Nampandroso ny firenena hafa ny tera-tany any ivelany.M/car?
1. Jeankely
(
19/07/2007 01:48)
Voalaza fa manana tera-tany maro misabdrahaka eran'izao tontolo izao ny Malagasy. Misy ny mampianatra any amin'ny Universitin'ny tany matanjaka toy ny U.S., CANADA, France sns. Misy ny manana ary mitovy amin'ny vahiny mihintsy. Misy koa na ny teny Malagasy aza tsy hainy fa mila mpandika teny ary ao ny tsy mitsahatra ny mametraka olona sy mitsikera izay zava-misy ao M/car no handaniany andro.
Ireo tany izay voalaza fa nisy vokatra nivaingana dia manana olona misandrahaka eran'izao tontolo izao ary manana toerana tena manadanja ihany koa ary Malaza nohon'ny Malagasy angamba raha ireo Boky nosoratany na ireo sangan'asany izay hampiasana eran'ny University maneran-tany.
Koa na misy saina sy manampahaizana ary mpanana aza ve tsy mba menatra mihoatra ny sasany fa dia faly mitsikera sy mihorakoraka ny fahavoazan'ny firenena any ivelany? Tena mahazo doka eo anatrehan'ny vahiny ve izy ireny?

répondu par kanota le 20/07/2007 04:59
2. kanota
(
19/07/2007 01:55)
Jereo eo ambany eo fa vaky nitritra hono ny lohan'i salaka sy raviny. bazylou tsy hita hoe ho aiza?
3. Jeankely
(
19/07/2007 02:46)
Ny Indian, ny Sinoa dia manana zavatra maro ary tsy misy miparitaka sahala ireo angamba. Dia hita tsara mihintsy fa misy fivoarana ny taniny. Mbola anisan'ny tany andalampandrosoana izireo nohon'ny zavatra marobe izay ianao ihany no hanazava azy. Ka ahoana ny an'ny Malagasy? Ny firesahana ny antokon'ny President mitritra ve midika inona raha mipetraka andafy ianao? Mba tsy mahalala menatra ny tera-tany hafa ve ianao manoratra amin'ny teny vahiny ny olan'i Madagasikara sa izany no hampalaza?
4. rahiratra
(
19/07/2007 03:22)
Efa nosoratako tery ambany fa mba gaga amin'ny fisaratsarahana ve ny zanak'Arema. Tsy misy dikany mihintsy nyzavatra aventindresak'ilay bazylou. Izy anefa dia mipetraka andafy ary ny fitritran'ny antoko any M/car sy ny resaka fitondrana hatrany no hitadiavany gazety atao "copy & paste". Inona no resaka fampandrosoana azo avy amin'ny olona maizina ampototry ny mazava sahala izany. Ny olona andafy no mitondra ny fivoarana sy ny fandrosoana ny andry zalahy ny resaka mandany andro olona ihany no tiany hatao.
5. Tanora
(
19/07/2007 06:29)
t@ andron'i ratsiraka no tena betsaka ny malagasy nandranto fianarana tany ivelany,vita zay d nijanona tsy nody ry zareo,moa ny manam-pahaizana nahita ny korontana lava d lasa nitsaoka daolo,mampalahelo!zao vitsy sisa no eto antanindrazana, zany no tsy mahatafita antsika io=((=((=((=((
6. Jeankely
(
19/07/2007 07:04)
Misy tsy mazava indray ny resak'i Tanora. Toa sahalan'ny milaza i Tanora fa tafita t@ andron'ilay Filoha taloha voalazany anarana. Edrey re ry Tanora fa mba efa nanana laharana fitaratra sy nialoha ny firenena hafa angaha isiaka araka ny fahalalanao azy? Ny lasa any ivelany tsy misy tsiny mihintsy saingy ny tiako marihina dia ny hoe nanana ny anjara toerany ny an'olona ny nivoaka ivelany ary mitady hevitra hampisongadina ny fireneny. Izany tsy midika mihintsy fa tsy maintsy mipetraka any Madagasikara. Indrindra amin'izao resaka "Globalisation" izao.
7. rahiratra
(
19/07/2007 13:48)
Ry tezitra sy bazylou ve sa Zazala no Elites Vazaha taratasy handrasana avy andafy tsy vao mainka hiletika?
8. sitlo
(
19/07/2007 18:53)
Zavatra roa no misy raha tia hisongadina.
Na miezaka, milofo, miasa, tsy mitandro hasasarana.
Na ny manodidina no pepoina tsy hisondrotra.
Iza amin'ireo ilay olona tianareo tenina eto? Raha miteny ianareo hoe tsy mety ny ataony. Izay ary no mba hitany fa hampandroso azy. Manambany izy dia mieritreritra hoe ambony. lol Dia avy eo amin'izay manao pub import export. Tsy sarotra fantarina ange eh. Aza taitra amin'izay izany fa mbola betsaka ny pire kokoa.

9. kanota
(
20/07/2007 04:59)
Resaka firenena no tian'olona tenenina fa tsy mijanona amin'ny tenanao. Ohatra tsotra rehefa mitondra Film Porno marobe any Madagasikara ianao dia mampidibola saingy misy fiantraikany amin'ny fampandrosoana ny firenena ve izany? Ny hafa kosa dia ny zava-tsarobidy no entiny any amin'ny fireneny.