Tratry ny fetin'ny reny!Maheno ve ny maty?

1. niryna ( 15/05/2007 07:52)
Fetin'ny reny (amerikana) omaly 13 Mai ary dia nankalaza izany daholo ny olona maro.Ny fiangonana dia feno ary nizara zavatra kely ho fahatsiarovana sy ho fankasitrahana ireo reny rehetra,ny fisakafoana koa toy izany.Ny teny amin'ny fasana no asiako teny eto.Nisy nametra fanontaniana ahy ity ka dia omeko ho valianareo.
Feno olona hoy izy ny fasana,misy ny manondraka voninkazo ,misy ny manatitra voninkazo ary toa tany am-pasana daholo ny olona.Ny zokin'ity mpanontany ahy ity dia niaraka taminy namangy ny reniny sy ny rainy izay samy efa maty.Noentina ny sarin'ity zafikeliny(zanaky ny zanany lahy hono)ary dia natohony teo amin'ny vato sady nivavaka ilay ramatoa no nampiseho ilay sarin-jaza.Niresaka tamin'ny rar-nay efa maty ela teo izy hoy ilay olona ary dia noteneniny hoe ity ny sarin'ny zafikeliko,roa taona izy izao,...no anarany.
Ny fanontaniana dia hoe mandeha any am-pasana izany ny olona izay niarahaba ny reniny efa maty ary miresaka aminy.Moa ve maheno ilay maty?Moa ve miteny ilay maty ?Ary moa ve mbola ao am-pasana ilay reny izay maty ?
(l)niryna
répondu par ikaretsaka le 18/05/2007 21:16
2. rush ( 15/05/2007 08:12)
niryna nga efa nanontany olona maty?d mbo namaly ve izy?
3. nathie86 ( 15/05/2007 08:22)
Fa aôna mo ny maty no aheno, atreto aloha dia tsy mbola nahita maty niteny za eh.
Ny anton'ny hoe aneteran'ny olona zvt eny dia mahatsiaro ny maty ny velona fa tsy ny maty no niantso azy. Ny azoko lazaina ko d hoe ny vatana hono no maty fa ny fanahy mbola mirenireny eny ka mety hoe maeno zany ny fanahiny. Ngamba
4. hery ( 15/05/2007 09:04)
Matetika rehefa misy sujet toa izao dia ny maty foana no resahina. Ny momba ny maty no anontaniana. Fa isika ve anefa tena mieritreritra hoe ho an'ny maty tokoa ny zavatra tahaka ireny? Raiso tahaka ny fanehoam-pitiavana ilay izy... ary matetika ny fanehoam-pitiavana tena fitiavana dia tsy mila valiny. Raha mandeha eny amin'ny fasana ny olona dia matetika tsy mivaky loha amin'izay hoe maheno sy hamaly ve izy... fa ny zava-dehibe aminy dia hoe izao no mba vitako hanehoako ny fitiavana azy (hameno izay efa natao teo aloha). Ary ny fitiavana maimaim-poana toa izany dia miverina sy manome fahafaham-po (mi-satisfaire) an'ilay mpanolotra aloha voalohany indrindra.

Ny olona velona (ilay miresaka amin'ny maty) matetika no tena MILA miresaka amin'ny havany nody mandry fa tsy ny maty mihitsy. Ho an'ny velona izany no anton'ireny fanateram-boninkazo ireny. Hanafaka alahelo, hanamaivana ny elanelana eo amin'ny maty sy ny velona.
5. simplex ( 15/05/2007 09:04)

Le fanahy alou mety hoe finoana doly ny base-ny e. Misy mino hoe mirenireny, misy mino hoe lasa any an-danitra/afobe, ary misy kou ny mino fa tsy misy izany fanahy izany...

Ny mikasika ny dinik'i nyrina, nde hatao hoe tsy voa-formuler tsara le fanotaniana. Samy mahalala ngamba isika fa tsy haheno in in ny maty. Ny tiana hambara d hoe, in ny antony hanaovan'ny ol toy izany? Finoana ve fa, d'une certaine facon, mety mbola mandre na mahita ihany ireo lasan-korazana @ ireo havana/fianakaviana mbola ety antany?
Sao kosa hoe manana besoin hi-communiquer @ ireo "beloved" ireo fotsiny ilay ety an-tany, d izay no fomba naha-satisfait azy. Zany hoe izay no manome fitoniam-panahy ho azy...
6. nathie86 ( 15/05/2007 09:10)
simpex -> mety hoe mahatsiaro azy ny ol miaraka niaian t@ d noho izay fotsny fa tsy manantena na in na in izy fa fitiavany ilay ol no anavany izany.
7. simplex ( 15/05/2007 09:14)

nathie,
ie tsy vitan'ny hoe nahatsiaro izy fa tena nila niresaka kely mintsy ni-presenter ny zafikely sns ;-)
8. xxx ( 15/05/2007 10:13)
o Ranyrina: ny zavatra nolazain'i Hery aloha dia marina. Io no antony voalohany.
Ny manaraka an'io indray dia izao: misy finoana lehibe ao dia ny hoe: ny fanahy tsy mba maty.
Fahatelo: mba valio kely azafady ireto fanontaniana ireto: inona no nataon'i Jesosy tany amin'ny toeran'ny maty? Moa ve tsy efa maty i Lazara no nantsoin'i Jesoa tao am-pasana? Ilay zazavavy kely natsangany ho velona nantsoiny koa ve tsy efa maty? ..... Ka raha tsy maheno ireo tsy namaly an'i Jesosy velively. Vekio ny Baiboly dia iaino, dia mitoky teny fatratra ho manana ny marina hatrany!
9. sonwin ( 15/05/2007 10:36)
io ilay xxx mahay :D, iza ary io? :roll:

"Tsy maty ny Aina fa miofo".
10. nathie86 ( 15/05/2007 14:30)
xxx-> tsy nisy zava maagaga izay tsy vitany Kristy ane eh, ny tsy poince reetra efa nataony @ko Jesosy iany no maavita an'io fa ra isika tsy afaka ny iresaka @ maty ary tsy aeno antsika velively miintsy izy ireo.
11. Rainikarabo ( 15/05/2007 15:24)
niryna:

Ny fanontaniana dia hoe mandeha any am-pasana izany ny olona izay niarahaba ny reniny efa maty ary miresaka aminy.Moa ve maheno ilay maty?Moa ve miteny ilay maty ?Ary moa ve mbola ao am-pasana ilay reny izay maty ?
(l)niryna

Maheno ny maty, tsy miteny izy fa afaka mampita hafatra amin'ny fomba maro samihafa. Afaka miteny mivantana koa anefa izy amin'ny alalan'ny tromba raha toa ka avo fiasinana ;-). Io no atao hoe "X factor". 8)

12. niryna ( 15/05/2007 17:58)
hery:

Matetika rehefa misy sujet toa izao dia ny maty foana no resahina. Ny momba ny maty no anontaniana. Fa isika ve anefa tena mieritreritra hoe ho an'ny maty tokoa ny zavatra tahaka ireny? Raiso tahaka ny fanehoam-pitiavana ilay izy... ary matetika ny fanehoam-pitiavana tena fitiavana dia tsy mila valiny. Raha mandeha eny amin'ny fasana ny olona dia matetika tsy mivaky loha amin'izay hoe maheno sy hamaly ve izy... fa ny zava-dehibe aminy dia hoe izao no mba vitako hanehoako ny fitiavana azy (hameno izay efa natao teo aloha). Ary ny fitiavana maimaim-poana toa izany dia miverina sy manome fahafaham-po (mi-satisfaire) an'ilay mpanolotra aloha voalohany indrindra.
Hery a,ka ilay zokiny hono ery lavitra akaikin'ny vato miresaka dia miresaka irery kou?:roll:Tsy misy velona anie eo akaikiny e,io ry dada sy mama ny sarin'ny zafikeliko, hoy ilay ramatoa:P
Ny olona velona (ilay miresaka amin'ny maty) matetika no tena MILA miresaka amin'ny havany nody mandry fa tsy ny maty mihitsy. Ho an'ny velona izany no anton'ireny fanateram-boninkazo ireny. Hanafaka alahelo, hanamaivana ny elanelana eo amin'ny maty sy ny velona.

13. niryna ( 15/05/2007 17:59)
rush:

niryna nga efa nanontany olona maty?d mbo namaly ve izy?

Ka izany indrindra no anontaniako anareo kou8O

14. niryna ( 15/05/2007 18:01)
nathie86:

Fa aôna mo ny maty no aheno, atreto aloha dia tsy mbola nahita maty niteny za eh.
Ny anton'ny hoe aneteran'ny olona zvt eny dia mahatsiaro ny maty ny velona fa tsy ny maty no niantso azy. Ny azoko lazaina ko d hoe ny vatana hono no maty fa ny fanahy mbola mirenireny eny ka mety hoe maeno zany ny fanahiny. Ngamba

Izany koa no eritreretiko azy ry nath

15. niryna ( 15/05/2007 18:03)
Fa misy miresaka amin'ny razana ka,misy miresaka amin'ny devoly koa.Ireny olona milaza hoe izao no tenenin'ny razana.Hono no efa henoko niteny izany fa mbola tsy nahita aho.Herin'ny maizina?Tena misy ary ho lazaiko anareo fa hijoro vavolombelona aho ny amin'ny hoe miady ny herin'ny ratsy.
16. xxx ( 15/05/2007 23:38)

Toa mahavarina izato fomba ilazanao azy: tsy nahita aho nefa rehefa avy eo dia hijoro vavolombelona indray. Mba asio lojika kely aloha ilay resaka fa ohatra ny hafahafa be ihany koa!:-D:-D:-D
17. niryna ( 16/05/2007 06:10)
Rainikarabo:

niryna:

Ny fanontaniana dia hoe mandeha any am-pasana izany ny olona izay niarahaba ny reniny efa maty ary miresaka aminy.Moa ve maheno ilay maty?Moa ve miteny ilay maty ?Ary moa ve mbola ao am-pasana ilay reny izay maty ?
(l)niryna

Maheno ny maty, tsy miteny izy fa afaka mampita hafatra amin'ny fomba maro samihafa. Afaka miteny mivantana koa anefa izy amin'ny alalan'ny tromba raha toa ka avo fiasinana ;-). Io no atao hoe "X factor". 8)

Ahoana koa izany,maheno kanefa tsy miteny:roll:
Na maheno dia miteny koa izany,na tsy maheno dia tsy miteny.Afa ilay moana na marenina? sa ahoana ?Tromba izany ve tsy hipetrahan-javatra?Dia iza no mipetraka ao amin'ilay olona? Herin'Atra sa hery hafa?

18. ikaretsaka ( 18/05/2007 21:16)
fa alohan'ny handehanana lalindalina dia ataoko angamba fa tsara ny mahafantatra hoe rehefa miresaka na manao zavatra tsy voazavan'ny saina sy ny baiboly akory dia hoe zava-devoly!
raha izany manko dia asa-devoly hatr@ lampy de posy!
gaga be za fa mba nihodina tany atsimon'i amerika tany dia sendra ilay olona hoe mpivavaka be (amish) hono dia manao izany!
rehefa tafahoatra ange izy ity... manondrana e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887