ny tromba

1. afaka ( 16/07/2007 08:54)
izahay dia miaramonina @ olona mpanompo sampy be le mitaiza tromba sy zananhary be ireny.Hatramin'izay dia tsy mitsahatra manisy fananfody sy mamatotra ny sainay izy ireo .Miheno ny eritreritray satria matahotra be sao hotanatarainay @ olona ny asa ratsy ataon'izy ireo.Tsy izany mantsy fa miaramila iizy ireo izay niresaka tao an-tranony hoe nanao diplôma sandoka ka rehefa fantany hoe renay ny resak'izy ireo ka noresahinay tao an-trano dia nanisy fananfody anay izy ireo mba hampalasa adala anay ary nanao izay hananpotehina any tanteraka.Izah dia nakizy mahay be tokoa fa noho ny famisavin'izy ireo dia lasa adala kely ary tsy mahay intsony.Kanefa isaoranan Andriamanaitra avo indrindra fa manasitranan ahy izy ary namonjy ahy teoantanan'izy ireo.Betsaka ny zavatra ataon'izy ireo toy ny diffamation raha miasa alina any @ siociété de saisie zah dia lazainy eo @ fiarahamonina hoe mpivaron-tena hono ary gafiany handehanany any @ pata be zah dia lazainy fa tsy mahay n'inon'inona Ka manoloana izany dia mila olona betsaka aho hampahery ahy fa tena loza tokoa no ataon'ireo olona ireo anay mianankavy.Mijaly tokoa izay tratry ny tromban'ny abi sy benesy.Ka mangataka fitondranan am-bavaka ihany koa raha azo atao
répondu par ikaretsaka le 24/07/2007 15:08
2. meme ( 16/07/2007 10:25)
Araka ny fahafantarako azy, tsy voatery ho ratsy akory ny tromba fa arakaraka ny fandraisana sy ny fampiasan'ny olona manompo azy.misy, ohatra dia natao hiarovan-tena na hangatahana fahasoavana izy,ary misy tokoa ny afaka manindry mandry raha misy loza ho avy.misy kosa anefa ny ampiasaina hanaovana ratsy, toy ny fanaovana maso be tsy mahita, izay entina hangalarana.Misy ny mamosavy, araka ny hita eto.Koa raha mivavaka ianao ka tena vontom-pinoana dia ankino amin'Atra ny fiainanao ary aza kivy mivavaka, ary koa aza mihevitra ny hamaly faty fa hiaro anao izy.
Raha tsorina de isika olombelona no be siasia fa ny tromba dia azo lazaina hoe "masina" io satria kolontsaina malagasy.
3. xxx ( 16/07/2007 10:32)
Ny manitikitika ahy amin'ny resaka famosaviana dia hoe: ahoana no ahafahan'ny "hazo" na zava-javatra ampiasain'ny "mpanao ody" ireny hanan-kery? mba misy afaka manazava an'io ve azafady? Misaotra mialoha.
4. lapino ( 16/07/2007 10:39)
meme:
ny tromba dia azo lazaina hoe "masina" io satria kolontsaina malagasy.
Satria kolontsaina malagasy ? Dia "masina" ?
xxx:
Ny manitikitika ahy amin'ny resaka famosaviana dia hoe: ahoana no ahafahan'ny "hazo" na zava-javatra ampiasain'ny "mpanao ody" ireny hanan-kery? mba misy afaka manazava an'io ve azafady? Misaotra mialoha.
Tsy misy
5. hery ( 16/07/2007 11:34)
xxx:

Ny manitikitika ahy amin'ny resaka famosaviana dia hoe: ahoana no ahafahan'ny "hazo" na zava-javatra ampiasain'ny "mpanao ody" ireny hanan-kery? mba misy afaka manazava an'io ve azafady? Misaotra mialoha.


Mahagaga anao ve raha toa ka manana hery mahafaty ny asidra raha sotroina? Kanefa rano kely iny :-)
MAhagaga anao koa ve raha misy tsy mahatsiaro tena intsony rehefa mifoka chloroforme? ary misy maty mihitsy rehefa mievoka an'ireny gaz methane ireny?

Toa izany koa... misy "hazo" na zava-javatra kely ampiasain'ny mpanao ody dia manan-kery. Betsaka ny hazo manana compositions chimiques mahafaty raha hanina na dia dose kely fotsiny aza atao amin'ny sakafo na zava-pisotro.
6. diamondra27 ( 16/07/2007 13:31)
Ye ny beladone zao sy ny champignon etc... de tsy azo hanina fa poizina...

NY mahalasa adala indray de tsy haiko...

Ho an'i afaka: zao no tadidio manomboka androany
Hoy ny SM : raha nyZanaka no hanafaka anareo dia ho afaka tokoa ianareo.

Ianao nilaza fa efa afaka t@izany. Ankehitriny dia aza miroaroa saina intsony , matokisa an'Atra ary mikoa Azy fa Mahery anie ity Atrantsika ity e!
mety ho be ny fitsapàna tsy maintsy lalovanao fa natao ho fampianarana daholo izany fizahantoetra izany.

Mahereza ary aza miverin-dalana intsony.
Tu as du pris aux yeux de Dieu. Essaie 42:3-4

zany olona malalan'Atra izany tsy avelany hangozohozo.

Apetraho @ Tompo izany hazo fijalianao izany: ilay hoe: fanaratsiana ataon'ny olona anao, de lazao Izy hoe: za tsy mahavita sy tsy manana solution momba io fa omeko anao tanteraka izany enta-mavesatra amiko izany. Dia raiso ary tsy hihevitra na hiahiahy ny momba iny intsony aho. Matoky Anao aho fa ho raisinao izany satria efa niteny ianao hoe: mankanesa aty amiko ianareo izay miasa fatratra sy mavesatra entana fa izaho no hanome anareo fitsaharana.

Mahereza :-*
7. ikaretsaka ( 16/07/2007 13:48)
lapino:

Hoy i meme:
ny tromba dia azo lazaina hoe "masina" io satria kolontsaina malagasy.

Novalianao hoe
Satria kolontsaina malagasy ? Dia "masina" ?

Arakaraky ny finoanao ilay hoe "masina" io.. ny azy izany dia izany!
Ny anao dia boky io dia ataonao hoe "masina" satria izay no inoanao azy!
8. xxx ( 16/07/2007 15:40)
afaka> tonga ny hafatra fa dia mivavaka ho anao izany
9. majesty ( 17/07/2007 05:28)
afaka: ...raha Andriamianitra no momba antsika,iza no hahatohitra antsika? Rom 8:31
10. bobone ( 17/07/2007 06:24)
Afaka: tena manana hery sy fahefana tsy takatry ny saina io Atrantsika io ary zava-dehibe mihitsy ny fanankinanao nyè fiainanao aminy ! hitanao ny tenin'ny Tompo hoe " Ny zanako sy ny asan'ny tanako dia aoka ho adidiko ihany " izany hoe adidin'Atra ianao satria asan'ny tanany! tiany ianao matoa nanehoany zava-mahagaga tahaka izao!
tsy maintsy mandalo fitsapana ny olona indrindra rehefa manara-dia an'ny Tompo ka tokony tsy ho kivy na ho ketraka ary mety hamohifo fa jereo ange jeso e! olona marina nefa noesoina ! nororana! nampijaliana noho ny fahotantsika ihany !!! misaora azy @ zavatra rehetra fa matoa misy izany de lalana iray hitondrany anao ho eo anilany mandrakariva! hanompo azy hanao ny asany !
Azonao hatao koa anie ny mandroaka ny devoly @ anaran'ny jeso e! rohasy any @ farihy mirehitr'afo any fa mialohan'ny hanaovanao izany de tena mifantoka ny Tompo tsara @ vavaka fa hanampy anao izy e! aza kivy enao! mino izany aho tena mino.
Tena marina mihitsy ny tenin'i Diamondra , majesty,xxx,Hery!ny namana rehetra tsy hanosi-bohon-tanana anao izahay fa miombom-bavaka ho anao mba ho afaka @ izany manjo anao izany ! mahereza fa ny Tompo homba anao ary aza matahotra fa apetrao aminy ny fanahianao rehetra , ny aminao mianankavy manontolo fa hain'ny Jehovah izay mahasoa anao!
mahereza e!
11. ikaretsaka ( 17/07/2007 06:40)
tsy manisy ratsy ny ratsy, "tsy mitana an-dolom-po ny tena Kristianina" efa fantatrao izao ny nahazo anao , dia misaora ilay nitahy anao mandrak'izao aloha, mivavaha ho am'ilay mpiara monina aminareo ireo ko mba tsy ho ampiasainy hanaratsy ny manodidina azy intsony ny zavatra hainy.
ary tadidio fa ny marina tsy mba maty, raha hitanao marina fa nisy izany diploma sandoka izany , hita eo fiana ny fahamarinany na ho ela na ho haingana, ny Atra tsy andrin'ny hafa...
"fantatry ny Ray ka entiny ao am-pony..."
12. zavaboary ( 17/07/2007 07:49)
Ra ny fahafantarako azy aloha sy ny zvt ampianarina anay d ts dia mandaitra ny resaka famosaviana reny raha ts amin'ny alalan'ny sakafo latsaka an-kibo iany e!ary za mino an'zany.Raha ts hoe manao fanafody gasy koa anga ianao d mahery kokoa no ny anao ny azy d mifanindry ny hery anakiroa.
Noho izany aza minana na mandrairay an'ze zvt avy any aminy f ef hitanao zany f zay no ataony sy asany ko.
Ankoatra zay, misy fomba malagasy ts hita ze maharatsy azy sady ts misy ifandraisany amin'ny herin'ny maizina mits:
1- asiana rano amin'y zvt fona eo amin'ny varavarana d ra sanatria manisy zvt atao ampahasempotra anareo izy d fohan'iny rano iny le zvt: ohatra resak fonoka zay malaza ankehitriny ami'ny resaka mpangalatra.
2 - fiompiana sokatra : fady an'reny hono ny mpanao ody.
3 - fanasiana kifafa mitsingoloka eo amin'ny varavarana amin'ny alina.ny tena tsara dia kifafa ef avy nampiasaina f ts vaovao satria manota fady ny mpanao ody hono ny mahita ny lohan'y kifafa ef namafana maloto nef atao mitsangana mitovy laharana amin'ny lohany.

zay f mba torohevitra iany ireo e!
mahereza d inoy izay zvt ataonao iarovan-tena f ra ts zay ko ts mandaitra ireo na ataonao daolo aza.
13. boraingy ( 23/07/2007 16:29)
Somary miverina indray ilay resaka hoe afaka manao asa soa ve ny demony eto amin'ity serasera ity araka ny filazan'i meme azy. Lasa misy indray ilay kiraro havia sy havanana araka ny resak'i Mompera ho an'ny gasy.
Inona moa no tokony homena hasina amintsika Kristiana? Izay voalazan'i Jesoa hoe mifanasa tongotra ianareo toy ny nanasako ny tongotrareo.

Ny tokony ho izy dia ny Fitiavana no lehibe indrindra ary ho antsika dia tokony hotanterahaina io mba tsy hisian'ny fifankahalana samy olombelona toy ny mahazo an'i afaka izao.

Ny hany tiako lazaina amin'i afaka dia ny hoe aza matahotra ary manovoza hatrany ny Fahazavan'Andriamanitra ary hivavaho koa ireo fahavalonao ireo fa miaina anaty haizina. Raiso ho fitaovam-piadiana hatrany ny Baiboly sy ny hafatra rehetra azonao trandrahana ao dia ho hitanao fa hivaha sy ho potika ireo olana mahazo anao ireo.

Mahereza fa ny Tompo homba anao hatrany. Amen.
14. ikaretsaka ( 24/07/2007 14:29)
fa resakay teo ity.... ilay idirana fanahy miteny @ teny tsy fantatra mampita hafatra rehefa avy eo... Tromba hoy isika

Toy izany koa any @ Fivavahana kristianina notaterin'ny namana teto, ilay hoe misy olona idiran'ny fanahy ao aminy dia miteny @ teny tsy fantatra koa izy!

inona no maha samy hafa ireo? samy idirana fanahy dia mampiteny azy @ teny tsy fantatra ilay fanahy dia miala avy eo!

Any @ tany sasany any amerika atsimo sy afrika sy caraibes koa dia manao an'io (tromba sy ny karazany)i o ko hono ny olona any
Dia amin'dry zareo dia manao koa ilay hoe idiran'ny fanahy (ilay masina sy tsy masina tsy haiko)
Satria nolazaiko sy nofariparitako t@ ndry zalahy teo ny hoe tromba, dia tonga t@ ilay hoe ipetrahan'ny fanahy dia "miteny @ teny tsy fantatra" dia ny azy koa misy hoe "fivavahana kristianina hono manao izany"

miverina @ io fanontaniako ambony io ... ahoana ny ahalalana azy?
15. boraingy ( 24/07/2007 14:51)
Io resak'ikaretsaka momba ny fidiram-panahy ao anatin'ny olona io amiko dia ilana fitandremana tokoa. Raha vao namaky ny Asan'ny Apostoly toko faharoa isika dia mahita ny fidiran'ny Fanahy Masina tamin'ireo Apostoly izay niteny mazava tamin'ny tenim-pirenena isan-karazany. Ny olona niresahana dia nahazo avokoa ny resaka nataon'ny Apostoly tamin'izany fotoana izany. Tsy nisy zavatra niafina na nifono misitery tamin'ireo hafatra nomen'ny Apostoly.

Ny tanjona amin'ny hafatr'Andriamanitra dia ny hahafeno ny Fanahy Masina ny olon-drehetra izay manara-dia sy te-hiaina araka an'i Jesoa Kristy. Eo amin'i Jesoa anefa dia nilaza mazava Izy fa raha niteny dia avy amin'i Ray ny resaka avoakany fa tsy avy Aminy manokana. Firaisana amin'ny Ray ny Fanahy Masina niteny tao anatin'i Jesoa eto.

Amiko araka izany dia raha mahatsapa tokoa ireo olona mihetsika tromba ireo fa miray amin'ny Ray izay mandrakizay fa tsy hoe tsidraindray ihany, dia Marina ny Fanahy miresaka ao anatiny. Ary ny zavatra teneniny dia tokony hotsaroany hatrany hatrany fa tsy misy hadinoiny. Raha mivadibadika izany dia tsy marina.
I Paoly sy ny Apostoly raha vao nandray ny Fanahy Masina dia mandra-pahafatiny izireo dia afaka nitory ny Tenin'Andriamanitra.

Noho izany raha tsy misy hevitra Mandrakizay ao anatin'ny tromba etsy sy eroa dia mivoana!! Tandremo ary aoka isika handroaka izany mba tsy hahazo antsika Kristiana.

16. ikaretsaka ( 24/07/2007 15:08)
Boraingy: miombon-kevitra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0077