midera an'Atra mandrakariva

1. diamondra27 ( 03/06/2007 09:50)
ity indray izany misy site vaovao hitako e!

mazotoa mihaino daholo

za tsy mahalala na protesta na katolika na evanjelika fa de agape kono e! = FITIAVANA no dikany izany

http://www.agape1.fr/

de somary gaga kely za fa nisy hoe: agape serasera; ka misy ifandraisany @ serasera ve io sa de we serasera = forum fotsiny

(l):-*(l)
répondu par ikaretsaka le 05/06/2007 12:28
2. diamondra27 ( 03/06/2007 09:59)
Misy namana tato te-hahazo ilay video na cd momba ilay tokatrano sambatra nataon'i zoky Eddy

Koa dia mazotoa mijery ao fa dia toa hitako ao le izy e!
Mazotoa koa ianareo izay mbola tsy nanaraka ilay seminera e!

Miara-miasa ny zava-drehetra
Dia izao ny fotoana mahamety hahenoinao azy , koa dia misaotra an'i Tompo

Izay ilay hoe: mahareta @ fivavahanae!

raha tsy diso aho dia i cutie angamba no nangataka ilay izy (maiala tsiny raha diso ny fitadidiako an!)

:-*:-*
3. marozevo ( 03/06/2007 22:37)
Dieny mbola eto an-tany isika, hoy Jesosy, dia tsy maintsy mibebaka.
4. Fiffi ( 04/06/2007 09:31)
diamondra: misaotra nizara..

marozevo: marina akia zany an !
5. prime ( 04/06/2007 11:27)
Misaotra diams a...

Tena faly mahita an'i marozevo etoana indray... tonga soa r'ise a... tena ela tokoa izany...
6. diamondra27 ( 04/06/2007 13:28)
Asan'ny Apostoly 20:35b mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray

efa nasaina nizara isika dia mba mirzara aho e!sady manantaneraka ny didin'Atra
7. diamondra27 ( 04/06/2007 13:30)

efa nasaina nizara isika dia mba mizara aho e!sady manantanteraka ny didin'Atra

Asan'ny Apostoly 20:35b "mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray"
8. ikaretsaka ( 04/06/2007 15:06)
diam's za meo aza dia ho sambatra ianao e!:-D
mananihany aho an
9. diamondra27 ( 04/06/2007 15:28)
omeko ze azoko omena ianao fa aza matahotra e!:-D
teny fampaherezana sns

mahareta @ fivavahana hono
de aoka hijoro tsara @ finoantsika isika

misy hira ato @ le site ito we asabotsy sa alahady ny titre , ery à gauche ery no misy azy , de nihainoko fa tena tsara be le hira
we aza mandrarah na sabotsy na alahady fa ny zava debe de ny finoantsika ... Henoy ange le hira e!
10. marozevo ( 04/06/2007 20:51)
Prime > Misaotra dia faly tafahaona aminao koa.

Ary angamba izany miova foana ve ilay hira ao amin'ilay asain'i Diamondra jerena eto ?
11. diamondra27 ( 04/06/2007 22:19)
marozevo: mbola tsy niova aloha le izy e!
jereo @ le etsy ankavia
de misy soratra we: mozika mahafinaritra
de klik
de refa misokatra de jereo ery @ lisitra aseseho midina fa misy le titre we "asabotsy sa alahady"

ataovy ze hampandroso ny fiangonanao de mipetraha tsara hono fa na sabotsy na alahady zany de tsy olana
zay le hira

de manontany koa izy we misy karazany firy i Jesosy
Jesosy asabotsy sa Jesosy alahady....
mazotoa mihaino e!


TAZOMY TSARA NY FAMONJENA E
12. niryna ( 05/06/2007 05:30)
Ampiaro amin'ny fiainana ny fitiavana an'i kristy.Midera azy isan'andro,ary aza sasatra ny manao sao olona sy ny mizara.
13. marozevo ( 05/06/2007 09:19)
Mbola tsy henoko ilay hira fa avy eo aho hihaino azy. Fa mba tiako hovaliana kely ilay hoe Jesoa Sabotsy sa Jesoa Alahady.
Jesoa tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Isika eto an-tany dia mila manana notion de temps, fa ny Fiainana mandrakizay dia tsy misy an'izany. Tsarovy fa ny dikan'ny hoe mandrakizay dia eternel, izany hoe : "n'a ni commencement ni fin".
14. diamondra27 ( 05/06/2007 09:30)
marozevo: ka izay indrindra manko ange e!

fa ho any olona sasany de we ny azy ihany no marina , de le Jesosiny ihany

15. diamondra27 ( 05/06/2007 09:39)
marozevo:

Mbola tsy henoko ilay hira fa avy eo aho hihaino azy. Fa mba tiako hovaliana kely ilay hoe Jesoa Sabotsy sa Jesoa Alahady.
Jesoa tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay. Isika eto an-tany dia mila manana notion de temps, fa ny Fiainana mandrakizay dia tsy misy an'izany. Tsarovy fa ny dikan'ny hoe mandrakizay dia eternel, izany hoe : "n'a ni commencement ni fin".

[size=15px]
HEBREO 13:8 Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay[/size]
16. marozevo ( 05/06/2007 11:33)
Misaotra anao nanome ilay referansy.
17. ikaretsaka ( 05/06/2007 12:28)
izay manko, tsy misy notion du temps izany tokoa andriamanitra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0752