Ampidiro aloha ny tenimiafina
Sabata Fitsaharana
1. Mandefitra
(
30/05/2007 11:56)
Hebreo 4 :
1 Koa na dia mbola misy teny fikasana fa hiditra any amin'ny fitsaharany aza isika, dia aoka isika hatahotra, fandrao mba misy eo aminareo toa tsy mahatratra izany.
2 Fa isika koa dia nitoriana filazantsara tahaka ireny ihany; kanefa ny teny izay efa reny dia tsy nahasoa azy, satria tsy niharo finoana tao amin'izay nandre.
3 Fa isika izay nino no miditra amin'izany fitsaharana izany, araka ny voalazany hoe: "Toy ny nianianako tamin'ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11), na dia vita hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa.
4 Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito" (Gen. 2. 3).
5 Ary amin'izao koe: "Tsy hiditra amin'ny fitsaharako mihitsy izy" (Sal. 95. 11).
6 Koa satria mbola hiditra eo ihany ny sasany, ary izay nitoriana filazantsara tamin'ny voalohany dia tsy niditra noho ny tsi-finoana,
7 dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio," araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95. 7, 8).
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
Raha io no dinihana @ saina tsy miangatra dia :
1/Sabata = Fitsaharana
2/Ny Sabata dia "ANIO", araka ny voalaza fa tsy andro fahafito intsony tahaka ny t@ andron'i Josoa
3/Ao @ Kristy no misy ny Fitsaharana.
Ahoana ny hevitrareo momba io Hebreo 4 io?
(Antenaiko fa handray anjara i Majesty sy Zina)

répondu par isambo le 14/06/2007 23:34
3. mbelotavao
(
31/05/2007 01:23)
Miarahaba ny rehetra indray .
Toa miresaka andro fahafito mazava tsara anie ilay izy e!

4. tsiafoi1
(
31/05/2007 06:27)
Andro inona no nitsanganan'i Tompo Jesoa tamin'ny maty??, moa tsy ny andro voalohany amin'ny herinandro, izany no mahatonga ny Pâques ho andro Alahady, koa raha andro voalohany ny Alahady, de mahaiza manisa fa andro inona ny andro fahafito??
Moa tsy SABOTSY = El SABBAT en arabe = SABBOTO

5. majesty
(
31/05/2007 06:40)
Hoy Mandefitra:
Midika ve zany io fa isan'andro isan'andro dia Sabata foana,mino aho fa ho tsia avy hatrany ny hamalianao izany,satria araka an'io toko sy andininy izay soratanao eo ambony io dia ny ANDRO FAHAFITO no Sabata,izany hoe mialoha ny Sabata izany dia misy andro 6,dia manohana an'io voalazan'i Tsiafoy io.
Fa ny hitako olana kely aminao dia ilay hoe "ANIO,raha mihaino ny feony ianareo dia aza manamafy ny fonareo...";raha adika izy io dia hoe,"ANIO,amin'izao fotoana handrenesanareo ny fahamarinana izao,dia aza manamafy ny fonareo,izany hoe aza miandriandry ny ampitso lava fa ANIO dia mandraisa fanapahan-kevitra.Inoako fa mitovy hevitra amiko i zina ary inoako fa mahavaly ny fanontanian'i Mandefitra io:D
Dia mankasitraka ny mpametraka ny loha-hevitra
Raha io no dinihana @ saina tsy miangatra dia :
1/Sabata = Fitsaharana
2/Ny Sabata dia "ANIO", araka ny voalaza fa tsy andro fahafito intsony tahaka ny t@ andron'i Josoa
3/Ao @ Kristy no misy ny Fitsaharana.
Midika ve zany io fa isan'andro isan'andro dia Sabata foana,mino aho fa ho tsia avy hatrany ny hamalianao izany,satria araka an'io toko sy andininy izay soratanao eo ambony io dia ny ANDRO FAHAFITO no Sabata,izany hoe mialoha ny Sabata izany dia misy andro 6,dia manohana an'io voalazan'i Tsiafoy io.
Fa ny hitako olana kely aminao dia ilay hoe "ANIO,raha mihaino ny feony ianareo dia aza manamafy ny fonareo...";raha adika izy io dia hoe,"ANIO,amin'izao fotoana handrenesanareo ny fahamarinana izao,dia aza manamafy ny fonareo,izany hoe aza miandriandry ny ampitso lava fa ANIO dia mandraisa fanapahan-kevitra.Inoako fa mitovy hevitra amiko i zina ary inoako fa mahavaly ny fanontanian'i Mandefitra io:D
Dia mankasitraka ny mpametraka ny loha-hevitra
6. ikaretsaka
(
31/05/2007 06:41)
(Gen 2.3)dia andriamanitra ve no nitsahatra t@ asany andro fahafito dia izaho olombelona koa hitsahatra @ fanompoana azy?
za olombelona fa tsy andriamanitra ... tsy mbola vitako ny asako fanompoana azy.. tsy hitsahatra ny hanompo azy aho na alahady na alatsinainyna talata ka!!
rehefa asainy mitsahatra aho dia mba tiako izany handeha hatory ao aminy izany!

7. sonwin
(
31/05/2007 06:54)
Fa tsy resaka "convention" taty aoriana ve io hoe sabotsy e, alahady e, etc io e! sa misy filazana mazava tsara ao amin'ny Genesisy fa alatsinainy ny andro faharoa nanamboaran'Andriamanitra izao tontolo izao? :roll:
8. tsiafoi1
(
31/05/2007 07:26)
Gen 2.3)dia andriamanitra ve no nitsahatra t@ asany andro fahafito dia izaho olombelona koa hitsahatra @ fanompoana azy?
Ise kosa wa de manohitra zay lazainy foana ; koa Izy Andriamanitra tsy mety reraka io aza no nanome modely, sy nanome baiko, de isika indray ve no hiseho hianan-kendry e!. Mety misy antony ao (mety hoe ara-panahy, ara-pahasalamana sns...), fa Izy Ingeniera Mpamorona no mahalala ny antony. Fa io rehefa lazaina hoe Diesel dia tsy atao Essence na samy daba aza, tsy aleo ve mankato toy ny zaza, de mino toy ny zaza.
Exode 20 : 8 - 11
"Souviens-toi du jour du repos, pour le sanctifier.
tu travailleras six jours, et tu feras tout ton ouvrage.
Mais le septième jour est le jour du repos de l'Éternel, ton Dieu: tu ne feras aucun ouvrage, ni toi, ni ton fils, ni ta fille, ni ton serviteur, ni ta servante, ni ton bétail, ni l'étranger qui est dans tes portes.
Car en six jours l'Éternel a fait les cieux, la terre et la mer, et tout ce qui y est contenu, et il s'est reposé le septième jour: c'est pourquoi l'Éternel a béni le jour du repos et l'a sanctifié"
Repos dans de tout ouvrage mais non pas la sanctification et les services de Dieu
9. majesty
(
31/05/2007 07:39)
Sonwin:
t@ famoronana dia tsy nanome anarana andro Andriamanitra,fa nataony fotsiny hoe andro voalohany,andro faharoa,andro fahatelo ...hatramin'ny andro faha enina,fa ny andro fahafito irery ihany no nomeny anarana ary nataony hoe Sabata.Ary eken'ny rehetra anie fa ny andro voalohany no andro Alahady izay nitsanganan'i Jesosy t@ maty e,dia raha ny Alahady no andro voalohany dia ny andro fahafito izany inona?
Fa tsy resaka "convention" taty aoriana ve io hoe sabotsy e, alahady e, etc io e! sa misy filazana mazava tsara ao amin'ny Genesisy fa alatsinainy ny andro faharoa nanamboaran'Andriamanitra izao tontolo izao?
t@ famoronana dia tsy nanome anarana andro Andriamanitra,fa nataony fotsiny hoe andro voalohany,andro faharoa,andro fahatelo ...hatramin'ny andro faha enina,fa ny andro fahafito irery ihany no nomeny anarana ary nataony hoe Sabata.Ary eken'ny rehetra anie fa ny andro voalohany no andro Alahady izay nitsanganan'i Jesosy t@ maty e,dia raha ny Alahady no andro voalohany dia ny andro fahafito izany inona?
10. johnnyandri
(
31/05/2007 08:46)
Ny dikan'izany ve dia hoe sabotsy ny andro Sabata dia tsy tokony hiasa ve ny Sabotsy fa hanaraka ilay voasoratra tao amin'ny testamenta taloha?
Dia inona izany no tokony horaisina ilay hoe testamenta vaovao miteny hoe Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay sa ilay teo aloha?

11. Mandefitra
(
31/05/2007 09:01)
7 dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio," araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95. 7, .
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
hoe mametra andro iray, sy ilay hoe nilaza andro hafa .... tsy midika hoe ankoatry ny andro fahafito ve?
12. sonwin
(
31/05/2007 10:44)
majesty> ny ahy alakamisy no andro voalohany
tsiafo1, majesty> manandro ngah Andriamanitra ka ny Sabotsy ihany no mety aminy?

13. kelly13
(
31/05/2007 10:52)
d raha oul voatery miasa sabotsy zany d aôna? mpanota danz b? tsy kristianina? sa inona? sa HS za?
14. tywa68
(
31/05/2007 11:01)
Mandefitra, sowin ary kelly13 : amiko rehefa mahatsiaro mijanona @ asa ety an-tany ianao, ka manolotra Azy io fotoana io (n'inona²) fa tsy variana mitady vola sns... dia efa mety !:-*
15. kelly13
(
31/05/2007 11:09)
tywa68:
Mandefitra, sowin ary kelly13 : amiko rehefa mahatsiaro mijanona @ asa ety an-tany ianao, ka manolotra Azy io fotoana io (n'inona²) fa tsy variana mitady vola sns... dia efa mety !:-*
eka ouz(iz)
17. majesty
(
01/06/2007 04:43)
Johnnyandry:
Romana 3:31 "Mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? sanatria izany,fa mampiorina tsara ny lalàna isika" i Paoly no niteny an'io dia inoako fa mazava aminao ny tiany ho ambara.Rehefa misy fotoana dia vakio daholo izay voalaza ao amin'io Romana 3 io fa hazava tsara aminao.:D
sonwin:
:D,na ataonao talata ary ny andro voalohany ho anao tsy maninona ka,fa ny an'Atra lazainy fa ny asabotsy:D
Dia tsy haiko na manandro izy na tsia fa tsy aleon'isé izy mihitsy no anontaniana fa izy no nanao an'io dia mino aho fa izy irery ihany koa no mahalala ny antony.:D
Kelly13:
Tsy anjarako ny mitsara na mpanota danz b izy na tsy Kristiana fa ireo no nolazain'ny soratra masina dia aleo arahana e,sa ahoana hozy toi:D
Mandefitra:
tsy nanendry andro hafa ankoatran'io izy ka :D.Sady na any an-danitra ary ange wa dia mbola io ihany no andro ivavahana e,araka ny voalazan'ny mpaminany Isaia 66:23 "ary isaky ny voaloham-bolana sy isaky ny Sabata,dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako hoy Jehovah"
Ny dikan'izany ve dia hoe sabotsy ny andro Sabata dia tsy tokony hiasa ve ny Sabotsy fa hanaraka ilay voasoratra tao amin'ny testamenta taloha?
Dia inona izany no tokony horaisina ilay hoe testamenta vaovao miteny hoe Fanekem-pihavanana vaovao sady mandrakizay sa ilay teo aloha?
Romana 3:31 "Mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika? sanatria izany,fa mampiorina tsara ny lalàna isika" i Paoly no niteny an'io dia inoako fa mazava aminao ny tiany ho ambara.Rehefa misy fotoana dia vakio daholo izay voalaza ao amin'io Romana 3 io fa hazava tsara aminao.:D
sonwin:
majesty> ny ahy alakamisy no andro voalohany
tsiafo1, majesty> manandro ngah Andriamanitra ka ny Sabotsy ihany no mety aminy
:D,na ataonao talata ary ny andro voalohany ho anao tsy maninona ka,fa ny an'Atra lazainy fa ny asabotsy:D
Dia tsy haiko na manandro izy na tsia fa tsy aleon'isé izy mihitsy no anontaniana fa izy no nanao an'io dia mino aho fa izy irery ihany koa no mahalala ny antony.:D
Kelly13:
d raha oul voatery miasa sabotsy zany d aôna? mpanota danz b? tsy kristianina? sa inona? sa HS za?
Tsy anjarako ny mitsara na mpanota danz b izy na tsy Kristiana fa ireo no nolazain'ny soratra masina dia aleo arahana e,sa ahoana hozy toi:D
Mandefitra:
hoe mametra andro iray, sy ilay hoe nilaza andro hafa .... tsy midika hoe ankoatry ny andro fahafito ve?
tsy nanendry andro hafa ankoatran'io izy ka :D.Sady na any an-danitra ary ange wa dia mbola io ihany no andro ivavahana e,araka ny voalazan'ny mpaminany Isaia 66:23 "ary isaky ny voaloham-bolana sy isaky ny Sabata,dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo anatrehako hoy Jehovah"
18. Mandefitra
(
01/06/2007 05:05)
Tsy haiko na azonareo tsara ilay sujet, fanadihadiana lahatsoratra (commentaire de texte), mianga @ io Hebreo 4 io no tokony ho natao aloha,zay vo manome ny fahalalana manokana, manohitra na manaiky izay voalaza.
=>Andro fahafito no voatendry ho Sabata,nitsaharan'Andriamanitra t@ asany,t@ voalohany,namoronan'Andriamanitra izao tontolo zao
Tsy i Josoa no nanome fitsaharana anefa,fa Andriamanitra, noho famindrampony sy ny fiatiavany ny olona,ka dia nametra andro iray hafa Izy,de ny hoe ANIO.Zany hoe isaky ny maheno ny feon'Andriamanitra ianao,maheno ny sitrapony, de asainy hiditra @ Sabata-ny, hiditra @ fitsaharany.
Io no manamarina fa tsy voafetran'ny andro ny Sabat,na ny Fitsaharana,fa @ fotoana rehetra,hanatonana ny Mpamomjy,dia Kristy, sady Izy rahateo efa niteny hoe "Mankanesa aty Amiko,Ianareo rehetra zay miasa fatratra sy mavesatrentana, fa Izaho no Hanome anareo Fitsaharana"."Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona"
Misoatra
a nilaza ny andro fahafito Izy eo amin'ny teny anankiray araka izao: "Ary Andriamanitra nitsahatra tamin'ny asany rehetra tamin'ny andro fahafito"
=>Andro fahafito no voatendry ho Sabata,nitsaharan'Andriamanitra t@ asany,t@ voalohany,namoronan'Andriamanitra izao tontolo zao
dia mametra andro anankiray indray Izy,na dia efa ela toy izany aza, milaza ao amin'i Davida hoe: "Anio," araka ny voalaza teo hoe: "Anio, raha hihaino ny feony hianareo, Aza manamafy ny fonareo" (Sal. 95. 7, .
8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
Tsy i Josoa no nanome fitsaharana anefa,fa Andriamanitra, noho famindrampony sy ny fiatiavany ny olona,ka dia nametra andro iray hafa Izy,de ny hoe ANIO.Zany hoe isaky ny maheno ny feon'Andriamanitra ianao,maheno ny sitrapony, de asainy hiditra @ Sabata-ny, hiditra @ fitsaharany.
11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa.
Io no manamarina fa tsy voafetran'ny andro ny Sabat,na ny Fitsaharana,fa @ fotoana rehetra,hanatonana ny Mpamomjy,dia Kristy, sady Izy rahateo efa niteny hoe "Mankanesa aty Amiko,Ianareo rehetra zay miasa fatratra sy mavesatrentana, fa Izaho no Hanome anareo Fitsaharana"."Tompon'ny Sabata ny Zanak'olona"
Misoatra
20. marozevo
(
01/06/2007 22:49)
Ie, isan'andro dia tokony hitsahatra kely amin'ny asa isika mba hivavaka, na dia 1mn ihany aza. Fa ny andro voalohany amin'ny herinandro dia asaina hibanjina an'i Kristy nandresy ny fahafatesana.