vazimba, sy olona soavaly!!!!!!

1. bidagda ( 22/06/2007 07:53)
hono aho? tena misy marina ve ny vazimba sa tsahontsika ramalagasy io? naheno aho taloha mantsy fa iny faravohitra iny dia be vazimba @ alina sy ilay hoe olona soavaly eny @ faritra ankatso iny de hoe olona no miompy azy io!sa mety ko le ol mitantara no efa misy voa kely
répondu par tsoraka le 01/07/2007 04:15
2. Jeankely ( 22/06/2007 09:18)
Be ny mpitantara valamaty nefa na izany aza tsy azo hodian-tsy hita fa tena misy ny Angatra. Raha resaka angatra dia mitombina. Fa ny tena tsara anontanio ny fotoana fandehanany dia handraso fa mety hiaona ianareo.
3. dokotany ( 22/06/2007 10:42)
dia aiza no hisy an'izany é !
Olona soavaVy angaha dia ekena. hi hi hi
4. caprio ( 22/06/2007 11:04)
Araho tsara ny tantaran,ny razambentsika gasy,fa ny vazimba dia anarana foko,tahakan'ny we sakalava,antakarana,tsimihety sns....ary olona tsotra tahaka antsika hiany ,fa tsy fohy kely araka ilay vazimba everintsika ankehitriny.Ny we olona soavaly indray,dia efa voalazako teto fa raha misy ny fifaninanana hilaza abobo sy tsaho, de @izay angamba tsika gasy vao ho mety ho tompn-daka eran-tany
5. bidagda ( 22/06/2007 11:12)
mahagaga mihitsy satria havana akaiky ihany no mitantara ireo rehetra ireo ary olon-dehibe fa tsy zazakely ka izay no ilazako hoe le ol no efa mety misy voa kely sa ahoana, ary t@ taona 2002 io satria nanao vakansa kely tany aho de zao no nolazain-dry zareo "tsy azo handehanana @ andro alina aty aminay na taxi aza fa misy bibyol" le vazimba indray de hoe misy ol fohy kely zany ao faravohitra ao le elakelantrano misy fasana iny lava hatraty an-tongotra ny volony ary ny tongony tsy mifanahaka @ fitodiky ny lohany izany hoe le ratsantongotra mivadika aty aoriana :evil:
6. booboo ( 22/06/2007 11:20)
lava hatraty an-tongotra ny volony ary ny tongony tsy mifanahaka @ fitodiky ny lohany izany hoe le ratsantongotra mivadika aty aoriana

Kalanoro zany :°)

Fa miombon-kevitra @ Caprio zà.
Araho tsara ny tantaran,ny razambentsika gasy,fa ny vazimba dia anarana foko,tahakan'ny we sakalava,antakarana,tsimihety sns....ary olona tsotra tahaka antsika hiany ,fa tsy fohy kely araka ilay vazimba everintsika ankehitriny

Ny mpihavy niady t@ Vazimba t@ zany fotoana zany no nanely an'io fanaratsiana ny Vazimba io tao @ sain'ny be sy ny bobaka (tetik'ady hanitaran fanjakana). Dia mbola raiki-tapisaka ao an-tsain'ny be sy ny bobaka mandrak'ity...
7. bidagda ( 22/06/2007 11:46)
hay kalanoro marina fa tena misy ve izy io ry booboo sa tsaho?
8. diamondra27 ( 22/06/2007 12:17)
Ngah mbola tsy nahita le film gasy titre we: kalanoro nareo e?

mety fo fantatrareo ihany ngamba ny ampahany @le we vazimba @izay

za aloha tena mbola tsy mahalala ny position-ko na mino na misy na tsia fa raha mijery le film de mba lasa ihany ny sainy we: sao de zany aza le izy....
9. meva2 ( 22/06/2007 13:58)
izaho anefa dia naheno io resaka biby-olona io teny @ faritra manodidina an'i tanjombato iavoloha iny ary tsy olona iray fa mponina maromaro mihitsy.
Fa ny hi confirmer hoe misy aloha dia tsy azoko atao satria aho tsy nahita!! (heureusement)
10. nikopol ( 22/06/2007 14:03)
za efa notaingenana bibiolona indray andro, soavaly-olonavavy ilay izy, fa tsy nahatsiaro ze ambonin'ny tany intsony aho nony avy eo ...elabe taty aoriana mihintsy aho vao niverina norma
11. nikopol ( 22/06/2007 14:10)
Tena akaikin'Ambatobe iny le izy, efa alina be, dia nomeny dité jasmin hafahafa zay aho dia lasa very tadidy be
12. andry44 ( 22/06/2007 15:21)
Jeankely>le Angatra inona aloha zany resahan-drazoky zany!!
Toa sovaly olona sy vazimba mantsy no resaka eto!!
T@reny vanimpotona napalaza ny sovaliolona sy ny kalanoro reny loha de asa na tena nisy na ahona fa nifanojo t@ vanimpotoana napalaza ny BD malagasy zay nitatara ny @izy reny t@zany.Samy mahatadidy angamba isika ny edition Tsileondrika.
13. menalamba ( 22/06/2007 15:25)
Ny Amerikanina nilaza fa efa nahazo sary azy ireo teto amintsika ,fa asa izay fahamarinany.Soraty ao @ google hoe kalanoro dia ho hitanao.Ito misy sary kely
http://www.meta-religion.com/Paranormale/Cryptolozoology/hominids/kala-noro.htm
14. andry44 ( 22/06/2007 15:34)
Raha ny fandinihiko azy kilongany de na tetika entina andemena ny sai-bahoaka izy io na koa entina hanosora-potaka olona iray.
Azavaiko:entina handemena ny saimbahoaka satria zao:refa toerana iray stratégika misy zavatra tsy tiana ho fantatry ny vahoka de lazaina fa misy an'zao na izao.Nisy fotoana zao oh t@ fotonanadrony nalaza hoe nisy bibiolona tao Iavoloha tao;iza no sahy hitsofoka ao??Io d'efa fitaovana entina hiarovana manokana ilay toerana!
Lay faharoa ndray raha misy olona tiana halana eo anivon'ny fiaraha-monina de lazaina fa miopy kalanoro na bibiolona!:twisted: Ny tena mampalahelo @ty faha2 ty de raha lay olona manamanana mipetraka @ toerana mitoka² reny no tena hiharan'izy io!tsisy fanamarianana ny be sy ny maro fa tonga de raikid'olo ary mitady ny hirika hanala an'lay olona eo @ tanàna
15. caprio ( 22/06/2007 22:34)
Ankehitriny dia efa tsy tahakan'ny taloha intsony ny fisainan'ny tanora,ka na olondehibe aza no mintatara @nao,de aza mino2 foana fa diniho tsara,satria io olon-dehibe io dia mbola mety mitazona ilay finoanoam-poana taloha,sady ny olona taloha refa ilazana we misy an-zao hono,tonga dia mino.fa ny tanora ankehitriny kosa refa ilazana zavatra iray,de tsy maintsy mametraka fanontaniana we:de ahona zany,raha nisy an-zao de maninona no tsy zao sns.....koa mametraka fanontaniana amin-tsika za we:raha nisy marina ny bibiolona,nahona no efa 31taona no niahinako na nihainanao tao dago no mbola tsy nahita an-zany ny voamaso,sady avy aiza de nahoana no iray fa tsy maromaro,sady izay olona rehetra mitantara dia tsy mbola nisy nahita maso fa milaza fotsiny we:tatsy hono,tary hono,zao hono,de makatsy hono sns......mba mandiniha reto ,fa efa ho antitra hiany ny tena ,mbola mino an-zao abobo sy tsaho rehetra zao hiany
16. Jeankely ( 23/06/2007 03:23)
Nisy nanontany hoe inona ny "Angatra" resahiko. Mialatsiny fa ataoko mivantana. Rehefa mandeha dia misy toerana voalaza hoe misy vazimba ary tsy azo amaniana, asiana maloto na anaovana vetaveta. Nisy ny hoe niraikitra teo fa nanao vetaveta ary nitsofana mozika satria manaonao foana amin'ny toerana misy vazimba. Tsy hita maso ilay vazimba resahana io, izany hoe sahala ny angatra na matoatoa. Ny vazimba resahan'ny iray indray dia tena olona ary resy ka nandositra araka ny tantara. Ny bibiolona dia ny vazaha no tokony hanontaniana an'io satria izireo no tena manana ny tantara sy boky maro mikasika io. Ny tapany soavaly ary ny tapany olona dia resaka vazaha ary hitanao hatrany amin'ny "dictionary" fa tsy Malagasy mampiresaka akory.
17. caprio ( 23/06/2007 12:51)
Jeankely>>>fa angaha kosa refa apetraky ny vazaha ao anaty dikisionera de hinoan'i Jeankely doly,i jeankely koa anie manana adidoha afaka mandinika,fa tsy we refa ny vazaha no milaza de marina doly;ohatra fotsiny zao ry zareo vazaha mintsy no mitady porofo fa nisy ny dinozoro,nisy ny momie t@ andron,i farao,ary dia nahita porofo izy.Koa nahoana no tsy asiany resaka mintsy io olona soavaly io,na hitadiavany porofo tahaka ireo?ny mahatonga an'io ao anaty dikisionera de satria voalaza tao anatin'ny anganon'ireo vazaha ireo io,fa tsy ny gasy irery anie no manana angano fa ry zareo koa.
18. Jeankely ( 24/06/2007 03:40)
Fa iza no milaza aminao fa izaho no mino izay anganombazaha? Tsy misy raharahiko izay anganombazaha any fa ny teniko hoe ny vazaha no manana ny tantaran'ny tapany lehilahy vazaha mitana lefona ary ny tapany soavaly. Tsy mbola nahita sary aho ka mainty ilay tapany olona. Ny angano Malagasy betsaka ary tsara ampy ahy. Ny fanontaniana voalohany hoe misy ve ireo roa ireo dia nazavaiko araka ny zava-misy sy hiainana fa tsy izaho no mivavaka amin'ny vazimba akory=))=)).Angaha ianao mbola tsy nahare hoe naolan'ny vazimba=))
19. andry44 ( 24/06/2007 20:39)
mazava Jeankely a!fa ilay faharoa no ohatry ny mahaliana eto:lol:
Resaka honohono io nefa aleo ihany mailo refa hoe tsy azo atao ny izao na ny izatsy e!sa ahoana ry zareo?
20. Jeankely ( 25/06/2007 02:15)
Ny olona ratsy fanahy dia azo lazaina fa ny tapany miseho olona fa ny toetrany, ny fanahiny biby masiaka ary mamono ny hafa. Be dia be ireo.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3894