manota fady

1. diamondra27 ( 17/05/2007 15:46)
lasa indray ny eritreritro hoe: misy fomba gasy ireny any amintsika de hoe: nanota fady le olona.

Nareo ve mahalala hoe: inona daholo ny zavatra mahafady any dago, de aiza aby ny faritra misy azy?Dia inona ny vahaolana raha tsy nahalala fa vahiny.

Any @ faritra Anjeva Manjakandriana iny izao dia tsy azo itondràna kisoa ny tany any hono, tsy haiko ny antony, tsy haiko na efa nisy voadona fa tsy haiko ihany koa ny vahaolana

Any @ faritry Toamasina indray, any @ renirano pangalana, tsy azo hihinana kisoa ihany koa hono fa mampivadika lakana... na lotoana @ rà fadimbolana ny rano. Solution moa zany mazava ho azy fa tsy azo hanaovana maloto izany le renirano e!

de zay no mba tiako fantatra raha misy manana hevitra sy efa nahare ianareo.


Misaotra mialoha...

Tsy dia mila commentaire hoe: finoanoampoana izany sns fa raha tsy mino dia mba hajao fotsiny ny hevin'ny hafa. Za zao tsy mino an'izany fa ny lojika-ko de we rehefa mandeha antananin'olona de tokony manaja ny mponina any aminy, na fihetsika io na inona (culture).
Sao dia lasa mi-itatra indray ny dinika dia lasa HS manko.
répondu par miraymel le 26/11/2007 08:09
2. Fiffi ( 17/05/2007 16:52)
zah aloha sady tsy mino no tsy mbola nahita de tsy manana ho lazaina...fa de miandry anareo zany ....
3. sympa ( 17/05/2007 19:23)
Ny aty zao de misy tany tsy mety andehanany merina hono ary izao tsary nanandrana andehany fa sao voa eo vao manenina kle :!: 8-) Sady be tanàna fady kisoa koa aty ka masosotra indray² raha te hihinana ilay be sofina enao kle :!: :°):°)
4. tywa68 ( 17/05/2007 19:44)
zahay aloha kanosa dia mihaino ny tenin"olona e :-D
5. soanja ( 18/05/2007 06:03)
Ny FADY dia misy sokajiny isan-karazany:

-Eo amin'ny samy mpiray firenena, zany hoe ny foko samy foko misy fady manoloana izany.
Ohatra raisiko
-Fady ny izao foko izao ny manambady izao foko izao.
-Fady an'izao foko izao ny manitsaka ny tany MASINAn'ity foko ity.

-Eo amin'ny samy mpiaraha-monina indray de hoe:
Ny fifanarahana tany aloha izay nanapahan'ny mpiray foko hoe:
Fady alika ny razantsika: zany hoe tsy miompy na mikasika alika mihitsy.
Fady kisoa, amalona, voanjobory, tongologasy sns ny razantsika ....
Fady manokatra poketra na manao varotra amin'ny andro talata sns
Fady ny manamboatra fasana amin'ity tonontaona ity sns
Fady ny mitabataba raha mahita zavatra eny ambony lakana.
Fady kisoa ny faritra Ambohimanambola ohatra.

-Eo ny fady eo amin'ny samy mpianakavy:
Fady mifanambady ny mpianadahy
Fady mifanambady ny mpianaka, ny zanaky ny mpirahavavy sns
Fady ny manitsaka fandambanana
Fady ny mamelatra elo an-trano
Fady ny izao sy izao fa mahafaty renibe sns..

-Eo indray ny fady amin'ny vatatena mihitsy ka ny tompom-batana no misy fetra. Matetika dia teo ampiterahana azy ny mpisikidy no mahita azy. Fa ny aretina matetim-pitranga no mety mametra ny fady amin'ny olona iray. Ohatra:
Fady sokola ny tenako.
Fady menaka ny laokako sns..

Dia miankina amin'izany ny mahasarotra ny fady na tsia ka arakaraky ny antanan-tohatra no mahasarotra azy. Ny voalohany midina hatrany...

Miovaova isaky ny toerana sy ny foko ny fanalana manota fady. Fa matetika raha ny Malagasy amin'izao fotoana izao vita maimaika dia vono omby dia vita fa miankina amin'ny isan'ny omby fotsiny.

Raha tena liana i Diams dia afaka omeko tsirairay ny fanala ota fady raha tena hiditra amin'ny resaka vintana sy sikidy ary fangatahana amin'ny razana ny famelan-keloka.


6. diamondra27 ( 18/05/2007 06:51)
sympa: aty aiza aloha izany lazainao izany e?

tywa: ka zay indrindra le hanaovana ilay dinika satria tsy mitovy daholo ny fady na dia samy any dago aza
7. diamondra27 ( 18/05/2007 06:59)
soanja: ye tena mahaliana ahy io ka!

tena mazava mihintsy ny fanazavanao azy fa hitako hoe: tena mbola azo velabelarina tsirairay ireo lazainao ireo.

Ilay fady miteniteny eny ambony lakana io no efa reko, fa hoe: manjary mivadika anaty rano moa le olona niteny sa misy manjo azy sa inona tsy tadidiko intsony. De asa na taiza le faritra misy azy.

Raha toa ka azo atao akia ry soanja dia lazao antsipiriany a! we any ananona de zao ny zavatra tsy azo atao ao sns sns, de inona ny antony , fa misy koa ange le honohono fotsinyde tsy hay le izy na tena marina na tsia e!

Asa na efa renareo , tsy tadidiko ilay anara-tanàna fa misy izany hoe: toerana tsy azo itondràna sira izany, de le mponina ao koa tsy misy mihinan-tsira na ny iray aza , ao @ faritra tanà no misy azy.Ze mahalala de mba lazao izahay.

De ny zavatra toa izany no mba mahaliana ahy izao.
8. diamondra27 ( 18/05/2007 07:04)
le fahalalako ny hoe: tsy manokatra elo an-trano aloha de tsy de izay loatra le izy satria zany hoe: le RAD taloha zany nahita fa tsy tokony velarina ao anaty trano ny elo satria mampisy accident, mety handratra maso le lohany iny sns... de mody natao we interdit

de toy izany koa ny hoe: aza mametraka satroka eo ambony fandriana fa maha be trosa...
Raha ny fahalalako azy de tsy misy ifandraisany @ trosa le satroka fa zany we sao de mety voapetraka de maty hasina de we aza atao eny ambony fandriana...

De misy anakiray koa:aza mametraka tongotra @ rindrina fa mahafaty RAD sa mampaninona izy teo, t@ za mbola kely no nolazaina izany
Rehefa lehibe za de tonga saina we : tsy misy an'izany fa tsy tiana haloto ny rindrina de foronina daholo izao zavatra rehetra izao.


ETC ETC...

anareo indray


fa le tena fady @ tanàna iray no tena mahaliana hy fa tsy le fadifady madinika akory
Asa na azonareo ny tiako lazaina?
Merci :-*:-*
9. nathie86 ( 18/05/2007 08:47)
Miarahaba anareo reetra eto zay zà mantsy vao mba niditra tato ka d rariny ngamba ra ny Arahaba no voalohanteny.

Ozizy i Diams hoe in no vahaolana: Tsy manao ftsny ka oh hoe tsy azo aleha d tsy makany tsy azo inanana kisoa d tsy miinana. Misy reny tena marina fa misy kosa ny atao ho fampitahorana ny olona ftsny.

Ny nahatonga ny fady ngamba dia nohon'ny finoan'ny olona fahagola tany d nolovaina ankehitriny.

Za aloha mbola tsy naita olona nahasahy nandika ireny fady ireny eh fa mety tena misy reny ka na ilay fahatahoranao ftsny ary zao d efa mahatonga anao harary d avy eo ozizy ny ol hoe zay ary le efa noteneniko.

Refa tena ampy finoana aloha enao mety tsy andaitra izy eeeee
10. sakaizakely ( 18/05/2007 09:24)
ny ranomasin'i Manakara nolazain'ny olona hoe fady kisoa, de tsy mamontsy morondrano izahay rehefa kisoa ny laoka. Nanaovako fanahy iniana indray mandeha, nosorako menaka kisoa iny mihintsy ny tanako fa tena nisamboaravoarabe ny onja nefa ny andro tsarabe. De nisy onja avobe izay fa tena naika lasany. Nisy olona nisintona aho soa ihany, fa lasa hoatra fascinée sa hypnotisée t@ lay zavatra tsy tafala irery teo.

De tsy haiko na tena marina io na kisendrasendra fa tsy sahy namerina intsony aho rehefa avy eo knou
:lol:

De nalaza koa hoe fady volamena, fa t@ zany tsy nanana volamena de tsy afaka nanao eksperiansa :-D
11. diamondra27 ( 18/05/2007 21:20)
sakaizakely: ahan! tena sahisahy kosa ndry an!

tena mana-tantara be de be ny any amintsika any e!
aleo hiandry an'i soanja indray izany aloha sy ny namana hafa.

Ary any faritr'i Diego tsy mba nahenoko zavatra tahaka izao mihintsy

12. sakaizakely ( 18/05/2007 21:37)
diamondra

tsy sahisahy fa be mokondoha mbola tsy nisaina manaonao fahatany
de na hatramin'izao aza moa tsy misy fiovana :lol::lol::lol:
13. Zina ( 18/05/2007 22:13)
ary ahona ilay oe tsy mahazo misatroka ao an-trano fa maha-sola?
14. diamondra27 ( 19/05/2007 06:27)
zina: iny ndray ve tsy we: mahasosotra le mahita olona misatroka an-trano, sady toa tsy fahalala-mpomba de mody atao an'izany

ao an-trano tsy misy masoandro de inona no antony hanaovana satroka?

zay aloha le izy amiko fa tsy haiko ny tena antony an!
15. sipagasy ( 19/05/2007 07:33)
mahaliana ihany kann, tsy aleo ve soanja alefanao eto ilay izy dia mba iarahana mahita :D
16. diamondra27 ( 19/05/2007 11:50)
soanja kosa aloha mahalala zavatra betsaka an!
iarahantsika miandry eto foana izy fa mbola mi-taper sy manana occupation hafa izy zao siora aho .
Toy ny rehetra ihany: tokatrano, asa,adidy etc...
:-*:-*
17. soanja ( 20/05/2007 06:33)
Milaa tsiny aky fa izay njay vao tafanoratra eto indray noho ny atony samihafa. Tena satriko ny hanoratra ny rehetra eto fa tsy vita indray mandeha angambany. Zah koa aloha tsy mahalala ny rehetra e. Aloe alaintsika mora le izy an.

Tantaraiko zavatra zany ianareo.
Ny foko Antaisaka (vainganindrano sns midina iny an, saingy le izy miova refa miova toerana ohatra Manambondro dia milaza ry zareo fa tsy Antaisaka intsony fa Antaimanambonjo) izany dia fady alika tokoa.
Nony maty zany ny papako dia nisy fandraisana vahiny goavana teo fa miditra par societe na hoe fianakaviana sns de niditra ry zareo mba hitsapa alahelo. Ry zareo fady alika. Anay anefa dia manana izay alika chien de Tulear izay, sady alikan'i papanay. io dia manerana refa tamin'ny andron'ny fiandrasam-paty sns stria io no mba fanalany ny alahelony ilay mitakisikisina eo koa. Nony hiditra ireto antoko ireto dia nenjehina le alika hoe hotazomina dia hoe refa lasa ilay andian'olona dia avela hirenireny ao an-trano indray. Izay mikasika azy tamin'io fotoana io anefa dia kakeriny satria izy koa mahatsapa fa lasa ilay olon-tiany ka under stress koa le alika.
De nony namnagy ireto olona ireto dia nitetezin'ilay alika aby ny tongotr'ireto mpamangy de sahirana be ry zareo nefa ry zareo fady tanteraka azy.
Ny solution amin'io izany dia refa mamaly famanginana ianao dia mila miala tsiny sy miala fondro. Mametraka amin'ilay olona amin'ny toerana misy azy sy milaza fa nanota fady ny trano nandray. Dia azo atao ny manontany hoe inona no tianareo atao ho fanalana fady na fomba avy any aminy amin'izay. Dia ry zareo no mandinika hoe ity ny mety aminay. Tamin'iny fotoana iny moa dia ny fialan-tsiny dia efa ampy amin'izany fa raha toa kosa tany aminy de mety efa omby iray izay.
De toy izany hatrany. Amin'ny manaraka indray ny hafa.
Raha jerena izany dia hoe:
1- Fantaro ilay foko sy ny finoany na ny fadiny.
2- Tsy nampoizinao fa nanota fady ianao ary tsy kinianana na niniana dia mila miala tsiny imasom-bahoaka sady mnagataka famelana na fanalana ota fady.
3- Ezaka ny hanaja izany any aoriana raha tsy te hotratra ny famonoana omby matetika.
4- Fanomezana hasina ilay toerana sy ny oln-dehibe eo an-toerana na dia TSY MINO aza ianao.
Matetika mantsy dia mbola misy Mpanjaka ireny toerana ireny na Tangalamena, Mpitaiza sns mila fantarina ireny hoe iza ary ahoana ny fomba fanajana.
Ok. an'ny hafa indray. Ny any Diego dia be fady fa dia miova isaka ny tanana ka tsy ho vitako resaka eto mihitsy fa izay hoe refa manohy aho dia milaza izay haiko an. Bizz nareo. :-*:-*:-*:-*
18. xxx ( 20/05/2007 21:54)
inn daholo ary ity?:°)
19. diamondra27 ( 21/05/2007 00:28)
soanja: misaotra e!^:^^:^

de ahoana rehefa tsy manana omby atao honitra?

20. soanja ( 21/05/2007 10:32)
Diams>:-*:-*:-* hatrany hatrany an!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2315