a isaraka

metra ny avana amantsakaiza nanatrika ny rara @ zany nefa zareo reny vavolombelon'ny fitiavanareo daholo

toroy hevitra iz fa tadidio fa ny atao hoe tokatrano di a fifampitaizan'ny lahy sy ny vavy ary izay mety ho zanany @ mpitiavana

sns et

za tsy mpasitera na moperana na afakoa fa ohatranao ihany dia efa nahazo vahaolana dia ny FITIAVANA
12. jhouhlambout ( 07/08/2007 10:13)
Ka inona intsony ny hijanonana amin'ny fanambadiana raha toa ka fijaliana lalandava no iainana?...
13. angotiko ( 07/08/2007 11:06)
mifampiresaha aloa ianareo mivady, fa aza tonga di aho hisaraka, tsarovy ny voadinareo 7 taona lasa, amboary aloa raha mbola azo amboarina, ahitsiho izay azo ahitsy, ny tarehy ratsy no tsy azo ovana fa ny toetra ratsy azo ovana, azo ialana, samy manana ny fahadisoana ny tsirairay, tsy misy tonga lafatra fa ny hany teniko aminao dia izao alamino aloa manaova carte sur table, miala nenina izay vao mandray decision, tsy ho fantatrao mantsy izay avoaka ny ampintso, aiza no ahafantaranao fa mety ho lasa minisitra tampoka koa izy na inona, matoa ianareo niros tamin'ny fanambadiana 7 taoana lasa izay dia nisy fitiavana tao sa ve vady namboariana ianareo sa ve nahita azy zanaka izao ianao dia roboka, diniho tsara aloa eh, ary apetraho eo anatrehan'andriamanitra ny fiaiananao, io tebibiteby mampisalasala anao io,
izay fa mahereza eh
14. kallie ( 07/08/2007 12:40)
ka izy iany ane reto no efa niteny oe tsisy fitiavana tsony efa 5 ans zay fa tam 2ans nivadina iany no nisy e
15. ponia ( 07/08/2007 12:51)
Ho an'ise e! efa teo @ toeran'ise aho fa tsy izaho indray no nampiditra divorce fa ny vadiko, izy no nanomboka de tsy nahazaka aho ka nanao koa, de tsy zakany ka lasa izy e, saingy izy kosa aloa nanana ny anton'asany e! fa zao e! ny ankizy no victime voalohany @ fisarahana fa ny antsika lehibe vita ihany, lafiny ratsy iray izay, mandinihan-tena tsara, makà toerana milamina sy mangina de miantsoa an'Atra ho tonga ao anatinao, avereno im-betsaka ilay vavaka ra toa ka mibosesika foana ireo heritreritra marobe, ezaho ho foana ny eritreritra ao anatinao (vide mental)de henoy ny ao am-ponao, tsy maintsy misy feo henonao ao ka izay feo voalohany henonao no valiny marina avy @ Atra, na tokony hisaraka aminy na tsia. Ra tsy vitanao izany de ity no mba hevitro, arakaraky ny handosiranao olana no vao maika hanenjehany anao, ary miseho @ endrika maro foana io olona io na aiza enao na aiza fa ny tena mety dia ny mandresy ilay olana, mitady fomba entina hamahana azy, ary refa resinao ny olana de mivoaka ho mpandresy enao ary tsy matahotra intsony izay olana tonga manaraka fa efa ampy anao tsara izay nitranga teo aloha, hisaraka aman'olona ianao nefa hiaraka amin'olona hafa ihany, mety mbola hiverina aminao ihany le olana teo fa @ endrika hafa indray, fa ny tena tsara de voavahanao aloa le olana teo, mety ho fisaraha io, mety ho fiarahana io izany hoe tonga @ le hoe (bone décision) enao, efa "invencible", ka tsy maharendrika anao intsony ny olana, ohatra iray hamahanao olana, oh; izarao fitiavana izy, tsy aminy irery fa @ olona rehetra fantatrao sy izay rehetra azonao hanehoana izany, tsy voatery manao fihetsika enao fa ao anatin'ny heritreritrao ao no mamboly fitiavana enao, hoy enao hoe "tiako daholo ny olona rehetra, tsy misy manatombo fa tiako avokoa" izay le hoe mizara fitiavana, apetrakao foana hoe tiako hiova ity olona ity, saingy ra tiano hiova ny olona iray de enao aloa mila mihova, jereo reo toetra tsara ao anatinao, de jereo koa ny lafiny ratsy, de le ratsy ezao hialana, fa ho itanao ahatsapa fihovana lehibe enao ao @ tenanao aloa voalohany, de avy eo @ ireo manodidina anao, ataovy izay ra mety ho vitanao fa hazava aminao ny lalana tokony hizoranao, ho tsapanao hoe tokony handroso enao sa hiemotra, de aza adino ny miantso isan'andro an'Atra, na de 10 sengodra monja aza no hananao fa tsimaintsy hiaino anao izy. De mirary soa e! tsarovy fa tsy enao irery akory no mizaka olana tahaka izao fa marobe ireo olona tahaka anao, tsy miady irery enao akory, fa sendra tandrifin-drahona fotsiny, mbola ho tsara ny andro rahampitso.
16. ari.malala ( 07/08/2007 13:02)
misy d masisika fona am tsy antony mints! le olona efa mafy ny mahazo anazy d mbola totofana taimbava iany! manin anie no d manao anzany e! saingy ts eo am toerany v? ca n'arrive pas qu'aux autres anie e! ekena fa nifanao voady zareo 7taona lasa izay, fa le ranga anie no nanitsaka volou e! ko ra mitady escapade izy fa sempotry ny rivotra iainany miaraka @ le ranga inona no fahotany? @zay sady efa voahitsaka no mbola mamelona koa! voa double!!! ra za alo enao ry eiluj d misaraka! ts fahotanao zany fa le ranga no nanitsaka volou! efa 45taona izany v iza tsony no handray anzany hiasa?! sa v hanantena toerana politika? ra zay ndray nga ka ts mifaka ah... asanao nefa fa enao no maita azy ao e! d diniho tsara iany koa momba ilay olona faharoa hoe mahazaka ny zanakao v? sa enao tsy mananjanaka? zay fa mahereza e!
17. eiluj ( 08/08/2007 11:33)
misaotra ry reto @ valinteny a misy horaisiny daholo ireo
misaotra indrindra an'i harimala fa enao tena mahatsapa lay izy mhttsy eo @ ol tsy @ toerana mantsy d otran'ny hoe maivana le izy fa rhf ao anatiny enao vao ten mahatsapa
teneniko anareo fa za zao d isan'ny ol tena mafy loha sady mora tezitra indrindra nefa vao sendran'io olana io d tena boribory tanteraka ny saiko
ohatra fotsiny io sipa iarahan'ny vadiko io d entiny ao an-tranoko,matory @ fandriana atoriako ary mandro ao doucho androako misakafo @ sotro ihinanako nefa tsy fahafantarako d nampiasa foana ireo fitaovana rht oreo aho nefa nony taty aoriana nahafantarako fa miditra ao io sipa io d nangina aho fa tsy nitena nefa d itako zao ny toerana misy io sipany,ny akanjoko ny silipoko ny kiraroko ny brushingko ny lecteurko taomin'io vadiko io any @ sipany fa d nangina foana aho ny antony hoy nareo NY ANDRIAMANITRA TSY ANDRIN'NY HAFA ANDRIKO FOANA zay no tao an-dohako,inona fa d io efa mipoitra tsikelikely io ny valin'ny tsy mety ataony,
zavatra tena tsapako fotsiny aloha zao d tena tsy manana fitiavana io vadiko io ntsony aho @ zao,tsy itako mht zao zay decision horaisina le vadiko miantso sy mandefa sms aty amiko jtm jtm no asesiny le ol miaraka miko koa efa tena manantena b ahy presentevany @ familleny aho hoe vadiny sns very hevitra aho
misaotra anareo zay mbl hamaly ahy fa manampy betsaka ahy ny hevitrareo
miala tsiny @ diso tsipelina fa misy d tena masiaka b mht kosa e
bye dhl
18. eiluj ( 08/08/2007 11:55)
adinoko ny nanoratra fa zaho manana zanaka 2 @ io vadiko io,mahatsapa aho fa iarahako aminy ny fitaizana ireo vao mety ho tafavoaka aho satria vavy ireo saingy eo @ fianana no tean olana mipetraka aminay,ahoana tokoa moa no ahitan'ol 45taona asa zabny ntsony @ zao taona ambany noho io aza tsy mahita maika fa io,sady efa napetrany tamiko fa izy d tsy hias fa bizna hono no ataony,d miandry lova d zay tsis ankoatr'zay
resaka politika zany t@ andron'ny ratsiraka anie ny dadany e d hiandry an-dratsiraka hiverina eo izy vao mety hanana chance ho ministra zany nefa tsy hampahafantatranareo ny resaka politika ntso,y ngamb aho @ zao fa d io iaraha mahita io ka mety afaka firy taona zany zahay vao tafarina satria sady miandry ny ratsiraka no hiandry lova
lazaiko anareo nefa fa ny ray tampo aminy avotra sy manana ny maha izy azy dhl @ zao saingy izy irery no boribory satria naditra hono talo navotana fa b ati_doha d zao no niafarany tsy manana anton'asa fa d io,nomena bourse exterieur tsy nande,nomena vola ampiasaina tsy niasa betsaka ny fanavotana natao taminy fa tsy avotra e,zao 45taona ihany d in ntson no antenainy eo ny rad aza tofoka ny aminy
19. majakely ( 08/08/2007 13:05)
zaza fito hona ts ymahafehy trano hozy ny ntaolo ...refa tena tsy laitra aleo hajanona fa na ny ankizy aza mijaly mahita anareo nefa tsisy fitiavana tsony...
20. tsoraka ( 09/08/2007 06:03)
Tsy misy hifandraisany mihintsy ny hoe "Andriamanitra tsy andrin'ny sasany andriko ihany" sy ny hoe "nanao sipa ny vadiko dia mba nanao aho".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3247