anirotra

1. romajoks ( 14/06/2007 10:27)
saika mba itady ny tononkira any rebika mitondra ny lohateny oe: ANIROTRA misaotra
répondu par melody le 15/06/2007 21:56
2. pissoa ( 14/06/2007 23:54)
Dongon-tany iva sisa tavela
Hamantarako ilay fasan'i Dada
Tsy navadika efa ela.
I Dada irery no tao hatrizay
Maty an'ady mantsy ka anirotra.
Matoria mandrakizay.

Ao mantsy i Dada,
Tototry ny vovon-tany
Ny tenany angamba efa rava
Dada o, Onena anao aho.

Fa nofo efa rava niverina ho tany
Rehefa resy ny fo no tomany
Nefa io mbola i Dada ihany. [tsy siora]
Hosainiko foana indray androany
Hitady toeran-kafa mba tsaratsara
Hamindrako an'i Dada.

Ratsan-kazo misampana
No hazofijalian'i Dada
Vovon-tany mivantana
Tsy mba nofonosina.
3. melody ( 15/06/2007 20:10)
=D kay indry mbola mahatadidy an!:D
4. pissoa ( 15/06/2007 21:02)
:-D:-D:-D:-D:-D

nenoko tao amin'ny RVG io aloo :oops::-D
5. melody ( 15/06/2007 21:56)
tsy maninona izany e :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0542