Fanompoana an'Atra

21. ikaretsaka ( 18/07/2007 14:29)
mitovy fanontaniana @ ari.malala aho eto
22. pissoa ( 18/07/2007 22:41)
za hatramizao mbola tsy mahazo an'le size :oops::oops::oops:

maninn tsara ny fanompoana an'Andriamanitra ? Otran'ny zay no hitako hoe size, nefa avy eo toa resaka hoe avy aiza ny aretina njay ... mila :idea:

bobone:

Aretina no sakana lehibe tsy hanaovana ny asan'Atra!!! tena marina io @ sasany nefa an! amiko aloha de tokony hamantatra tsara isika hoe inona no mahatonga ny aretina?
* Misy aretina vokatry ny fahotana! @ izy fotoana izay de tokony hibebaka
* Misy aretina tadim-pitiavana izany heo nataon'ny Tompo ho an'ny olona mba hiantorahany azy hatrany'(Ampy anao ny fahasoavako fa ny heriko tanterahana @ fahalemeko)
* misy koa aretina Fizahan-toetra izany hoe zahay toetra enao hahafantarany tsara ny halalin'ny finoanao an'i jeso! tena manana faharetana ve enao sa rehefa misy manjo de mifindra lasy ( finoana izany no takiany amin'izany)
de misokatra indray ny hevitra e! Biz daholo




23. niryna ( 19/07/2007 05:48)
niryna:

Araka ny voalaza eo ambony io dia arakarany.Ao ny aretina vokatry ny ota,ao ny aretina tonga ho azy,ary ao kosa ny zavatra mahazo fa tsy ho voatery aretina ihany fa mety fijaliana izay na kapoka na fitsapana toetra.Kanefa na inona na inona no mety mahazo antsika dia hain'Atra no manala azy amintsika.Mety miandry ianao satria mety mivavaka ho sitrana fotsiny fa tsy manompo Azy tanteraka.Katsaho hoy Izy aloha ny fanjakan'ny lanitra,dia hanampy anao izao rehetra izao.Rehefa mangataka aminy isika kanefa tsy asoriny amintsika noho ny antony izay Izy irery ihany no mahatonga izany dia ny mangataka Azy mba ahay hiaritra ilay aretina no azontsika angatahina ihany koa.
Ny zavatra rehetra apetrak'Atra amintsika dia misy antony avokoa.



ika> io misy fanazavana kely nomeko,tsy ho voatery ho ota daholo,saingy misy tsy mivaly amin'ilay nanao ratsy ilay mahazo azy fa any amin'ny vady aman-janany na ny taranany.Nisy tso-drano nilaza anio ao anaty baiboly.Aiza tokoa moa izy izay?
24. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:04)
dia mba HS kely, inona kay no maha samihafa an'io sy ilay hoe "tody" lazain'ny Malagasy ary?
25. bobone ( 19/07/2007 06:15)
Ari-malala an: Atra anie tsy manao zavatra tsy zakan'ny olona e! fa zakany ihany matoha hataony izany !
Mazava ho azy fa ny helony no nahazoany io aretina io satria tsy adala Jeso niteny izany hoe : voavela ny helokao:! matoa izy niteny izay de nisy antony lehibe izany !amin'ny maha-mpaminany azy mahalala ny miafina rehetra de fantany fa noho ny helony no mahatonga izany diniho tsara ange e! ! asa na mazava aminao fa mangataha ny fanahy Masina hampahafantatra anao ny tena halalin'ny fitiavan'Atra antsika dia ny teniny izany!!!sarotra ny tenin'ny Tompo fa raha tsy eo ilay fanahy Masina zavam-poana ny fanazavana rehetra !
Misatra @ fandraisana anjara e: ary mankasitraka feno
26. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:27)
bobone> ianoa izany raha voan'ny sery dia nohon'ny heloka? he ben!
raha voan'ny polio ireny malemy mitondra tehina be dia be (za moa zanak'antsirabe ka nahita) dia meloka aby?

de ahoana ny olona sasany, mijangajanga, mamono olona, mandainga ,mangalatra sns... nefa salama be?
27. bobone ( 19/07/2007 06:37)
Ikaretsaka an! tsy voatery hoe vokatry ny hatao no mahatonga ny aretina fa arakaraky ny zavatra miseho eo @ ilay olona
karazany 3 anie io nomeko anareo io e! diniho tsara ange e!
fa io karazan'aretina ambaranao io de vokatry ny hataon'ny hafa no nahatonga azy ho voan'ny Sida ! tsy fitandreman'ny hafa , fanaovana tsirambina ny asa ! ary mino tsy le olona intsony amin'izay fotoana izay no meloka fa izy nanao le aretina t@ ilay olona voan'ny sida . fa matoa izy tratrany izay aretina izay de misy zavatra tian'Atra hatao amin'ilay olona ! lalina be izay an! tsy takatry ny fisainantsika ny fihevitr'Atra
raha mijery sy mandinika isika de lasa ihany ny fisainana ary hametram-panontaniana hoe fa maninona no izaho no tratran'izao aretina izao???fa maninona ???
de lasa mandinin-tena e!
28. ari.malala ( 19/07/2007 06:44)
ka zay mantsy anie hoa ry ika e!eo mintsy le tsy azoko!!! fa io ilay mitsimpona teny e! tsy vakina @ integralité fa io le voavela ny helokao io no nanaitra de io no nororitina de hoe noho ny otany no nahazoany ilay paralisia... ka raha hanotany anao aza aho ry bobone hoe aiza hoaiza ao @ io andalanteny io no milaza fa noho ny helony tokoa no nahazoany ilay aretina dia inona ny referansy omenao ahy?! maika mintsy aho hahazo ny valiny fa maika hijery baiboly mantsy!!! manaiky aho fa mahalala ny miafina rehetra ny Tompo, fa saingy aoka tsy hatao interpretation personnelle be otrani'zany le resaka fa manjary mandiso kosa e!
29. ikaretsaka ( 19/07/2007 06:48)
izay mantsy ry bobone
mandinin-tena mandinin-tena!:-*
30. bobone ( 19/07/2007 06:54)
Niryna: hmmm!!! arakaraky ny zava-miseho no hamaritana azy fa kosa raha tsy eo ny fanahin'Atra hiasa ao anaty dia zava-poana ny fahalalana izany fa tena mitombona mihitsy izany !hitanao ilay teny hoe "ny rainy no mihinana voaloboka marikivy dia ny zanany koa marikivy"
izay no tena loza aminy ilay tsy manatsiny indray no mibaby ny heloky ny taloha!!! mahavariana an!
31. ikaretsaka ( 19/07/2007 07:03)
ari.malala:
zay mantsy anie hoa ry ika e!eo mintsy le tsy azoko!!! fa io ilay mitsimpona teny e! tsy vakina @ integralité fa io le voavela ny helokao io no nanaitra de io no nororitina de hoe noho ny otany no nahazoany ilay paralisia... ka raha hanotany anao aza aho ry bobone hoe aiza hoaiza ao @ io andalanteny io no milaza fa noho ny helony tokoa no nahazoany ilay aretina dia inona ny referansy omenao ahy?!

eny tokoa hoa.. iny tokoa no tsy hitako?
ahoana tokoa io ry bobone?
32. bobone ( 19/07/2007 07:11)
Ikaretsaka fa inona le io?
Tody : raisiko @ ilay ohabolana Malagasy ilay izy an!hoe " Ny tody tsy misy fa ny hatao no miverina!!!"
raha izany de tsy misy izany tody fa ny zavatra hataonao na ratsy na tsara de miverina aminao izany fa mety tsy ny tenanao no miantra ilay izy fa any @ taranakao na fianakaviana e!
33. ari.malala ( 19/07/2007 11:52)
bobone odiana ofanina ve ny fanontaniako e! ity fanontaniako ity no ataon'i ika hoe "io":

Hoy i ari.malala:
zay mantsy anie hoa ry ika e!eo mintsy le tsy azoko!!! fa io ilay mitsimpona teny e! tsy vakina @ integralité fa io le voavela ny helokao io no nanaitra de io no nororitina de hoe noho ny otany no nahazoany ilay paralisia... ka raha hanotany anao aza aho ry bobone hoe aiza hoaiza ao @ io andalanteny io no milaza fa noho ny helony tokoa no nahazoany ilay aretina dia inona ny referansy omenao ahy?!
34. bobone ( 19/07/2007 13:12)
ari-malala an! :D:D:)tsy hodiako fanina re ny fanontanianao e!:D
fa izao ary e!raha araka ny hevitrao ary
Fanontaniana ny ahy:
1) Naninona Jeso no niteny hoe Voavela ny helokao?
2) Naninona no sitrana ilay lhl rehefa avy niteny io teny io Jesoa!!! misy hifandraisana ve izany ny aretina sy ny famelan-keloka nataon\'ny Jeso ! misy antony izy matoa niteny io teny io???
aza tezitra an! fiadian-kevitra ny antsika ary fandalinana ihany koa!!!(l)sady fianarana ny antsika tsy misy mahay fa samy manovo eto:-*(l):D
35. ikaretsaka ( 19/07/2007 16:54)

fa izao ary e!raha araka ny hevitrao ary
Fanontaniana ny ahy:
1) Naninona Jeso no niteny hoe Voavela ny helokao?


Satria izy te hijery ny reaction an'ireo Jiosy nijery anazy hoe ahoana raha lazaiko izany (jereo anie ny tohin'io tantara io e)

2) Naninona no sitrana ilay lhl rehefa avy niteny io teny io Jesoa!!! misy hifandraisana ve izany ny aretina sy ny famelan-keloka nataon\'ny Jeso ! misy antony izy matoa niteny io teny io???


Inoako fa na tsy niteny aza i jesoa na eran'ny vavany aza, azony atao ny nanao baiko t@ maso koa( Toy ny nataony t@ piera rehefa azy nanda azy in 3) dia comprendre i piera! ilay nalemy io koa afaka tonga dia nitsangana tsy ankiteny... raha izay no tiany natao!

fa ny hevitra lehibe ao ambadik'io tantara io anie dia ny anaporofoana hoe mahay raha Andriamanitra e, sy indrindra hoe Andriamanitra i Jesoa

aza tezitra an! fiadian-kevitra ny antsika ary fandalinana ihany koa!!!(l)sady fianarana ny antsika tsy misy mahay fa samy manovo eto:-*(l):D


izay indrindra manko


36. bobone ( 20/07/2007 05:48)
Ikaretsaka : tena marina mihitsy ny voalaza eto!tsy azo hiadian-kevitra fanehoana fa Atra dia Tompon'ny zavatra rehetra ! mahay ny zavatra rehetra ary manana fahefana @ zavatra rehetra!!! ary raha azoko tsara anie de ireo Fariseho sy ny Jiosy mihitsy no tiany hampisehoana io fahefana io e! mankasitraka e!
37. ari.malala ( 20/07/2007 06:11)
tsy tonga de sitrana le ol raha vao avy niteny i Jesoa ka, mbola misy tohiny! nitodika t@ ilay malemy Izy dia niteny taminy nanao hoe "batao ny fandrianao ary modia any antranonao" dia zay vao nitsangana ilay malemy! ny antony nitenenany hoe voavela ny helokao, dia io efa voavalin'ika io ambony io. Ny hoe misy ifandraisany ve ny famelan-keloka sy ny fanasitranana, amiko manokana, tsy afaka hahita sy hahatsapa ny Fahasoavan'Andriamanitra isika raha mbola voasembatsemban'ny fahotana ny fontsika ka izay no antony namelan'i Jesoa ny fahotany aloha, izany hoe afahana tanteraka izay manakotakona ny masony ka hibanjinany ny Voninahitr'Andriamanitra niseho t@ fahasitranany.

(Izaho tsy tezitra ka :D:-*:-*)
38. bobone ( 20/07/2007 12:12)
ari-malala an:=D=D=D merci aminanao e! tegna mazava rô!
hainao mihitsy fa ny eftra mampisaraka antsika aminy dia ny helontsika e! ! misaotra fa azonao le zavatra e!:-*:-*
39. deric ( 21/07/2007 10:55)
bobone:

Aretina no sakana lehibe tsy hanaovana ny asan'Atra!!! tena marina io @ sasany nefa an! amiko aloha de tokony hamantatra tsara isika hoe inona no mahatonga ny aretina?
* Misy aretina vokatry ny fahotana! @ izy fotoana izay de tokony hibebaka
* Misy aretina tadim-pitiavana izany heo nataon'ny Tompo ho an'ny olona mba hiantorahany azy hatrany'(Ampy anao ny fahasoavako fa ny heriko tanterahana @ fahalemeko)
* misy koa aretina Fizahan-toetra izany hoe zahay toetra enao hahafantarany tsara ny halalin'ny finoanao an'i jeso! tena manana faharetana ve enao sa rehefa misy manjo de mifindra lasy ( finoana izany no takiany amin'izany)
de misokatra indray ny hevitra e! Biz daholo



Salut.AMiko ny aretina dia tsy tokony hisakana ny fanompoana an'Andriamanitra, satria afaka manao sny sitrapon'Andriamanitra mandrakaria ianao na marary na salama. Ohatra amin'izany i Lazarosy mahatra ao amin'ny baiboly; noho izany nanompo an'Anndraimanitra ange no nahatongavany teo an-tratran'ny Abrahama fa tsy noho ny fahantrany na noho ny fijaliany e!
Eny e! marina tokoa hoe misy antony maro mahatonga ny aretina: mety ho fizahan-toetra,n mety ho fanafihan'ny satana, mety ho tsy fitandremana koa, sns.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0514