fahotana ve ny fitiavana

1. yandah ( 06/08/2007 06:46)
mba mila ny hevitrareo ny tenako

na dia tsy hitovy daholo ary ny hevitra isaka d le maneho ny an'ny tena no zvt dehibe misaotra
répondu par chrislyd2 le 02/05/2008 12:37
2. betty ( 06/08/2007 07:04)
Tsy aleo ve mahita olona mifankatia toy izay mahita olona miady?
3. yandah ( 06/08/2007 07:19)
misaotra an'i betty

d eto ary no teny olana raha mihaotra ny iray ny olon-tinao???
marihako fa TIANAO ireo olona reo an!!!
tsy misy tombo sy ala
d ahona indray no fijerinao azy
4. ikaretsaka ( 06/08/2007 07:27)
afaka azavaina lalindalina ve ilay fanontaniana fa tsy azoko ny tiana lazaina..
Fitiavan'inona, fitiavana ahoana?
ohhoe inona no nitranga sns
5. yandah ( 06/08/2007 07:48)
misatra ikaretsaka a
marina ny anao azo atao hoe fahadisona ihany ko raha lalina be ilay hoe fahotana.
zao no izy ary eee
manota v ny olona iray na ko hoe diso raha ohatra ka mitia olona 2??
na ahona fitrangany na ahona an!!
na efa samy manambady na mbola samy tsy manana na ny 1 fotsiny no manana
6. miou ( 06/08/2007 07:49)
finona fanantenana ary fitiavana fa fitiavana no lehibe ndrindra, baiboly no nilaza an'zany anh
7. yandah ( 06/08/2007 07:57)
ka eo indrindra ry miou no mahatonga ilay fanotanina
hoe raha tinao ireo olona ireo de azo lazaina fa diso v enao ary ????
Amin'ny inona enao no diso (raha mahita fa diso) dia amin'ny inona enao no tsy diso???
8. diamondra27 ( 06/08/2007 08:49)
tsy fahotana ny fitiavana fa ny fampiasanao le fitiavana no mety hilatsahanao @ fahotana

tsy misy olona mitia olona 2 izany ka we tsy misy tombo sy ala,samy tiana fotsiny le olona fa ny zavatra itiavanao azy tsy mitovy fa mety mifameno
ny olona tsy misy mitovy fa manana ny maha izy azy avy, izany no nahatonga antsika samy manana ny anaranany avy, samy manana ny personnalité-ny sy ny caractère-ny.

Raha resaka fitiavana olondroa idray dia jereo ao @ baiboly ny momba an'io, aoka ianao ihany no hitsara ny tenanao fa tsy hisy olombelona tokony hijabaka @ fiainan'ny mpivady...
9. lancia ( 06/08/2007 09:05)
ny fitiavana voajanahary, tsy voatery hoe manota ny mitia arak'izany fa Andriamanitra aza miteny hoe mifankatiava, nefa kosa ny tsirairay no tokony hijery sy hanontany tena, hoe araky ny tokony ho izy ve no atao,
Ankehitriny mantsy de toa lamaody ny mifankatia etsy sy eroa raha izay no azo lazaina azy,
10. menalamba ( 06/08/2007 09:09)
raha afaka mitia olona roa ianao dia maninona koa moa izany no tsy afaka hitia olona dimy na folo koa aza?Apetrakao ny fanontaniana satria efa manomboka manenjika moramora anao ny eritreritrao,ka iandrasanao olona eto hanohana anao hoe mety izany hataonao izany.Aoka ré mba samy ho tompon'andraikitra @ izay ataony ny tsirairay @ izay rehetra ataony é.Ity aho hilaza @nao hoe ié tsara izany fa fitiavana,ka misy ny ratsy manjo anao avy eo ,dia tompon'andraikitra koa izany aho!Amiko dia tsy fitiavana ny anao fa fitiavan-tena tsotra izao:-/:roll:
11. princesseN ( 06/08/2007 09:30)
fahotana ny mijangajanga,satria ny fananana olon-tiana hafa ankoatra ny vadinao dia mindika fa fahotana zany ary fandikana su tsy fanjana lay voady natao tany am-boalohany zany,raha toa ndray mbola tsy vita n'inona n'inona mety tsy fahotana loatra zay,na dia dia lehibe indrindra aza ny fitiavana de tsy tokony ho araraotina oe ananana olon-tiana roa
tsy fantatro ra misy mitovy hevitra amiko na tsia alou e!
12. yandah ( 06/08/2007 09:55)
menalamba:

raha afaka mitia olona roa ianao dia maninona koa moa izany no tsy afaka hitia olona dimy na folo koa aza?Apetrakao ny fanontaniana satria efa manomboka manenjika moramora anao ny eritreritrao,ka iandrasanao olona eto hanohana anao hoe mety izany hataonao izany.Aoka ré mba samy ho tompon'andraikitra @ izay ataony ny tsirairay @ izay rehetra ataony é.Ity aho hilaza @nao hoe ié tsara izany fa fitiavana,ka misy ny ratsy manjo anao avy eo ,dia tompon'andraikitra koa izany aho!Amiko dia tsy fitiavana ny anao fa fitiavan-tena tsotra izao:-/:roll:

misaotra anao betsaka za amin'ny fanehon-kevitra tsy laviko ny fitenenana woue fitiava tena, mety misy zany fa na ataoko hoe iray ary ny oul tinao d afaka iteny v enoa woue tsy misy fitiava tenanao amizay.
Fa tsy any no resaka tiko ahatongavana. Marina ko ny hoe afaka mitia olona iray v tsy afaka hitiia olona 5 na 6 ka izay indrindra no nilazako woue ho diso v ary izy ? Raha mandinika ko ianao dia rehefa ao anatiny fitiavana enao tsy d ny mahafinaritra lotra no betsaka ao fa ny mampiasa ny saina ary no betsaka, dia aiza ho aiza amizay le fitiava tena teneninao?
Misotra .

13. yandah ( 06/08/2007 10:06)
princesseN:

fahotana ny mijangajanga,satria ny fananana olon-tiana hafa ankoatra ny vadinao dia mindika fa fahotana zany ary fandikana su tsy fanjana lay voady natao tany am-boalohany zany,raha toa ndray mbola tsy vita n'inona n'inona mety tsy fahotana loatra zay,na dia dia lehibe indrindra aza ny fitiavana de tsy tokony ho araraotina oe ananana olon-tiana roa
tsy fantatro ra misy mitovy hevitra amiko na tsia alou e!


misaotra amin'ny lay fanehon-kevitra fa hita fa tena mahintsy mihintsy enao mamaly azy.
Fa zao no mba fanotanina kely tiko apetraka whoe mba azonao apetraka v woue hatraiza ny fetran'ilay fijangajanga lazainao io, marina mihintsy ny filazanao hoe tsy fanajana ilay voady natao tany alouh ilay izy, midika v zany fa mitovy lanja @ lainga ihany ny fijangajanga?
14. diamondra27 ( 06/08/2007 10:11)
ny fijangajangana eo anatrehan'Atra na de mitsirirtra mila le olona hiray... fotsiny aza de efa manota

donc isika rehetra samy manota doly fa tokony hibebaka raha vao mahatsapa an'io, tsy misy olona masina eto an-tany.
15. yandah ( 06/08/2007 10:12)
Zao indray ary eee
isika tonga de lasa lavitra b ny saina
fa raha ohatra ary woe mba ajanon-tsika hatreo amin'ny le fitiavana mitempo irery ao am-pony ao ny azy????
Dia mbola mitovy ihany v ny fomba fijerinareo azy.
16. yandah ( 06/08/2007 10:19)
diamondra27:

ny fijangajangana eo anatrehan'Atra na de mitsirirtra mila le olona hiray... fotsiny aza de efa manota

donc isika rehetra samy manota doly fa tokony hibebaka raha vao mahatsapa an'io, tsy misy olona masina eto an-tany.



marina tena marina ( fa lasa any @ finoana indray isika raha miditra lalina amizay) nefa raha @maha olombelona no velabelarina dia de tsy misy afaka mametra ny fon'oul iray tsy hitepo fitiavana satria izay no nametraha azy ao. fa anjaran'ny y tsirairay no mametra hoe hatreto ny ahy. IZAY ZANY V???????
17. yandah ( 06/08/2007 10:24)
Aleo aintsiko kely ary le fipetraky ny loha hevitra fa manjary mifangaro b lotra @ finona isika izay zavatra tsy dia tiako lôtra ny milalao azy

aleo ataon'tsika woue "diso ve ireo olona mitia mihôtra ny oul iray" na milaza sy miaina izany izy na tsy"
18. xxx ( 06/08/2007 10:30)
yandah:


marina tena marina ( fa lasa any @ finoana indray isika raha miditra lalina amizay) nefa raha @maha olombelona no velabelarina dia de tsy misy afaka mametra ny fon'oul iray tsy hitepo fitiavana satria izay no nametraha azy ao. fa anjaran'ny y tsirairay no mametra hoe hatreto ny ahy. IZAY ZANY V???????



marina tokoa ny voalazanao , tsy misy afaka mametra ny fitiavana fa anjaranao ny misafidy hoe avelako hitombo ve sa tsia ilay fitiavana


19. yandah ( 06/08/2007 10:44)

efa manomboka mivletra kely isak ann!!

mora ary v? ny mamono ny fitiavana efa mipetraka ao @olona iray raha efa tsapan'i ankilany fa tia ianao ary izy kouh tia???
20. hery ( 06/08/2007 11:24)
:-) andramo jerena amin'ny lafiny hafa. Apetraho ny fanontaniana hoe "Diso ve ny vadinao raha mitia olona hafa ankoatra anao?"

Ho hitanao tsara ny valiny avy eo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0579