bevoka misy rano hono

1. nenipita ( 30/05/2007 11:22)
salut nareo, bevoka zah de efa hiditra 6 mois , raha nanao echo anefa aho omaly de nilaza ny tany fa hita hoe be rano be le kibo, quantité ny hono efa mitovy @ quantité n'ny rano zaza efa en terme. de hita koa fa mipetraka izy tao amin'ny echo, effet n'ilay fisotroana jus glacé be loatra angamba ny mahatonga ilay rano, nilaza anefa izy fa normale tsara ny haben'ny zaza 878gr fa ny mampatahotra ahy de le izy mipetraka sy le hoe misy rano be,
asa raha efa nisy mitovy cas amiko ianareo ato amin'ny forume na misy mahafantatra olona efa nanao toy ahy izao? mba valio raha misy mahalala na manome torohevitra fa ohatry ny matahotra aho mieritreritra azy.
misaotra
répondu par nanjas le 01/02/2008 14:19
2. sakaizakely ( 30/05/2007 12:28)
za voan'io t@ faha-2 de zao koa. Tsy fisotroana rano mihitsy fa mety misy antony hafa. Tsy nanao analyses hafa ve le dokotera fa dia mipetraka fotsiny am zao ? Tokony manosika lavitra @ fitadiavana ny antony anefa izy.

Matetika dia ny vhv misy diabeta no be rano satria voatery mi-éliminer ilay siramamy en excès ilay zaza. Mamizaka ny reins-ny izany ka mila mitandrina fatratra ilay reny manao régime strict be mba tsy hidiran'ny siramamy be loatra any @ taova.

Ny lafiratsin'ilay be rano dia mitarika fahabetsahan'ny contractions ilay izy, ka mety mampiteraka alohampotoana.

Anjaran'ny dokotera no manome fanazavana anao fa tsy vitan'ny fanaovana diagnostika fotsiny. Takio izany @ manaraka, ary itakio fanaraha-maso bebe kokoa izy, échographie isambolana, monitoring isankerinandro sns...

Ny momba ny position'ilay zaza indray dia mbola @ilay fotoana fanaovany tsingolobatita izany 6 mois izany, sady malalaka koa ny tranonjaza noho ny habetsahan'ny liquide amniotique dia tokony ho mihetsiketsika be le zaza. Ka mino aho fa mbola hitsimbadika izy atsy ho atsy, 8 volana eo izy no mitsimbadika mampidina ny lohany.

Amiko dia mila fanaraha-maso fanampiny ianao, tokony manao analizy mijery raha manao diabete gestationel na tsia.

dia ahoana anefa ? lahy sa vavy ? :-*:-*:-*:-*
3. nenipita ( 30/05/2007 12:56)
salut sakaizakely, misotra t@ le toro-hevitra, ieeh, niteny mantsy izy fa vokatry ny mamay le izy ka izany no nahatonga ahy hieritreritra hoe glace sy le jus bien glacé nosotroiko fona, de nolazaiko azy io de hozy izy hoe atsaharo aloha ny fihinana glace sy ny jus fa ronono no aleo sotroina tsy tapahina. de refa misotro ronono koa de aza asiana siramamy hozy izy, efa mahazatra ahy indray izay satria tsy tiko hatrami'nizay mihitsy ny ronono misy siramamy.
efa hita akia ny sexe ny a, lahy kely hono e,
raha ny tena marina de niezaka izahay roa nanaraka ireny traitement ahazoana vavy ireny ( nisasa t@ eau vinaigrette avant RS, natao aloha ben'ny ovulation le RS) fa eh,ehe, tsy nety taminay izany le izy, efa manana lahy kely 2ans 5mois mantsy izahay ao, de izany no nahatonga anay mba niezaka ny hahazo vavy , tsy anjara angamba akia izany le vavy a, amin'ny manaraka indray e, asa après 3ans any indray angamba e, de miandry ny hihavian'ilay lahikely izany e, tsy mampanenina anefa fa izay tonga eo ka omeny de raisina e,
4. sipagasy ( 30/05/2007 19:28)
mahereza e!:-*
5. Jeankely ( 31/05/2007 04:03)
Marina ny an'i sipagasy tamin'iny. "Resakin'ny mpisikina tsy resakin'ny mpisampina"=))=))=))
6. sakaizakely ( 31/05/2007 07:49)
nenipita> za tsy dokotera nefa mahalasa saina ahy ihany ny torohevitry ny dokoteranao. Diabetika aho ka fantatro tsara ny zavatra tokony fadiana andavanandro indrindra ho fiarovana ilay zaza ao ankibo.

Ny excès de liquide amniotique io dia signe 1 voalohany @ fiantraikan'ilay diabeta amin'ilay zaza, izany hoe miampita any aminy koa ny siramamy en surcharge ao aminao. Ka satria ny sarakatinay tsy maharaka intsony @ famoahana insuline handevonana ny siramamy dia ny sarakaty sy ny reins-n'ilay zaza no voatery miasa hanantanterahana izany. Mamizaka ny taovany izany, sady lasa mi eliminer rano betsaka izy dia mahabe kibo io ary mitarika contractions araky ny nolazaiko tetsy ambony

Ny olana manaraka koa dia lasa zatra maharay mamy avy aminao ilay zaza,ka mety manao coma diabétique rehefa teraka satria tsy mahazo siramamy intsony dia manao hypoglycémie. Dia mila arahimaso 48h ny glycémie-ny rehefa teraka izy.

Mila fanarahamaso be ilay izy ary aty dia tena mitandrina be ny dotokera, ka izany no mahalasa saina ahy fa toa tena tsy amin'izay izy ny torohevitr'ilay dokoteranao.
7. sakaizakely ( 31/05/2007 08:02)
sarakatinao (fa tsy sarakatinay) :D:D:D

mila diagnostiquer-na raha toa ka diabeta na tsia no mahazo anao, manao HGPO (hyperglycémie provoquée par voie Orale) dia jerena isaky ny 1/2h ny fahalevonan'ny siramamy. Raha tsy tafidina ambanin'ny 1,20 afaka 1h30 dia manao diabete gestationel ianao izay

Vahaolana 1°) manao régime sans sucre rapide (fadina tanteraka ny siramamy rehetra) sy sucre lents (vary, pâte, ovy, mofo sns...) 40g maraina, 200g antoandro, 200 ny hariva, dia ny légumes no atao bedabe

ny voankazo koa dia ferana satria mamy, 1 isaky ny mihinana ihany.

goûter : rehefa mahatsiaro noana @ 10 na @ 4 hariva iny dia yaourt na fromage blanc tsisy siramamy no hanina. Asiana aspartame raha toa ka mahita. Ny ahy afangaroko ny antsasa-desera tsy nohanina ny antoandro.

Ny ronono dia misy lipide (menaka) ka ferana ho 1 vera kely ihany @ maraina. Ka amiko tsy mitombina diététiquement ny torohevitry ny dokoteranao.

Tsy misy tsara toy ny misotro rano (tsisy siramamy), na glacée aza io tsy maninn satria efa nolazaiko anao ihany, fa mandrampidiny any @ vavony dia mihamafana ny rano sotroinao manaraka ny hafanana ao anaty 37° noho izany tsy misy fiantraikany @ fahasalaman'ilay zaza, ary tsy izany mihintsy no mahatonga ilay excès de liquide amniotique mahazo anao.
8. sakaizakely ( 31/05/2007 08:23)
dia arahabaina izany @ le lahy kely. Enga anie ny ahy mba hanaraka fa roa vavy ny anay dia maniry lahy kely amin'ity indray mitoraka ity. Araky ny lazaindry koa hoe tsy maninona na vavy ihany aza, rehefa salama tsara fotsiny dia izay no zavadehibe, fa mba faniriana ihany iny.

Tsy mitombina ireny methode hifidianana sexe-n'ilay zaza ireny. Aléatoire be ny fiainana.
Ny fanazavana hitako dia hoe mavitrika amboalohany ny spermatozoïdes mitondra ny maha-lahy, fa vetivety dia maty (kely aina tahaka ny lhl rehetra ihany :-P), ny mitondra ny maha-vavy kosa mandeha miadana eny ihany, fa mahavita lavitra ezaka sady ela velona (vive les femmes :-D:-D:-D)

Ka raha manakaiky kokoa ny ovulation ny RS dia tokony ho lahy izany raha ny lojikan'io lalana io no arahina, satria ny zozos mitondra ny lahy no tokony hifanena amin'ilay ovule voalohany. Saingy ny natiora no manapakevitra donky azy ny dernier mot ;-)

Misy koa ny sosokevitra aratsakafo, satria arakaraky ny sakafo fihinanao koa no maha-acide (+ou-) ny milieu utérin, izany hoe raha acide kokoa na somary basique kokoa ilay izy dia mi-favoriser ny zozo misy ny lahy na vavy. Fa mila arahina 6 mois mahery any io méthode io raha tiana ahomby.

Amiko moa izany dia samy tsisy mitombina, fa dia aleo ny natiora no mitondra azy e ! Misaotra azy raha mba manome kofy kely ho ahy izy :-*:-*:-*:-*

Mahereza akia nenipita a ! Mifanarakaraka eny ny antsika fa za koa miditra 6 mois @ity, dia @ alatsinainy ny écho morpho
:-*:-*:-*
9. Jeankely ( 31/05/2007 08:55)
Ato kosa sady misy torohevitra no manjabe ny resaka an. Dia mirary anao ahazo lahy ny namana ooo.
10. sakaizakely ( 31/05/2007 08:59)
Jeankely> misaotra @ firariana

De faly koa raha toa ka mba mahaliana anao ilay resakay vhv :P:P:P:P
11. nenipita ( 31/05/2007 10:01)
sakaizakely>>>> misaotra betsaka tami'nireo trorohevitra e, marina fa angamba andeha hanao analyse mihintsy aho fa manjary mamopalahelo le zaza refa teraka o,
amin'ny ovinana ny dpa ndry, mirary soa akia hahazo lahikely a, firy taona ny andry le farany ao? de tongava soa ny vahiny e
12. booboo ( 31/05/2007 10:43)
euh...tsy tokony handeha ho azy ve ny fanaovana analyse hoe manao diabète gestationnel sa tsia rehefa mitondra vohoka ?
13. tywa68 ( 31/05/2007 10:49)
Sakaizakely : tena marina ny teninao ary zay tonga eo dia mampite-hamono kely foana ! Milalao poupée mihitsy ny zokiny @io :-D:-D ! soa fa mbola misy marge be e (7 lahy sy 7 vavy moa ny tanjona ?)
14. sakaizakely ( 31/05/2007 11:03)
nenipita> m'ci :-*

4 taona ny 1°, 2 sy 1/2 ny faha-2 dia 15/09 ny dpa

mangataha examens supplémentaires retsy fa tena tsy lasa mihitsy ny adin'ilay dokotera izany.

Araky ny lazain'i booboo dia tokony mandeha hoazy ny fanaovana HGPO ho an'ny bevohoka, 5-6è mois raha tsy misy antécédent, fa any amintsika angamba tsy mbola amin'izany. Dokotera tsotra ve io sa gynéco ? Mampieritreritra an ! Satria tokony ho izy no manao prescription automatiquement fa tsy ny patient indray no andeha hiteny aminy ny tokony atao :roll::roll::roll:

Raha positif ny valin'ny hgpo dia alefany manatona diabétologue ianao, dia io no manoro anao ny fomba fisakafoanana mandrampiteraka. Ny ahy aloha dia ireo efa noteneniko ireo, ary voafetra ho 1200-1500 calories/j fa zany hoe tena équilibré tsara, tsisy manque mihintsy, fa ny superflu moa izany mazava ho azy fa tena tsy misy.

tantarao anay eto ny fandehany akia a !

tywa> marina be ange izany e ! mampte hihinana daholo ze tonga eo na lahy na vavy. nena moa le faharoa tena saribakoly kely vita sady henjy kely mahafatifaty koa en plus, de satry orokorohana foana :-*:-*:-*
fa ity faha-3 ity akia ny farany ka ! tsy maharaka manko ny sarety :-D:-D:-D

:P:P:P:P
15. tywa68 ( 31/05/2007 11:19)
manaova mora e ! atao aloha io faha-3 io dia ho hita eo ny manaraka e : sady poupées mampite-hamono no be resaka kely ô ? :-D:-D
16. sakaizakely ( 31/05/2007 12:38)
tywa> an an an ! tena décidée décidée hoe faha 3 no farany fa tena mmmmmmmm danza be kou

raha tany amintsika de ieeeeee, na 5 aza tsy koi.

fa le miatrika ny fiainana andavanandro irery aty tena tay be :-o Aty tena honjohonjo njy irery maraina antoandro ariva, tsy misy neny sy havana hanampy izany, na efa midegoba @ le voalohandohany iny aza tsy maintsy mitsangana ihany manatitra mpianatra sy mikarakara sakafo, manadio sns...
tsy araka kou

aleo 3 tsaratsara ihany:P
:-* njy
17. Fiffi ( 31/05/2007 12:47)
zah aloha de mamaky ny zavatra lazainareo ato an ! lesona indray zao.....
18. sakaizakely ( 31/05/2007 13:45)
Fiffi> ;-);-);-);-)
miala any miala any angaha ny manaraka no mihainohaino lesona akia ? :wink::wink::wink:

dain an ! :-P
19. Samoana ( 31/05/2007 14:07)
sakaizakely:

... fa roa vavy ny anay ...


Mmmm ! nenay 2là fa aleo asiana fihaonana @ izay:-D

20. sakaizakely ( 31/05/2007 14:12)
samoana>

tokony talohalohakely ity proposition ity no natao :P:P:P:P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4912