Ny anjely

1. niryna ( 12/06/2007 06:17)
Ity misy tantara kely ho antsika rehetra na ny tanora na ny ankizy dia afaka zaraina ity:D

Indray andro izay hono nisy zazakely miandry ny fahaterahany.

Indray andro izy dia nanontany t@Atra.

-Hoy ry zareo hoe alefanao any an-tany hono aho rahampitso,dia ahoana no fomba hivelomako any kanefa aho kely sady tsy misy mpanampy?

*Hoy Atra taminy:Amin'ireo anjely marobe ireo,efa nisy iray nofidiko ho anao.Izy no efa miandry ny fahatongavanao ary hikarakara anao.

-Ka..Teneno ahy fa... ety an-danitra aho ,tsy manao na inona na inona afatsy ny mihira sy mitsiky,izay dia ampy sy mahafaly ahy.

*Io anjelinao io no ihira ho anao sy mitsiky aminao isan'andro.Ary ho hitanao sy ho fantatrao izany fitiavany sy fifaliany izany.

-Dia ahoana no fomba ahazahoako ny resan'izy ireo kanefa aho tsy mahay ny fitenenan'ny olona akory?

* Ny anjelinao no hampianatra teny mahafinaritra indrindra sy tsara izay mbola tsy henonao mihitsy. Ampianariny tsikelikely koa ianao ny hiteny.

-Dia inona no ataoko rehefa te-hiresaka Aminao aho?

*Ny anjelinao no hanakambana ny tananao ary ampianatra anao hivavaka.

-Efa henoko fa any an-tany misy olon-dratsy!Iza no hiaro ahy?

*Ny anjelinao no hiaro anao na dia ahafaty azy aza izany.

-Kanefa dia tena alahelo foana aho satria tsy ahita anao intsony.

*Ny anjelinao no hiresaka aminao ny momba Ahy ary hampianatra anao ny lalana hiverenana aty Amiko.

Ary tamin'izay fotoana izay dia nisy fahanginana tany an-danitra fa ny feo maro tety an-tany no henon'ilay zaza maika ny hivoaka ,sady niteny malefaka hoe.

-Andriamanitra o,raha ohatra aho ka efa hiala eto amin'izay aho,teneno amiko ny anaran'ilay anjeliko.

*Tsy dia zava-dehibe ny anaran'ilay anjelinao,afaka antsoinao izy hoe,Mmamma,Mama,Ma,Mom,Neny,Madre,Maman!!!

1- Mino ny fisian'ny anjely ve ianao?

2- Efa nahatsapa ve ianao fa nisy anjely nanampy anao,na niaro anao na hafa ihany koa?

3- Raha miresaka ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina isika.Ny Ray sy ny Zanaka foana no voateny matetika,ahoana no ahafantaranao fa misy Fanahy Masina ao aminao izay miaraka aminao isan'andro ?

4- Inona no tokony atao raha tsy mahatsapa fa miresaka amiko ny Fanahy Masina na tsy manana izany Fanahy Masina mitari-dalana ahy izany aho?

(l)niryna
répondu par marozevo le 22/06/2007 18:04
2. marozevo ( 12/06/2007 07:50)
1 - Eny !

2 - Eny !

3 - Tsia ! Samy voateny foana isaky ny mivavaka ny R/Z/FM. Fantatro fa miasa ato amiko ny FM satria isan'andro dia tarihiny hivavaka aho, ary tsiloviny ny feon'ny fieritreretako mba hiezaka hanao ny sitrapon'Andriamanitra.

4 - Mandinin-tena, mihaino ny feon'ny fieritreretana, mivavaka, miaky ny fahalemena, mivavaka hoe "Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava ô ry Jesoa ô".
3. xxx ( 12/06/2007 15:29)
Azafady aloha fa misy zavatra somary tsy mitohaka eto. Asa anefa na izaho no mamaky vilana na ahoana. Ialana tsiny mialoha raha diso ny fandinihako azy.

Raha arahina tsara ny resak'i niryna dia ohatra ny te hiteny hoe: Fanahy Masina=Anjely.
Raha io no izy dia tena diso tanteraka mihitsy. Ny anjely tsy Fanahy Masina.

Raha ohatra moa ka tsy izay no tianao lazaina dia azafady indrindra.

Ho amintsika rehetra anie ny Fiadanan'i Kristy! Amen.
4. marozevo ( 12/06/2007 18:31)
Ny ahy tonga dia ny fanontaniana no novaliako ireo ambony ireo.
5. ikaretsaka ( 12/06/2007 20:26)
hamaly ny fanontaniana koa ary aho:
1-eny!
2-Eny ary manampy ahy mandraka ankehitriny aza
3-Ny ahy koa alohaa dia ny itovizako @ marozevo. Ray sy zanaka sy ny fanahy masina ny ahy dia miara voateny , io ilay hevitra lalin'ny famantaran'ny hazo fijaliana, ary ny Fanahy masina amiko dia efa mitoetra ao amiko, satria raha mandalina tsara dia ny sakramentan'ny fampaherezana dia fandraisana ny fanahy masina hitoetra ao amin'ny tena,rehefa mandray an'io (jereo ny foto-kevi dehibe an'ny sakramentan'ny fampaherezana) io koa ilay velomina amin'ny sakramentan'ny eokaristia, io no ilay mitondra ahy sy mitsilo ny feon'ny fieritreretako. io ilay mahatonga anay manao ilahy hoe "namaste" (ny fanahy ato amiko dia midera ny fanahy ao aminao) fa tsy azonao ilay izy t@ izany:
4-meditations, mandinintena, manao examen de conscience, dia mangataka mba hivelomany sy hahataitra azy, ao aminao ao izy, fa hianaro no mamelona sy ny mamoha azy!
niryna http://www.demello.org/article12.html
6. pissoa ( 13/06/2007 02:09)
1 - Ie, misy ny anjely.

2 - Ie.

3 - Ny angatahiko voalohany rehefa manomboka mivavaka aho dia ny Fanahy Masina ... fa tsisy hoe Ray sy Zanaka 'zany foana ny ahy :oops:

4 - Rehefa mahatsiaro lavitra na tsy ampy resaka an'Andriamanitra dia ny mandini-tena no atao voalohany ... taiza aho no very ! Dia angataho Andriamanitra hanampy anao hahita ny lalana indray. Heveriko fa tsy misy izany hoe "miresaka" aminao ny Ray sy Zanaka saingy tsy miresaka aminao ny Fanahy Masina izany ! Rehefa tsy miresaka amin'Andriamanitra ianao dia izy olona telo izay satria Andriamanitra iray ihany izy.
7. majesty ( 13/06/2007 09:07)
1) Eny,misy ny Anjely,


2) Eny efa nahatsapa ny fanampiany (satria ny atao hoe Anjely amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "IRAKA",mety ho ny namanao,ny mpiara-miasa sns,ankoatran'ilay anjely any an-danitra)


3) Ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina:mitovy ireo satria ilay atao hoe Andriamanitra telo izay iray fa ny asany fotsiny no mahasamihafa azy,no sady miara-miasa koa na iza na iza no tonony sy hivavahana dia mety daholo.


4) Ny tokony atao rehefa tsy mahatsapa ny fanatrehan'ny Fanahy masina dia ny mangataka araka ilay voasoratra hoe "Mangataha dia omena ianareo..."
8. niryna ( 14/06/2007 05:13)
marozevo:

1 - Eny !

2 - Eny !

3 - Tsia ! Samy voateny foana isaky ny mivavaka ny R/Z/FM. Fantatro fa miasa ato amiko ny FM satria isan'andro dia tarihiny hivavaka aho, ary tsiloviny ny feon'ny fieritreretako mba hiezaka hanao ny sitrapon'Andriamanitra.

4 - Mandinin-tena, mihaino ny feon'ny fieritreretana, mivavaka, miaky ny fahalemena, mivavaka hoe "Mba omeo anay ny Fanahy Mpanazava ô ry Jesoa ô".

Ireo teneninao ireo koa no eritreretiko:D
9. niryna ( 14/06/2007 05:15)
xxx:

Azafady aloha fa misy zavatra somary tsy mitohaka eto. Asa anefa na izaho no mamaky vilana na ahoana. Ialana tsiny mialoha raha diso ny fandinihako azy.

Raha arahina tsara ny resak'i niryna dia ohatra ny te hiteny hoe: Fanahy Masina=Anjely.
Raha io no izy dia tena diso tanteraka mihitsy. Ny anjely tsy Fanahy Masina.

Raha ohatra moa ka tsy izay no tianao lazaina dia azafady indrindra.

Ho amintsika rehetra anie ny Fiadanan'i Kristy! Amen.

Izaho tsy niteny hoe anjely dia Fanahy Masina ka.Tantara kely fotsiny no nomeko fa ny resaka hoe Fanahy Masina izay misy milaza fa tsy maheno no asiko resaka:D

10. niryna ( 14/06/2007 05:17)
ikaretsaka>misaotra:D
11. niryna ( 14/06/2007 05:20)
pissoa:

1 - Ie, misy ny anjely.

2 - Ie.

3 - Ny angatahiko voalohany rehefa manomboka mivavaka aho dia ny Fanahy Masina ... fa tsisy hoe Ray sy Zanaka 'zany foana ny ahy :oops:

4 - Rehefa mahatsiaro lavitra na tsy ampy resaka an'Andriamanitra dia ny mandini-tena no atao voalohany ... taiza aho no very ! Dia angataho Andriamanitra hanampy anao hahita ny lalana indray. Heveriko fa tsy misy izany hoe "miresaka" aminao ny Ray sy Zanaka saingy tsy miresaka aminao ny Fanahy Masina izany ! Rehefa tsy miresaka amin'Andriamanitra ianao dia izy olona telo izay satria Andriamanitra iray ihany izy.



Misaotra aky pissoa,marina mihitsy izany.Ray sy Zanaka ary Fanahy Masina ireo no tokony hiaraka foana.Ny Fanahy Masina no mitari-dalana antsika,miaro ,mitantana,manoro,miresaka antsika.Tsy tadidiko fa ao anaty Baiboly io.
12. niryna ( 14/06/2007 05:23)
majesty:

1) Eny,misy ny Anjely,


2) Eny efa nahatsapa ny fanampiany (satria ny atao hoe Anjely amin'ny dikan-teny hafa dia hoe "IRAKA",mety ho ny namanao,ny mpiara-miasa sns,ankoatran'ilay anjely any an-danitra)


3) Ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina:mitovy ireo satria ilay atao hoe Andriamanitra telo izay iray fa ny asany fotsiny no mahasamihafa azy,no sady miara-miasa koa na iza na iza no tonony sy hivavahana dia mety daholo.


4) Ny tokony atao rehefa tsy mahatsapa ny fanatrehan'ny Fanahy masina dia ny mangataka araka ilay voasoratra hoe "Mangataha dia omena ianareo..."



Io valiny faharoa io dia mbola hiainana isan'andro.Maro be ary tsy ho voatanisa fa tena misy tokoa ireo.Misy film hoe City of Angel.Mahafinaritra izany tsy haiko raha efa navadika teny gasy na teny frantsay fa tsara jerena.
13. ari.malala ( 14/06/2007 07:13)
Valin'ny fanontaniana

1/eny misy ny anjely.
2/eny
3/Andriamanitra tokana Olona telo tsy azo sarahina no atao hoe Trinite Masina noho izany miara voatonona ireo.
4/Mangataka Aminy mba hidina hanazava sy hanilo ary hanitsy izay tsy metimety ao anaty ao!

"Avia ry Fanahy Masina o!
Arotsay re avy any andanitra
Ny tsirim-pahazavanao."
14. marozevo ( 14/06/2007 22:39)
Toa mitovitovy daholo ny hevitra miseho eto. Voavaly izany ny fanontaniana eh.
15. niryna ( 17/06/2007 04:29)
Dia misaotra ny rehetra nandray anjara e:*
16. ikaretsaka ( 18/06/2007 05:38)
niryna io nataoko hoe http://www.demello.org/article12.html io amiko no atao hoe "fifohazana":wink::wink:
17. gasynamana ( 18/06/2007 18:33)
Toa mitovitovy daholo ny hevitra miseho eto. Voavaly izany ny fanontaniana eh.

Mahay katesizy daholo ianareo rakizy! Bravoooo!
18. marozevo ( 18/06/2007 21:36)
De omeo bonbon sy meday amin'izay ara e... Dia amin'izay hendry be Ramose !
19. gasynamana ( 18/06/2007 22:24)
mandehana maka any amin'ilay mpanadina katesizy anareo koa
20. gasynamana ( 18/06/2007 22:52)
sady ianao nahazo bravo fa ilay noteneninao mihitsy no tao an-tsainy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2401