Mbola ilaina ve ny mitandrina ny lalàna ?

1. xxx ( 20/07/2007 12:33)
Izay hamaly dia aoka ny baiboly no hamaliana azy ( toa an'i JESOA @ ilay VOASORATRA HOE; fa tsy toy ny an'ny FARISEO manao hoe : araka ny fombandrazana sy ny nampianarina fahiny;
Mbola ilaina ve ny mitandrina ny lalàna ?
Ny OTA no fandikana ny lalana. Mahazo mandika ny lalàna ve rehefa ao ambany fahasoavana.
Inona no dikan'ny ambany fahasoavana ?
répondu par todisoa2 le 09/08/2007 11:07
2. boraingy ( 20/07/2007 13:51)
Ny fanontaniana dia ny hoe \"iza no nametraka ny lalana? ary nahoana io lalana io no navoitran\'i Jesoa sy i Paoly taty aoriana?\"

Maro ireo fomba efa nahazatra ny Jiosy nandritra ny 4000 taona lasa talohan\'ny nahatongavan\'i Jesoa Kristy. Inona moa no namonoan\'i Jiosy an\'i Jesoa? Satria nandrava ny efa niorina ela teo amin\'izireo. Ny mpanora-dalana sy ny Mpitandrina tamin\'izany fotoana izany no tsy nahazoazo ny fihetsik\'i Jesoa sy ny fomba fitoriany Teny. Azontsika vakiana daholo izany rehetra izany eo amin\'ny bokin\'i Matio, Marka ary Lioka, eo amin\'ireo andininy niampangana Azy. Ahoana tokoa moa no mahatonga ireo olona ireo ho tafintohina? Nihevitra ny tenany ho marina teo anatrehan\'Andriamanitra ny Mpitandrina tamin\'ny andron\'ny Jiosy nefa dia tsy nisy narahin\'i Jesoa sy ireo mpianany ny lalana efa mipetraka izay tandreman\'izireo. Mazava fa ondry mania no fiheverana an\'i Jesoa eto ary izay manara-dia Azy dia ho very daholo tokoa raha mitohy ny ataony. Izany indrindra no mbola nitohizan\'ny fanenjehana na dia efa nandao ny tany aza Jesoa (jereo ny momba ny fisamborana ao amin\'ny Asan\'ny Apostoly 12).

Zava-baovao anefa no torian\'i Kristy dia ny tsy hitandremana ny lalana fa ny Fitiavana an\'Andriamanitra sy handraisana Azy ho Ray. Mandrava ny fombafomba io toe-javatra io satria lasa tsy jerena lavitra intsony Andriamanitra fa lasa toy ny Ray sy Zanaka ny fifaneraserana. Mampiteraka ny fahafoanan\'ny Mpitandrina io resaka ataon\'i Jesoa io. Azontsika hamarinina ny fitondran-tenan\'ireo izay nanaparitaka ny Vaovao Mahafaly. Nahoana moa no hoe mahafaly ny Vaovao? satria tsy Andriamanitra miteronterona tsy hita maso no tonga fa Tenan\'olombelona, Andriamanitra Velona niara-niriaria sy nanoro hevitra ny rehetra. Maro ireo fanontaniana izay nipetraka toy ny hoe \"Asehoy anay ny Ray\" ka novalian\'i Jesoa hoe \"Efa ela no nitoerako teto aminareo, koa mbola tsy hitanareo ihany ve ny Ray?\" Azontsika tohizina ny valin-teny eo ary raha mandinika isika dia ny Ray tao anatin\'i Jesoa Kristy no tiany nambara. Izany hoe tiany hiaina toa Azy ny olona rehetra ary izany tokoa no iraka nampanaovina Azy.

Hatreo aloha no ambara izao fa mety mbola misy namana hafa hanampy.

Misaotra anao nametraka ny loha-hevitra.
3. xxx ( 20/07/2007 14:26)
Ahoana ny hevitrao @ ireto zavatra ireto ?
1- Nofoana'i Jesoa ny lalàna noforonin'olona ( toy ny hoe manasa tànana alohan'ny hisakafo )
2- Hoy JESOA : Tsy tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany fa hanatanteraka... Hianareo mandrava ny lalàna, nohon'ny fampianarana voatolotra anareo
3- Ny aton'ny Didy dia fitiavana ( fa tsy foanan'ny Fitiavana )
4- Izay TSY nanota no aoka hitorabato voalohany fa tsy hoe : Tsy Hitorabato intsony
5- Ny atao hoe vaovao mahafaly : Maty Kristy hamonjy ny mpanota ary nitsangana t@ maty ho Mpisolo vava
fa tsy hoe maty Kristy hanafoana ny lalàna
6- Tandremo tsara ity :" MAHADISO HEVITRA ANAREO NY TSY FAHAFANTARANAREO NY SORATRA MASINA " sy ny hoe "KA DIA FOANANAREO NY SORATRA MASINA NOHON'NY FAMPIANARANA VOATOLOTRA ANAREO "
Io fampianarana io dia izay noraisinao tany ampaingonana; na SEKTA IO NA TSY SEKTA;
Dinihonareo ny Soratra Masina fa ireny no manambara AHY ary ao aminy no anananareo FIAINANA ; Soratra Masina fa Testamenta Vaovao na Testamenta Taloha na Evanjely fa ny SORATRA MASINA.
(l) (l) (l)
4. boraingy ( 20/07/2007 14:51)
Inona tokoa moa ny fampianarana noraisintsika tany am-piangonana? Maro tokoa ny famelabelarana azo raisina saingy indraindray dia mbola misy ihany ireo tafintohina noho ny resaka ataon'ny Mpitandrina. Raha raisina amin'ny maha-marivo salosana dia ny fanindrontsindronan'ny Mpitandrina ny toetran'ny tena no mahatonga ny fandroatran'ny fo.

Raha ny hevitro amin'ireo teboka 6 lazainareo ireo dia voafintina amin'ny teny iray ihany no avoitran'i Jesoa dia ny hoe:
"MAHADISO HEVITRA ANAREO NY TSY FAHAFANTARANAREO NY SORATRA MASINA"
Ny Fahalalana ny Ray no tena vontoatin'ny adi-hevitra nahatonga an'i Jesoa nilaza io Teny io. Raha tonga hanatanteraka ny lalana i Jesoa dia ny "Hanoratan'Andriamanitra izany ao am-pon'ny olona tsirairay avy" no nahatongavany ary amin'izay dia ao am-po Izy. Ohatra Velona i Jesoa izay niteny tamin'ireo izay nanontany Azy hoe: "asehoy anay ny Ray dia ampy anay izay", ka novaliany hoe "efa ela no nitoerako teto aminareo, nahoana no mbola tsy hitanareo ihany ny Ray?"

Raha mandinika tsara isika dia ny fandavana io fandondoman'Andriamanitra ny fontsika io no mahatonga ny tsy fahazoana ireo hevitra maro lazain'ny Soratra Masina. Raha mandinika tsara anefa isika dia tokony ho tsotra ny Teny ary mipaka amin'ny karazan'olona rehetra na zaza bodo izy na tapi-pahaizana.

Aoka angamba ny tsirairay no hianatra handray tsotra ny Teny mba hahafahany mamantatra ny tena Sitrapon'Andriamanitra.
5. ikaretsaka ( 20/07/2007 22:53)
Famaliako ny fanontaniana
Ahoana ny hevitrao @ ireto zavatra ireto ?
1- Nofoana'i Jesoa ny lalàna noforonin'olona ( toy ny hoe manasa tànana alohan'ny hisakafo )

tsy nofoanany fa nahitsiny ny heviny sy ny antony, dia ianao izany izoa tsy manasa tanana intsony rehefa misakafo?:wink:


2- Hoy JESOA : Tsy tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany fa hanatanteraka... Hianareo mandrava ny lalàna, nohon'ny fampianarana voatolotra anareo

tsy hoe rava ny lalana.. raha tsy iznay dia rava hatramin'ny didin'andriamanitra. fa nahitsy (no ratifien'i jesoa) ny lalana

3- Ny aton'ny Didy dia fitiavana ( fa tsy foanan'ny Fitiavana )

dia ny anton'ny lalana dia ny faanajana sy fikolokoloana io fitiavana io


4- Izay TSY nanota no aoka hitorabato voalohany fa tsy hoe : Tsy Hitorabato intsony

izay manko

5- Ny atao hoe vaovao mahafaly : Maty Kristy hamonjy ny mpanota ary nitsangana t@ maty ho Mpisolo vava
fa tsy hoe maty Kristy hanafoana ny lalàna


mbola mitohy: nandefa ny Fanahy Masina izy mba hanamasina antsika ho ao Aminy, nanova ny Mofo ho Mofom-panahy (Tenany) izy mba ho sakafon'io fanahy narotsany ao amintsika io!
Hahafahantsika mandrindra ny fiainantsika hifanakaiky amin'ny azy
ary niteny antsika foana izy hoe.. manaova toy izany koa!
Aza adino ireo!

6- Tandremo tsara ity :" MAHADISO HEVITRA ANAREO NY TSY FAHAFANTARANAREO NY SORATRA MASINA " sy ny hoe "KA DIA FOANANAREO NY SORATRA MASINA NOHON'NY FAMPIANARANA VOATOLOTRA ANAREO "

Fa mahadiso anareo lavitra koa ny tsy nandinihinareo sy ny tsy nandraisanareo ny Fanahiny sy ny tsy fikarakarareo ny tenanareo mba honenan'ilay Fanahiny


Io fampianarana io dia izay noraisinao tany ampaingonana; na SEKTA IO NA TSY SEKTA;
Dinihonareo ny Soratra Masina fa ireny no manambara AHY ary ao aminy no anananareo FIAINANA ; Soratra Masina fa Testamenta Vaovao na Testamenta Taloha na Evanjely fa ny SORATRA MASINA.

Tsy ny soratra ihany fa ny Fanahy, Teny, Tena... ireo no AMINY ary voalaza ao amin'y soratra masina ny tokony handraisana ireo...



6. pissoa ( 21/07/2007 02:16)
xxx:

Izay hamaly dia aoka ny baiboly no hamaliana azy ( toa an'i JESOA @ ilay VOASORATRA HOE; fa tsy toy ny an'ny FARISEO manao hoe : araka ny fombandrazana sy ny nampianarina fahiny;
Mbola ilaina ve ny mitandrina ny lalàna ?
Ny OTA no fandikana ny lalana. Mahazo mandika ny lalàna ve rehefa ao ambany fahasoavana.
Inona no dikan'ny ambany fahasoavana ?



hay hatraty i xxx no manisy censure amin'ny valiny tokony omena ! :-D:-D:-D:-D:-D
Hoy i Md Lioka hoe
Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin'ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin'ny voalohany; dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin'ny niandohany, ny hanotratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra, mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.


:-D:-D:-D
7. ikaretsaka ( 21/07/2007 02:51)
8-) oshy aho hoe Teofily e!
8. xxx ( 21/07/2007 16:23)
Izay hamaly dia aoka ny baiboly no hamaliana azy

Izao no fanamarihana voalohany: ny fiaraha-monina tsy misy lalana dia tsy mba hanjakan'ny fiadanana mihitsy fa baranahana. Misy ny atao hoe lalana voajanahary, misy ny lalana napetraky ny fiaraha-monina mba hahafahana miara-miaina, ary saika misy lalana avokoa amin'ny sehetra rehetra ahitana olombelona...


Faharoa: raha ny fahitako azy dia efa fantatrao mpanokatra ity lohahevitra ity izay voasoratra ao amin'ny Baiboly ka tsy ilaina intsony ny manome valin-teny anao avy amin'ny baiboly. Ny tsara mba hampivelatra sy hampisokatra anao dia ovay ny fanontaniana. Ohatra hoe: ho an'ny fiaraha-monina ankehitry mbola ilaina ve ny fanajana na ny fampiharana ny lalana napetrak'i Kristy (na izay voasoratra ao amin'ny Baiboly)?

Hevitra hatsipy io, raha mety raiso raha tsy mety avelao fa tsy maninona.

Hanampy antsika hahalala ny marina anie ny Fanahin'izy Tompo. Amen!

9. todisoa2 ( 02/08/2007 08:22)
xxx:

Izay hamaly dia aoka ny baiboly no hamaliana azy ( toa an'i JESOA @ ilay VOASORATRA HOE; fa tsy toy ny an'ny FARISEO manao hoe : araka ny fombandrazana sy ny nampianarina fahiny;
Mbola ilaina ve ny mitandrina ny lalàna ?
Ny OTA no fandikana ny lalana. Mahazo mandika ny lalàna ve rehefa ao ambany fahasoavana.
Inona no dikan'ny ambany fahasoavana ?



Tsotra ny valiny. Matio 9
Raha mbola ampiharina @ntsika ny lalana dia tsy hisy ho any an-danitra isika rehetra. Samy diso isika eo anoloan'ny lalana. Io ilay lazain'ny Romana hoe raha mandika ny iray @ lalana hianao dia efa mandika azy rehetra. Famindram-po hoy izy no sitrako (Hosea 6.6). Isika dia hamarinin'i Jesosy maimaim-poana nohon'ny fahotantsika, ''raha miaiky marina ny helontsika isika ka manaiky marina fa Jesosy afaka manamarina antsika maimaim-poana. Vakio ny Romana manontolo. Izany fanamarinana maimaim-poana izany dia miteraka fiainana masina. Nyasan'ny lalana mantsy dia ny haneho marina ny maha-mpanota antsika, ka hanameloka antsika noho izany. Eto no ipetrahan'ny lalana sy ny filazantsara. Tsy afa-miala eo @ntsika ny lalana, fa kosa tsy afa-misaraka @ lalana ny filazantsara. Ny filazantsara no ho lohalalana fa ny lalana kosa no hatao fefy aro- fanina.
10. fijo ( 02/08/2007 22:03)
ika ngamba etsy ambony etsy dia efa manintsy ity resaka ity.
satria ve ry mpanoratra ,manaraka ny lalanan'ny finoanao ianao di atokony handika sy tsy hanaja ny lalanan'ny tany??????
fa aiza no misy anao izao?tsy eto an tany intsony ve?sao lahy mibolila le fandikana ny hevitr'izay novakiana ka hamarina an kady
11. todisoa2 ( 09/08/2007 11:07)
fijo:

ika ngamba etsy ambony etsy dia efa manintsy ity resaka ity.
satria ve ry mpanoratra ,manaraka ny lalanan'ny finoanao ianao di atokony handika sy tsy hanaja ny lalanan'ny tany??????
fa aiza no misy anao izao?tsy eto an tany intsony ve?sao lahy mibolila le fandikana ny hevitr'izay novakiana ka hamarina an kady


Ny fisian'ny lalana dia natao hoantsika, mba hisiam-pandaminana sy firindrana.
Ny lalana dia tsy natao harahina fa natao hotandremana (référence) ihany. Ny foto-kvt ny baiboly (Vakio Ny Téolojia Sytématika, raha manana ilay boky hianao)dia lalàna sy filazantsara. Ny lalàna no fefy miaro antsika ary ny filazantsara no natao harahina. Io no didy vaovao. Ny fanoratana ny Testamenta Taloha anie aman-jato taona no nandinihana ny Boky tsirairay vao lasa boky izy.Izany hoe mibahina be dia be ao ny hevitr'olombelona ary sarotra iadian-kvt ny lalàna araky ny TT.

Raha tsy misy lalàna, hoy i Lotera, tsy misy fahotana. Ny lalàna no mamaritra sy miampanga ny fahotana vita. ary tsy misy olona ambonin'ny lalana izany.
Anefa tsy hoe fanarahana ny lalana no fiteny fa fitandremana araky ny lalàna. Mijanon-ko fefy ihany ny lalàna.Raha ny lalàna no harahina dia hiitatra be dia be ary hisy ''mis à jour''-ndalàna tsy an-kijanona. Toy izay hita @zao fotoana. Hany ka tsy hisy haharaka ny lalàna eny fa na dia ny tompon'ny lalàna aza. Lasa Fariseo sy Mpanora-dalana manana ny toetra ho mpihatsara ivelan-tsihy isika @ zay. Ny fanarahana ny lalàna dia miteraka fahatahorana ny lalàna. Izany no lasa tahotra ny lalàna mihoatra an'Atra. Dia lasa fanompoana andriamani-kafa.
Raha ny làlana koa no harahina dia tsy misy hahavita izany, satria olona mpanota 100% isika.

Vakio ny Romana. Ny fanamarinana maimaim-poana azontsika @ alalan'ny finoana, izay nomen'ny Fanahy Masina teo @ batisa Masina ary havaozina isaky ny fandraisana ny Fanasan'ny Tompo ihany no tokony harahintsika. Io ihany no maha-marina 100% antsika.Izany no miteraka ny Fiainana masina. Tsy aleo ve fahasoavana maimaim-poana toy izay fanarahan-dalana izay miova andro @alina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0974