Ahoana no hamantarana ny SANDOKA sy ny TENA IZY?

1. tsiafoi1 ( 24/05/2007 12:31)
Toy ny vola sandoka ihany zavatra kely monja no tsy mampitovy azy amin'ny vola tena izy.

Raha amin'ny lafiny finoana, Inona no mety kokoa mamantatra ny mariky ny Tena izy ve za mamantatra ny sandoka ?
répondu par prime le 06/06/2007 10:49
2. sonwin ( 24/05/2007 12:36)
mamantatra ny sandoka sahala aminareo no mora indrindra :-D
cool fotsiny e!:P
3. xxx ( 24/05/2007 12:47)
Rehefa sandoka na olona na zavatra na finoana na fanahy namana na havana dia mora fantatra mora ho azy eny fa sandoka !
4. prime ( 24/05/2007 13:11)
Izany e?... tsy fanomezam-pahasoavana manokana ve ny fahafantarana fanahy?
5. ikaretsaka ( 24/05/2007 13:17)
Ny asany , ny zava-bitany , ny tantarany izay elabe izay... no ahafantarana azy tsotra indrindra!
tsy misy afa tsy ireo (raha @ olombelona) no ahafantarana hoe tena izy izy izay na sandoka.
na fisainana io , na firehan-kevitra, na foto-pinoana, eny fa na zavatra aza!

Raha amin'Andriamanitra dia tsy haiko..satria za tsy Andriamanitra!
6. diamondra27 ( 24/05/2007 13:23)
ny Fanahy Masina no afaka mamantatra azy donc mivavaha mba hiasa ao anatinao ny Fanahy sy hanazava azy

:-*:-*
7. tsiafoi1 ( 24/05/2007 15:05)
sonwin : Cooool !
Jereo tsara ange ry sakaiza le question zay vao mamaly a :
"Ahoana no hamantarana ny Sandoka sy Tena izy ?" fa tsy hoe "Iza no Sandoka sy Tena izy"

de mbola hamafisin'ilay commentaire kely eo ambany le izy hoe :

"Toy ny vola sandoka ihany zavatra kely monja no tsy mampitovy azy amin'ny vola tena izy.
Raha amin'ny lafiny finoana, Inona no mety kokoa mamantatra ny mariky ny Tena izy ve za mamantatra ny sandoka ?"

Resaka marque na signe le izy r'ise a!
8. tsiafoi1 ( 24/05/2007 15:09)
Raha itarina kely inona no mahasoa kokoa, ny mahafantatra ny marika tena izy ve sa ny mahafantatra ny maha sandoka??
9. ikaretsaka ( 24/05/2007 15:15)
ahoana no hamantarana:

@ asany sy ny fisehony @ manodidina hoa! izay no marika sy signe
ikaretsaka:
Ny asany , ny zava-bitany , ny tantarany izay elabe izay... no ahafantarana azy tsotra indrindra!
tsy misy afa tsy ireo (raha @ olombelona) no ahafantarana hoe tena izy izy izay na sandoka.
na fisainana io , na firehan-kevitra, na foto-pinoana, eny fa na zavatra aza!


Raha amin'Andriamanitra dia tsy haiko..satria za tsy Andriamanitra!

Raha itarina kely inona no mahasoa kokoa, ny mahafantatra ny marika tena izy ve sa ny mahafantatra ny maha sandoka??


1)ny fahafantaranao ny tenanao aloha! hoe iza no ilainao.. ilay sandoka sa ilay tena izy!

2) ny fahaizana manontany tsara sy manadihady , ahoana ny asany, inona ny soa vitany fa tsy manaiky be fahatany hoe misy an zao de zay zany!

Raha tsy nitafy ohatra ianao ka nisy nanome akanjo gony (io ilay sandoka) dia nanaovana hanalana henatra fotsiny... fa avy eo mandini- tena dia miezaka hahazoana akanjo mety kokoa (io ilay tena izy)

Raha tsy nahafantatra sy nanaiky ny handini tena ianao dia ilay gony de nety taminao! satria ny any anaty eritreritrao dia hoe efa nitafy ko!
10. niryna ( 24/05/2007 16:52)
diamondra27:

ny Fanahy Masina no afaka mamantatra azy donc mivavaha mba hiasa ao anatinao ny Fanahy sy hanazava azy

:-*:-*


Marina izany,ny eritreretin-tsika tsy mitovy ny fisainan'Atra.Ny manaraka ny teniny sy ny didiny no tokony ezahana.Didy vaovao hoy izy no omeko anareo dia ny hifankatiavanareo izay no ahafantarana fa mpianatro ianareo.

11. niryna ( 24/05/2007 17:00)
tsiafoi1:

Toy ny vola sandoka ihany zavatra kely monja no tsy mampitovy azy amin'ny vola tena izy.

Raha amin'ny lafiny finoana, Inona no mety kokoa mamantatra ny mariky ny Tena izy ve za mamantatra ny sandoka ?

Vavolombelon'ny mpiasa ny bainga voavadika.Mandehana hoy ny Tompo mitoria ny filazan-tsara.Ataovy mpianatro ny olon-drehetra ary izay mino sy atao batisa no ho vonjena.Izay tsy mino kosa no hohelohina.Raha fantanao ny hinoana dia moramora kokoa anao ny manaraka ny didiny sy mihaino ny zavatra nampianarin'ny Tompo.Raha tsy mino azy kosa dia tsy hino izay ho tenenina azy no tsy ahazo izay lazaina aminy.
Anjaran'ny tsirairay no mahafantatra na miaraka amin'ny Kristy izy na milaza miaraka kanefa tsy miaraka.Izay fitsaran'ny olona azy ety ivelany(sandoka na tena izy)tsy hampiova ny volamena ho akoso-bolamena mihitsy na ny mifanohitra izany.
Mazotoa daholo amin'ny fanarahana ny didiny sy ny asan'ny Tompo. :D

12. pissoa ( 24/05/2007 20:06)
tsiafoi1:
Raha amin'ny lafiny finoana, Inona no mety kokoa mamantatra ny mariky ny Tena izy ve za mamantatra ny sandoka ?

Amiko dia tsy ny hamantatra izay sandoka sns mihitsy no tokony ho anton'asan'ny olombelona Kristianina ! Raha hendry ny Kristianina dia mino sy miasa araka izay mahaKristianina azy no handaniany ny androny fa tsy hitsaratsara olona foana hoe sandoka na tsia ! Ary raha tsy diso aho dia mitory an'i Jesoa + Evanjely sns ny mission an'ny Kristianina ! Fa tsy manao demineurs hoe "Click : tsy sandoka ... Click : tsy sandoka ... Click : Sandoka " :-D:-D:-D

Toa nasain'i Jesoa niambina isika fa ho avy ny sandoka ! Ny fiambenana tsara angamba dia ny mandalina ny finoan'ny tena hatrany, ary miezaka miaina izany. Raha handany andro hanondrotondro olona ho sandoka isika ... halalino lalina sao isika no tena sandoka amin'izany ?
13. sudou ( 24/05/2007 20:21)
aoka ho mailo
14. cutie ( 24/05/2007 22:38)
Mpandefa : sonwin [ Valio ] 24-05-2007 14:36:54
Lohateny : Re : Ahoana no hamantarana ny SANDOKA sy ny TENA IZY?
mamantatra ny sandoka sahala aminareo no mora indrindra
cool fotsiny e!

:-D:-D:-D:-D
15. tsiafoi1 ( 25/05/2007 06:55)
Amiko dia tsy ny hamantatra izay sandoka sns mihitsy no tokony ho anton\'asan\'ny olombelona Kristianina ! Raha hendry ny Kristianina dia mino sy miasa araka izay mahaKristianina azy no handaniany ny androny fa tsy hitsaratsara olona foana hoe sandoka na tsia ! Ary raha tsy diso aho dia mitory an\'i Jesoa + Evanjely sns ny mission an\'ny Kristianina ! Fa tsy manao demineurs hoe \"Click : tsy sandoka ... Click : tsy sandoka ... Click : Sandoka \"

Toa nasain\'i Jesoa niambina isika fa ho avy ny sandoka ! Ny fiambenana tsara angamba dia ny mandalina ny finoan\'ny tena hatrany, ary miezaka miaina izany. Raha handany andro hanondrotondro olona ho sandoka isika ... halalino lalina sao isika no tena sandoka amin\'izany ?


Bravo Pissoa!, tena miombon-kvt aminao tokoa za amin\'izay lafiny izay, ny mamantatra ny tena izy no tsara kokoa noho ny mamantatra ny sandoka sns.... Rehefa hay tsara le Tena izy mitsipika ho azy le Sandoka

Ary tsy fahendrena ny mitsara olona na antokom-pivavahana hoe iry sandoka, na iry tena izy, fa resaka finoana le izy fa tsy olona na antokom-pivavahana.

Aoka hotadidiana fa any amin\'ireny antokom-pivavahana samihafa rehetra ireny dia misy olona tso-po, mandeha araka ny finoany tsota sy izay nampianarina azy. Andriamanitra akory Tsy Mpitsara Tsy marina ka hanameloka fahatany, fa araka ny tenin\'ny Apostoly hoe fa \"Andriamanitra minia tsy mijery ny andron\'ny tsy fahalalana, fa ankehitriny kosa izy mandidy ny olona rehetra ho amin\'ny fibebahana\" Acte
16. lapino ( 25/05/2007 10:20)
Raha fantatra ny mariky ny sandoka, dia ho efa novain'ny mpisandoka ohatra an'izay. Dia mitady ny mariky ny sandoka vaovao indray, dia misy fisandohana vaovao mipoitra indray, sns ... dia mihodina fehizay eo.

Raha ny herin'ny tenanao fotsiny, hoe ny herin-tsaina sy haranitan-tsainao fotsiny, dia tsy afaka hialanao ny fandrika. Fa izay marika mety ho fantatrao aza no mety ho tena fandrika ho anao mampilatsaka anao anatin'ny fandrika mahafaty.

pissoa:
Fa tsy manao demineurs hoe "Click : tsy sandoka ... Click : tsy sandoka ... Click : Sandoka "
ny demineur kosa misy 1 mangamanga sy 2 maitsomaitso e
17. prime ( 25/05/2007 10:31)
\"ary ny anankiray ny manao fahagagana*, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin\'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra. [* Gr. hery]\" I Korintiana 12:10

Ny tenin\'Andriamanitra dia manazava tsara mihitsy fa misy olona manokana omena izany fanomezam-pahasoavana izany fa tsy hoe ny mpino rehetra akory dia afaka manana izany fahalalàna ny sandoka sy ny tsy sandoka sy ny fanahy miasa amin\'ny olona tsirairay avy izany...

Tena mitombina ny fanamarihan\'i pissoa, tsy dia mitondra inona loatra ny famantarana ny hoe iza no sandoka na tsia fa ny fitoriana ny fitiavan\'Andriamanitra no nanirahan\'i Kristy ny mpanompony fa tsy ny hitsaratsara ny hafa...

Raha ny lazain\'ny soratra masina dia manana anjara ny amin\'ny famonjena ao amin\'i Kristy avokoa ny olona rehetra ka tsy hoe mitsipika na voaavaka ny sandoka dia milamina ny sain\'ny mpino fa tena tokony ho \"mission principale\" mihitsy ao amin\'ny fitiavan\'i Kristy ny hamonjena ny olona rehetra araka izay azo atao, na fahavalo io, na sandoka io, na iza na iza...
18. ikaretsaka ( 25/05/2007 13:53)
misaotra an'i prime, zany ahay!
19. pissoa ( 25/05/2007 16:43)
Lapino:
ny demineur kosa misy 1 mangamanga sy 2 maitsomaitso e

Ka lava be raha hazavana iray manontolo :-P:-D:-D:-D
Lesona avy amin'ny fanamarihan'i Lapino : Ny tsy sandoka ony misy manga dia misy maitso ... Izany hoe tsy rehefa tsy mitovy amintsika akory dia sandoka izay. Tsisy hoe rehefa maitso isika dia izay tsy maitso rehetra dia sandoka ! Na hoe rehefa manga isika dia izay tsy manga dia sandoka :-D:-D:-D
20. xxx ( 26/05/2007 13:17)
tsiafoi1
Mpandefa : tsiafoi1 [ Valio ] 25-05-2007 08:55:27
Lohateny : Re : Ahoana no hamantarana ny SANDOKA sy ny TENA IZY?
Voalaza teo :
Amiko dia tsy ny hamantatra izay sandoka sns mihitsy no tokony ho anton'asan'ny olombelona Kristianina ! Raha hendry ny Kristianina dia mino sy miasa araka izay mahaKristianina azy no handaniany ny androny fa tsy hitsaratsara olona foana hoe sandoka na tsia ! Ary raha tsy diso aho dia mitory an'i Jesoa + Evanjely sns ny mission an'ny Kristianina ! Fa tsy manao demineurs hoe "Click : tsy sandoka ... Click : tsy sandoka ... Click : Sandoka "

Toa nasain'i Jesoa niambina isika fa ho avy ny sandoka ! Ny fiambenana tsara angamba dia ny mandalina ny finoan'ny tena hatrany, ary miezaka miaina izany. Raha handany andro hanondrotondro olona ho sandoka isika ... halalino lalina sao isika no tena sandoka amin'izany ?


Bravo Pissoa!, tena miombon-kvt aminao tokoa za amin'izay lafiny izay, ny mamantatra ny tena izy no tsara kokoa noho ny mamantatra ny sandoka sns.... Rehefa hay tsara le Tena izy mitsipika ho azy le Sandoka

Ny fahitako azy dia tsy miombon-kevitra velively amin'i Pissoa izany ianao eto. I pissoa dia tsy nilaza mihitsy hoe hamatatra ny sadoka sy ny tsy sandoka satria efa mahalala fa marina ilay Jesoa arahiny.
Ianao anefa dia mbola mamerina fa ny mamatatra ny tena izy no tsara kokoa. Ny anao mbola fantarina, ny an'i Pissoa efa fantany. Ianao dia mbola te hilaza hoe izao no tena izy. Na koa hoe ny ahy no marina sns... Mbola misy fisalasalana ao. Ny an'i pissoa efa fiainana izay inoany no ataony. Tsy misy kabary fa fanantaterahana izay takian'ny finoana.

Farany:

Ary tsy fahendrena ny mitsara olona na antokom-pivavahana hoe iry sandoka, na iry tena izy, fa resaka finoana le izy fa tsy olona na antokom-pivavahana

Dia mandehana àry araka izay fa aza manontany lava hoe: inona no marika hahalalana izao sy izao e.. Avy eo de lazaina fa diso rehefa tsy izao...

Ahitsio ny famindra araka io lazainao io.

Misaotra an'i Pissoa koa

Ho amintsika hatrany anie ny fahasoavan'Andriamanitra. Amen
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1285