Tsipona baibolista!

1. Rasiligaoma ( 30/04/2007 19:02)
Mba mba ampianaro aho e...ampio aho hitsimpona fa hita mihitsy hoe tsy mpitsimpona... :cry:

1) Raha mamaky ny Matio 2:23 dia misy ao manao hoe \"..ary antsoina hoe Nazareanina izy araka ny tenin\'ny mpaminany\"
Mpaminany iza kay no niteny an\'io dia ao amin\'ny boky aiza no misy an\'io teny io ao @ testamenta taloha kay? :?:

2)Matio 23: 2-3 : ilay misy resaka hoe naka ny sezan\'i Moizy (mosesy)... aiza kay no misy nilaza hoe mipetraka eo @ sezan\'i Moizy ny olona rehefa olo-manan-kaja sy mpanora dalana sy mpitondra fivavahana t@ izany andro izany, dia inona izany sezan\'i Moizy izany, dia misy soratra masina na nisy lalana miteny momba izany ve hoe sezan\'i moizy ny fipetrahan\'ireo, any @ testamenta taloha?:?: nanaovan\'i Jesoa reference teo?

3) 1 Korintianina 10:4 :nataon\'i Paoly reference i jesoa hoe misy vato hamoaka rano velona tany sinai nokapohin\'i Mosesy t@ hazony.. toko aiza koa kay no misy an\'io dia bokin\'iza t@ ilay tantaran\'ny jiosy niala tany Ejipta?

4) 2 Timoty 3:8 Jannes sy Jambre nanohitra an\'i Mosesy??? iza aloha ity Jannes sy Jambre.. dia nanohitra an\'i mosesy ahoana? dia aiza ho aiza ao @ tantaran\'i mosesy tokoa no misy an\'izany?

Ampijalian\'ny jiosy aho fa ampio e:roll:
Misaotra betsaka mialoha !:-*
répondu par ikaretsaka le 18/05/2007 21:13
2. cutie ( 30/04/2007 19:23)
tsy mila ampianarina mitsimpona ianao ry rasily fa mila mandalina mitsy :-D
3. Rasiligaoma ( 01/05/2007 12:30)
ndao aloha hitsimpona ary
4. cutie ( 01/05/2007 15:30)
za kamo :-D
5. niryna ( 01/05/2007 17:04)
Rasiligaoma:

Mba mba ampianaro aho e...ampio aho hitsimpona fa hita mihitsy hoe tsy mpitsimpona... :cry:

1) Raha mamaky ny Matio 2:23 dia misy ao manao hoe "..ary antsoina hoe Nazareanina izy araka ny tenin'ny mpaminany"
Mpaminany iza kay no niteny an'io dia ao amin'ny boky aiza no misy an'io teny io ao @ testamenta taloha kay? :?:

Izany dia hita ao amin'ny Asan'ny apostoly 24:5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko arao hoe Nazarena "
sy ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha Isaia 11:1 izay milaza ny amin'ny famonjena hataon'Ilay solofon'i Davida.Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese.Io tenin'ny mpaminany io dia manambara fa Jesosy kristy dia olona avy ao Nazareta ka ny taran'i Davida dia hitondra sy hifehy izao tontolo izao.700 taorian'izay dia teraka i Jesosy.
^:^
6. niryna ( 01/05/2007 17:55)
Rasiligaoma:

Mba mba ampianaro aho e...ampio aho hitsimpona fa hita mihitsy hoe tsy mpitsimpona... :cry:
3) 1 Korintianina 10:4 :nataon'i Paoly reference i jesoa hoe misy vato hamoaka rano velona tany sinai nokapohin'i Mosesy t@ hazony.. toko aiza koa kay no misy an'io dia bokin'iza t@ ilay tantaran'ny jiosy niala tany Ejipta?

Ao anaty Eksodosy Izay nitantara ny nanomezan'Atra ny Israely rano avy tamin'ny vatolampy.
Eksodosy 17:6 Ary indro ,hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho dia hikapoka ny harambatao hianao ,ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona.Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Israely.

4) 2 Timoty 3:8 Jannes sy Jambre nanohitra an'i Mosesy??? iza aloha ity Jannes sy Jambre.. dia nanohitra an'i mosesy ahoana? dia aiza ho aiza ao @ tantaran'i mosesy tokoa no misy an'izany?

Ireo olona ireo dia mpampianatra diso tao am-piangonana.(false teachers in the church)izay mampianatra vilana ny tenin'Atra.
Mbola hita ao amin'ny Eksodosy 7:11,raha samy nanipy ny tehiny tamin'ny tany avy ireo olon-kendry nalain'ny Farao dia niova ho bibilava ilay tehina kanefa kosa nohanin'ilay bibilavan'i Mosesy na tehina nivadika ho bibilava ilay an'ny olon-kendry(mpanao magie,mpisikidy,mpanao ody)
Eksodosy 7:11-12 Dia nampanalain'i Farao ny olon-kendriny sy ny mpanao ody ,ary ireo ombiasy teo Egypta ireo ia nanao toy izany tamin'ny fankatoavany.Fa samy nanipy ny tehiny avy ire ireo ka tonga menarana ireny ,nefa ny tehin'i Arona nitelina ny tehin'ireo. ary mifampitohy ihany any amin'ny
2 Timoty 4: 3-4fa ho avy ny andro izay tsy ahazakan'ny olona ny fampianarana ny teny tsy misy kilema,fa hangidihidy sofina izy dia hamory mpampianatra ho azy araka ny filany,ary hampiala ny ny sofina amin'ny teny marina tokoa izy ka hivily amin'ny anganoangano.

Tohizon'ny hafa indray ary ny manaraka:D
7. booboo ( 01/05/2007 18:49)
Rasiligaoma > hihihi mampahatsiahy ahy fanadinana sekoly alahady lé raha
8. Rasiligaoma ( 01/05/2007 20:13)
niryna>
misaotra. fa mba afaka velarina lalindalina ve?

3) inona kay no ifandraisan'ilay vato sy i Jesoa?

4) Dia taiza ho aiza tao ao no nilaza hoe i Jannes sy i jambre no anarany kay>, dia ahoana ny fomba nahalalalany sy nitenenan'i paoly fa izy ireo nefa tsy nisy filazana mihitsy ao (Eksodosy) hoe izany ny anarany?

1) ny asan'ny apostoly angamba taty aorianan'ny nahaterahan'i jesoa vao nisy ry niryna o?:-P
9. cristal ( 03/05/2007 10:20)
(l)(l)(l)Rasiligaoma,za tsy mahay tahaka anao fa rehefa tsy mazava dia vakiako daholo ny atoko sy andininy rehetra ao @ le boky oh;misy tsy azoko ao amin'ny MATIO dia vakiako daholo ny MATIO toko 1 ka hatrany @ MATIO toko farany indrindra,sady manampy anao koa izany ahalala ny sitrapon'ANDRIAMANITRA,fa raha hitsipona dia mety ny heviny diso no azonao,mangataha koa fitarihana avy @ FANAHY MASINA E!mazotoa e!(l)(l)(l)
10. lapino ( 03/05/2007 11:01)
1) Tsy misy milaza mazava hoe "hatao hoe nazareana" ao amin'ny testamenta taloha. Angamba misy bokin'ny mpaminany tsy ao anatin'ny baiboly, na misy faminaniana tsy voasoratra ... ?

2) Ilay resaka sezan'i Moizy, tsy zavatra misy iaraha-mahita sy iainan'ny olona amin'ilay fotoana ilazany an'io ve izany ?

3) inona kay no ifandraisan'ilay vato sy i Jesoa?
I Jesoa ilay vatolampy :)

4) Tsy misy tantara miresaka an'i Jana sy Jambra koa

11. ikaretsaka ( 03/05/2007 12:09)
Efa tsinjotsinjoko ny hiafaran\'ity resaka ity;:wink: fa rehefa mandinika baiboly dia mila mivoaka sy mijery azy ivelan\'ny maha baiboly azy koa indraindray. jerena ny ara-tantara indrindra indrindra,

ny atao hoe \"Tenin\' Andriamanitra \" manko aloha dia tsy izay voasoratra ihany., fa na i joany aza anie efa niteny an\'io ary @ faran\'ny evanjeliny fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ...

Fantatsika koa fa nampiasa fomba maro Andriamanitra rehefa miteny tamintsika:
Tamin\'ny mpaminany, tamin\'ny anjely sy ny Fanahy masina, Tamin\'ny tranga isan-karazany...
ary ny sasantsasany IHANY no voasoratra, dia avy eo mbola nofantenana koa

1) ilay fanontaniana voalohany sy faharoa ary faha efatra
lapino:
Angamba misy bokin\'ny mpaminany tsy ao anatin\'ny baiboly, na misy faminaniana tsy voasoratra ... ?


Eny! any @ tradition rabbinique ireo

Nisy faminaniana betsaka tokoa voasoratra fa tsy noraisina sy natao tao anaty baiboly fotsiny t@ ny konsilin\'i Carthage (nanapahana hevitra hoe ireto boky ireto aby no tazonina sy tsy hotazomina ) ka anisan\'izany io heo jesoa nazareanina sy \"sezan\'i mosesy, Jana sy jambra...


ilay vatolampy> samy voalaza ao anaty baiboly fa Jesoa dia natao vatolampy, dia i Piera koa
12. LazaDaddy ( 03/05/2007 13:21)
iza aloha ity Jannes sy Jambre..
ireo anisan'ilay mpanao fahagagana an'i Farao nifaninana tamin'i Mosesy. (Eksaodosy 7:11)
Matio 23: 2-3 : ilay misy resaka hoe naka ny sezan'i Moizy (mosesy)... aiza kay no misy nilaza hoe mipetraka eo @ sezan'i Moizy ny olona rehefa olo-manan-kaja sy mpanora dalana sy mpitondra fivavahana t@ izany andro izany, dia inona izany sezan'i Moizy izany,
Na dika "siligaoma" ve izany fahazahoanao azy izany sa? :). Ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana noresahin'i Jesoa eto. Ny marimarina kokoa dia "mpampianatra ny lalana" fa tsy mpanoratra. Amin'ny toerana maha "mpampianatra" azy ireo dia izay ilay toeran'i Mosesy ipetrahany. Toeran'ny mpampianatra, mpitondra fivavahana, zokiolona, ray aman-dreny ara-panahy. Saingy indrisy fa nitari-bato vilam-bava raha tohizanao vakiana ilay tantara.
13. niryna ( 03/05/2007 15:10)
niryna:

Rasiligaoma:

Mba mba ampianaro aho e...ampio aho hitsimpona fa hita mihitsy hoe tsy mpitsimpona... :cry:

1) Raha mamaky ny Matio 2:23 dia misy ao manao hoe "..ary antsoina hoe Nazareanina izy araka ny tenin'ny mpaminany"
Mpaminany iza kay no niteny an'io dia ao amin'ny boky aiza no misy an'io teny io ao @ testamenta taloha kay? :?:

Izany dia hita ao amin'ny Asan'ny apostoly 24:5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko arao hoe Nazarena "
sy ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha Isaia 11:1 izay milaza ny amin'ny famonjena hataon'Ilay solofon'i Davida.Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese.Io tenin'ny mpaminany io dia manambara fa Jesosy kristy dia olona avy ao Nazareta ka ny taran'i Davida dia hitondra sy hifehy izao tontolo izao.700 taorian'izay dia teraka i Jesosy.
^:^



Rasily a marina ve aloha io voalohany io?
14. ikaretsaka ( 03/05/2007 15:30)
Ilay jannes sy jambre. raha mamaky baiboly dia tsy hita ao mihitsy na ao @ eksaodaosy 7:11 aza dia tsy nisy niteny hoe izany ny anaran'ireo

niryna> testamenta taloha kosa no referansa tadiavin'ilay olona re ka asan'ny apostoly ve any @ testamenta taloha fa ianao koa an!

Fototri jese angaha nazareta moa?:roll:

15. niryna ( 03/05/2007 17:25)
Ika a petera tsy vatolampy izany fa Jesosy irery no na vatolampy na rock, nanazava an'i petera fotsiny fa tsy nisy porofo na iray aza nilaza fa vatolampy koa i Petera raha atao ara-bakiteny dia Peter=pierre=rock .
16. niryna ( 03/05/2007 17:27)
LazaDaddy:

iza aloha ity Jannes sy Jambre..
ireo anisan'ilay mpanao fahagagana an'i Farao nifaninana tamin'i Mosesy. (Eksaodosy 7:11)
Matio 23: 2-3 : ilay misy resaka hoe naka ny sezan'i Moizy (mosesy)... aiza kay no misy nilaza hoe mipetraka eo @ sezan'i Moizy ny olona rehefa olo-manan-kaja sy mpanora dalana sy mpitondra fivavahana t@ izany andro izany, dia inona izany sezan'i Moizy izany,
Na dika "siligaoma" ve izany fahazahoanao azy izany sa? :). Ny Fariseo sy ny Mpanora-dalana noresahin'i Jesoa eto. Ny marimarina kokoa dia "mpampianatra ny lalana" fa tsy mpanoratra. Amin'ny toerana maha "mpampianatra" azy ireo dia izay ilay toeran'i Mosesy ipetrahany. Toeran'ny mpampianatra, mpitondra fivavahana, zokiolona, ray aman-dreny ara-panahy. Saingy indrisy fa nitari-bato vilam-bava raha tohizanao vakiana ilay tantara.



misaotra laza a .
17. ikaretsaka ( 04/05/2007 03:41)

tsy voalaza mihitsy aloha hoe izany jannes sy jambre izany ny anaran'ireo 2 lahy ao @ eksaodosy 7:11 e.. roalahy fotsiny ny teny ao fa tsy misy porofo mazava hoe izany no anarany jannes sy jambre, fa i Paoly no niteny an'ireo.. tsy haiko hoe taiza ny soratra masina namakiany sy nahitany ireo anarana ireo! inoako fa tsy baiboly!

any anaty torah sy lalana rabinika (rabbinic law) dia voalaza fa mipetraka eo @ sezan'i Moizy ny olona rehefa manankaja.. hain'i jesoa izany.. namaky toraha izy matoa nahay izany fa tsy baiboly, torah sy traditions no nanaovany reference fa tsy baiboly
18. ikaretsaka ( 04/05/2007 03:58)
niryna:

Ika a petera tsy vatolampy izany fa Jesosy irery no na vatolampy na rock, nanazava an'i petera fotsiny fa tsy nisy porofo na iray aza nilaza fa vatolampy koa i Petera raha atao ara-bakiteny dia Peter=pierre=rock .


Oadray ry Niryna: za tsy baibolista indray ity no mahita

i Jesoa mihitsy no niteny sy niantso an'i Petera hoe Cephasy (rock) @ teny grika!
ary nanova ny anarany ho Piera (simona no tena anarany)

Matio 16, 17-18
17 Dia namaly Jesoa ka nanao taminy hoe: Sambatra hianao, ry Simona Bar-jona ( zanak'i Jona bar=zanaka no dikany @ teny arameanina sy hebrio) ; fa tsy nofo aman-dra no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.

18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Piera izany hoe vatolampy , ary ambonin'izany vatolampy izany no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy.


ary mbola misy eo @ 19
:-*
19. niryna ( 04/05/2007 06:48)
Ika a eo ambonin'ny vatolampy no haoriko ny fiangonako.
Anao sekoly ahalahady kely isika dahy.Vakio:
Det 32:4, 2 Sa 22:2, Sal 19:14.
Jesosy irery ihany no vatotalampy fanorenana ny fiangonana ary Petera dia nilaza fa Jesosy dia vato velona. 1 Pet 2 :4-5.
Ny fahalalako azy dia nataony ho mari-pototra toy i Petera izany ny fiangonana .Petera dia vatokely na stone no dikany fa tsy izy no vatolampy ka.Tsy misy ao amin'ny baiboly milaza fa i Petera dia manana fahalalana tahaka an'i Jesosy(authority).Raha izany dia lasa mifamadika indray izany ny fahefana hananan'izy sy Jesosy.
20. niryna ( 04/05/2007 07:02)
niryna:

1) Raha mamaky ny Matio 2:23 dia misy ao manao hoe "..ary antsoina hoe Nazareanina izy araka ny tenin'ny mpaminany"
Mpaminany iza kay no niteny an'io dia ao amin'ny boky aiza no misy an'io teny io ao @ testamenta taloha kay? :?:

Izany dia hita ao amin'ny Asan'ny apostoly 24:5 Fa io lehilahy io dia hitanay fa tena ratsy fanahy sady mampikomy ny Jiosy rehetra eny tontolo eny, ary izy no tari-dalan'ilay antoko arao hoe Nazarena "
sy ny mpaminany ao amin'ny Testamenta Taloha Isaia 11:1 izay milaza ny amin'ny famonjena hataon'Ilay solofon'i Davida.Ary hisy Solofo mitsimoka eo amin'ny fototr'i Jese.Io tenin'ny mpaminany io dia manambara fa Jesosy kristy dia olona avy ao Nazareta ka ny taran'i Davida dia hitondra sy hifehy izao tontolo izao.700 taorian'izay dia teraka i Jesosy.
^:^
[/quote]
Ny tiako ho tenenina eto dia hoe Jese na rain'i David no nipohiran' i Jesosy na tsy rainy tanteraka aza i Josefa.Jesosy zanak'i Abrahama sy Davida Gal 3:16. Mark 1:6.
Gen 12:3 Isaia 11:1,10 Isaia 7:14 teny izay hilazana fa avy amin'i Jese no solofo hipoiran'i Tompo.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0578