Antony mahatonga ny vhvy miasa ora feno ankehitriny?

1. niryna ( 19/05/2007 04:48)
Inona no antony mahatonga ny vehivavy miasa feno ankehitriny raha oharina ny taloha?:D:D
répondu par niryna le 22/05/2007 06:34
2. sipagasy ( 19/05/2007 07:07)
mila fahaleovan-tena tanteraka tsy miankina @ lehilahy, izay ny amiko aloha e! ;-)
3. kally ( 19/05/2007 07:55)
Oharina amin'ny taloha oviana izany ry Niryna? Ny fahitako azy ohatra ry bebenay izao mifoha amin'ny 4 sy sasany maraina miainga mankany an-tsaha ka tsy efa asa be noho ny amin'izao aza ve izany?
4. sipagasy ( 19/05/2007 07:59)
marina mihintsy izany ry kally fa ny taloha aza ny vehivavy miasa bebe kokoa nohon'ny lehilahy. Midina maraina any an-tsaha, mitoto vary , mikarakara tokan-traano, ny ankizy tsy hadino koa fa madio sy mianatra voaoara maso, ka inona ilay asa tian'i nyrina lazaina eto???
5. xxx ( 19/05/2007 19:43)
Izao aza sady miasa any ivelany no miasa koa ato an-trano. Noho izany raha 35h any ivelany dia 35h ato an-trano.Efa ho 70h izany no tsy maintsy hatao!
6. Ragadona ( 19/05/2007 20:16)
efa mihafoana ny asan ny vhv ao an trano am zao satria efa machines self service ny ankamaroan ny fitaovana, ny fitaizana tsy toy ny taloha intsony fa zara raha misy contact amin ny hoditry ny reniny niteraka azy ny zaza ankehitriny, noho izany le hoe fitantarana ny havesatry ny asa ataon ny vhv ao an trano amiko efa tsy mitombina intsony fa efa zavatra madinidinika ataon ny tsirairay no ao. Raha ny taloha dia marina le asaben ny vhv
7. sipagasy ( 20/05/2007 16:57)
mmhh izany ve ry ragadona??? ngaha tsy asa be ny mampiditra sy manala ny vilia anaty machine sy ny mampiditra sy malana ny lamba anaty lave linge sy ny sèche linge?? na misy aza ny aspirateur nga iny mandeha ho azy koa hihihi, inona koa, marina fa mihena ny fotoana kikarakarana sakafo, fa mba maro ve ny lehilahy manao asa sady ivelany no mbola manao ireo keeeely notanisaino eo ambony ireo??, mety ho 35h ivelany fa mihoatra koa ny an'ny vehivavy ao an-trano e!;-)
8. kally ( 20/05/2007 17:39)
Ragadona:

efa mihafoana ny asan ny vhv ao an trano am zao satria efa machines self service ny ankamaroan ny fitaovana, ny fitaizana tsy toy ny taloha intsony fa zara raha misy contact amin ny hoditry ny reniny niteraka azy ny zaza ankehitriny, noho izany le hoe fitantarana ny havesatry ny asa ataon ny vhv ao an trano amiko efa tsy mitombina intsony fa efa zavatra madinidinika ataon ny tsirairay no ao. Raha ny taloha dia marina le asaben ny vhv

Vitsy ihany ireo vehivavy lazain-dRagadona ireo raha ny vehivavy eran-tany no resahina, raha vehivavy gasy koa moa dia vao mainka koa ny ankavitsiany..sa ny tandrefana irery no vehivavy?:roll:
9. niryna ( 20/05/2007 21:13)
sipagasy:

mila fahaleovan-tena tanteraka tsy miankina @ lehilahy, izay ny amiko aloha e! ;-)

Dia ahoana? :roll:

10. niryna ( 20/05/2007 21:19)
kally:

Oharina amin'ny taloha oviana izany ry Niryna? Ny fahitako azy ohatra ry bebenay izao mifoha amin'ny 4 sy sasany maraina miainga mankany an-tsaha ka tsy efa asa be noho ny amin'izao aza ve izany?

Marina tanteraka izany,ary tena asa be mihitsy.Sady tena elavelona sy tomady ary tratra antitra mihitsy ny olona miasa tsy mitsahatra.Ny fiainana ankehitriny no teneniko satria taloha ny vhvvy tsy niasa mivoaka maraina dia mody hariva.Taloha mantsy ny vhvvy tsy miasa.

11. niryna ( 20/05/2007 21:22)
xxx:

Izao aza sady miasa any ivelany no miasa koa ato an-trano. Noho izany raha 35h any ivelany dia 35h ato an-trano.Efa ho 70h izany no tsy maintsy hatao!

Dia tena midera anao aho amin'izany ry xxx a.:*


12. niryna ( 20/05/2007 21:27)
Ragadona:

efa mihafoana ny asan ny vhv ao an trano am zao satria efa machines self service ny ankamaroan ny fitaovana, ny fitaizana tsy toy ny taloha intsony fa zara raha misy contact amin ny hoditry ny reniny niteraka azy ny zaza ankehitriny, noho izany le hoe fitantarana ny havesatry ny asa ataon ny vhv ao an trano amiko efa tsy mitombina intsony fa efa zavatra madinidinika ataon ny tsirairay no ao. Raha ny taloha dia marina le asaben ny vhv

Miombon-kevitra aminao koa aho,ny tena mampalahelo aza dia misy reny tsy mety mampinono ny zanany fa matahotra hiroraka hono ny nonony:roll:miala-tsiny aloha fa marina io a,dia afangarony amin'ny ronono hafa.Misy kosa aloha tsy afaka mampinono izy noho ny asa aman-draharaha sy ny tsy fahampian'ny nono.Ireo rehetra ireo tokoa aloha dia tsy hampitovy ny fitiavana nisy eo amin'ny reny mampinono e.Mbola manaraka ny arabe ihany kosa aloha ny asa ao an-trano e:o

13. niryna ( 20/05/2007 21:29)
sipagasy:

mmhh izany ve ry ragadona??? ngaha tsy asa be ny mampiditra sy manala ny vilia anaty machine sy ny mampiditra sy malana ny lamba anaty lave linge sy ny sèche linge?? na misy aza ny aspirateur nga iny mandeha ho azy koa hihihi, inona koa, marina fa mihena ny fotoana kikarakarana sakafo, fa mba maro ve ny lehilahy manao asa sady ivelany no mbola manao ireo keeeely notanisaino eo ambony ireo??, mety ho 35h ivelany fa mihoatra koa ny an'ny vehivavy ao an-trano e!;-)

Ankoatran'izany koa aza mbola mizara maro ny sain'ny vehivavy?vonjena etsy ,enjehina ny aroa,izaho aloha dia efa mihezaka ny tsy mamonon-tena izany intsony,izay vita eo dia hifaliana sy miara-miasa ,miaraka mifanampy dia vao maika tsara.:*

14. niryna ( 20/05/2007 21:31)
sipagasy:

mmhh izany ve ry ragadona??? ngaha tsy asa be ny mampiditra sy manala ny vilia anaty machine sy ny mampiditra sy malana ny lamba anaty lave linge sy ny sèche linge?? na misy aza ny aspirateur nga iny mandeha ho azy koa hihihi, inona koa, marina fa mihena ny fotoana kikarakarana sakafo, fa mba maro ve ny lehilahy manao asa sady ivelany no mbola manao ireo keeeely notanisaino eo ambony ireo??, mety ho 35h ivelany fa mihoatra koa ny an'ny vehivavy ao an-trano e!;-)

Tena mbola lavitra ezaka io raha any amintsika,ary olona vitsy no mety hanana izany fiainana lux...izany.8-)

15. niryna ( 20/05/2007 21:36)
Noho ny fiainana mafy ve hoy ianareo dia mety ho antony? Ary vokatry ny tsy safidiny?Voatery satria lasa nananontena tampoka?Mety misy kamo ny hipetraka an-trano,mety mahafinaritra azy ny hivoaka isan'andro fa leon'ny trano ao foana?Ny voina nanjo tampoka?Ny tsy fetezan'ny tokan-trano ka nandao ity mpamelona?Ireo ve mety ho antony mahatonga ny vhvy miasa ora feno ankehitriny hoy ianareo sa .. inona koa?:roll:
16. sakaizakely ( 20/05/2007 21:54)
ny miasa ivelan'ny trano hay ve izany no tian'i niryna lazaina ?

finiavana hananana ny fahaleovantenany aloha angamba no ataoko fa antony voalohany indrindra, mba tsy hiankinana loatra @ le lhl, no sady fanampiana ny vola miditra ao antrano koa. Fiarovana mialoha am'zay voina mety hanjo koa izany (fisarahana, fahafatesana, aretina sns... mety hahazo ilay lhl ohatra)

Misy koa ireo vhv tsy tia mipetraka antrano, indrindra fa ireo nandranto fianarana ambony be, fa heveriny fa fahambaniana izany, na mihevitra ny tenany fa tsy misy dikany sy tsy misy ilàna azy eo @ fiaraha-monina izy raha ny fiheverany, satria aminy dia ny fampidirambola ao antokantrano no maha-olona azy.

17. sipagasy ( 21/05/2007 11:38)
niryna:

sipagasy:

mila fahaleovan-tena tanteraka tsy miankina @ lehilahy, izay ny amiko aloha e! ;-)

Dia ahoana? :roll:





mmhh tsy azon'i niryna ngamba ny tiako lazaina, Izaho manokana hoy aho dia tsy mbola niantehatra ary tsy hiantehatra na oviana na oviana @ lehilahy izanye! miasa aho ary ampy mihoatra ahy aza ny karama azoko @ hatsembohako e! ka io ilay lazaiko hoe mila fahaleovan-tena=antony mahatonga ny vehivavy miasa; izay mamaly ny fanontaniana napetrakao e!
18. niryna ( 22/05/2007 06:34)
sipagasy >misaotra fa izay vao azoko.:D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2069