Merina , côtier, les 4 verites

21. Balack ( 11/06/2007 05:16)
Tena milay daholy isika e!Raha ohatr'izany daholy ny Fisainan'ny Gasy de tsy ho ela isika dia ho lasa lavitra e!Nefa na izany aza Saonjo 1 lohasa hono tsy hilaozan'izay hamarara.Efa nataon'Andriamanitra ho tany 1 isika ka tsy mandaitra intsony zany adi-poko zany e!Malagasy Ray sy Reny isika ka aoka ho tandrovan-tsika izany,ny vahiny aza mibosesika ho aty amitsika ka isika ndray no hi-fampizarazara eto .Mahereza daholo e!
22. Jeankely ( 11/06/2007 05:31)
Misaotra e. Na hanezaka mafy aza izay solontenan'ny vahoaka mahazo fitondrana dia tsy ahavita raha tsy miray hina tokoa ny vahoaka. Mila fantatra ny lalana haleha ary samy miezaka ho am'izany. Tsy misy afatsy ny fivoaran'ity Madagasikara ity no rehareha ary ho avin'ny tsirairay. Ny vahoaka tsy natao hiaro mpanao politika maloto fa kosa natao hiara-manatanteraka izany fandrosoana izany. Ny sasany mitarika mandroso ny sasany mitarika miverina ve ho afaka fa samia mandinika tsara ka izay mitarika miverina na iza izy na iza dia antsiaka vahoaka no mahalala ny sahaza azy. Isiaka vahoaka mila mandroso fa tsy miverina. Io tsy vitan'ny moramora izany fa rehefa samy vonona hamonjy ny tanjona dia tratra foana io. Aza mifanakivy na mafy aza fa mifanomeza hery hatrany.
23. xxx ( 20/06/2007 07:27)
Tsapa fa tena mijaly ny vahoaka malagasy izao ary tena manjaka ny vahiny. Misy ny tsy fahaizana mitondra. Misy anefa olona tena vonona fa tsy henoina teny mihintsy. Hita fa tsy misokatra @ hafa ny mpitondra. Jereo ange t@ andron'Andrianampoinimerina sy Radama e: nisokatra t@ vazantany efatra ry zareo, ohatra ombiasy avy any vohipeno no nataony mpanolontsaina, i Rasalimo novadin-dRadama t@ taona 1823 mba ahazoana mametraka fanjakana marin-toerana. Izao anefa dia ny manodidina andry zareo mpitondra ankehitriny no mahazo avara-pantana nefa tsy mahavita azy. Diniho ny lasa dia jereo ny ho avy e.Mila olona dimbin-dRadama sy Nampoina isika hanarina ny firenena sy tena hametraka ny fiandriananany.
24. Jeankely ( 20/06/2007 10:08)
Raha io resaka Andrianampoinimerina io indray aloha dia tsy hidrako satria lalina ary na nalaza aza izy ny hany fantako dia tsy nahazo izany RANOMASINA NY VALAPARIHIKO IZANY IZY dia hita hatramin'izao fa mbola misy AMPANJAKA any amin'ny faritany. Izay misolo ny mpitondra amin'izao dia izay mahay sy afaka ahavita zavatra sa mbola asianao resaka andriana sy andevo eto? Raha vao lany manko ny Filoha amin'izao fotoana dia nilaza Ny Ben'ny Tananan'Antananarivo RV taloha Razanamasy fa mendrika ny hitondra satria tarak'Andriana sahala aminy. tsy miditra io resaka io izahay fa na avy any Tulear na ny Atsimo izay tsy mbola nisy nitondra aza afaka mitondra rehefa tonga ny fotonany. amin'izao miasa ny vahoaka ary tsy nahatsapa izany hoe niadana izany koa izahay teo aloha e. Miasa hatrany vao mihinana na izy mpitondra na iza mpitondra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0167