Fisaka ny marina
1. Mandefitra
(
22/06/2007 09:05)
Mitombina loatra ilay Ohabolana malagasy manao hoe :
"Fisaka ny marina ka sarotra fantarina", raha ny adihevitra momba finoana eto no dinihana.Toa samy manohana ny azy ho marina, nefa de samy niainga t@ Tenin'Andriamanitra Iray zao ihany.
Hoy Jesosy raha nivavaka ao @ Jaona17:17
"17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana."
Ny Tenin'Andriamanitra zany no fahamarinana, nefa de sarotra ny mahazo sy mahatakatra ny tiany ambara, maika moa fa ny mampihatra azy eo @ fiainana.
Ahoana ny hevitraeo?

répondu par marozevo le 05/07/2007 19:32
2. marozevo
(
22/06/2007 09:15)
Ny mahatonga ny hevitra ho samihafa dia satria samy vonona hizara ny traik'efany amin'ny finoana iainany (na ny finoana tsy iainany koa) ny tsirairay. Tsy dia misy olana loatra izany amiko. Izany aza no tena tanjona.
Dia mbola ahatsiarovako ilay fanoharana koa io fanombohanao ny ady hevitra io. Izao ilay fanoharana : "Niainga hamafy ny mpamafy... ny sasany latsaka teny amin'ny làlana, ny sasany latsaka teny amin'ny tany be vato, ny sasany latsaka tany amin'ny tany be tsilo, ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara". Ary na ireo latsaka tamin'ny tany tsara aza dia mbola misy samihafa koa : "Ny sasany namoa folo heny, ny sasany telopolo, ny sasany enim-polo : Izay manan-tsofina aoka hihaino", hoy izy namarana azy.

3. bozyboleta
(
22/06/2007 09:20)
Raha ny hevitro de refa tsongolohina be loatra ny Tenin'Andriamanitra de ho fanina eo satria araka ny lazainao hoe samy milaza ny azy ho marina.
Rehefa ny fototra ijoroana maha-kristiana ao anaty baiboly fotsiny no haiko sy iainako de ampy ahy izay.

4. Mandefitra
(
22/06/2007 09:32)
Raha azoko tsara zany ny tenin'Andriamanitra eo, fa ny fomba fivoaka ny voa avy @ Zay no samihafa.Ka eo no tsy azoko,
- ny voa nafafy :Tenin'Andriamanitra
- Ny hazo na ny foto-boaloka : Jesosy Kristy
nefa ny sampana mivoaka avy eo toa mifandrirotra ho tompon'ny fahamarinana... ka manao hoe zahay no tena voaloboka, de inona ny hafa raha izany?!

5. marozevo
(
22/06/2007 09:41)
An an... tsy io raisinao io ilay lazaiko ka. Aleo ahitsy dieny izao :
Ny mpamafy dia ny Ray, Andriamanitra.
Ny voa afafy dia ny Teny (Tenin'Andriamanitra).
Ny tany amafazana dia ny fon'ny olona tsirairay.
Samy hafa ny vokatra (fa ny voa afafy iray ihany = mitovy ihany), satria samy hafa ny fandraisan'ny tany(fontsika) ny voa afafy.
Raha ilay voaloboka indray dia izao : "Ny Ray no tompon'ny tanim-boaloboka, ny Zanaka (Kristy) no foto-boaloboka, ary isika no sampana". Raha tsy miray amin'ny fototra ny sampana, dia sady tsy afaka ny hitondra vokatra no hofaty rahateo.
Raha tohizina ihany io momba ny voaloboka io : Tsy eo amin'ny fototra no misy ny voa fa eo amin'ny sampana, nefa raha tsy eo ny fototra tsy velona ny sampana. Izany hoe, sitrak'Andriamanitra ny nanomezany antsika voninahitra hitondra voa tsara.

6. Mandefitra
(
22/06/2007 10:10)
Mifandray ihany ireo ka, satria ny voa nafafy no nahatonga antsika ho tafaray @ lay Foto-boaloboka.Sady rahateo, ny dinika eto saika Kristianina no mpandray anjara betsaka, zany hoe tokony sampana miray tsara @ Foto-boaloka, ondry mahalala ny feon'Ilay Mpiandry Tsara. Fa zay mahalasa saina ahy de hoe le Voa nafafy (ilay Tenin'Andriamanitra), ny Tena Fahamarinana, mitady ho takon'ilay mahaizy antsika, na ny fampianarana voatolotra antsika, na ny hevintsika manokana .... indrindra moa tato ho ato
7. LazaDaddy
(
22/06/2007 13:01)
Mandefitra> Mora tokoa ny mahazo sy mahatakatra ny Tenin'Andriamanitra saingy ny ambom-po matetika no tsy ahatakarantsika ny Teniny.
1) Natao ho azo sy takatra matoa noteneniny antsika.
2) Mila manetry tena sy manaiky ny teniny vao mahazo azy. "Misaotra anao aho ry Raiko hoy i Jesoa fa nafeninao ny [miseho ho] hendry izany rehetra izany.
3) Raha mamaky sy mihaino ny Teniny isika kanefa efa misy hevitra hafa mibahana ao an-tsaina sy ao am-pontsika dia tsy ahazo izay ambarany mihitsy.

8. marozevo
(
22/06/2007 17:13)
Tena marina fa mifandray ihany ireo fanoharana roa ireo, ary tsy ireo ihany aza fa izy rehetra mihitsy no mifandray.
Azafady fa tsy azoko tsara ny tianao ho lazaina amin'ity :

Fa zay mahalasa saina ahy de hoe le Voa nafafy (ilay Tenin'Andriamanitra), ny Tena Fahamarinana, mitady ho takon'ilay mahaizy antsika, na ny fampianarana voatolotra antsika, na ny hevintsika manokana .... indrindra moa tato ho ato
9. ikaretsaka
(
22/06/2007 20:33)
LazaDaddy:
Mandefitra> Mora tokoa ny mahazo sy mahatakatra ny Tenin'Andriamanitra saingy ny ambom-po matetika no tsy ahatakarantsika ny Teniny.
1) Natao ho azo sy takatra matoa noteneniny antsika.
2) Mila manetry tena sy manaiky ny teniny vao mahazo azy. "Misaotra anao aho ry Raiko hoy i Jesoa fa nafeninao ny [miseho ho] hendry izany rehetra izany.
3) Raha mamaky sy mihaino ny Teniny isika kanefa efa misy hevitra hafa mibahana ao an-tsaina sy ao am-pontsika dia tsy ahazo izay ambarany mihitsy.
mila fianarana sy fandinihina manokana ka.. matoa misy , nisy ary hisy ireny school of theology sns... bedebe ireny!ndrao lasa mamalana sy mandray sy mandika azy an-tendrony na @ fomba mivilana mihintsy ilay miseho ho mandika
efa nolazaiko Imbetsaka teto ilay isika Lost in translation : teny 1 no niova dia miova tanteraka hatrany ny hevi dehibe...
1)@ tantaran'i Jesoa (Joany 6, 60 ngamba izy izay) betsaka ny zavatra hoe sarotra sy tsy azo!
2)i Piera dia nanafatra (2Piera,3,16) fa mila olona ampy fahaizana sy fandinihina lalina aloha vao mahazo an'ilay SM fa manjary disoin'ireo tsy mahalala ka ...
10. LazaDaddy
(
22/06/2007 20:43)
mila fianarana sy fandinihina manokana ka.. matoa misy , nisy ary hisy ireny school of theology sns... bedebe ireny!ndrao lasa mamalana sy mandray sy mandika azy an-tendrony na @ fomba mivilana mihintsy ilay miseho ho mandikaNy olona nandia fianarana indrindra no mila fanetre-tena fa mihevi-tena ho mahay matetika. Ny zaza tsy nianatra ary tsy afaka mandinika lalina be loatra saingy "tsy misy mandray ny fanjakan'ny lanitra toa azy".
11. ikaretsaka
(
22/06/2007 21:06)
ka ao @ ilay fianaratra indrindra no ianarana manetry tena ka:):)
anisan'ny ianarana ao ny fandinihantena izay lazaina eto etoana

14. niryna
(
23/06/2007 05:50)
marozevo:
Ny mahatonga ny hevitra ho samihafa dia satria samy vonona hizara ny traik'efany amin'ny finoana iainany (na ny finoana tsy iainany koa) ny tsirairay. Tsy dia misy olana loatra izany amiko. Izany aza no tena tanjona.
Dia mbola ahatsiarovako ilay fanoharana koa io fanombohanao ny ady hevitra io. Izao ilay fanoharana : "Niainga hamafy ny mpamafy... ny sasany latsaka teny amin'ny làlana, ny sasany latsaka teny amin'ny tany be vato, ny sasany latsaka tany amin'ny tany be tsilo, ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara". Ary na ireo latsaka tamin'ny tany tsara aza dia mbola misy samihafa koa : "Ny sasany namoa folo heny, ny sasany telopolo, ny sasany enim-polo : Izay manan-tsofina aoka hihaino", hoy izy namarana azy.
Miombo-kevitra aminao koa aho.
Tompo o! omeo ny herin'ny Fanahy Masina izahay mba ahalalanay sy handraisanay ny teninao.Enga anie tsy hipetraka ato am-ponay fotsiny izany fa mba ho hampiarinay amin'ny fiainanay ihany koa,mba ho jiro sy fanilo hanazava ny dianay.^:^^:^
15. rainisalama
(
23/06/2007 12:21)
marozevo:
Ny mahatonga ny hevitra ho samihafa dia satria samy vonona hizara ny traik'efany amin'ny finoana iainany (na ny finoana tsy iainany koa) ny tsirairay. Tsy dia misy olana loatra izany amiko. Izany aza no tena tanjona.
Dia mbola ahatsiarovako ilay fanoharana koa io fanombohanao ny ady hevitra io. Izao ilay fanoharana : "Niainga hamafy ny mpamafy... ny sasany latsaka teny amin'ny làlana, ny sasany latsaka teny amin'ny tany be vato, ny sasany latsaka tany amin'ny tany be tsilo, ny sasany latsaka tamin'ny tany tsara". Ary na ireo latsaka tamin'ny tany tsara aza dia mbola misy samihafa koa : "Ny sasany namoa folo heny, ny sasany telopolo, ny sasany enim-polo : Izay manan-tsofina aoka hihaino", hoy izy namarana azy.
'Lay mpamafinareo izany anie ka gorobaka mihitsy ny sobika nitondrany ny voa ê!Sady ny lalana nalehany toa samihafa be ihany:aiza ve ka sady mandalo vatolampy no mandalo tsilo...Mahagaga ihany ary mampieritreritra hoe handeha hamafy marina ve no tena antondihan'ingahirainy sa haka fanahy ny vorona sy ny tsilo sns....
16. ikaretsaka
(
23/06/2007 12:55)
ka na eo an-tanimboly aza anie ry rainisalama ka sady mety misy tany sy toerana be vato no misy tsilo no lasa lalana manitsy koa indraindray e!
17. niryna
(
23/06/2007 15:25)
rainisalama > izay hafafy ihany no ho jinjaina.Ny soratra masina no manamafy an'io.:D
18. rainisalama
(
23/06/2007 16:25)
ikaretsaka:Toa tsy tena mpamboly raha izany ilay voalaza fa "mpamafy" fa toa olona mpamgalatra tany an-tsompotr'olon-kafa ,hany ka nandraraka ny halatra eny an-dalam-pandosirana ko lé!
ka na eo an-tanimboly aza anie ry rainisalama ka sady mety misy tany sy toerana be vato no misy tsilo no lasa lalana manitsy koa indraindray e!
Raha mpamboly mantsy lehio dia ho nanala ny "tsilo",nanala ny "vato",...eny fa na dia ny ahi-dratsy aza doa ho nalàny.
Satria mpangalatra kosa izy ka raraka eny an-dalana sy eny am-panitsiandalana fotsiny ny voa.
Ny hazo no vanon-ko lakana hono ,dia ny tany naniriany no tsara.Ary ny hazo dia fantatra koa amin'ny voa izay vokariny.Ary ny "amantaran'ny olona fa mpianato ianareo dia raha mifankatia ianareo",ny voamarika nefa eto amin'ity forum ity dia ny "adilahy" tsy misy farany entre antsika samy kristianina.Tsy porofo ve izany fa ny an'i tsimiandravola ihany no marina???!:D
19. cutie
(
23/06/2007 18:44)
Ny hazo no vanon-ko lakana hono ,dia ny tany naniriany no tsara.Ary ny hazo dia fantatra koa amin'ny voa izay vokariny.Ary ny "amantaran'ny olona fa mpianato ianareo dia raha mifankatia ianareo",ny voamarika nefa eto amin'ity forum ity dia ny "adilahy" tsy misy farany entre antsika samy kristianina.Tsy porofo ve izany fa ny an'i tsimiandravola ihany no marina???!
:-D
20. ikaretsaka
(
23/06/2007 19:13)
Isika anie tsy miady fa mifanazava sy mifanoro ary mifanitsy e!
ka na esorina aza anie ny tsilo sy vato sy ny ahidratsy ,eo an-tanimboly ka misy sy miverina foana e:wink:!
raha mamboly ianao ka na naiasa tany tahaka ny inona aza rehefa ! mamafy dia hitanao io fa eo foana ireo zavatra ireo