manota fady

21. booboo ( 21/05/2007 13:32)
-Ny fady natao fefy na aro-fanin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona. Raha manota fady dia mahazo tsiny/tody.
Ohatra : fady ny mitsipa-doha refa midasika, satria zava-masina @ malagasy ny loha = ambony/hasina sns.
Misy olona fady dikaina tsotra izao hasina
Fianakaviana fady biby saria navotana biby ny razambe-dreo taloha
Fianakaviana fady rà
sns.

-Raha sendra nanota fady dia mety ho afaky ny fomba² ny raha natao na afaky ny teny aloakan'ny vava.
Ohatra : manao sorona, miteny "miala tsiny" sns.

-"Azafady" indray no tenenina mialoha, tsy ahazoan-tsiny, raha sendra hanao raha/hiteny raha nefa tsy fantatra na fady ny olona/fiaraha-monina hanaovana ilay izy. Tsy fahalalam-pomba tsotra fotsiny no fonosin'io teny kely io fa ny fahendrena sy ny fomba fisainan'ny malagasy.
Ohatra : rehefa maniraka olona dia asiana "azafady" afaran'ilay iraka satria tsy hay raha fady irahina izy na tsia...

22. bidagda ( 21/05/2007 14:41)
ary ny hoe mitsipaka masoandro rehefa matory fady
23. ikaretsaka ( 21/05/2007 20:11)
ny ahy ny Kalo no tiako ny nanota fady azy rehefa nanhala-paiso taloha...
mivalandrano eo @ fotokazo!
24. sympa ( 24/05/2007 13:50)
bidagda ---> izay le oe "lever du mauvais pied"

diam's ----> avy avaratra zao ;-)
25. ikaretsaka ( 24/05/2007 19:03)
Ny ahy tany @ Bara faritr'Isalo iny no hitako! ankoatran'ny anay any Vakinankaratra izay maro tokoa tsy holazaiko eto intsony.

Ry zareo rehefa maty dia tsy azo jerena ny Razana rehefa mamangy fa hoe efa lasa any @ fianana hafa hoe ilay maty! dia atao ao ambadiky ny rideau ao !
Namana sy olom-patatra ilay olona dia sady hoe mpivavaka koa dia ni insiste aho ny hijery azy... fa voan'ny takodi mena be ny masoko avy eo! fa sitrana ihany!

Dia ilay hoe manala kiraro rehefa miditra ao @ ilay trano, ilay trano anefa somary teritery nony nanaovanay be midina moa ny ahy bottes no nanaovako dia kamo aho ny nanala , ary mody nipetraka teo ambaravarana teo fotsiny..
dia ny nahagaga avy eo izy rehetra nanala kiraro tsy voan'ny parasy lafirika fa izaho irery no nisy! dia avy teo koa nokakerin'ny maingoka!

Tandremo ihany!
26. miraymel ( 26/11/2007 08:09)
izany rehetra moa ry reto na hinona na tsia, aza mba rangitina na handramana, za tsy t hahita vaovao amin'ny gazety indray hoe nisy loha nivadika na lasa ngeza b, na koa hoe niraikitra tary ndray hono ranona, hihi :lol:, aleo ihany mipetrapetraka tsara

fa izao oa, ireny ve tsy devoly be manadala ny olombelona daholo e
mazotoa daholo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.2268