Fanompoana an'Atra

1. bobone ( 17/07/2007 07:16)
Aretina no sakana lehibe tsy hanaovana ny asan'Atra!!! tena marina io @ sasany nefa an! amiko aloha de tokony hamantatra tsara isika hoe inona no mahatonga ny aretina?
* Misy aretina vokatry ny fahotana! @ izy fotoana izay de tokony hibebaka
* Misy aretina tadim-pitiavana izany heo nataon'ny Tompo ho an'ny olona mba hiantorahany azy hatrany'(Ampy anao ny fahasoavako fa ny heriko tanterahana @ fahalemeko)
* misy koa aretina Fizahan-toetra izany hoe zahay toetra enao hahafantarany tsara ny halalin'ny finoanao an'i jeso! tena manana faharetana ve enao sa rehefa misy manjo de mifindra lasy ( finoana izany no takiany amin'izany)
de misokatra indray ny hevitra e! Biz daholo
répondu par deric le 21/07/2007 10:55
2. ikaretsaka ( 17/07/2007 07:25)
Ny ahy ny fijeriko azy dia vokatry ny fitiavana aby izy rehetra ka!
Fitiavan'Andriamanitra anao aby izy rehetra nofaritanao io ambony ioio
3. cristal ( 17/07/2007 09:01)
(l)(l)(l)Miala tsiny razoky a,tsy misy valiny anakiroa rehefa ao @ ANDRIAMANITRA,noho izany dia tsy sakana @ fanatanterahana ny asan'ANDRIAMANITRA mihintsy NY ARETINA NA INONA FISEHOANY NA inona fisehoany satria ireny aza no tena ijeren'Andriamanitra hoe miorina tsara ve ny olona anakira sa tsia,ny olona tena ao @ Andriamanitra dia izay mahatsiaro Azy @ andro mahaory!
Fantaro arakaraky ny anaovantsika ny asan'Andriamanitra no mahasitrana sy maha ela velona antsika raha tsy manakona Azy!
Koa aza atao ho sakana izay aretina mahazo fa mivavaha fa tsy misy dikany izay aretina fa azy izao rehetra izao ka hainy ny mampitsahatra izay maha farofy ny olony,tahaka ilay tafiodrivotra,ny nanasitranany ireo marary rehetra,fa ny tena tokony tsy adino dia ny hoe raha nampijalian'ny demony ny olona dia hoy Andriamanitra hoe ataovy izay tianao fa aza ny ainy no alaina fa tsy fahefanao izany!Mazotoa e!(l)(l)(l)
4. marozevo ( 17/07/2007 11:23)
Bobone > Ianao ve afaka mba manakilasy hoe ireto aretina ireto, na fisehon'aretina toy izao, no ahalalana azy araka ireo karazany telo lazainao eo ambony ireo?

Avy amin'ny fahotana daholo ve, na avy amin'ny tsy fahampian'ny finoana daholo ve ny aretina rehetra.

Mitovy hevitra amin'i cristal aho.... Tsy sakana hanompoana an'Andriamanitra ny aretina.
5. sechat ( 17/07/2007 12:32)
ikaretsaka:

Ny ahy ny fijeriko azy dia vokatry ny fitiavana aby izy rehetra ka!
Fitiavan'Andriamanitra anao aby izy rehetra nofaritanao io ambony ioio

:-D de raha mararin'ny toaka ve de mbola vokatrin'ny fitiavana ;-)

6. ikaretsaka ( 17/07/2007 13:34)
ie! fitiavana toaka!
7. cutie ( 17/07/2007 13:36)
Mpandefa : ikaretsaka [ Valio ] 17-07-2007 09:25:20
Lohateny : Re : Fanompoana an'Atra
Ny ahy ny fijeriko azy dia vokatry ny fitiavana aby izy rehetra ka!
Fitiavan'Andriamanitra anao aby izy rehetra nofaritanao io ambony ioio

ny ahy ndray
de vokatry ny fiainana daholo zany :lol:
8. diamondra27 ( 17/07/2007 20:10)
ny aretina de ny olona ihany koa no mi-provoquer azy.

Efa lazaina fa we: ny zavatra rehetra de azo atao fa tsy ny zavatra rehetra ny mahasoa.
Raha manao ze danin'ny kibonao ianao de harary ny farany (refa tsy manana limite, tsy mahay mitsahatra, tsy mahalala onona)
Refa tonga anefa le aretina de avy eo mipenopenona managataka aide @ Atra nefa noho ny ataonao ihany no mankarary anao
9. niryna ( 18/07/2007 03:44)
Araka ny voalaza eo ambony io dia arakarany.Ao ny aretina vokatry ny ota,ao ny aretina tonga ho azy,ary ao kosa ny zavatra mahazo fa tsy ho voatery aretina ihany fa mety fijaliana izay na kapoka na fitsapana toetra.Kanefa na inona na inona no mety mahazo antsika dia hain'Atra no manala azy amintsika.Mety miandry ianao satria mety mivavaka ho sitrana fotsiny fa tsy manompo Azy tanteraka.Katsaho hoy Izy aloha ny fanjakan'ny lanitra,dia hanampy anao izao rehetra izao.Rehefa mangataka aminy isika kanefa tsy asoriny amintsika noho ny antony izay Izy irery ihany no mahatonga izany dia ny mangataka Azy mba ahay hiaritra ilay aretina no azontsika angatahina ihany koa.
Ny zavatra rehetra apetrak'Atra amintsika dia misy antony avokoa.
10. bobone ( 18/07/2007 06:28)
Misaotra anareo rehetra mandray anjara fa tena mampitombo finoana ny tahaka izao! mankasitra e!
11. bobone ( 18/07/2007 06:36)
Ikaretsaka: tsy diso ny eritreritrao fa tena mifono fitiavana tokoa izany matoa misy ny aretina de fitiavan'Atra @ le olona izay fa ny olona no tsy mahatsapa
12. bobone ( 18/07/2007 06:47)
Cristal::D misoatra anao fa marina izany tsy sakana tokoa @ fanompoana an'Atra ny aretina miombon-kevitra aminao aho Misy antony mantsy no nahatonga ahy hanao io loha-hevitra io ! nisy namako izay notaomiko andeha hiasa @ marary iray de nilaza izy fa marary ny nifiny fatsy afaka mandeha de gaga be zaho ary nadresy lahatra azy hoe sitrana io Neny fa andao isika andeha an! tsy nety ramatoa de lasa ny saiko hoe misy owah ny olona sasany tena ary tena sakana ho azy ny fanompoana an'Atra nefa tena marina mihitsy io teninao io an! matetika aho mahita zavatra betsaka à io resaka aretina io eo anivon'ny fiaraha-monina ! manodidina ahy na ao anatin'ny fikambanana aza!misaotra anao e!(l):-*
13. ari.malala ( 18/07/2007 07:22)
fa tsy mety azoko mints zany le teneninareo hoe aretina vokatry ny ota e! inona ohatra? de Andriamanitra ve Fitiavana de tiany ny hijery ny zanany hijaly??? tsy azoko mintsy!
14. bobone ( 18/07/2007 07:33)
Marozevo: Misaotra anao nadray anjara ary ho valiako ny teninao hoe
Bobone > Ianao ve afaka mba manakilasy hoe ireto aretina ireto, na fisehon\'aretina toy izao, no ahalalana azy araka ireo karazany telo lazainao eo ambony ireo?
Tsy hiala @ Baiboly isika an!a ry hiezaka aho arka izay kely fantatro ary ialako tsiny sao tsy mahafa-po anao ilay valiny
* Misy aretina vokatry ny fahotana
oh: Marka 2/5 ilay lehl voan\'ny paralysisa ! feno olona ny trano ary tsy nisy nidirana de nesorin\'ny mpitondra azy ny tafotrano dian nampidinina teo ilay lhl ary nahita ny finoan\'ilay mpitondra marary sy ny marary Jeso de niteny hoe VOAVELA NY HELOKAO izany hoe vokatry ny fahotany izany no nankarary ilay lhl
betsaka ao @ Sm milaza io aretina vokatry ny fahotana io , eksd 9/10 ilay famaizana ny Farao tsy nandefa ny zanak\'isiraely hody @ taniny de anisany famaizana na loza nanjo azy ny Vay
* Misy aretina tadim-pitiavana
io koa misy ao @ BB ao fa tsy tadidiko le misy azy fa nanana kilema mihitsy nefa arakaraky ny nahazoany ilay kilema no nahafahany manao ny asa fanompoana an\'Atra miala tsiny fa tsy tadidiko le izy fa ambarako anao ihany @ manaraka
*Misy aretina ho fizahan-toetra !
io de jereo ny tantaran\'i Joba ! vokatry ny resaka nifanaovan\'i devoly sy Atra @ hoe tsy misy olona tsara ety ambonin\'ny tany ! kanjo nahita an\'i Joba Atra de nomeny fahefana hitsapa azy ary tsy hivadika @ Atra na inona manjo azy de tanteraka izany t@ Joba!
Zanaka maty! harena potika! ny aretina toy ny vay sns e!
NB fa @ izao fotoana iainantsika aloha de tsy voafaritra ny aretina fa samy @ anazy ny tsirauray fa arakaraky ny fisehoan\'ny fiainan\'ilay olona no hamantarana azy raha ohatra kosa ve izy ve tahaka ilay notenenin\'ny namana tery aloha hoe misotro toaka de voan\'ny aretin\'ny toaka de mila mibebaka izy zany ary mangataka ny Tompo mba hiala @ izany fomna ny izany!
izay fa asa na mahafa-po anao ilay valiny ary miala tsiny raha toa ka tsy ampy ny fanazavana
15. bobone ( 18/07/2007 07:46)
ari-malala:jereo io namaliako an'i Marozevo io !
fa izao amin'ny maha fitiavana an'Atra de omeny aretina ilay olon-tiany hahay hahatsapa fa tsy manary azy Atra fa mikarakara azy hatrany na de mpanota aza !!!
ohatra fotsiny no omeko anao an! raha maditra ny zanakao ! moa ve enao hijery fotsiny @ izany ditra izany fa tsy maintsy hikapoka azy enao ! ary mahatsiaro mangirifiry izy de hifona ary tsy hamerina intsony de tahaka izany io!Atra anie milaza fa aza mitsitsy tsorakazoe! azonao ve!!
16. bobone ( 18/07/2007 08:04)
sechat: iny aloha de efa fitiavan-toaka e! izay lay ilana fibebehana satria efa hita izao fa mitondra loza ho an\'ilay misotro ilay izy !mety misotro izy mahita fahasambarana fa any anatiny any efa misy ratra efa misy simba !
mety koa anie misotro ny sasany hamonoana hadin-tsaina e! eritreritra e!
17. bobone ( 18/07/2007 12:11)
cutie: miombon-kevitra aminao fa ao anatiny koa ny fiainana !!!
18. bobone ( 18/07/2007 12:32)
Diamondra:tena marina mihitsy ny teninao fa misy vokatry ny hataony no mahatonga ny aretina
Navelan'Atra hisafidy malalaka ny olona fa izy mihitsy no saro-tiavina tahakan'....ianao manohy azy !
efa omena ny olona ny lalana hizorany hoe @ lalana terymisy ny fiainana sambatra sy ny lalana malalaka misy ny fahaverezana ! fa aleon'ny olona mizotra @ lalana malalaka satria mbola mankamamy ny fiainan'izao tontolo izao e! mivavaha ho azy e!

19. ikaretsaka ( 18/07/2007 12:53)
bobone> misy vokatry ny nataony tokoa, fa raha aretina sasany (tazo ohatra) dia azo lazaina ve fa vokatry ny nataony? raha voan'ny sida t@ alalan'ilay hoe voaratra tsy fidin'ny lame na fanjaitra avy nanindromana olona voany ve dia vokatry ny nataony. ny mibolisatra sy mianjera ve ka tapaka dia vokatry ny nataony?

dia hoe mpanota be ve izy matoa misy an'izany sy tratran'izany?
20. ari.malala ( 18/07/2007 14:23)
fa tsy mbola azoko e! ilay lehilahy mararin'ny paralisia, voavela ny helokao, de tena siora ve fa tena noho ny helony no nahazoany an'io paralisia io? tsy mino mintsy aho fa Andriamanitra dia faly hijery ny zanany hijaly e! manaiky aho fa manasazy ny zanako refa maditr aizy sns, fa saingy tsy zavatra hiatra aman'aina kosa no atao hoe sazy amiko aloha...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0519