ilaina ny fahaizana politika
1. maditra
(
04/08/2007 18:57)
Be resaka be isika ato raha hanaratsy ny mpanao politika sy ny politika. Ny tsy fantantsika dia izao. Tsy ny mpanao politika ihany no mitantana ny firenena. Manana mpitsara avo isika (adala izy ireo raha manaiky ho baikon'ny mpanao politika), manana mpitsara madinika koa (adala izy ireo raha mihaino izay lazain'ny mpanao politika). Misy miaramila, zandary, polisy isika (adala ireo raha mihaino izay lazain'ny mpanao politika). Manana mpampianatra, manamboninahitra, mpandraharaha, ny mpianatra amin'ny universite, ny diaspora, ny vahoaka.
Samy manana ny anjara asany daholo isika tsirairay avy eo amin'ny fitantanana ny firenena. Manana zo isika hisafidy izay olona tiantsika vahoaka hanomezana ny fahefana. Iza no diso raha olona tsy mahay izay ataony akory no voafidintsika eto? Iza no diso raha mihaino ny kobaka am-bava ataon'ny olona sasany isika?
Ny mampalahelo dia olona tsy mahay politika akory no fidintsika hitantana ny sehatra politika dia ny politika no hosoram-potaka rehefa tsy mety iny avy eo.
Maninona ny firenena sasany manana olo-manga, tia tanindrazana no mitantana azy, mampandroso azy? Dia maninona isika no tsy manana an'izay? Tsy misy olo-manga ve i Madagasikara?
Ireo olona lazaintsika fa mpanao politika ratsy saina (migadra, manao kolikoly sy risoriso,sns) ireo, dia isika ihany no nanome sehatra azy, isika ihany no namolavola azy, isika ihany no nifidy azy!
Mampalahelo be raha ny politika no hosoram-potaka nefa isika ihany no tompon'ny hadisoana!

répondu par Jeankely le 09/08/2007 08:48
3. maditra
(
04/08/2007 22:27)
hahahah menalamba> mazavatra loatra fa tsy niara-nidinika t@ la zah vao nanoratra an'io! :-D:°)
4. Ragadona
(
05/08/2007 02:09)
Fomba fitsara faobe le fanilihana ny rehetra any amin ny mpanao politika, tsy miteny akory aho hoe mety ny ataon'izy ireo saingy tsy hahomby ny teti-panorona isan-karazany raha ny manodidina ny mpanao politika, toy ny tafika, intellectuels (mpampianatra, mpitsara, hauts fonctionnaires isan-karazany), vahoaka.... mitazona an-kitsi-po ny andraikitra tokony horaisiny. Hany ka lasa lamaodin'izay malagasy te hisandratra na hambabo ny fon'ny olona ndray ny fanaratsiana hoe "mpanao politika". Indrisy fa mbola "manipulés" daholo ny ankabiazan ny sarangan'olona isan-karazany ary beazina ho amin'ny fankahalana politika ny malagasy, amin'izay dia ho mora ho an'izay tompon'andraikitra mitantana ny mitondra ny politika araka izay metimety aminy.....
5. Herimiafina
(
05/08/2007 02:39)
Zah aloha dia tsoriko fa tsy mahay politika, izay no mba politikako.
Leo be mantsy zah e, leo be mifanena amin'ireny afrikana francophone ireny fa isaky izay mba mifanena dia rehefa vita ny bonjour tonga dia avy hatrany dia resaka paolitika mandreraka be no asesiky ry leirony, sambasamba mba misy resaka hafa fa rehefa tsy paolitika dia baolina kitra. Mamba loatra dia izao miady antrano daholo moa tsy mbola nisy champion du monde de foot mihintsy klé. Mba marina e!
Tsy miteny aho hoe ratsy ny paolitika fa kosa manamarika kely fa tsy olona ny paolitika fa fitaovana, ary miankina amin'izay olona mampiasa azy no maharatsy na mahatsara azy. :^):@

6. kanota
(
06/08/2007 10:39)
Fa iza no nahay politika tokony nofidina. Mitapy koa ity? Tsy misy tsara teo ary izay lany no tsara indrindra.=))=))=))
7. lamie
(
06/08/2007 12:54)
nisy ny nianatra politika ary tokony tena nahay nitondra firenena fa simban'ny fitiavan-kely, ny fianakaviana koa no tena mpanimba zavatra fa tsy ilay olona nianatra,moa izy koa nanimba satria tsy nahay nifidy izay namany hitondra ny firenena,misy koa olona vao nahatafita zavatra dia lasa be loha hany ka tsy nandeha @ zay izy ny fitondrana nilofosana!donc,izay mihezaka na tsy mahay aza fa nianatra io tena politika io dia tokony ahavita!
9. Sambilokely
(
07/08/2007 09:50)
Hoy i maditra
Manana mpitsara avo isika (adala izy ireo raha manaiky ho baikon'ny mpanao politika)
Tena adala tokoa izy ry ingahy ra izany satria de ny fitondrana iany aloha zao no mahazo rariny na de ita aza fa tsy mety ny ataony.
Manana mpitsara madinika koa (adala izy ireo raha mihaino izay lazain'ny mpanao politika).
Tena vao maika gaigy reo mpitsara reo satria manao fitsarana vilana ka ra vao olona tena akaiky ny fon'ny fitondrana de avela any fotsiny.
Misy miaramila, zandary, polisy isika (adala ireo raha mihaino izay lazain'ny mpanao politika)
Tena tsy vitan ze oe adala fa tena mivadika ati-doha manaiky atao fitaovana refa tonga ny maha poritra ny fitondrana.

10. lamie
(
07/08/2007 10:40)
tsy mbola nisy mpitondra nentina teny @ tribonaly ,izay nano ny tsy rariny dia voasazy,tsy misy mpitsara vilana fa tandremo zay lazaina,efa taloha ny corruption fa tsy @ andro mazava intsony e!ny miaramila miaro ny mponina sy ny fanany, indrindra ny tanindrazana fa aza miteniteny foana ianao, mandiniha tsara vao milaza zavatra ary aza milaza rehefa tsy mahalala!
12. Sambilokely
(
07/08/2007 14:20)
Lamie>> ita marina nareo fa any ivelany!! Tsy ny Polisy frantsay ange zany lazaiko zany na mpitsara frantsay e!! fa ny polisy gasy sy Mpitsara gasy fa sao de diso fijery enao!! Nahoana tato ho ato no betsaka ny Zandary sy Polisy voarohirohy am resaka Dahalo?? Nahoana ny olona no mitaraina fa refa misy raharaha tonga eny am tribunale fa ny manambola iany no tafavoaka?? sa Mpitsara komoriana reny?? na zandary afrikana?? Sao de enao ry neny no miteniteny foana na tsy mahalala sa sao de very fihinanana ra vao miteny ny marina?
13. lamie
(
07/08/2007 14:28)
rehefa tsy mahomby ny avocat ve dia hoe nisy voatsolotra tao?izay tsara sy manana mpisolo vava mahay sy kinga no avotra na meloka aza,malagasy daolo ary aty madagasikara no miseho ny tantara,ireo voarohiroy @ dahalo lazainao dia efa hatrizay ireo no dahalo, fianakaviana dahalo,ary ny tsy maintsy asiana havana eny @ ireo sehatra ireo hanavotra sy hipasoka ny helo vita,@ izao fotoana izao hita mibaribary ny marina, ela nitoratorahana e!ary mihezaka tokoa ny fanjakana hanapoahana ireo dahalo ambony latabatra ireo.
16. maditra
(
07/08/2007 20:07)
lamie> samy manana ny fomba fijeriny, ary manaja ny hevitrao zah, na dia azo kianina be aza ireo voalazanao ireo.
Maro ny zavatra nanjo ny firenena izay manaporofo ireo zavatra voalazako ireo, fa tsy dia mahay mitanisa detail betsaka zah.
Mbola maro ireo mpitsara, ireo jeneraly, ireo mpianatra, mpampianatra, (eny na ny mpivavaka aza), manaiky ny ho rebireben'ireo mitonon-tena ho mpanao politika. Ary tokony ho hitan'i Lamie izany fa tsy te-hijery fotsiny ny akama Lamie.
Tsy hoe manome tsiny ny mpitondra akory zah, satria ny mpitondra rehetra dia manao izay azony atao hijanonany amin'ny fahefana (surtout moa aty Afrika), fa anjaran'ny tsirairay ny mandray andraikira rehefa misy zavatra tsy mety ao.

17. lamie
(
08/08/2007 06:46)
tsy mandà aho hoe misy zavatra tsy mety!ary mahita tokoa,ny mpitondra manao ezaka hanarina, ny mpanimba anefa manao izay hafany koa,fa tsy ho tafita mihitsy raha izay mitsangana adaboka daolo,indrindra izay mandray ny andraikiny lazaina misolelaka,fanatika sns, sns,indrindra lazaina manao didy jadona,tsy afaka mamela ny kaboraraka anefa fa io no nanimba tanteraka ny toetsaina,
20. xxx
(
08/08/2007 12:56)
tsy ny fahaizana pôlitika no ilaina ry dégany, fa ny fahaizana taktika sy teknika a! mbola tsy zakany zanakatidohanlà zany pôlitika izany fa aza resahana