Ialahy !

1. marozevo ( 13/06/2007 09:34)
Azo atao ve ny mifanao ialahy ? Inona no mety ho heviny : fifankatiavana sa fifamingavingàna.

Izao manko : Somary nanao ialahy olona iray aho tao amin'ny rubrique iray tao, dia taitra kely Ranamana... Ialako tsiny aminy raha noraisiny ho famingavingana. Tsy izay no noheveriko, nefa tsy manamarina ahy akory izany.

Izao koa manko : Rehefa mivavaka isika dia manao hoe : "IANAO" amin'Andriamanitra. Fa raha boky teny frantsay na teny italiana no ampiasaina dia "TU" no ampiasaina. Raha amin'ny teny anglisy dia "THY" no ampiasaina, mitovitovy amin'ny "vous fanajana" io.

Dia mba lasa ny saiko Rey olona.
répondu par sympa le 18/06/2007 01:25
2. sonwin ( 13/06/2007 10:16)
Arakaraka ny fanabezana noraisin'ilay olona ny fahitako azy. Ny ahy manokana aloha raha olona akaiky ahy na koa hoe zandriko ara-taona dia ataoko "ialahy". Ny olona zokiko na somary hitako hoe mila hajaina dia "ianao" na antsoiko amin'ny anarany.

Izaho izao mahita ny firesak'i marozevo ato amin'ny forum dia tsy sahiko atao "ialahy", tsy ataoko "ianao" koa anefa fa ohatran'ny hafahafa be. Fa antsoiko fotsiny izao hoe i "marozevo".
3. Fiffi ( 13/06/2007 10:46)
isika malagasy de nampianarina io "fomba" ? hoe tsy de tsara loatra ny fanaovana "ialahy" ny rahalahy ? sa ny lahy ? fa hoe "ianao" nefa entre mpirahalahy tokony tsy misy olana zany , de entre mpinamana avy eo....sns...

Marina fa rehefa mivavaka ny miteny an'Jesoa de atao hoe "TU" fa tsy atao hoe "VOUS" nefa raha am olona tsotra de tsy mety io satria tsy misy respect an'le olona...
Ka tsy aiko hoe inn no mahatezitra ny sasany raha atao hoe "ialahy" ?
4. vahiny2004 ( 13/06/2007 11:42)
Manahirana io

@ sasany , ny olona akaiky no atao "ialahy" (mpivady, mpifankatia)

@ sasany koa anefa dia toa tsy manaja ny "ialahy", no io lazain'i sonwin io, ny zoky no mahazo manao ialahy ny zandry
5. ari.malala ( 13/06/2007 14:24)
Vao resaka reko omaly io resaka io, fa arakaraky ny degre ny fifandraisana misy eo @ ilay olona roa no ahafahana manao ialahy na tsia. Ny zoky na ray aman-dreny dia tsy azo atao ialahy na oviana na oviana. Ny mitovy taona indray dia ilay hoe arakarany. Toy izany koa ny ndry, nefa ato izao misy olona zokiko be mintsy nefa ataoko ndry fa mifandray be:oops::-D
6. mandrindra ( 13/06/2007 15:03)
aoka aloha tsy ho afangaro fa ny "ianao" dia tsy "vous" fa "tu". ny "vous" amin'ny teny malagasy dia "ianareo".
ny ialahy indray dia taloha ny samy lehilahy ihany no mifanao "ialahy" ampîan'ny setriny hoe "leitsy". ankehitriny dia efa maro ny vehivavy manao "ialahy" ny lehilahy. ny fampiasana "ialahy" dia midika fifandraisana akaiky. tsy manakana ny fampiasana ny "ialahy" ny taona, izaho manokana izao dia mifanao "ialahy" amina lehilahy mihoatra ny enimpolo taona.
7. naughtyboy ( 13/06/2007 15:18)
marina nen'la less voalazan'la ny saika ambarako:-D
8. melody ( 13/06/2007 16:46)
izaho zatra miantso ny anadahiko ela sy leitsy dia ohatra ny hoe otomatika be rehefa miresaka zà... diso ve izany hoy ianareo? Misy lhl tsy tiana atao hoe 'ela' sy 'leitsy' ve?:°)
9. fanaina ( 13/06/2007 18:08)
ny ahy antsoiko ialahy na ndry, na dia tsy miantso ianao aza indraindray fa io mba nazatra ahy @fiantsoko ny anamako akaiky indrindra ahy.
10. ikaretsaka ( 13/06/2007 23:39)
arakaraky ny fitaizana io.
fa matetika ilay olona THD (Te Ho Deraina) sy mihevitra ny tenany ho Luxe (nefa savony reva) ireny no mpanao sy mpamboatra ny fomba fitenyno mora tohina sy tsy manao an\'io!
ny ahy izao mompera aza ataoko ialahy tsy hendratra ko! betsaka ny mompera mahalala an\'izany indrindra ry zalahy nianatra tao USA sy Canada tao!:wink:
Amiko dia mitovy @ Fanaina mihitsy ny fisainako, olona akaikin\'ny fo, ivelaran\'ny foko, raisiko ho toy ny namako akaiky ny ataoko ialahy!
fa ohatran\'ny mbola ao ilay barrierre de protocole sy sakana ilay izy
11. Jeankely ( 14/06/2007 03:43)
Mety foan io rehefa tsy asiana olana. Raha manao ialahy aho dia ataoko ialahy satria fitia mifamaly. Indraindray koa tsyfitia fa fanambaniana ny hampiasana ny ialahy, ohatra ao ampiasana ve dia atao ialahy ny olona raha tsy efa raikitra ny tsy mety. Dia mba valiako koa hoe ialahy. Arakaraky ny reseka io ary hita ato izany. Hita fa zandriny amin'ny taona ilay olona nefa manao leisy satria mitovy ny fijery tsy olana mihintsy. Ny sasany indray sady manao ny sasany ho "nul" no mnao ialahy mazava fa mitady gidraka koa dia samy fanambaniana ny dikany.
12. niryna ( 14/06/2007 04:52)
Arakaraky ny mahazatra azy io.Raha zatra manao izany ny olona ianao dia toy ireny manao indry ireny.Mifanakaiky sy manakaiky amin'ilay olona kokoa ianao.Afaka miteny zavatra mivantana noho ilay manaoa hoe tompoko somary manaja ilay olona indray amin'izay aho.
Mitovy io tenen'iny Jeankely io koa no zava-misy.
13. sitlo ( 14/06/2007 13:31)
iza no ataon'ialahy ialahy?
14. melody ( 14/06/2007 15:40)
ialahy ity leitsy ry sitlo tena mampmé tsy misy ohatr'izany lety e!:-D:-D:-D:-D
15. Fiffi ( 16/06/2007 09:06)
sitlo:

iza no ataon'ialahy ialahy?
ialahy kah ! ialahy koh letsy ry sitlo de tsy azo atao ialahy v ?:-D:-D:-D


16. Bita ( 17/06/2007 00:49)
Fiffi:

sitlo:

iza no ataon'ialahy ialahy?
ialahy kah ! ialahy koh letsy ry sitlo de tsy azo atao ialahy v ?:-D:-D:-D






17. Fiffi ( 17/06/2007 11:49)
:oops:
18. naughtyboy ( 17/06/2007 15:30)
fa impiry mo lisany no tenenina aza mifanao ela zany=))=))
19. sympa ( 18/06/2007 01:25)
Fiffi :arrow: :roll: akia :-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1316