Sabata Fitsaharana

21. mbelotavao ( 01/06/2007 23:53)
Fa voasoratra hoe:
"8 Fa raha Josoa no nanome azy fitsaharana, dia tsy mba ho nilaza andro hafa Izy tao aorian'izany.
9 Koa dia mbola misy sabata fitsaharana ho an'ny olon'Andriamanitra.
10 Fa izay niditra tao amin'ny fitsaharany, dia Izy koa no nitsahatra tamin'ny asany, tahaka an'Andriamanitra tamin'ny Azy.
11 Koa aoka isika hazoto hiditra amin'izany fitsaharana izany, fandrao hisy olona latsaka amin'ny tsi-finoana tahaka izany koa."
Andro nitsaharana t@ asa no resahina eto .
22. chipoli ( 06/06/2007 12:25)
ny hafatra mba hampaherezako anaoreo ry havana isany dia ny finoana an'i Jesosy Kristy irery ihany no mahavonjy, tsy nisy resaka hoe ny andro sabata na ny voalohany @ herinandro alahady no làlana mankany @ Andriamanitra .
Jesosy dia manome fitsaharana ho an'izay miasaa fatratra sy mavesatr'entana koa raha misy manavesatra anao dia manatona an'i Jesosy fa ao aminy ny fitsaharana fa tsy ny andro sabotsy na alahady.
Tsy ny andro fivavahana no mahavonjy na ny andro fivavahana no mahavonjy fa ny finoana izay ao anatinao no entina itsarana anao @ andro farany ary ny didim-pitiavana no fehin'ny didy rehetra aty @ andron'iny Fiangonana
23. prime ( 06/06/2007 15:09)
Famaritana ny sabata no tsara iaingàna dia hita soritra ny momba an'io...

Tokana ihany ny sabata dia ny nanorenan'Andriamanitra azy...
24. isambo ( 08/06/2007 04:57)
Aza avilivily ny teninan\'Andriamanitra ry zareo a, fa ny maha kristianina ny kristianina dia manaradia an\'i Jesosy zany hoe manao zay nataony tety antany ,impiry moa i Jesosy no voalaza fa \"t@ andrao Sabata dia niditra ny sinagaoga toy ny fanaony \", zany hoe fony izy mbola kely dia efa nanaja ny sabata ho fitsaharana , ka n\'inona n\'inona lazainareo teoambony na zay etsy ambany dia voaporofo fa i jesosy dia nanja io sabata io ka raha tehanaraka azy isika dia tsy maintsy mitsahatra @ andro fahafito ary nohamafisiny tsara ao @ Matio.5:17 fa \"tsy tonga aho hanova na dia adnininy iray ao @ lalàna fa tonga hanatanteraka kosa\".Efa fantatr\'i Jesosy mialoha nge fa misy hanodikodina io Sabatan\'i Jehova io e.
25. marozevo ( 08/06/2007 08:05)
Ny Sabata no natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no natao ho an'ny Sabata.
26. isambo ( 10/06/2007 12:41)

\"marozevo\"ny Fariseo ndray no ,tiany ho tenenina amin\'io satria izy ireo dia nanda azy @ maha zanak\'Atra azy, ny teny ao anaty baiboly tsy mba mifanohitra fa mifameno , vakio tsara wa io Matio.5:17 iofa tena i Jesosy mihitsy no niteny teo ary mahitsy tsara ny teniny , aza mieritreritra hanova ny voalaza ao anatin\'ny didy folo izany.
27. marozevo ( 10/06/2007 20:43)
Fa angaha io nosoratako eo ambony io heverinao fa nalaina tao amin'ny Roman na diksionera ?
28. prime ( 11/06/2007 12:44)
isambo> Aza raisina am-bolony fa diniho tsara araka ny fotoana sy ny zava-nisy rehetra ary ny nanaovan'Andriamanitra azy ny sabata...

Ny sabata dia anisan'ny didy folo tokoa fa Adama sy Eva, Noah, Abrahama, Isaka, Jakoba, Josefa... tsy nodidian'Andriamanitra ny amin'ny sabata ka hitanao na dia indray mandeha aza hoe tsy maintsy nanaja ny sabata araka ny didy folo sy ny lalàn'i Mosesy satria ireo patriarka ireo dia akaiky an'Andriamanitra ary tsy nihevitra andro iray ho an'Andriamanitra mihoatra noho ny andro hafa fa ny fiainany manontolo mihitsy no niainany ny andro fahafito nitsaharana araka an'i Jehovah...
29. isambo ( 12/06/2007 09:42)
Tsy mandray ambolony zany za fa efa raisiko amin'ny taolany mihitsy aza , fa amiko dia lalàna tsy azo ovana ny didy folo na dia andininy iray aza ,misy dikany io mahatoa tsy nataony andro voalohany fa nataony andro fahafito, an'Atra irery no mahay an'io fa anjaratsika no makato fotsiny
30. Fiffi ( 12/06/2007 09:53)
isambo:
fa amiko dia lalàna tsy azo ovana ny didy folo na dia andininy iray aza ,
fa nga nisy te-hanova kosa ?


31. prime ( 12/06/2007 10:12)
isambo> Mitombina tanteraka ny voalazan'ise fa tsy misy azo ovàna na dia iray aza ny didy folo... ny fanazavàna andrasana dia tsy ny hoe novàna akory ny lalàna ka tokony ekena ny fanovàna fa ny hoe inona no tian'Andriamanitra ambara raha nanorina ny sabata Izy...
32. isambo ( 14/06/2007 23:34)
Ho entiko miverina ny tany amboalohany ianareo; azon\\\'Atra natao tsara mihitsy ny tsy hampisy ilay hazo voarara teo afovoan\\\'ny saha t@ andron\\\'i Adama fa tsy nanao izany izy misy dikany izay, ary mbola azony natao ihany koa ny namita ny asa famoronana tao anatin\\\'ny 2 andro na telo andro fa tsy nanao izany koa izy.Raha afaka miady hevitra ny @ ilay hazo sy ny antony nametrahana azy teo afovoan\\\'ny saha fa tsy tany @ sisiny avaratra na andrefana...isika dia afaka miady hevitra ny Sabata ihany koa . Ny tena marina dia izao ry zareo a io Sabata io no hanamporofoan\\\'Andriamanitra fa mankato azy marina isika , raha mankato ny didy hoe aza mamono olona isika dia mety ho fatahoratsika ny fanjaka sao dia migatra toy izay koa ireo didy hafa fa ny fitandremana ny sabata dia midika avy hatrany fa matahotra an\\\'Atra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0077