Kristy

1. nathie86 ( 15/05/2007 07:45)
Andriamanitra iany v i Kristy, sa misy aloha Andriamanitra dia avy eo I Jeso Kristy ilay zanany lahy tokana ?
répondu par diamondra27 le 19/05/2007 11:40
2. sonwin ( 15/05/2007 08:05)
Andriamanitra Ray,
Andriamanitra Zanaka,
Andriamanitra Fanahy Masina,
Andriamanitra Tokana olona telo


Mety hisy Témoin de Jehovah handalo tampoka eo dia handà ireo rehetra nolazaiko ireo:°), ny tsy mpino moa dia izy aza efa tsy mino koa :^)
3. nathie86 ( 15/05/2007 08:16)
ay ilay fanahy koa olona iany iii
4. cristal ( 15/05/2007 08:49)
(l)(l)(l)Tany aloha ao @ Genesisy dia miteny ANDRIAMANITRA manao hoe \"...HANDEHA ISIKA HANAO OLONA TAHAKA ANTSIKA...\"izany hoe efa nisy Kristy,nisy fanahy masina,eo koa ny Ray,nanome mpaminany izy ireo mba hanintsy ny fiainan\'ny olona,sy mba ahatsiaro fa misy IZY ANDRIAMANITRA,nefa noho ny hamafin\'ny fon\'ny olona dia nohalefana ny didy(DIDY 10)izay nanehoan\'Andriamanitra fa izy no mibaiko ka tokony ho tanteraka isika noho ilay fofon\'ain\'Andriamanitra!Noho ny fialanenina ataon\'Andriamanitra dia niseho vantana izy dia i JESOSY Kristy izany,ny didy dia vaovao mba ho marika fa tia antsika IZY,\"FA IRETO NO MITOETRA ANKEHITRINY DIA NY FINOANA,FANANTENANA,FITIAVAN, fa ny fitiavana no lehibe indrindra\"!Nefa mbola nolavintsika olombelona ihany IZY,dia hoy Jesosy raha handeha aho dia tsy hamela anareo ho irery sy kamboty fa handefa ilay lehibe noho hy,dia ny FANAHY MASINA io,izy indray ankehitriny no miasa mba ampitombo ny finoantsika an\'ANDRIAMANITRA!Aoka ho fantantsika fa ny zanaka mitory ny Ray ary ny ray ao amin\'ny zanaka,ny zanaka mankalaza ny fanahy!Miara mias izy izay no maha andriamanitra telo zay iray azy,satria,araky ny fotoana sy ny fivoaran\'ny olona no san\'Andriamanitra;TSAROVY FA IZAY MINO NO HOVONJENA FA IZAY TSY MINO KOSA NO HOMELOHINA,(l)(l)(l)
5. nathie86 ( 15/05/2007 09:05)
betsaka b zany Andriamanitra ra izany satria hoe "ISIKA"
nanao olona tahaka azy izy dia isika zany, Kristy zany dia fanahy nasiana nofo olona fotsny ra izany an
6. prime ( 15/05/2007 11:11)
Misaotra an'i nathie amin'ity lohahevitra ity...

Raha ny lazain'ny soratra masina dia tena Andriamanitra feno mihitsy i Kristy ary Izy rahateo no fototr'izao hary rehetra izao no sady ho Azy rahateo koa...

"Ary fantatsika fa tonga ny Zanak'Andriamanitra ka efa nanome antsika ny fahazavan-tsaina, mba ho fantatsika ilay marina; ary isika ao amin'ilay marina, dia ao amin'i Jesosy Kristy Zanany. Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay." I Jaona 5:20
7. Fiffi ( 15/05/2007 13:23)
sonwin:

Andriamanitra Ray,
Andriamanitra Zanaka,
Andriamanitra Fanahy Masina,
Andriamanitra Tokana olona telo
ary Jesoa Kristy zanany lahitokana Tompontsika......


8. nathie86 ( 15/05/2007 14:24)
Prime ndray ndray ôtrny mahatonga hiteny hoe aleo mino fotsny d zay fa tsy asiana resaka nefa ra izany dia afaafa hoe tsy fantatrao akory izay inoanao. Na lasa dogme fotsny iany lay izy.
Zany hoe refa zak'Atra zany dia Atra, otrny hoe zanak'olombelona d olombelona. Nefa ny Andriamanitra ane fonction eh
9. xxx ( 15/05/2007 23:43)
nathie86: Mba hazavao kely aloha izay tianao lazaina amin'ny hoe:
Nefa ny Andriamanitra ane fonction eh


10. niryna ( 16/05/2007 06:40)
Misaotra cristal a
Andriamanitra,Zanaka ary ny Fanahy Masina dia iray ihany hoy ny baiboly.Izay mino ny telo izay iray.

Rehefa mamaky ny baiboly sy mandalina azy isika dia hita mazava izany.Andriamanitra no nampiseho ny tenany ary hita ao amin'ny TT izany.Izy niresaka tamin'i Mosesy ohatra,na Abrahama.Ny Isaia mpaminany koa dia nanambara ny hiavian'i Jesosy izay atao hoe Emanoely :arrow:Andriamanitra dia miaraka amintsika no dikany(God is with us).
Jaona 1 1-4 moa dia manambara mazava fa tamin'ny voalohany ny Teny,ary ny Teny dia tao @Atra ,ary ny teny dia Atra....Izy no nahariana ny zavatra rehetra ary raha tsy izy dia tsy nisy nahary izao rehetra izao na dia iray aza."
Io ilay Atra,Fanahy Masina ary Jesosy.Raha tsy nisy ny Fanahy Masina dia tsy nisy izao rehetra izao.Gen1:2,Joba 33:4,tsy nisy ny baiboly 2Pet1:21,tsy nisy ny finoana,ny olom-baovao(new birth),tsy nisy ny kristiana,tsy nisy ny TV Jaona 14:26,tsy nisy ny hery(power)Asa 1:8.
Andriamanitra izany dia Fanahy 1T3:16.
Andriamanitra dia tonga nofo:arrow:Jesosy tonga nofo ary rehefa maty izy nitsangana ary niakatra tany an-danitra.Vakio 1 Jaona 5:7-10:D
11. nathie86 ( 16/05/2007 07:47)
lay hoe fonction dia oh mpitsar (juge) ny fonction an'iny rangaha iny.
12. prime ( 16/05/2007 12:50)
nathie86: izaho manaiky izany lazainao izany fa ilay fanontanianao no novaliako...
nathie:
Prime ndray ndray ôtrny mahatonga hiteny hoe aleo mino fotsny d zay fa tsy asiana resaka nefa ra izany dia afaafa hoe tsy fantatrao akory izay inoanao. Na lasa dogme fotsny iany lay izy.
... Tsy dogme izany kah, tenin'Andriamanitra mihitsy no milaza hoe Andriamanitra feno i Kristy, ny hoe ahoana indray ny fomba fiasany dia zavatra hafa indray fa ilay identité fotsiny aloha no lazain'ny Tenin'Andriamanitra nomeko io...
nathie:
Zany hoe refa zak'Atra zany dia Atra, otrny hoe zanak'olombelona d olombelona. Nefa ny Andriamanitra ane fonction eh
... Ekena raha izay no fahitànao azy nefa tsy fonction fotsiny kosa ny mahaAndriamanitra an'Andriamanitra kanooo... sa ts'izany? hoy mantsy ny Tenin'Andriamanitra :

"Andriamanitra dia Fanahy; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana." Jaona 4:24... tsy fonction intsony fotsiny Izy indray izao eo ohatra fa tena "but, finalité, raison d'être" mihitsy Andriamanitra... sa ahoana hoy ianao?
13. nathie86 ( 18/05/2007 08:08)
Ok misaotra ani Prime za @ ireo.
Za aloha tsy dia mamaky Baiboly firy fa mihaino tsara kosa ny torinteny isak'ny Alahady sy ny @ haino amanjery sy ny any anaty site isankarazany reny.
Ny point de vue ko zany le hoe Fonction Andriamanitra satria ôtr'zay no fahazoako azy matetika refa mihaino za. Na io tenin'ny SM lazainao io ary dia mbola misy mampiseho iany hoe Asa no atao hoe Andriamanitra fa saingy kosa mampivoatra izy hoe Masina izy ary izy no mahatoy izao antsika.
Ok e:-*
14. ikaretsaka ( 18/05/2007 21:31)
andriamanitra aby ireo ka.. fa samy mi manifeste araka ny zavatra mitranga sy ny fika famppitany hafatra ho an'ny zava-boahariny ary ny hafatra tiany ampitaina
15. diamondra27 ( 19/05/2007 11:40)
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m45de90ef35386
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4373