Merina , côtier, les 4 verites
1. tezitra
(
07/06/2007 11:16)
1) ANTANANARIVO TSY TIA FARITANY, C FAUX : izy no nifidy an’ny Monja jaona (député), RATSIRAKA , ZAFY, Tsiranana
2) FARITANY TSY TIA MERINA, C FAUX : Izy no nifidy an’ny Ravalomanana
3) COTIER SAROPIARO ny @ Côtier: C FAUX: Ry zareo no nanaongana Tsiranana, Zafy, Ratsiraka. Lasa lavitra aza, nosoloin’ny an-Dravalo
4) MERINA SAROPIARO ny @ Merina : C VRAI : Tsy sahy manongana Ravalomanana.
Porofo:
Taloha:):
a) Tsy amboako,tsy amboan’olona fa rehefa vandana dia kary. Nampoina (Andrianampoinimerina
b) Ny raharahampirenena tsy ananako havana. Nampoina (Andrianampoinimerina)
Ankehitriny:
a)Tsy hanainky Antananarivo raha tsy lany Ravalomanana (Moxe Ramandimbilahatra, 1er conseiller special à la presidence; Nov 2006)
b) Tsy azo anaovana Meeting intsony ny eny @ 13 Mai, nefa c la Place de la Bastille Malagasy
NY HASAROTAM-PIARO TSY FANKAHALANA FA FAHATAHORANA. Ampio Antanarivo ho matotra ara-politika, tsy hatahotra .
répondu par Jeankely le 20/06/2007 10:08
2. sonwin
(
07/06/2007 11:23)
tsy aleo ve miandry fifidianana vao ahoangana izy raha ahongana e? Mba jereo ny tantara ry 'se a! nitondra soa ho an'ny firenena ve ny fanonganana sy ny grevy? Isaky ny misy fanonganana dia vao maika isika milentika! ka tsy aleo maka miadana sy milamina?
Asakasakareo nefa!
Aoka tsy hatao sorona lava izao ny vahoaka.
Asakasakareo nefa!
Aoka tsy hatao sorona lava izao ny vahoaka.
4. xxx
(
07/06/2007 11:58)
Marary fo @ izany eo , ka ilay olona efa lany dia mbola mandany jiro @ izany ihany ny sasany ko!=))=))
6. xxx
(
07/06/2007 15:12)
hoy i sareraka @ hira vaovao manerana ny tany hoe i GALLIENI izao no razamben'ny adimpoko ...donc zavatra efa ela be tany izy io no fongarina lava sy hanasàna ati-doha mandrak'izao .Ry tezitra angamba inondry GALLIENI fa miteniteny foana !!
7. marozevo
(
07/06/2007 16:31)
Ankehitriny:
a)Tsy hanainky Antananarivo raha tsy lany Ravalomanana (Moxe Ramandimbilahatra, 1er conseiller special à la presidence; Nov 2006)
b) Tsy azo anaovana Meeting intsony ny eny @ 13 Mai, nefa c la Place de la Bastille Malagasy
a) - Teniteny foana io fa raha tsy lany teo tokoa ho afaka ho aiza eo. Tenin'Atoa Moxe io fa tsy tenin'Antananarivo. Tsy afaka miambo hahasolo tena An'Antananarivo izy. Fara faharatsiny mba depiote no miteny ....
b) efa hatrizay izany, fa rehefa tsy zakan'ny olona intsony tsy hisy hahasakana azy izany. Taoko re izany foana no miseho isaky ny misy raha eo ah... adinonareo angaha fa notsipazana grenady mampitomany te tam 2002.
Merina - Côtiers : Tsy ny vahoaka akory no hivaky loha amin'izany, fa ny mpanao Politika politisianina ihany. Firy % anefa izy ireo.
8. Jeankely
(
08/06/2007 03:36)
Ny vahoaka tsy mivaky loha fa rehefa tsolorandry zalahy mpanao politika vola izy dia mifamono ary mifandroaka. Raha ny marina ny mpanao politika mihintsy no tokony hatao mahamay nefa ry zalahy mifampihomehy sy afaka mifandombera na mifanaratsy ambava aza fa ny tsy tonga saina asainy mifamono sy mifandroaka. Resaka foko dia mifanambady daholo ny foko rehetra eto ary na comorian na African na avy aiza mahazo mivady daholo koa tsy hitako hoe inona no hiresahana io foana isaky ny tia nanongana fitondrana. Ny samy mpiady seza tsy manao totohondy na vaky vava fa ny vahoaka vendrana ihany no ampiadiana eo. Dia aza mifoha mihintsy fa ampiadiandreo foana ary izy mibitaka amin'ny seza tsy ho anao.
10. Jeankely
(
08/06/2007 09:52)
Atsy ianao "marozevo" milaza ahy viravirain'ny demony Politika. Tsy izany fa efa tena betsaka ny fanalikana Malagasy ataon'ilay io. Mba jereo ireo zavatra soratany.
11. marozevo
(
08/06/2007 17:35)
Tsy azoko izay lazain'i Jeankely.
Mba nisenty tamin'ilay hiran'i Ngah Rossy anie aho e. Tsy izaho no manalika.... sanatria izany.
Mba nisenty tamin'ilay hiran'i Ngah Rossy anie aho e. Tsy izaho no manalika.... sanatria izany.
12. Jeankely
(
09/06/2007 03:19)
Tsy ianao fa ilay iray lazainao fa mifandramatra amiko no resahiko. Izaho efa tsy mikasika ny "hevitra" sokafany intsony satria milaza ny namana fa miady sy manaraka ny ataony aho. Nefa dia mandrangitra foana i leiry. hatramin'ny hoe Fandementsaina". Efa miezaka tsy mamaly aho aloha ho fanajana ny namana. Rehefa hiteny hoe nareo Gasy vendrana sy tia hifidy olona tsy misy ilana azy tsy fandemena saina aminy.
14. marozevo
(
09/06/2007 09:37)
Mazava Jeankely fa misaotra...
Ndao hoe mba handramana ilay "leitmotiv" milaza hoe : "Tsy ny olona no miady fa ny hevitra". Mety ho vita ve io ?
Ndao hoe mba handramana ilay "leitmotiv" milaza hoe : "Tsy ny olona no miady fa ny hevitra". Mety ho vita ve io ?
15. andrimboara
(
09/06/2007 10:32)
tsara rehefa sahy miresaka zavatra toa izao ny samy Malagasy. Tokony ho samy malala-tsaina anefa, fa manjara mivadika zavatra hafa ny resaka. raha mahatsiaro ho voatohitohina @ lay resaka ianao, dia fadio ny maneho hevitra, ny antony dia efa manana hevitra masaka ao an-doha ianao, ka lasa mivadika ho fifamaliana ny ady hevitra. Ny olona tsara miresaka ny raharaha tahaka ity dia ny olona vonona ny hihaino sy hanitatra fahalalana. Aza adino mantsy fa nodisoina ny tantara teto Madagasikara, ary misy @ ireo olona noresahinareo teo no olona miteny @ tombotsoany sy ny fatotra mahazo azy. Ny olona efa any @ Mondialisation ny resaka, ny Malagasy mbola variana @ resaka Foko. Araho ny tantara ry Zareo dia tsy mivilana ny resaka a!!! ny hatreo @ faha-panjaka fotsiny aza dia ho hitanareo fa iray ny Malagasy ary nanana ny maha-izy azy. Ny firenen-kafa dia arakaraky ny hianaran'ny mponina ao aminy no ahafehezany ny tantaram-pirenena, isika indray ny mifanohitra @ zay, ka tsy mahagaga raha manaonao foana, eny e!! maro loatra ny zavatra tsy maintsy asisika ao an-tsaintsika, satria hono eto tsy mba misy fampandrosoana fa tsy maintsy miandry ireo avy any ivelany. Dia hoy aho hoe: iza ary no andrasana handamina raharahan-tokatranon-tsika, hanafatra mpanelanelana avy any ivelany ve?
Andrimboara
Andrimboara
16. daomania
(
09/06/2007 10:54)
tsy tezitra intsony i tezitra fa romotra mihintsy ary izay faharomotany izay no mandiso ny fiheviny indraindray. Ny sehon-javatra politika goavana hatramin'ny 1947 ka hatramin'izao dia nanerana any Madagasikara tsivakivolo. Ny fisokajiana hoe ny tatsy ananona no nihetsika t@ ireny dia intox nataon'ny mpanjanaka araka ny filamatr'i Galliéni hoe "zarazarao anjakana". Ny toe-tsaina mbola voagejan'ny fanjanahana no mahatonga ny faharomotana toy izao asehon'i Tezitra izao. Tezera fa aza manota e ! ny sarambabe-mbahoaka efa ela no afaka t@ fanjanahana. Fafao io vorim-bava io !
18. Jeankely
(
10/06/2007 02:31)
Misaotra ireo namana manokatra ny saina ary tsy miseho manana ny fahalalana feno koa ny tenanay fa izay ahasoa no jerena. Mila mivoatra hatrany ny sain'ny be sy ny maro. Ny resaka foko dia tsy zava-dratsy na ady no ampiasan'ny tany hafa an'io. Mampiseho ny "fomba" amampanaony izay samihafa, ny dihy ny fikojakojana ny maha-olona ary tena fidirambola satria mitarika vahiny na ny samy tompo-tany hijery sy hanaraka ny zava-nisy mbola lovaina. Ny an'ny mpanao politika maloto Malagasy kosa dia rehefa handrodana fitondrana dia ampiadiana ny olona ary haseho amin'ny ratsy ny tsy fitoviana ara-poko. Na avy aiza izy na avy aiza ka afaka hitarika amin'ny fandrosoana dia mety foana ary "sans frontiere" io fa izay hampandroso ihany. Ireo zatra ny mitarika havia havanana amin'ny ratsy ireo no tsara karavasiana ary rohitina amin'ny tendany.
19. marozevo
(
10/06/2007 16:45)
Tsy mandeha làlana eto Mcar ntsony izany adim-poko izany eh... Henjana ve mihoatra ireny 2002 hoe province dimy ireny, henjana ve mihoatra ireny barazy tany Brickaville ireny, henjana ve mihoatra ireny tetezana notapahina ireny. Fa nisy Malagasy nanao adim-poko ve teo ?... Tsia !
20. Jeankely
(
11/06/2007 02:18)
Marina izany na izany izany aza dia tokony aseho sy habaribary ary averimberina foana ny firaisankina ho an'ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka. HIta mazava mantsy fa isaky ny mihetsika dia kitiana hatrany io ary na kely sy bitika aza dia misy fiantraikany noho izany ezahana tsy hisy mihintsy io. Raha ny tena izy dia mifameno ny faritra isanisany noho izany io fifamenoana io no trandrahana. Ny zavatra tsy hita any amin'ny faritra sasany hita any amin'ny hafa ary maro tsy lany aza koa izay no hiazakazahana amin'ny resaka fampitoboina ny làlana. Na efa manao aza ny fanjakana mbola be ny tsy vita noho izany tsy tokony hifandany andro amin'ny zavatra tsy hampivoatra ny vahoaka. Rehefa miresaka amin'olona ivelan'ny firenena ianao na farany mpanakerena aza ianao dia i Madagasikara no anontaniany fa tsy ny fanananao akory.
