anirotra
1. romajoks
(
14/06/2007 10:27)
saika mba itady ny tononkira any rebika mitondra ny lohateny oe: ANIROTRA misaotra
novalian'i melody ny 15/06/2007 21:56
2. pissoa
(
14/06/2007 23:54)
Dongon-tany iva sisa tavela
Hamantarako ilay fasan'i Dada
Tsy navadika efa ela.
I Dada irery no tao hatrizay
Maty an'ady mantsy ka anirotra.
Matoria mandrakizay.
Ao mantsy i Dada,
Tototry ny vovon-tany
Ny tenany angamba efa rava
Dada o, Onena anao aho.
Fa nofo efa rava niverina ho tany
Rehefa resy ny fo no tomany
Nefa io mbola i Dada ihany. [tsy siora]
Hosainiko foana indray androany
Hitady toeran-kafa mba tsaratsara
Hamindrako an'i Dada.
Ratsan-kazo misampana
No hazofijalian'i Dada
Vovon-tany mivantana
Tsy mba nofonosina.
Hamantarako ilay fasan'i Dada
Tsy navadika efa ela.
I Dada irery no tao hatrizay
Maty an'ady mantsy ka anirotra.
Matoria mandrakizay.
Ao mantsy i Dada,
Tototry ny vovon-tany
Ny tenany angamba efa rava
Dada o, Onena anao aho.
Fa nofo efa rava niverina ho tany
Rehefa resy ny fo no tomany
Nefa io mbola i Dada ihany. [tsy siora]
Hosainiko foana indray androany
Hitady toeran-kafa mba tsaratsara
Hamindrako an'i Dada.
Ratsan-kazo misampana
No hazofijalian'i Dada
Vovon-tany mivantana
Tsy mba nofonosina.
