Olana ve

1. xxx ( 11/07/2007 01:34)
Mety ahitana olana eo @ fiaraha-monina ve ny fahitana vhv iray mitoka-trano rery ( sady tsy manambady no tsy manan-janaka). Sarotra ho an'ny fiaraha-monina ve ny manome hasina sy fanajana ho an'reny vhv reny?
répondu par kally le 19/07/2007 15:42
2. xxx ( 11/07/2007 05:31)
Mety ahitana olana eo @ fiaraha-monina ve ny fahitana vhv iray mitoka-trano rery
Raha ianao ve mahita vhv mitokan-trano irery, dia ianao no hahita olana ? :wink:
3. ikaretsaka ( 11/07/2007 05:34)
raha mahavita tena samirery izy.. inona ny olana?
raha tsy mahavita kosa...(antitra ohatra na infirme) dia olana= tsy mandry ny conscience raha maninona maninona irery ao iny!
4. lapino ( 11/07/2007 06:36)
Toa tsy dia manan-kasina eo anatrehan'ny fiaraha-monina mihitsy ny vehivavy manano tena ko. Condoleeza Rice aza lazain'ny sasany fa ampongan'i G.Bush

5. ari.malala ( 11/07/2007 13:33)
sarotra be zany! amzao ny insecurité efa betsaka ko! sady efa ts mahamenatra andry zalahy tsy matahotody ny manolana :-( sady io voalazan'i lapino io hoe ts misy hasiny eo am fiarahamonina ny vhv mitoetra irery...
6. sasa ( 12/07/2007 04:48)
za ry reto efa ela no te-hitokantrano irery fa tena tsy navelan'i mamanay hatramzao,tonga saina ihany anefa za hoe marina daholo ny antony rehetra nandrarany an'ahy fa tena otrany hafahafa ny fihevitry ny manodidina sy ny insecurite araka ny voalazan'i ari.malala.
Aleo miaraka am fianakaviana ihany raha azo atao fa grave le hoe vehivavy mitokantrano irery na d hoe mahavita tena sy miasa aza.
7. princesseN ( 19/07/2007 14:59)
tsyu hitako zay olana @zany ny tena marina,izy no mipetra-drery koa ny fiarahamonina no sahirana?
8. kally ( 19/07/2007 15:42)
Tsy hitako ny olana. Izaho aloha efa nandalo an'io fa tsy misy an'izany tsy asian'ny fiarahamonina hajany izany.Miankina amin'ny fitondran-tenanao ihany io : rehefa manaja tena ianao dia hajain'ny olona koa.Ny mpifanolo-bodirindrina aza mahita ahy hoe mody hariva avy miasa vao mikoropaka mahandro dia nanome hevitra hoe apetraho ny vary andrahoina miaraka amin'ny anay...safidy io, miaina tahaky ny olona rehetra ianao, ny fanajana ny tenanao ny voalohany indrindra,tsy dia mitantara be koa hoe mipetra-drery,ialàna amin'ny mpanararaotra sasany.Eny fa na dia ny mpiara-miasa aza, dia tsy ilazàna hoe mipetra-drery.Dia izay! anao ny safidy fa tsy an'ny fiarahamonina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3347